Ny fitaizana taloha

1. hery ( 10/11/2009 04:41)
Asa ianareo raha mba toa ahy fa misy fotoana aho mahita ny zavatra iainan'ny ankizy sy tanora amin'izao fotoana izao, indrindra ireo maditra sy ilay migafigafy irony kanefa tsy azo kitihina mihitsy. Dia tena misaotra ny ray aman-dreniko tamin'ny fitaizana natao ahy. Tsaroako hoe hentitra sy henjana ary tamin'izany fotoana izany aza tena niteny mihitsy hoe maninona no tsy mba libre... fa rehefa dinihina ny zava-mitranga amin'izao dia aleoko ihany ireny fitaizana taloha ireny.

Ny olana fotsiny dia tsy azo averina amin'izao fotoana izao intsony ireny.
novalian'i ni81 ny 15/11/2009 18:28
2. xxx ( 10/11/2009 07:35)
Raha tsy nisy ireny fitaizana taloha ireny , asa re mba inona no nihafarana @ zao fotoana izao ?

Izahay kalou de maro be , mpirahavavy sy mpanadahy , ary na dia tena mazana be ny fitaizana anay par rapport am zao fitaizana ny ankizy izao dia anisan'ny midera ny RAD - ko zah an ! Les mots ne sont jamais assez pour leur remercier.

Misy nefa milaza fa we suivant ny fiainana no hitezaina ny ankizy ! de ozy zah we: faux io satria zao ny ankizy méme mbola am classe primaire de sahy mamalivany ny mpampianatra .

Zao koh lasa misy mintss ankizy sahy mitory ny RAD-ny satria oh we tsy manomé vola anazy sns....
3. Djhamhal ( 10/11/2009 10:35)
ny fitaizana taloha ? tonga de valiako we misy tsara izay tokony ho tohizana fa ny rafi-piarahamonina ankehitriny no manahirana ! ary mazàna io rafitra io no mahatonga ny zaza hibirioka be de be @ zao fotoana zao !
4. ni81 ( 10/11/2009 17:39)
Zà koa dia mankasitraka ny fitaizana taloha na dia somary tena nahatsiaro voafehy aza t@ izany fotoana izany. Anisan'ny nahazo rotsa-kazo mihitsy raha sendra nanao ny tsy mety sy tsy mirindra araka ny tokony ho izy. :)
5. xxx ( 10/11/2009 18:18)
ny anaha ny tena nahafinaritra de lé fiantsohina ny zoky ho "zoky" , tena fanajana be io an !

de lé we "misaotra tompoko , eny tompoko" zao ny ankizy rehefa hantsohina de mamaly we "quoi" !!! tsy ny ankizy rehetra akory io an ! fa tena misy.
6. sitlo ( 10/11/2009 18:19)
Te deraina be daholo koa izy izany :-D

Fa tandremo fa ny fitaizana taloha, ilay babena ireny, sady manakombona ny tratran'ny zaza no mamaky lamosina my mpibaby an. Atao indraindray fotsiny fa tsy isan'andro.
7. Mirananirina ( 10/11/2009 18:35)
Tena tsara tokoa aloha ny fitaizana taloha noho ny ankehitriny e.Aiza ve ka misy izany mandohalika aminy sira vaingana izany :cry: surtout izahay zanaka miaramila nahazo mihitsy an. :cry:
indrindra ireo maditra sy ilay migafigafy irony kanefa tsy azo kitihina mihitsy.
Ilay mikitika indray no diso eto ko :( na ny tribunal aza miala maina fotsiny.zaza namono olona aminy antsy ve afa-maina fotsiny.Ny RAD indray no mandoha honitra dia vita :x :x .
de lé we "misaotra tompoko , eny tompoko" zao ny ankizy rehefa hantsohina de mamaly we "quoi" !!! tsy ny ankizy rehetra akory io an ! fa tena misy.
Marina io,za mahatsapa mihitsy fa ny zanako be famaliana be tsy misy ohatra izany.Izahay taloha anefa vao mijery fotsiny ny RAD dia miforitra.
8. sipagasy ( 14/11/2009 18:42)
ny ahy manokana aloha dia mbola misy sintoniko ihany @ fitaizana ahy taloha no hitaizako ny zanako à izao e!
ohatra izany tv izany dia fady mandritry ny andro fianarana, ny alarobia moa izy feno 'activités para-scolaire' atao ka tsy misy fotoana hijerena tv ihany koa, ny hany fotoana kely hijereny tv na koa hijereny k7 na cd dia ny sabotsy maraina ataontsika hoe maxi adiny 3 eo ho eo, ny sabotsy hariva mampirina ny efitranony, ary ny alahady dia mazàna anaovany grasse mat, sy ny kesoly alahady sns e!!!!

eo @ hoe hentitra veh aho dia 'eny' ny valiny satria tsy hoe atahoran'ny zanako akory aho!!!(tsy haiko aloha, nefa inoako kosa hihihi) satria dia ezahiko hatrany ny mandanjalanja hoe ity mendrika sy tokony hananany ary ity kosa dia rendrarendra tsy dia ilaina mankaiza, matetika izy no manao fampitaha à mpiara mianatra aminy, fa rehefa avy eo izy ihany no miteny hoe, tss inona tokoa moa iny na tsy ananako aza..... dia eo aho no 'mahatsiaro' tena hoe 'izay ilay izy' tafita ny hafatra.


ny hitako dia isika ray aman-dreny no tsy tokony handraraka ilo mby an-doha e! tsara ny manaraka ny fotoana iainana ankehitriny, nefa tsy ratsy koa ny nahabe antsika ary naha toa antsika tahaka izao


euuhh izany hoe tsy mora ny mitaiza e!

mazotoa daholo!
9. fahamarinana ( 14/11/2009 19:25)
:arrow: mitovitovy amin'ny lazain'ny Hery,somary nitovy angamba ny fomba fitaizana na izany aza dia tsy azo averina tanteraka intsony !Azo atao kosa anefa ny mbola maka amin'ireny fa tsy misy maharatsy azy,dia amboarina monja hifanaraka amin'ny ankehitriny fa raha avela hiliba be,hanao fiainana tsy misy bedy ,tsy misy kredy satria hoe izay no fahalalahana tanteraka dia hitako tsy dia mety,hitako hoy aho,za zay !
Fa araka ny lazainy Sipagasy hoe "sarotra ny mitaiza" ,mahita zava-baovao isan-taona rehefa mitombo ny taonan-jaza sns...ny Fiaraha-monina koa moa etsy andaniny ! :) (l)
10. sakaizakely ( 15/11/2009 09:54)
ny hitomany ny taloha aloha dia tsia
anarany aza efa hoe taloha, zany hoe tsy mifanaraka am toetrandro intsony, nisy ny nety, ekena tanteraka, fa nisy koa ny tsy nety fa tsy hoe rehefa taolo dia kozy bonne à 150 %
ny mahavoa ankehitriny dia ny fiheverana sy fanarahana ambokony ny tsy fikasihantanana ankizy = fitaizana baranahiny

Ny fitaizana = éducation, mampianatra, mizara, manokana fotoana, manoro ny hahaizany manohy ny diany irery, ilàna fahamatorana, fahaiza-mitondra, tanjantsaina, fahaiza-mibaiko, mila hentitra nefa koa tsy ilaina arahinkapoka sy fehikibo izany fa atao ampitiavana, mila souplesse koa

betsaka tena betsaka, ilana fandalinana sy fandinihantena ny fitaizana. Tsy misy tonga lafatra, nefa matoa koa ny ankizy mibolila, dia ny fitaizan'ny RAD no misy lesoka goavana, noho ny tsy fahaizana sy fahalalana ny minimum tokony natao.

Rehefa hita fa misy tsy mety, dia tsy ny fiaraha-monina sy ny tontolo iainana no omendoza fa tokony mijery ny tenany aloha; betsaka tsy tambo isaina ny boky mikasika ny fitaizana ahazoana maka lesona, dieny mbola ambohoka ny zaza dia tokony mihevintena mikasika ny lalana tokony hitondrana azy ny RAD fa tsy rehefa eo vo mipepipey hoe ahoana ty. Nefa firy amin'ireo RAD no mba mamaky boky, indrindra mikasika ny fitaizana ? Firy ? ny ankabeazany dia mandeha anjambany daholo.

Tsy tokony ho menatra koa manatona mpanabe, dokoteranjaza, psy sns rehefa misy olana tokony ho vahana

dia aza ny ankizy sy ny tanora foana no omentsiny fa ny RAD tsy nahay nanabe koa no tena fototra sy fositra
ny ahy aloha dia raisiko ho ahy raha misy tsy mety fa tsy ny any ampianarana na ny tele no mody asiandoza rehefa tsy mety e
11. sakaizakely ( 15/11/2009 10:06)
ho an'ireo izay liana

http://in-nocence.org/public/read.php?3,3651

http://www.parent-solo.fr/modules/smartsection/item.php?itemid=191

j'aime bien Aldo Naouri de ataoko pub an
boky tokony vakiana raha manontany tena mikasika ny fitaizana, liana amin'izany, na te hisoroka olana mikasika izany
http://www.amazon.fr/Eduquer-ses-enfants-Lurgence-aujourdhui/dp/2738120733
Edition Odile Jacob
12. sakaizakely ( 15/11/2009 10:16)
resaka telé,

betsaka ny mihevitra fa rehefa tsy mijery tele ny ankizy dia tsara izay
eny e, tsara aloha rehefa tsy zatra télé ny ankizy
fa mila orienter-na koa ny zavatra ataony rehefa tsy mijery tele izy, ohatra mamaky boky v ? mianatra v, manao kitsokonina v, sa ilaozana irery de manao ny ataony eo, manimba zavatra, mamaky entana, mamono biby, milalao fotaka sns...
tahaka io lazain'i sipagasy io hoe mila manao activités extrascolaires ny ankizy, mi occuper azy io, fa rehefa avy eo ?

ny diabolisation de la télé koa tsy dia azoko loatra, misy tombotsoa koa ny télé à condition de ne pas regarder n'importe quoi, afaka mampahafantatra anao zavatra betsaka tsy ary ho vitanao sy halehanao avokoa. Saingy kosa mila ciblé-na ny programa jerena
amiko hoe tsy ny fandrarana télé no tena lehibe, fa ny fampianarana ny ankizy tsy ho télévores na pc-vores
mila fampianarana daholo ny zavadrehetra e, satria raha ferana fotsiny ny ankizy, nefa tsy ampianarina manankina ny eritreriny am zavatra hafa, dia lasa obsession koa ilay izy, de tsy hahay mamehy tena izy rehefa izy irery.

13. tywa68 ( 15/11/2009 11:00)
tena ireo voalazan'i Sakaizakely ireo mihitsy koa ny saika soratako ka tsy ampiako intsony.
Tsy mora ny mitaiza fa miankina @ modely hitany io ary anjarantsika no miresaka sy manome fahazotoana ilay zaza, na d efa reraka aza ny tena :wink: Ho azy ny hietsehany fa tsy ho antsika :lol: gravy rhf miha-lehibe an, miakatra ny tension raha tsy mitandrina :-D :-D
14. ni81 ( 15/11/2009 11:58)
Tsy mora ny mitaiza fa miankina @ modely hitany io ary anjarantsika no miresaka sy manome fahazotoana ilay zaza, na d efa reraka aza ny tena Ho azy ny hietsehany fa tsy ho antsika gravy rhf miha-lehibe an, miakatra ny tension raha tsy mitandrina :)
Ny RAD izany dia tokony ho fitaratra hatrany fa tsy tokony hanao mpitari-bato vilam-bava e! (Tandremo io tosi-drà miakatra io)
15. AndriambyII ( 15/11/2009 12:40)
Manipulations mediatiques ? efa tokony ho fantatry ny rehetra ny momba izany angamba @ izao fotoana izao , ny ankizy @ izao fotoana izao dia tsy tokony ho gejaina intsony ,6,5 milliards d' habitants sur terre , ahoana no hifehezana izany vahoaka marobe izany re olona ? L' orientation educative est le plus importante à mes yeux.
16. kotobekibo ( 15/11/2009 13:09)
Misy mahatsara azy ilay fanabeazana taloha , fa @ izao fotoana tena lasa baranahana ireo ankizy , lasa mafy sofina tsy laitra . :-P
17. fahamarinana ( 15/11/2009 14:20)
:arrow: kotobekibo : :-D :-D tsy laitra tokoa ve ?
Ny ahy manokana ry zareo dia ny Fitiavana no ataoko bobaka be,misy androny somary miakatra tosi-dra tokoa nefa koa mbola kely izany mihoatra ny fitiavana ifanolorana !Tsy haiko na lafatra ny ahy,mino aho fa be lesoka,na miezaka ho modely aza ny tenako dia tsy isan'ny lafatra ihany koa !Ilay "modely" io manko somary manahirana satria samy manana ny azy : samy manana ny fiainana nandalovany,ny finoany,ny niainany tanivon'ny Rar-ny taloha ! Malalaka loatra satria tsy misy rafitra maty paika !....Enga anie fontsiny ho olom-banona na tsy zato isan-jato aza fa mba mihoatra ny antonony e!Izay no mba faniriko ,raha ny mikasika ny zanako !Fa ny zanako izay,mety tsy toy izay ny an'ny hafa ihany koa ! :-) (l)
18. tywa68 ( 15/11/2009 15:08)
Kotobekibo > taloha tsy nanan-janaka aho d hitako maditra ny an'ny hafa :lol:

Faha > mitovy @njy koa zah : indrindra moa modely tonga lafatra eto @ ordi lava hahaha tsy gaga rzalahy fa samy manao ny mahafinaritra azy io, d tsy manana exigences loatra aho satria efa tratrany favy be ilay modely :-D :-D
19. fahamarinana ( 15/11/2009 17:30)
:arrow: Tywa: :-D :-D :-D mbola tantara hafa iny fa modiana tsy resahana ! :wink: (l)
20. ni81 ( 15/11/2009 18:28)
Ilay "modely" io manko somary manahirana
manahirana tokoa ka! :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.302