miala sakana" âge béte"

1. 08051972 ( 13/01/2010 19:55)
Miarahaba e! mitovy fôna ve ny fahasarotan'ny fitezana zaza 15 à 18 ans aty France sy any Dago sa izah no manasaro-javatra sady sarintahotra? Mba valio rà mba misy mananjanaka entre 15 &17 ans fa mila fanampina e! :idea: :idea:
novalian'i soanja ny 09/07/2010 01:18
2. xxx ( 19/01/2010 09:37)
en générale ça dépend dans quel situation lé famille, fa amiko manokana alo ny mitaiza adolantsento any dago mora koko e ny ankizy aty bé famalina bé lotra sady diso tafaotra, nefa inao ray amandreny koa tsy afaka mikapoka anazy ratsy zany dia bediny fanjakana na alany aminao lé zaza tezainao tandis que any dago ianao afaka kapohina aminy fehikibo tsara mintsy izy ra maditra
3. Ratoa ( 23/01/2010 22:06)
Tsy mety mihitsy izany mikapoka izany.
Ny zaza tonga eo amin'nio taona io dia mbola eo ampitadiavana ny maha izy azy ka tsy hitany izay hasian'ny tenany. Matetika izy no mandà izay lazain'ny raiamandreny satria satria tsapany koa fa tsy tena azon'ndry zareo ny mahazo azy dia mitady fanampiana any ivelany izy, namana, raiamandrenin'ny namana.
Sarotra dia sarotra ny mitaiza aty Frantsa satria ny zaza frantsay dia amporisihana hizaka tena ary manana fahafahana bebe kokoa.
Samy ny fitaizana roa. Ny gasy mamehy mafy, ny frantsay mamela betsaka.

Ny fahaizanao maka ny fony sy miresaka mainy ary mahatsikaritra hoe mandainga izy, rehefa inona izy no mandainga, nahoana izy no midrikona sy mamalivaly. Iza no olona aliny tahaka.

Mazotoa miresaka aminy amin'ny fo tony ary ampisehoy fitiavana izy kanefa aza mampiahanta .

Ary koa: arakara - tarehy voanjavatra
4. soanja ( 09/07/2010 01:18)

[quote]
dia bediny fanjakana na alany aminao lé zaza tezainao
[quote]

Ka matoa tsy mamela ny fanjakana dia ao raha. Tsy mitondra ny ankizy mankaiza ny fikapohana satria lasa matahotra izy dia tsy manao izay tiany atao. Fa raha fantany tsara ny antony tsy hamelana azy hanao ny zava-tsy-mety iray dia izy ihany dia hahalala fa tsy tsara ny manao izany amin'ny fony.

Raha ny zaza no be famaliana dia satria manana ny heviny izy. Fantaro izay heviny izay sao mety mahasoa kosa. Avelao izy ahita ny mangidy koa mba hahala ny marina. Io taona fialana sakana io dia tsy azo itsarana ankizy mihitsy fa rehefa tapitra io vao afaka miteny ianao raha nitaiza ny olona iray ho olom-banona na tsia.

Ary ny ahafantarana fa tsara ny fitaizana amin'ny firenana roa na maromaro dia ny fijerena sy fampitahana ny fahatafitan'ny vokatry ny fampianarana isan-jato amin'ireo ankizy ary ny fivoatr'ilay firenena amin'ny ankapobeny. Raha be ny mpanendaka sy ny mpamono olona ary ny mangataka eny amin'ny arabe mihoatra amin'ny isan-jaton'ny tafita sy miroborobo ary milamina ara-piainana dia azo lazaina fa ny fanabeazana no fositra tamin'izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3127