teraka de mba omeo sopapa

1. rtcflora ( 20/10/2009 17:53)
za vo teraka herinandro de manasa lamba sy mahandro sakafo, mamafa trano
marina ve fa misy fiatrakany le miasa sahady fa tokony ho ray(1) moi hono .
le piaramonina mamendrofendro manko no miteny anzany nefa zareo tsy hanampy akory .de mba tantarao zay efa nanao toy zany hoe tsy maintsy mitsangana fa rams tsy maintsy miasa enao rery no eo ny mpanampy lasa sady manimba zavatra foana leo za de naleoko za no manao fa tsy te haka mpiasa trano tsony za .misaotra de mba valio.
2. booboo ( 20/10/2009 20:21)
ooooh, arabaina indrindra ô ! maroroha ny taiza :)

Tsy resaka hoe marina na tsy marina ilay izy, amiko manokana, fa sao diso reraka ka tsy haharaka ny fitaizana ny zaza, indrindra raha mampinono ( refa valaka dia mihena ny nono ).
Rehefa tsisy mpanampy @ raha² ao an-trano ve dia iza no hanao tokoa ? mila mahay mandamina fotoana tsara fotsiny dia zay tena tsy maintsy hatao klou no hatao, izay afaka miandry miandry. euh... nenà zao ny pasoka ôy ôy ôy hihihihihihi ohatr² izay izy ao hihihihihi. Ilay trano mikorontana nenà no tena tsy tantiko dia tsy maintsy mampirina ( euh... na tsisy ampirina akory aza hihihi ) sy manao aspi isan'andro :°), ny kaly ampitso vitaina ny alina dia hafanaina fotsiny rehefa himotika.

Fahaizana mandamina tsara no entina miady ouz mamanay zay.

pssst : tsisy idiran'ny fahasalamana loatra angamba ilay valin-teniko f'aza tsiny raha HS
3. soanja ( 21/10/2009 03:53)
Arabaina nahazo fara mandimby! Mahereza e sy maroroa taiza ary! :-* :-* (l)
4. xxx ( 21/10/2009 08:54)
Arahabaina izany !

Raha misy afaka manampy ianao dia tsara fa efa hitako io , henjana be ! Reraka be ny hiafarano dia tsy ho ampy ny nono. Fara faharatsiny ilay lamba angalàna olona e. Ny ahy ilay lamosina taty aoriana no tena reko mantsy, mila handady indraindray, dia hoe vokatr'ilay niasa mafy avy niteraka io

Tongava taiza ny kilonga e
5. Ratoa ( 21/10/2009 21:44)
Arabaina tonga vahiny
Mitadia va akia mpanampy ah, na dia 1h isan'zandro ihany aza.
Hoy i mamanay hoe: lahy tokana ny aina, fany raharaha an-tokatrano dia hisy ma,dra-pikipy ny masonao.
Enjana be izany na dia marina aza fa ny fahaizana mandamina ny fiainana (mi-programmer chaque journée) no tena manan-dzanja.
Ianao ve efa mampinono dia mbola ho be raharaha ihany? Dia ahoana amin'ny alina? mampinono ianao sa manome biberon sa i rangahy no manome biberon?
Maroroha ny taiza ô!
6. mmmhh ( 22/10/2009 13:45)
Arahabaina ny tonga vahiny o?? Ntsay eeeee
Lahy sa vavy izy tao?

Maninona raha ny sasa lamba tadiavana olona e, iny zao tena henjana koa, ny sasa lamba sy ny pasoka?
Ny olona avy miteraka manko hono mbola malemy, de tsy de tsara loatra raha manao asa mavesatra na mandreraka be.

Ny sakafo sy ny mpiri-trano ary ny taiza ndray mba anjaran-dry sy Rams,
7. rtcflora ( 22/10/2009 16:09)
La tahakan'ny rainy izy de za mampinono de hono oa tokony firy andro vao tena afaka manao ny raraha zany . za zao efa couche fotsiny no ampiasaiko de lamban-jaza le akanjo kely sisa no betsaka sasana .fa ny tena blm nge de reraka za mampianatra le mpiasa fa na mahandro sakafo aza tsy hainy de voatery ianao misangana manoro azy e! rams sady tsisy hainy no sahirana miasa ko .
8. ravonjison ( 23/10/2009 09:30)
rtcflora:

za vo teraka herinandro de manasa lamba sy mahandro sakafo, mamafa trano
marina ve fa misy fiatrakany le miasa sahady fa tokony ho ray(1) moi hono .
le piaramonina mamendrofendro manko no miteny anzany nefa zareo tsy hanampy akory .de mba tantarao zay efa nanao toy zany hoe tsy maintsy mitsangana fa rams tsy maintsy miasa enao rery no eo ny mpanampy lasa sady manimba zavatra foana leo za de naleoko za no manao fa tsy te haka mpiasa trano tsony za .misaotra de mba valio.





Voalohany aloha dia tiako marihina fa ny fikarakarana ny fiainana aorian\' ny fahaterahana dia mandritra ny fitondrana vohoka no hi-programer-na ny hanomanana azy, ary tsy maintsy hampidirinao @ izany ny vadinao.
Tadidiko tokoa fa nanontany teto ianao nila hevitra mikasika sakafo, fa tsy betsaka ilay hevitra nipoitra, izaho koa dia tsy nisy fotoana loatra.

Ka efa voalaza n\' ny namana etsy ambony daholo ny ankamaroany , fa somary fintiniko kely sy asiako fanazavana arakaraka ny maha-manandanja azy:

1- Ny asa mila hery dia tsy tokony ataonao ( manasa lamba, mitondra entana mavesatra avy any antsena, mijoro ela loatra na mibata vilany mandritra ny nahandro, mamafa trano...sns)

2 - Ny asa manodidina ny zaza kosa dia tokony hataonao. Ilaina tokoa izany satria sady mikarakara ny zaza ianao no manaramaso ny toe-pahasalamany ( mamahana, manolo lamba, mipasoka mipetraka....). Izany anefa indraindray dia tokony asianao fifandimbiasana @ vadianao sy ilay mpanampy anao.

Vadinao : asainao manolo lamba sy mamafa vodin-jaza izy ny in-droa ( 2x) ny sabotsy na alahady. Manandanja dia manandanja tokoa io.
Ilay mpanampy : ilay mpanampy kosa dia tokony halolo lamba ny zaza indray mandeha isanandro.
Ny lehilahy dia tokony hanomboka mitaiza ny zaza raha vao teraka ilay zaza, fa tsy miandry hoe afaka 2 na 3 taona akory, rehefa handeha hampianatra azy handaka baolina.
Ilay mpanampy indray dia mila fahazarana mikarakara ilay zaza, satria indraindray ianao mila maka aina, ary indrindra indrindra raha marary ianao na misy programe hafa dia izy no mikarakara ilay zaza mandritra ny fotoana fohy.

3- Ny mandehandeha tongotra kely , na ao antrano na eny antokotany dia ilain\' ny vatanao ka tokony hataonao.Ny tiako holazaina dia tsy tokony hivoretaka eo ambony fandriana fotsiny ianao.

4- Ny rafozanao dia tsy tokony hiditra antsehatra @ izany ( efa misy mpanampy eo), satria matetika izy manoro hevitra na manakiana anao, ary tsy voatery hitovy hevitra ianareo. Noho izany dia ady hevitra lava no hiseho, ka ho simba ny relation-nareo.

5- Ny tena asanao izany dia ny manodidina ny zaza, sy ny fampandrindrana izany rehetra izany ara-potoana, manara-maso ilay mpanampy.
Rehefa matory ny zaza dia eo ambony latabatra na eo ambony fandriana ianao mandray taratasy sy stilo dia : mieritreritra, manoratra izay tokony hatao , izay mbola tokony hatsaraina , mitady ny fampandrindrana izany ara-potoana.

NB: ny vehivavy indraindray dia mieritreritra fa izy dia tsy azo soloina, izy ihany no mahavita ilay asa ( oh: nahandro). Matetika anefa tsy marina izany.
Asaivo ataon\'ilay mpanampy ny fandrahoana, ianao kosa anefa manaramaso sy manoro hevitra. @ voalohany ilay izy mety ho sarotra, fa na ho ela na ho aingana tsy maintsy ho hainy ilay izy ary tsy maintsy zatra izy.

\" Arahabaina nahazo miaramila kely \"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6843