ampitampitao hivelomana
1. itaramasoandro
(
11/01/2010 13:13)
hevitra noentiko teo @ tontolo iainana saingy arosoko eto fa mafy ny manjo.
tsy nisy nanohy ity hevitra momban'ny fandripahana ny alan'ny nosy ity ny namana teto @ serasera. sady mahatezitra no mampalaelo ny tsy fisian'ny hevitra mitohy momba io ary indrindra manoloana ny zava miseo anivon'ny atao hoe harenan'ny madagasikara iombonan'ny izao tontolo izao @-ntsika, satria tafiditra ho reharehan'ny fikambanam-be ny unesco ny alan'ny marojejy.
moa va re tsy misy mandraharaha mihitsy ny ho avy ny tontolo iainantsika ny namana etoana? @ fomba ahoana ny hanoizana ny fiainana eto @ nosy raha ripaka tsirairay ny ala fototry ny fiainana????
meteza re mamaky ity rohy manaraka ity ary miangavy anareo hieritreritra kely momba io ka amparitaka ny vaovao, izay indrisy tsy vaovao intsony, fa andohalika ny ranombary.
http://www.youtube.com/watch?v=rHYYhhLHeQw
8)

novalian'i itaramasoandro ny 15/01/2010 02:09
2. xxx
(
11/01/2010 15:01)
:) Tsy hoe mihomehy loza za a!
Efa mitaraina mafy enao ka dia ho valiako amin'ny fomba fijeriko azy.
Sarotra ny handà ny zavatra efa mibaribary, marina tokoa ny zavatra lazainao kanefa na hampalahelo anao aza dia tsy zavatra priorité amintsika gasy mihitsy io. Ny ala indray ve no tadiavinao ho karakaraina voalohany nefa olona firifiry, gasy firifiry no tsy mahita ho arapaka akory. Na ny sakafo ho anina androany androany aza anie tsy hita e!
Io lé ohatry ny hiran'i rossy fahiny e! nohanin-dramalagasy ny babakoto fa noana izy (lemurien io). Avy eo tonga ireto vazaha sy ny gouvernemanta malagasy hoe mila harovana ny babakoto. Ka normal kosa ary ve zany hoy enao. Ny olombelona aloha no tokony karakaraina voalohany, zay vao ny biby sy ny ala, sy ny sns....
Ka noho izany, mila harovana ny ala, dakoro za; mila harovana ny biby, dakoro zà fa ra-olombelona aloha no priorité voalohany. Raha toa moa ka mifandray ny intéret-ndraolombelona sy ny zava-boary dia izay no tena tsara.

3. itaramasoandro
(
11/01/2010 18:38)
Raha toa moa ka mifandray ny intéret-ndraolombelona sy ny zava-boary dia izay no tena tsara.
f'inona ity ataonao hoe tsy mifandray raha ( "raha" ho'a' fa tsy rà, sao dia avy dia hitako ny mety ho fitsaingokao ) ny olombelona sy ny zava-boary??? 8O
fefa adinonao va re fa ny voarin'ny ntaolo nolovain'ny taranaka izay mbola mirehareha ny mahagasy azy dia ny voary izay hisintonany ny finoany, ny fanafody fitsaboany, ny sakafo hivelomany, ny hazo hanorenany fonenana, ny akanjo, landy samihafa hitafiany, ny loharano sotroiny, ny lakana hitondrany ny fitaovana isan-karazany hivelomany, ny tany jinjainy, ny biby ompiany sy zahany - ankoatra ny gidro tonoininao ?...
tsy voatanisa ny fifandraisan'ny raha ny olombelona sy ny zavaboary ary manomboka @ faraventy kely izany ka hatr@ orana aman-drivotra ary ny masoandro antampon'ny loha izay mitondra tsirairay ny hery samihafa mamoy ny fiainan-draolombelona, ary tsy miavaka @ izany isika gasy.
adinonao koa va re fa raha tapaka ny iray @ ireo ambaratonga mampiodina hatrany ny fiainan'ny zava-boary sy ny olombelona ireo dia tapaka arak'izany ny fifandanjany ny tontolo iainany raha tapaka ny ala, vaky ny tany tsy misy mitana azy intsony, ripaka ny biby sy zavaboary ao @, lany ny otrikaina ao anatiny, very ny voly, maty tsy ampy homana ny biby fiompy ???
raha naona ny tantsaha sy ny mponina, tsy ra-vola ihany no antony fa ao koa raha mpanararaotra mandripaka ny tontolo fambolen'ny tantsaha, ao ny mpanaraotra mitrandraka tsisy alàlana ny faravazatany ny nosy hitady itony vato sarobidy, solintany, mica, volamena, hazo sy zava-maniry mitsabo aretina, itony mikatsaka ny harena ho azy manokana hivarotra ny tanindrazana amenoiny ny paosiny ka tsy misy miverina ho an'ny mponina na variraiventy akory aza.
dia malagasy tena malagasy ve ianao ka sahy milaza hoe tsy misy hifandraisany ny zava-boary sy raolombelona? fandrao lahy mandìka ny fiavian'ny tena ka ahitan-draharaha...
8)
4. xxx
(
12/01/2010 12:53)
:)
Henoko avy lavitra fa tena te hilaza mafy ny ao am-ponao enao amin'ity dinika nosokafanao ity.
Hany ka miteniteny fahatany fotsiny sy faly mitsikera be fahatany ny zavatra nolazaiko fa tsy manome vaha-olana na kely varaventiny aza. Tsy omeko tsiny anefa satria taratra mibaribary ny maha-malagasy anao izany.
Aiza ho aiza amin'ireo lazaiko ambony ireo aho no milaza aminao fa tsy misy hifandraisany ny zava-boary sy raolombelona.
Raha vakianao tsara izany ny zavatra lazaiko dia hoy aho hoe ra-olombelona aloha no tokony ho karakaraina voalohany, izay vao ny zava-boary. Raha toa moa ka mifandray zany hoa ireo intéret roa ireo dia izay no tena tsara.
Nalaiko moa ny ohatra hoe gidro satria tsy nifandraika tokoa tompoko ny interetn-draolombelona sy ny gidro teto. Norohaina tamin'ny fonenany nitoerany akitsirano tsotra izao ny olombelona fa hoe mila arovana ny gidro, nangalarin'ny fanjakana ny toerana fonenan'ireo olona ireo, tsy nahay nanoratra sy tsy nahay taratasy moa ry zareo ka dia namata-maty.
Ka averiko aminao etoana fa ny zava-boary tokoa no mamelona antsika kanefa hoa raha toa ka mbola maty noana aloha ra-malagasy satria tsy karakarain'ireto mpanao politika na koa angalarin'ireto mpanao politika ny kely mba hananany dia hoy aho hoe aleo ho aniny any ny gidro raha toa ka noana izy. Ny olombelona tompoko amiko manokana dia ambony noho ny biby eto an-tany.
Farany, mety lojika be angamba raha toa ka tsy misy mamaly anao ny namana mpisera eto satria ny politika izany no tena minday ity raha ty raha ohatra ka tiantsika hisy fiovany ny fianantsika rehetra na ny olombelona na ny zava-boary. :wink:

izaho ra-xxx:
Sarotra ny handà ny zavatra efa mibaribary, marina tokoa ny zavatra lazainao kanefa na hampalahelo anao aza dia tsy zavatra priorité amintsika gasy mihitsy io.
Raha vakianao tsara izany ny zavatra lazaiko dia hoy aho hoe ra-olombelona aloha no tokony ho karakaraina voalohany, izay vao ny zava-boary. Raha toa moa ka mifandray zany hoa ireo intéret roa ireo dia izay no tena tsara.
Nalaiko moa ny ohatra hoe gidro satria tsy nifandraika tokoa tompoko ny interetn-draolombelona sy ny gidro teto. Norohaina tamin'ny fonenany nitoerany akitsirano tsotra izao ny olombelona fa hoe mila arovana ny gidro, nangalarin'ny fanjakana ny toerana fonenan'ireo olona ireo, tsy nahay nanoratra sy tsy nahay taratasy moa ry zareo ka dia namata-maty.
Ka averiko aminao etoana fa ny zava-boary tokoa no mamelona antsika kanefa hoa raha toa ka mbola maty noana aloha ra-malagasy satria tsy karakarain'ireto mpanao politika na koa angalarin'ireto mpanao politika ny kely mba hananany dia hoy aho hoe aleo ho aniny any ny gidro raha toa ka noana izy. Ny olombelona tompoko amiko manokana dia ambony noho ny biby eto an-tany.
Farany, mety lojika be angamba raha toa ka tsy misy mamaly anao ny namana mpisera eto satria ny politika izany no tena minday ity raha ty raha ohatra ka tiantsika hisy fiovany ny fianantsika rehetra na ny olombelona na ny zava-boary. :wink:
5. itaramasoandro
(
12/01/2010 14:51)
raha namaly ny hevitro ianao dia tohana na voakitika, eny na kely fotsiny aza. izay dia ampy.
saingy ny hevitrao manao hoe ny olombelona aloha no tsinjovina, izay vao manaraka ny biby sy ny zava boary, dia mampiseo fa tsy anisan'ny tanjonao @ fiainanao ny fiarovana ny tontolo.
isan'andro dia maro ny zavatra azonao hatao hitandrovana ny tontolo iainana: miainga @ tsy fampiasana ny fiarakodia manokana be isakiny mihetsika, ny fiborosina nify sy fanontsanambava @ rano noferana @ kaopy iray fa tsy mamela rano mikoriana, toy izay koa ny fidobadobana rehefa midio, ny fampiasana voafetra ny zavatra vita @ solintany ary ny fanavahana azy ireo mba tsy ho very manerana ny ala sy ny zavaboary,...
maro ireo azo atao ary ny mampita itony resaka sy horonantsary voatondro ery ambony dia tafiditra ao anatiny azo hatao miainga avy @tsirairay.
tsy mety hifanaraka hevitra isika satria amiko dia ambony ohatran'ny olombelona ny zavaboary hiainany satria tsy hafa mivelona izy raha tsy voakolokolo ny manondidna azy.
raha misy maro ny olona manaraka izany @ toerana, faritra na firenena iray dia ampy ho hery misakana ny fitondrana ao @ toerana io andindra ny fiaian'ny mponiny @ zavaboary.
8) :lol: :lol: :lol:

6. xxx
(
12/01/2010 16:26)
Sarotra tokoa ny hitovin'ny hevitr'isika raha izay no mahafaly anao.
Rehefa mamakafafaka hevitra tompoko dia azavao tsara ilay izy fa aza afangaro daholy.
Ny tontolo iainana eto madagasikara no resahinao dia resaka olombelona eto madagasikara izany no resahintsika. Ka averiko ihany ny hevitro hoe: raha toa ve ka na ny sakafo ho arapaka androany aza tsy hitan-dramalagasy, ny tontolo iainana indray no tadiavinao ho karakaraina voalohany. Ny alika sy ny kisoa izany aminao ambony noho ny olombelona gasy???? :D Rehefa noana ra-malagasy satria tsy manana asa, tsy mahay taratasy, tsy manana vola dia aleo ho aniny any izay gidro any.
Hafa indray ny resantsika raha toa ka tany efa mandroso no resahina, izany hoe raha pays industrialisé sa ve efa pays industrialisé i madagasikara fa enao irery ihany no malala an'azy???? :lol:
Farany, vaha-olana mari-pototra hoa alefa fa aza faly mitsikera fotsiny fa io ihany no tsy mampandroso antsika malagasy mianakavy fa tsy resaka boroso nify no resahinao amiko eto. :D

7. itaramasoandro
(
12/01/2010 16:50)
ny tontolo iainana indray no tadiavinao ho karakaraina voalohany
heveriko fa ndoton'ny zavatra sy hevitra hafa mihitsy ny sainao tsy mety mandray ny voalazako hoe: ambony toa ny olombelona ny zavaboary. izany hoe, mitovy lahatra satria samy voary miara-miaina anaty tontolo iray.
toa izany ny fiainantsika malagasy hatr@ izay fa ny fiazakazahana @ itony hoe fandrosoana araka ny hevitry ny tandrefana itony no vao miemahamahantra antsika.
jereo fa ireo tany mandroso ankehitriny dia miverina miaro izay mbola azony harovana ka haleony mitrandraka ny any @ hafa, mamela ny fakony any @ tany mahantra, mamotika ny tany, harena sy finoan'ireo mponina, dia avy eo mody hoe "manampy anareo izahay, mamororona asa"... asa aiza? @ karama manao ahoana? nday!
namelatra lavitra ny hevitro aho saingy tsy hitanao ny fifandraisan'ireo ka dia tsy anjarako ny andresy lahatra anao.
ny anjarako dia ny ampita fotsiny ihany ny hevitro. sy izay heveriko ho entina ampieritreritra anaovana ny safidy hiainana milamina maoloana ny tontolo sy ny mpiara-monina.
8)
8. xxx
(
13/01/2010 07:05)
:)
Mbola averiko etoana fa olona tsy dia tena mahay mamakafaka hevitra lalina enao. Atao ahoana moa fa olana hafa iray koa ny resaka éducation io eto an-tanindrazana.
Ny tany mandroso indray no mody fakafakanao amiko eto nefa izaho efa milaza aminao fa tontolo iainana eto madagasikara no niatombohan'ny resakao. Aza afangaro moa e!
Raha ho fintinina izany ny hevitrao dia izao: simba ny tontolo iainana eto madagasikara fa tandremo :) hihihihi iza ranona no tsy mahalala izany a, efa firy taona izay??? iza????? mety enao aza no tara be!? :lol:
Fa haveriko ihany fa ny olombelona aloha no tokony ho karakaraina voalohany raha eto madagasikara no resahina. Tsy izany nefa zavatra mitranga eto noho ny politika mitranga, ny gidro indray no arovana aloha araka ny tianao, nefa ny malagasy mpiray tanindrazana aminao maty noana. Sa tsy mampaninona anao izany???
Farany, mba hianaro aloha ny mamakafaka hevitra hatramin'ny farany e!
Inona no tiako ho lazaina:
1/ mbola ny sujet fotsiny ihany izao no hitanao hoe: miha-simba ny tontolo iainana eto madagasikara.
2/ Tokony mba manome vaha-olana mari-pototra izany enao hoe izao no tokony hatao mba tsy ho simba ny zava-boary sy ny olombelona.
3/ Na enao manao conclusion an'ireo roa voalohany ireo na afaka ampidirinao amin'izay ny tontolo iainana any amin'ny tany mandroso, tsarovy nefa fa efa manomboka koa ry zareo any fa enao koa no tara beeee. :)
Manaova politika ranona raha tena te hanova zavatra a!!!! henoko hoe ilay fo te hanao efa ao tsara fa ilay fahaizana sisa no tsy ampy. Mahereza, fianarana ny fiainana.

11. itaramasoandro
(
13/01/2010 23:56)
ity ny farateninao ry xxx
ny ahy kosa dia ny hoe:
tsy anjarako na tanjoko ny andresy lahatra na ampiova ny hevitrao. tsy misionera aho.
tano ny hevitrao fa izany no maha ianao anao.
8)
fa ny olombelona aloha no tokony ho karakaraina voalohany raha eto madagasikara no resahina.
ny ahy kosa dia ny hoe:
mitovy lanja ny olombelona sy ny zava-boary n'aizan'aiza misy azy ireo satria samy eto ambonin'ity tany mila fiarovana ity.
tsy anjarako na tanjoko ny andresy lahatra na ampiova ny hevitrao. tsy misionera aho.
tano ny hevitrao fa izany no maha ianao anao.
8)
12. xxx
(
14/01/2010 09:31)
Io ange ilay efa nolazaiko anao hatramin'ny voalohany ry taratry ny masoandro e! fa enao mihitsy no te hifanditra amiko eto fotsiny e!.
Hoy izaho hoe marina ny hevitrao, tokony samy karakaraina daholy ny zava-boary sy ra-olombelona. Marina io dans l'absolu. Kanefa utopique io hevitrao io na koa idéaliste raha eto madagasikara no resahina.
Izay no mahatonga anà milaza aminao hoe: tsara ange raha tsapanao hoe tokony ho karakaraina ny zava-boary e! satria misy tokoa ny tsy miraharaha akory nefa mahalala tsara izao. Nefa, tsotra be raha hiteny izay fotsiny enao dia mijanona eo, mila manome vaha-olana mafonja e! mila réaliste, mila zavatra concret.
Dia izay no mahatonga ilay conclusion-ko hoe raha tianao ho karakaraina ny zava-boary eto madagasikara dia mila karakaraina aloha ireo gasy maty noana ireo mba ahafahany mikarakara ny tontolo iainanany. Ahoana no ahafahany manao izany!?? amin'ny alalan'ny politika ataon'ny fanjakana, ohatra,tsy hoe karakaraina ny gidro dia rohasina amin'ny taniny ny olombelona fa omena asa izy, asaina manao formation ao amin'ilay parc izy ohatra, na asaina manadio ny loto ao fotsiny izy ange dia mahazo vola e! sns....
Fehiny, manaova politika enao ry taratry ny masoandroan'ny madagasikara.

13. itaramasoandro
(
15/01/2010 02:09)
samy manana ny andraikitra sahazy azy ka avelao ho an'ny sasany ny fifampiderana ny taim-biny.
8)
8)