zazakely amambolana mitohana

1. Solo2 ( 02/03/2010 06:14)
Salama daholo,

Mba saika hila hevitra aminareo fa mitohana MATETIKA ilay zazakeliko 3 volana. Efa nandramana nasiana goute voasary makirana ihany indraindray fa tsy nety; voatery naampiasa ilay karazana suppo maxilase iny, nefa matetika loatra ilay fitrangany. Sao misy mahafantatra remede gasy, naturelle, tsy mamapiasa fanafody.

Misaotra indrindra
novalian'i mabloo ny 17/05/2010 14:02
2. Ratoa ( 02/03/2010 12:32)
voasary loranjy (orange) atao fa tsy citron. Ny anay savony barday (ilay manga sy fotsy iny) no rangitina ho lavalava kely tokony ho 5cm/ 1cm ny lohany dia atao suppositoire. Tsy asitrika any daholo akory fa tazomina tsara amin'ny tanana mandritry ny minitra vitsivitsy, rehefa hita na tsapanao fa te hivalana ny zaza. manantona koa pédiatre fa sao tsy mahalevokanina izy na madity lotra ny ronono sns...
3. Lejoba ( 03/03/2010 11:52)
raha zaza minono dia ny sakafon-dreniny amboarina : misotro rano betsaka, mihinana haricots verts, poireaux... (fibres), dia ampisotroy rano mihitsy ilay zaza, raha mihinana biberon, ovay hépar ny rano
4. arialy ( 08/03/2010 16:56)
tena efa nanana anio olana io koa ny zanako tam fahakeliny fa sia araka io tenin'i Lejoba io no natao, nihinana fibres sy vosary sns zà napinono ary natao hépar ny rano rehefa biberon.
io koa ozy ny pédiatre rehefa oe kanety kely no mivoaka avy ao zay vao oe mitohana fa raha mbola selles normales fa in-1 isaky ny 2andro mbola tsy dia maninona, raha toa ka selles débordantes tous les 2jours.
5. maryline ( 11/03/2010 23:58)
Ravin- tsalady no ampangotrahana de ampisotroina azy koa dia mety !
Mirary soa
6. flodine ( 12/03/2010 17:42)
arialy:

tena efa nanana anio olana io koa ny zanako tam fahakeliny fa sia araka io tenin'i Lejoba io no natao, nihinana fibres sy vosary sns zà napinono ary natao hépar ny rano rehefa biberon.
io koa ozy ny pédiatre rehefa oe kanety kely no mivoaka avy ao zay vao oe mitohana fa raha mbola selles normales fa in-1 isaky ny 2andro mbola tsy dia maninona, raha toa ka selles débordantes tous les 2jours.




Mba azavao re ilay hoe rano hepar?
7. arialy ( 13/03/2010 06:43)
flodine< eny am grande surface no tena misy azy io, rano be magnésium mihoatra ny sasany, ka hany mandevonkanina tsara , tsy aiko raha misy équivalent anio ny any amin'ny misy anao.
mirary soa
8. hery ( 13/03/2010 07:00)
Aza dia mitaintaina loatra koa anefa fa indraindray toa izany ihany ny rythme-ny. Ny anay ny zaza tamin'ny faha 2-3 volana tany misy herinandro tsy mikapa indraindray. Nitaintaina ihany kanefa nolazain'ny dokotera hoe arakaraka ny toetran'ny taova ao anatiny ao. Izy minono tsara sy mitombo tsara ary tsy hita hoe mitaraina. Taty aoriana izy dia lasa normal tsara amin'izay (indray isanandro).

9. mabloo ( 17/05/2010 14:02)
marina mitsy le voalaza etsy ambony io fa nandalo tamin'io ny zanako , eau d'hepar no nasain'ny medecin omena azy foana atao rano fisotrony , rano riche en magnesium le izy ! sinon misy suppo zay ko nasain'ny novidiana suppo na glycerine le izy !! fa rano ihany no fanafodiny io e!! ny reniny ko mila minana le sakafo genre poireaux, pruneaux reny !! fa dia ataovy fahazarana io hepar io fa dia mijaly loatra mitsy ny zaza raha manao an'io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1944