mpanampy manatitra ankizy !

1. Djhamhal ( 23/10/2009 10:36)
ity tranga ty dia itan'ny masoko : nandeha niasa maraina aho ary nandeha tongotra dia nahita mpanampy hanatitra zaza hianatra , teo alohako ry zareo , tafintohin'ny vato ary le zaza dia nianjera satria naôna hoy ianao ??: ilay mpanampy variana miresaka @ namany eo alohany ; ilay zaza ao aoriany tsy tantanana akory ary izy ndray no mbola mikitakita ilay zaza ! somary tezitra aho ka nanariko izy na tsy hananako fahefana aza ny hanao izany !
novalian'i soanja ny 03/06/2010 16:51
2. soafara15 ( 23/10/2009 12:46)
Tena manhirana ny saina tokoa ny mahita ireny, indrindra ho anay manana zanaka alaina mpanampy,
tsy hita moa fa teren'ny fianana sy ny zavamisy ny tena dia tena voatery miantehatra amin'izy ireny.

zany any @ fianaran'ny zanako zany rehefa manatitra azy aho ny maraina sy ny atoandro dia tena misy club des mpiasa antrano mihintsy any, mampihomehy mahasosotra ny mijery an-dry zareo.

hitany koa fa ilaina izy satria ny tena tsy maintsy mandeha miasa sns... dia tena voatery miharitra azy ireny.

soa aloha ny ahy ny mpanampy, fa mbola azoko fehezina ihany na dia misy zavatra betsaka mahasosotra ahy aza izy,
ny zanako anontaniako foana ny zavatra ataony, satria eo @ taonany be tantara mantsy izy zao, 6 taona 1/2, dia teneniko rehefa misy tsy mety ataony ilay mpanampy. mety manompa ahy anatiny any ihany izy fa tsy rarahiako aloha zany rehefa tsy henoko.

fa zavatra tena délicat be mihintsy io resaka zaza taizana mpanampy sy alian'ny mpanampy sy aterina mandeha mianatra io.
ny ahy zao hatramin'ny niterahako, dia mpanampy foana no ianteherako, za tsy maintsy mandeha miasa sns.. tsinona, mafy ny fiainana,

za tsy mba nanana mama intsony niteraka, ny rafozana zany tsy antenaina, tsy mba nanana olona afaka nianteherako aho afatsy ny mpiasa.
fa soa ny ahy zany fa mba sendra ny tsaratsara foana, ataoko hoe tsaratsara mba tsy hoe ratsiratsy na tsara, isaorako an'Andriamanitra, hatramin'ny nahaterahako aho hatramin'izao dia vao intelo no niova mpanampy.

rariny ny anao raha niteny azy ianao satria raha ny zanakao no ataony izany dia ahoana?

mbola ao ambony ao Andriamanitra miaro ny ankizikely, mivavaka foana hoe tahio ny zanako sy ny olona rehetra, tantano ny dianay, dia izay,

toa be morale be za zany, hi hi hi.

izay fa mirary soa ho anareo rehetra.

soafara15

3. sipagasy ( 23/10/2009 14:47)
ouups tsy andron'ny fanandevozana intsony anie izao e!!!! mba asio hajany ireny olona ireny fa tsy 'mpiasa' fa mba antsoy hoe mpanampy fa amiko mandreraka beh, ny maheno anareo miteny hoe mpiasa!!!!! nefa dia olona ianteherana koa maninona tsy antsoina hoe mpanampy?!!

tsetsatsetsa tsy aritro fotsiny io e! am-bava homana am-po mieritra!
4. ni81 ( 23/10/2009 15:20)
ouups tsy andron'ny fanandevozana intsony anie izao e!!!! mba asio hajany ireny olona ireny fa tsy 'mpiasa' fa mba antsoy hoe mpanampy fa amiko mandreraka beh, ny maheno anareo miteny hoe mpiasa!!!!! nefa dia olona ianteherana koa maninona tsy antsoina hoe mpanampy?!!

tsetsatsetsa tsy aritro fotsiny io e! am-bava homana am-po mieritra!
Efa miresaka ilay hoe "olona ianteherana" ihany eto fa dia misy koa aza mahavanon-doza mihitsy ny olona mpampiasa fa nisy mpiara-monina taminay taloha, dia ilay zazavavy nipetraka tao aminy somary nisy fahatarana ara-tsaina dia somary medalinina fa nopasohan'izy ireo t@ fera ny fe-ny :(
5. sakaizakely ( 23/10/2009 16:20)
fa samy misy mahavanondoza daholo na ny andaniny na ny ankilany ko
izay ihany no nijanonako tsy hiasa
hitaintaina lava amin'izay mety hanjo ilay zaza
:{ :{ :{ :{
6. malala1 ( 24/10/2009 09:24)
ny tena tsara dia mianatra , manambady dia miteraka dia avy eo tezaina ny zaza mandrapahatonga azy hiditra any amin'ny CP
7. xxx ( 26/10/2009 11:58)
Misy tokoa ny mpanampy tena mandreraka , fa misy azo itokisana, fa matetika dia arakarak'izay itondranao azy koa no itondrany ny zanakao
8. Mirananirina ( 03/11/2009 15:08)
Ilaina mahaory marina tokoa aloha ny mpanampy e,tsy midoka tena aho,fa nanana mpanampy taloha tany Dago..fa izaho indray no manampy azy fa izy tsy mahavita inona hihihi..... :)
9. fahamarinana ( 26/11/2009 16:15)
:arrow: Mitovy hevitra amin'ny sakaizakely,isan'ny nisafidianako ny tsy niasa ,hatreto aloha,rehefa tonga ny androny dia ho hita miadana eo !
Na izany aza misy ny mandray azy ireny tahaka ny zanaka an-trano tokoa, misy koa ny tena mifanohitra mampiasa ny hery sy ny fandevozana satria mahantra mila miasa ny iray !Izay ilay lalam-piainana e,misy offre sy demande ary ny fifanarahana miankina amin'ny toetra sy fitazana azony na ny mpampiasa na ny mpanao azy ! (l)
10. soanja ( 03/06/2010 16:51)


ity tranga ty dia itan'ny masoko : nandeha niasa maraina aho ary nandeha tongotra dia nahita mpanampy hanatitra zaza hianatra , teo alohako ry zareo , tafintohin'ny vato ary le zaza dia nianjera satria naôna hoy ianao ??: ilay mpanampy variana miresaka @ namany eo alohany ; ilay zaza ao aoriany tsy tantanana akory ary izy ndray no mbola mikitakita ilay zaza ! somary tezitra aho ka nanariko izy na tsy hananako fahefana aza ny hanao izany !


Miankina lalandava amin'ny fampianaranao sy fanabeazanao ny mpanampinao ny ikarakarany koa ny zanakao. Amiko firy taona moa ilay mpanampy? Raha mbola tanora vao misondrotra izy dia ny hiresaka amin'ny namany no maha-maika azy satria izay no mahaolona azy amin'iny. Raha ny tenako 15 taona ohatra dia ny izay no ataoko na mpanampy aho na zanaka ao an-trano.

Voalohany izany tsy tokony hampiasa zaza tsy ampy taona. Any ampianarana no tokony hisy azy fa tsy hiasa ao an-tranonao. Fa raha te hanampy azy ianao dia sady alefaso mianatra izy no manampy amin'ny raharaha rehefa mirava. Toy izany koa anefa ny zanaka rehetra ao an-trano mandray andraikitra daholo.

Manan-tsaina ireny olona heverina atao mpanampy ireny. Toy ny olona rehetra ihany. Ka izay ampianarinao azy dia hainy fa raha tsia dia izay no hianjady ny fianakavianao.

Olombelona toy ny rehetra koa anefa izy ireny ka afaka samy manana ny toetrany avy toy ny vady sy ny sipa ary ny maro hafa. Izay manam-bitana no mahazo ny tsara toetra. Akory atao izay ilay fiainana!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3283