diego

1. Mirananirina ( 10/11/2009 19:10)
Lasa ny saiko mandinika ity anara-tanàna .
Madagascar=Madagasikara mety tsara
tananarive=Antananarivo,mbola mety
Tuléar=Toliara mety tsara koa.
Fianarantsoa= izay ihany ve sa misy fiantsona hafa.
Majunga=Mahajanga mety tsara koa.
Diégo-suarez=Antsiranana (anarana samy hafa be)
Tamatave=Toamasina ????,
novalian'i Papoose ny 12/11/2009 01:55
2. Ratoa ( 10/11/2009 22:39)
Diégo-suarez
anarana conquérant io fa tsy anaran-tany malagasy.
Tamatave=
toraky izany koa
Majunga
Môjanga aza no iantson'ny antitra azy!
3. sitlo ( 11/11/2009 04:49)
Fa angaha moa tsy manga ilay diego? :/
4. sitlo ( 11/11/2009 04:51)
Dia ilay tamatave hoe tananan'ny olona matave
5. sitlo ( 11/11/2009 04:54)
Fianaratsoa tsy dia raharahin'ny olona. Asa re fa na izaho koa aza tsy dia miraharaha.
6. sitlo ( 11/11/2009 04:58)
Toliara tokony antsoina hoe Patate Douce fa satria miondana bageda be. Fa tsy azo afohezina.
7. sitlo ( 11/11/2009 05:03)
Dia ilay Mahajanga indray mody novaina hoe mahasitrana nefa hita fa ny avy any angamba no sexy indrindra ny sipa. Zohio ange ny tantaran'i Ombalahibemaso e. Tsy tana ny lambany.
8. sitlo ( 11/11/2009 05:07)
Fa Antananarivo angamba no fopla indrindra fa mamovoka be. Tokony afindra any Mahajanga ny renivohitra mba ho lasa Californie kely.
9. mmmhh ( 11/11/2009 10:45)
Le anaran-tananan-tsika ny ankamaroany tena gasy navadika ho Frantsay fotsiny,
Madagasikara = Madagascar
Toliara = Tulear (tsy haiko ny dikany fa misy dikany io izay fa tsy tadidiko)
Antananarivo = Tananarive (tananan'i Arivo = ville des milles)

Mahajanga = majunga (Misy dikany roa
1) Mahajanga = Mahasitrana
2) Majunga = ville des Fleurs (teny arabo angambany)

Diego Suarez = anaran'ireo tantsabo roa nahita an'ilay Tanana voalohany
- Diego Diaz sy Fernand Suarez ==> Diego - Suarez (hihihi mahatadidy lesona t@ 7eme ihany kay zah)
Mety sarotra angamba ny managasy an'izany anaran'olona izany de namorona ny gasy hoe atao Antsiranana, inona tkou ny dikan'izany?

Tamatave = Avy @ hoe Tanana Matavy (taloha tao Tamatave no mividy omby reefa te hahazo omby matavy) ; nafohezina hoe Tamatavy ==> Tamatave
Toamasina = Toa masina !! (Mpanjaka Ratsimilaho angamba izy izay (tsy tadidiko) nisotro ranomasina dia niloha-bava an'io, dia Lasa Toamasina.
Kamo hikaroka angamba zareo fa de natao fotsiny hoe Toamasina = teny gasy; Tamatave = Vazaha, :cry:

Fianarantsoa moa zany dia Fianarantsoa :wink:
10. ikaretsaka ( 11/11/2009 16:43)
Tamatave = Avy @ hoe Tanana Matavy (taloha tao Tamatave no mividy omby reefa te hahazo omby matavy)

nga moa tsy hoe nony tonga nampandry tany ry Benyovski t@ andron-Dramaromanompo de nanao mody maty ny olona tao de ho'zy le kapiteny nanontany an'ity Jiolahintsambo hoe hoe "Toa maty aby" lasa hoe Tamatavy?
ts'haiko aloha e
11. Papoose ( 12/11/2009 01:55)
sitlo:

Fa Antananarivo angamba no fopla indrindra fa mamovoka be. Tokony afindra any Mahajanga ny renivohitra mba ho lasa Californie kely.



tonga dia afaka asiana moliwood dia vao maika mifanitsa-kitro ny tourists :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4036