Reny niteraka sy ny zanany
1. xxx
(
26/10/2009 09:55)
Tsy manan-kavana mihitsy izy (zaza kamboty) ary nanambady dia niteraka roa.
Maty ilay vadiny ary efa nahazoazo taona izy dia nalain'ilay zanany hiaraka hipetraka amin-dreo.
Nandeha sy nilamina tsara ny fiainana hatrizay, saingy ankehitriny dia manomboka ny disadisa.
Nitantara tamiko ilay zanany fa sarotra entina ity reniny ka manala baraka sady mandanindany vola any an-kafa fa kahihitra velona kosa raha ho an'ny ao an-trano ka tsy mahafoy na dia ho an'ireto zafikely aza...
Tsy nionona t@ fandrenesana feon-dakolosy tokana aho fa dia nanontany an'ilay Reny mihitsy nanadihady ny tena toe-draharaha misy, eny na dia tsy dia tokony hidirako aza ilay izy dia mba mitady tolo-kevitra aho hanampiako azy ireo.
Nanontany an-kolaka ilay ramatoa aho ary dia nitantara izy fa tena manao toeran-tsy zaka ilay zanany.
- Nandeha vakansy hono ry zareo dia narindriny ny trano fa tsy afaka mijanona ao rafotsy ka tsy maintsy mitady toerana hijanonana any @ namany na ny olom-pantany any.
- Rehefa misy vahiny dia ao @ efitranony rafotsy fa tsy miaraka miresaka eo
Dia manomboka hatr@ zay aho hoy izy dia efa manomboka mitady trano. Tsy te handeha lavitra koa etsy an-daniny fa malahelo ireo zafikeliny...

novalian'i soanja ny 03/11/2009 17:15
2. soanja
(
27/10/2009 00:45)
xxx:
Tsy nionona t@ fandrenesana feon-dakolosy tokana aho fa dia nanontany an'ilay Reny mihitsy nanadihady ny tena toe-draharaha misy, eny na dia tsy dia tokony hidirako aza ilay izy dia mba mitady tolo-kevitra aho hanampiako azy ireo.
Ny fijeriko azy avy eto dia ny tsara indrindra dia mihaino fotsiny izay tian-dry zareo zaraina aminao ianao, fa ny hoe hanadihady ny fiainanolon-kafa dia tsy tena mitondra amin'ny zavatra mivaingana mampilamina raha tsy hoe angaha ka pasitera-ndry zareo ianao na hoe mpanolo-tsaina natokana amin'izany.
Ny tena izy mantsy dia raha toa ka vonona hanao mpanelanelana hamitra-pihavanana ianao dia ny roa tonta no tokony manoloana eo amiko. Dia samy mamboraka ary samy mifanazava izay maharary ary enga anie ka hitondra amin'ny fiveranan'ny filaminam-pianakaviana.
Tsy mora ny mandamina fiainan'olona satria ny zava-misy mety niainga avy tany amin'ny taloha na fiainana niainana nisy tany aloha na fahazaza sns... ka amin'izao no mihatra ny tena olana. Izy mianaka ihany no afaka mandamina ny momba azy ireo sy mahalala mifamela angamba. Ilaina ny fifankazahoana amin'ny tsy fitoaviana ary ilaina lalandava ny fifamelana amin'ny hadisoan'ny tsirairay raha toa ka vonona samy hiova ka hanohy fihavanana. Izany anefa dia ilana fanetre-tena goavana sy fitsinjovana ny ho avin'ny taranaka fa tsy hambo-po diso toerana.
3. rurale
(
29/10/2009 11:23)
@ na alo ry xxx: tsy te-hiteny aho na niditra enao na tsia araka ny tenenin' i Soanja fa le tantara no tiako hidirana.
Raha mieritreritra alo zao de mahita rirany kely aho ny @ le tantarain'ilay zanany, "izy milaza fa mandany ny volany any ivelany ny reniny" f'nga kosa mo ra nalainao hipetraka ao @ nao ilay reny de mbola tadiavinao hamelona anao ihany, izy ary efa mananon-tena araka ny efa voalaza, tokony aza izy efa handray ny vali-babeny @ zay satria enao efa lebe. Ary ra ny fahitako azy mety ho manan-katao ihany le ankizy e? matoa afaka manao vacance, de tsy tokony hiandry ze any @ mamany intsony izy fa anjarany ny mamelona ny mamany ra izy no naka azy hipetraka ao aminy, fa fotsiny oe ra hita oe tsy misy ao an-trano nefa manana le rafotsy de zay izy no atao oe diso ra tsy manome.
Ankehitriny misy ny ankizy mitady hanao tsinotsinona RAA surtout izy mba tsaratsara vady, izany oe somary mahitahita le vady de mitady hanitsaka an'le RAA, eto tsy haiko ra izay no tena fandehany fa ra le izy miteny an'le vola lanian-drafotsy alo de tsy d'accord @ zany za e! aleo izy mba hiaina @ kely faraparany, androny efa kely sisa ananany azy io, de mbola vesaranao fahoriana ihany?

4. xxx
(
29/10/2009 12:09)
Ny fijeriko azy avy eto dia ny tsara indrindra dia mihaino fotsiny izay tian-dry zareo zaraina aminao ianao, fa ny hoe hanadihady ny fiainanolon-kafa dia tsy tena mitondra amin'ny zavatra mivaingana mampilamina raha tsy hoe angaha ka pasitera-ndry zareo ianao na hoe mpanolo-tsaina natokana amin'izanyAmiko ny fitiava-namana dia manao izay kely mba azoko atao hanampiana azy (na tsy pasitera aza aho )
Ankehitriny misy ny ankizy mitady hanao tsinotsinona RAA surtout izy mba tsaratsara vady, izany oe somary mahitahita le vady de mitady hanitsaka an'le RAA, eto tsy haiko ra izay no tena fandehany fa ra le izy miteny an'le vola lanian-drafotsy alo de tsy d'accord @ zany za e! aleo izy mba hiaina @ kely faraparany, androny efa kely sisa ananany azy io, de mbola vesaranao fahoriana ihany?
Ny volan-drafotsy ange ka 300euros monja e! Ary izy ireo mba fianakaviana manana ny ampy rahateo! Rangahy miasa, ramatoa miasa ary tsy hoe mandoa vola maka mpanampy fa ramatoa be no manatitra sy maka ny mpianatra isan'andro.
Ny antony tsy hitondrany an'ilay ramatoa ange dia hoy hono ilay zanany vavy hoe: aleo izahay mba hanana ny intimité anay e! :roll: . Dia raha toa ary ka tsy mahita namana handray azy rafotsy dia ho aiza izany isaky ny mandeha vakansa ry zareo? @ zao vacances Toussaint izao dia asa izay nanjo azy fa tsy azoko an-telefaonina rafotsy, zahay koa tsy afaka handalo any hijery azy moa.
6. mmmhh
(
31/10/2009 08:36)
Tsy adala akory ny Ntaolo nilaza hoe :
Ny HAVAN-TIANA TSY HIARAHA-MONINA E :wink:

7. xxx
(
01/11/2009 10:03)
inona no tena rôle n'i xxx mpanoratra ilay sujet aloha ?eo anelanelany: mampalahelo ahy ilay reny satria tsy manan-kaleha! ary mahonena ahy koa ilay toetra ataon'ilay zanaka @ ity reniny.
Tsy adala akory ny Ntaolo nilaza hoe :Marina dia marina ny tenin'i mmmhh ary anisan'ny mandala io fiteny io mihitsy aho.
Ny HAVAN-TIANA TSY HIARAHA-MONINA E
8. soanja
(
01/11/2009 21:28)
xxx:
inona no tena rôle n'i xxx mpanoratra ilay sujet aloha ?eo anelanelany: mampalahelo ahy ilay reny satria tsy manan-kaleha! ary mahonena ahy koa ilay toetra ataon'ilay zanaka @ ity reniny
Tsy mpanelanelana izany ianao raha toa ka mitanila amin'ny iray ny fitiavanao te hanampy. Ny vy tsy mikitrana irery hoy ny fiteny Malagasy zay.
Ny fitiavana te hanampy ny hafa kosa dia tsy ilaina amiko tokoa fahalalana sy fotoana hitrandrahana ny fahalemen'ny hafa hoe nahoana ny zanany manao izao sy izao fa izay vitanao ampitiavana azy dia aoka ho tanteraka tokoa satria avy amin'ny fo mitempo fitiavana sy honena noho ny maha mpifandray anareo/ na mpihavana na namana na hafa.
Asa anefa hevitro io an! Mety tsy handaitra amin'ny hafa satria fantatro koa misy olona mahita haratsiana ataon'ny hafa vao afaka hitia ny hafa mijaly noho izany haratsiana izany.
9. Ratoa
(
01/11/2009 22:07)
Hoy i soanja hoe
Mahagaga ahy ihany ity fandehan-javatra satria tsy fomba gasy anie izany RAD mipetraka amanjanaka izany é! ny zanaka, na dia efa mana-tokatrano aza, no manantona ny RAD, mipetraka ao an-tranony.
Ny antony dia ny mba hitazonan'ilay RAD ny maha izy azy: responsable moral, na dia tsy manam-bola intsony aza izy dia mbola manan-kaja sy vononahitra ary "autorité" satria ao antranony izy. Voatery manaja azy ny zanaka, ary tsy voatery handoa vola ny RAD satria mbola eo amin'ny toerany.
Ninoninoa aloha dia tsy rariny ny aton-dreto zanaka (hevitro izany). Ny tsara amin-dreo dia ny samy manana ny tranony, na hotrano bongo aza ny an-drafotsy.
Asa anefa hevitro io an! Mety tsy handaitra amin'ny hafa satria fantatro koa misy olona mahita haratsiana ataon'ny hafa vao afaka hitia ny hafa mijaly noho izany haratsiana izany.tsy azoko ny tianao ho lazaina.
Mahagaga ahy ihany ity fandehan-javatra satria tsy fomba gasy anie izany RAD mipetraka amanjanaka izany é! ny zanaka, na dia efa mana-tokatrano aza, no manantona ny RAD, mipetraka ao an-tranony.
Ny antony dia ny mba hitazonan'ilay RAD ny maha izy azy: responsable moral, na dia tsy manam-bola intsony aza izy dia mbola manan-kaja sy vononahitra ary "autorité" satria ao antranony izy. Voatery manaja azy ny zanaka, ary tsy voatery handoa vola ny RAD satria mbola eo amin'ny toerany.
Ninoninoa aloha dia tsy rariny ny aton-dreto zanaka (hevitro izany). Ny tsara amin-dreo dia ny samy manana ny tranony, na hotrano bongo aza ny an-drafotsy.
10. kotobekibo
(
01/11/2009 23:05)
Raha amiko d ny fisaraha-monina no tsara indrindra , ny havatiana tsy iaraha-monina hoy ny gasy . Miteraka disadisa lé fiarahana isan'andro eo . Mila fifandeferana ngeza b , vinato sy rafozana anefa fantatrareo ihany ! Na mety aza @ voalohany , tsy avotra any aoriana any .Indrisy anefa , fa tsy ry zareo no ol voan'izao voalohany ary tsy ho farany rahateo .
Ny fahendrena tsy miditra lalina @ fihainany , atorohy izy hisaraka toerana d izay satria tsy misy vaha olana hafa tsinona .

11. xxx
(
02/11/2009 07:34)
Tsy mpanelanelana izany ianao raha toa ka mitanila amin'ny iray ny fitiavanao te hanampy. Ny vy tsy mikitrana irery hoy ny fiteny Malagasy zay.fantatro dia fantatro tokoa fa ny vy tsy mikitrana irery, ary izay no hijanonako eo anelanelany. Nahoana no hoe mitanila @ iray aho moa?
Efa niteny ilay zanany aho fa tokony hitadiavany trano izany ity reniny rehefa tsy mety toy izao ny fandehan-javatra, ary dia toy izay koa no nolazaiko t@ ilay reniny hoe mitadiava trano dia milamina ianareo, samia maka ho azy. Tsy mora anefa ny fitadiavana trano @ zao fotoana izao.
12. Mirananirina
(
03/11/2009 15:04)
Raha mieritreritra alo zao de mahita rirany kely aho ny @ le tantarain'ilay zanany, "izy milaza fa mandany ny volany any ivelany ny reniny" f'nga kosa mo ra nalainao hipetraka ao @ nao ilay reny de mbola tadiavinao hamelona anao ihany, izy ary efa mananon-tena araka ny efa voalaza, tokony aza izy efa handray ny vali-babeny @ zay satria enao efa lebetena marina tanteraka mihitsy io.Dia mampaninona ireo ankizy moa raha manao fiainana amin'izay ramatoa be,efa vita ny adidiny nitaizany ireto zanany.Fa naha izany ary tokony hitady trano ihany ramatoa be fa ratsy ny mipetraka aminy VINANTO.
13. soanja
(
03/11/2009 17:15)
xxx:
Tsy mpanelanelana izany ianao raha toa ka mitanila amin'ny iray ny fitiavanao te hanampy. Ny vy tsy mikitrana irery hoy ny fiteny Malagasy zay.fantatro dia fantatro tokoa fa ny vy tsy mikitrana irery, ary izay no hijanonako eo anelanelany. Nahoana no hoe mitanila @ iray aho moa?
Efa niteny ilay zanany aho fa tokony hitadiavany trano izany ity reniny rehefa tsy mety toy izao ny fandehan-javatra, ary dia toy izay koa no nolazaiko t@ ilay reniny hoe mitadiava trano dia milamina ianareo, samia maka ho azy. Tsy mora anefa ny fitadiavana trano @ zao fotoana izao.
Hay izay aho vao nahafantatra fa efa samy nomenao hevitra ny roa tonta.
Ny tiako tenenina dia samy manana ny fiainany ny olona ary tsy anjarantsika ny mitsara izay mampety ny fiainany any avy. Anjarantsika kosa ny manampy izay sahirana ary anjarantsika ny manantanteraka izany amin'ny fontsika. Io no filozofiako. Amiko tsy misy toerana ny foko hitadiavana hoe iza no diso na inona no mahatonga ireo fianakaviana manao toetra tahakizany amin-dreniny, na hoe nahoana ny vadin'ilay ramatoa no tsy miasa sns sns... tsy manana toerana hitsikerana ny fiainan'olona aho aloha fa ny hany vitako dia izay mila fanampiana dia aoka izy raha mandalo ny fiainako dia hanokatra ny foko amin'izay fifandraisana izay, tsy hisy fiandaniana ny atsy na ny aroa.
Tsy mitovy ny fisainantsika olombelona ary ny hany azoko atoro dia ny hoe rehefa ontsa isika dia misy toerana misokatra izay ho fiantrana ny hafa ary hanampiana azy.