Tantely afa-drakotra

1. locl ( 20/10/2009 13:46)
O ry zareo a! Jereo fa tantely afa-drakotra ange ny vola anaovan'ireto HAt azy ireto e! Jereo fa tsy mifanaraka @ rafitra fandaniambola ny dépenses ataon'ireo ministre.
Ny sasany miakatra be ny comptes ao @ Banque, izany kay le nanaovana tolona an!

Atao daholo izao fanaratsiana Rav8 izao mba ahafahana mangalatra haingana, dia tena voafitaka tokoa moa izany ny vahoaka an
novalian'i ifiona ny 21/10/2009 17:14
2. AndriambyII ( 20/10/2009 13:58)
"Lutte sans conscience n'est que l'ephemerité de l' existence " proverbe breton .
3. Bazzylou ( 20/10/2009 15:22)
tgv beuuuuurrrrrrrrrrrrrkkkkkkkk,trondro maty daholo :-D :-D :-D :-D :-D
4. xxx ( 20/10/2009 16:58)
INONA MOA NY NAHAMAY IREo TSY VANONA IREO FA tsy ny HANGALATRA !
Vola azo avy @bois de rose daholo sy HALATRA BE VAVA ,ny compte ao @banque-ny samy mameno daholo ,fanjakana alika é!Fanjakan'ny baroa!
5. carson ( 20/10/2009 17:02)
Zany refa v-p daholo.
6. feticon ( 20/10/2009 17:53)
tena loza ry zalahy fa raha mitohy izao dia asa fotsiny ,fa ho ringana ny bois de rose ,ho fongana ny vola any @ banky foibe dia eo ry le tsivalahara vao mody hiala bala amin'izay
7. Papoose ( 20/10/2009 18:52)
:lol: klown beu le izyy
8. fijo ( 20/10/2009 19:50)
aleo ho eo fa izany rehefa vendrana e,vao taritina dia ndao,izao vao hoe ialao
9. patrick2002 ( 20/10/2009 20:27)
locl:

O ry zareo a! Jereo fa tantely afa-drakotra ange ny vola anaovan'ireto HAt azy ireto e! Jereo fa tsy mifanaraka @ rafitra fandaniambola ny dépenses ataon'ireo ministre.
Ny sasany miakatra be ny comptes ao @ Banque, izany kay le nanaovana tolona an!

Atao daholo izao fanaratsiana Rav8 izao mba ahafahana mangalatra haingana, dia tena voafitaka tokoa moa izany ny vahoaka an



Izahay aloha tsy voafitaka eh! satria efa fantatray fa raha mbola tsy hanaiky ,fa hanakorotana i Ravalo dia izao no hiafarany .
Ary tsy misy con eto no tsy mahalala fa lainga hafafy izao sy izao ny @ vola ao @ banky ,ao aza efa tsy misy vola ka inona n o horaofin a ao .
Inona no marin a misy vola sa tsy misy ao @ banky foibe .
Betsaka izay tsaho halefa @ HAT izay, vao nandray ny asany ny HAT nisy dinika teto nilaza fa 42 millions ny karamany membre ny HAT ,4 mois aty aoriana mitaraina ny mpikambana fa mbola tsy naharay karama ny membre ny HAT
10. zoam ( 20/10/2009 21:26)
mba omeo porofo hoe ,le benjamin razafimahaleo minisitry ny vola hat teo aloha aza raha nanao ampamoaka tsy manana preuve hoe naka vola t@ volam panjakana i ra8 akoatran'iny vidina air force one ,nefa iza ny responsable an'izany
le zina ambasadera any new york izy no be vinany tao
11. ndotofetsy ( 20/10/2009 22:42)
=)) =)) =)) =)) =)) =))
12. patrick2002 ( 21/10/2009 01:30)
zoam:

mba omeo porofo hoe ,le benjamin razafimahaleo minisitry ny vola hat teo aloha aza raha nanao ampamoaka tsy manana preuve hoe naka vola t@ volam panjakana i ra8 akoatran'iny vidina air force one ,nefa iza ny responsable an'izany
le zina ambasadera any new york izy no be vinany tao



Asa na fantatry Rangahy fa raha mamoaka volam-panjakana tsy misy taratasy fanamarihana ,facture ,recu ,etc ,dia efa halatra izay manoloana ny lalana .
T@ androny Ravalo dia efa fomba fiasa mihintswy ny fanaovana asa tsy ao anatiny budget ,baiko fotsiny dia mila zavatrfa vita ,mila lalana vita dia vitao izay ny lalana,mila tanana madio dia madio izay ny tanana ,rehefa tsy hanatanteraka ny baikony dia miala ,tsy mila manao an`izany appel d`offre izany ,
Hany ka betsaka ireo asa vita tao @ commune Antananarivo nefa tsy ao anatiny budget fony Patrick Ramiaramanana sy Falihery ben`ny tanana .
Ireny rehetra ireny dia azo hanagadrana ny mpitantana t@ izany nefa tsy i Ravalo no voa fa ny tompon`andraikitra ,ohatra ny minisitry ny vola ,ny ben`ny tanana .
13. falyfenosoa ( 21/10/2009 05:38)
Elaela tsy niditra teto ny tena, mba tafandalo indray ka dia miezaka ny hilaza ny zava-misy any ambanivohitra any.
Mahakasika ireo bois de rose aloha dia isaorana ireo equipe mixte (zandary, miaramila, polisy, mpiasan'ny Angap, mpiambina ala) izay manao ny ainy tsy ho zavatra @ fanenjehana ireo mpanondrana antsokosoko. Anisan'ny mbola tsy tafavoaka teto madagasikara aloha ireo hazo tratra fa mbola anaovana fanadihadiana ao @ port toamasina, araka ny lalàna dia tsy azo atao mihitsy ny manondrana an'ireny raha tsy voahodina, nefa t@ andron'ingahy Ravalomanana sy ny ministra Harisson randriarimanana no nahafahan'ireo sinoa nanondrana bolongany fa tsy voahodina.
fijo: Nisy resaka nataoko teto efa ela ihany, tiako anefa ny manamarika fa tsy maintsy mivoaka ny marina. Ny mampalahelo dia ireo lehibe t@ zany dia manilika any @ Ingahy RA8, ireo madinika tsy sahy mamaly na dia tsy ara-dalàna aza ny taratasy fa tratran'ny kely tsy mba mamindro.
Eto aho dia mampanantena fa hanome vaovao ngezabe ho anareo mahakasika orinasam-panjakana maro², ary dia ho gaga ianareo fa toy izany no fomba fiasa t@ andron'ny Ra8. Tsy mpitondra fanjakana ny tena fa olon-tsotra ary mpiasa madinika saingy kosa tsy menatra ny milaza ny marina rehefa ampy ny porofo.
Ho ahy manokana Andriamatoa fijo dia tsotra, tsy vendrana aho akory fa raha mba misaina ihany dia aleoko manompo ny tanindrazako sy ny mpiray firenena amiko toy izay hanompo ny hafa.
14. falyfenosoa ( 21/10/2009 05:53)
Ho ahy manokana dia mahatsapa ankehitriny fa efa sahy milaza ny nanjo azy ny olona ankehitriny tsy toy ny ny t@ fotoana nitondran-dra8 ka raha vao manakiana dia gadraina, matoa ireo olona nigadra ankehitriny dia tao ireo tratra ambody omby toa an'dry Ralitera, raharinaivo, ireo nanapoaka baomba izay hita fa ekipan'i Ra8.
Be ny zavatra henoko hatramin'izay nahatongavako teto Antanananrivo izay fa ny nahagaga ahy dia ny FELICITATION nomen'ny TIM ireo mpiasan'ny RNM sy TVM fa malalaka ny fanehoan-kevitra ankehitriny tsy toy ny teo aloha. Izany dia midika fa tsy nalalaka ny mpiasan'ny haino aman-jerim-panjakana teo aloha, ny hita ihany koa dia maro @ ireo mpiasan'ny MBS no lasa ao @ TVM sy RNM saingy tsy miseho TELE na miteny mivantana @ RNM fa dia miasa toy ireo mpiasa rehetra any @ birao. Efa nolazaiko teto io hoe ahoana ny fomba nampidirana an'ireo ho mpiasam-panjakana nefa ny ECD maro no mbola tsy voaray.
Araka ny fanadihadiana natao dia isaorako manokana eto ny Ministry ny Asam-panjakana sy ny Asa Andriamatoa NOELSON WILLIAM, efa maro ireo mpiasa efa niasa ela no voaray ho mpiasam-panjakana ankehitriny, ary ireo mpampianatra FRAM dia maro ireo izay ho raisina ho mpiasa raikitra izay efa nahafeno ny fepetra.
Moa ve misy izany ny vola sa tsy misy? izay no fanontaniana mipetraka.
Ny hafatro farany ho an'izay tena vonona ny hampandroso marina an'i Madagasikara dia izao: Rehefa manana fahavononana ianao dia tsy misy mahasakana anao tsy ho tody @ tanjona kendrenao akory, matokia an'iJehovah dia ataony tanteraka izay irinao.
Mirary soa ho antsika rehetra.
15. xxx ( 21/10/2009 08:10)
MIantso ny anarana'ANDRAIMANITRA ianao nefa toa manaratsy ny fitondrana dra8, nanana ny fahadisony izy tsy lavina nefa be koa ny ENDRIKENDRIKA natao azy ,ary mba fanontanina kely hapetrako aminao ,ianao no hametrahako fanontaniana fa tsy i pahina 2002 akory ,mba lazao ary inona avy ny zava tsara vitan'ireto mpangalam-pahefana tonga a@BASY sy herisetra ,AIZA NY FITIVAN-tanindrazana @IZaO ?
RAHA MBOLA MIARAMILA SY ZANDARY TSY MITAMBASY TSY HAHASAKaNA IZAO FANONDRANANA BOIS DE ROSE IZAO FA BE NY MILAZA FA MIARMILA MITAMBASY ARY EFA NISY OLONA NANAO TéMOIN TETO FA IZAY BA OLON-tsotra miaro ireo bois de rose ireo tsy hokapaina dia hataon(ireo miaramila mitambasy ireo mahita raharaha ary ny mpanomgampanjakan mihintsy efa nisy gazety namoaka no miaro ireo olona mpanondrana ,MIRAY TSIKOMBAKOMBA RY ZAREO.
Ka refa manonona ny anarana'ANDRIANMANITRA ENAO faly dia LAZAO IZAY TENA MARINA fefatonga a@ANDRON'NY DEVOLY ANGE isika izao é!
Tsy misyfanjakana eto MCAR ALOHA NY @ZAO!
16. xxx ( 21/10/2009 08:26)
lE Pahina 2002 sy FALYFENOSOA ANGAMBA tsara raha mba mijery ny gazety moov androany mahita ny alikan'ty HAT TY
17. patrick2002 ( 21/10/2009 14:47)
Ny aferana bois de rose dia efa nisy hatramin`izay ,t@ androny Ratsiraka rehefa niakatra teo Ravalo dia nitsikafonona io trafic na bois de rose io ,tsara izany ,izay no nahatonga ny olana teo @ deputé Zakahely sy Ravalomanana ,ka nahatonga an`i Zakahely hiditra amponja ,ny loza dia Ravalomanana no lasa nanao trafic na bois de rose ary tiany ho azy irery ,ka nampiasainy ny fanjakana hanenjika ny mpanao trafic na bois de rose rehetra ,mampalahelo :cry: :cry:
Raha ohatra ka hiditra hiady @ halatr`omby ny fanjakana tsara izany nefa ny ao ambadikio ,dia hiadiana ny halatr`omby fa tianao ho compagnie iray ihany no hangalatr`omby ao madagasikara rariny ve izany :lol: :lol: :lol:
18. patriick2002 ( 21/10/2009 16:22)
HER HER HER hon hon hon
vive TGV
19. ifiona ( 21/10/2009 17:14)
falyfenosoa:

Ho ahy manokana dia mahatsapa ankehitriny fa efa sahy milaza ny nanjo azy ny olona ankehitriny tsy toy ny ny t@ fotoana nitondran-dra8 ka raha vao manakiana dia gadraina, matoa ireo olona nigadra ankehitriny dia tao ireo tratra ambody omby toa an'dry Ralitera, raharinaivo, ireo nanapoaka baomba izay hita fa ekipan'i Ra8.


sali falyfenosoa, enao ve milaza fa afaka milaza bebe kokoa ny olona @ zao fotoana zao, tsotra ny valiny koa maninona no nihemotra ny rang an'i Madagasikara t@ liberté de presse t@ ty taona ty???? oooo, ary toa ts Ravalo irery ntsony anie no nitondra t@ ty taona ty e, inn ary no mahatonga an'izany ooo?? fa firifiry moa ny radio nakatona raha vao nesorina teo Ravalo? impiry moa zay ny radio fahazavana no voan'ny brouillage raha vao sahy miteny maherihery momban'i TGV? zany mbola resaka liberté pressse, fa raha ny liberté d'expression an'olona tsotra aloha dia aleo tonga dia tsorina fa zéro e! aiza ve ka ilay toerana nitolomana lazaina fa place de la démocratie, no avy eo raràna tsy hamelana ny olona hanehoana ny heviny! tena efa extreme be anie zany e, tsy haiko nareo na tonga saina amin'izany na tsia! hatr@ zay tsy nisy korontana teo Ambohijatovo t@ nanomboka ny légalistes, fa tany Anosy no nanomboka nisian'ny korontana, maninona no raràna hankany amin'ilay hoe place de la démocratie ny légalistes haneho ny heviny??? maninona no ts avela hidina eny @ 13 mai fa tifitifirina toy ny akoho, ary balles réelles!!!!! zany ve ilay hoe fahafahana!

mety hoy enao hoe ary ny fanakatonana viva ka, dia zao fotsiny lazaiko aminao hoe mise en scène iny hahitana prétexte hanaovana coup d'Etat! efa imbetsaka aho nilaza teto fa comédie be daholo ireny fandefasana interview Ratsiraka ireny, efa voacalcule efa hatrin'ny ela iny coup d'Etat iny e! na izy samy TGV aza dia niaiky an'izany, henoy interview tao @ radio antsiva an"i
Rivo Andriamasihaja t@ mois d'aout, fa miaiky izy fa izy no anisan'ny ni-manipule an'i TGV sady nampiady azy t@ Ravalo ka nahatonga an'izao korontana zao e!


Be ny zavatra henoko hatramin'izay nahatongavako teto Antanananrivo izay fa ny nahagaga ahy dia ny FELICITATION nomen'ny TIM ireo mpiasan'ny RNM sy TVM fa malalaka ny fanehoan-kevitra ankehitriny tsy toy ny teo aloha.

dia nareo ve dia ho voafitak'izay comédie an-dry zalah e? apparence fotsiny iny hoe mody asaina daholo ny olon-drehetra, na iza na iza, nefa avy eo ahoana? Atao zay hahafa-baraka ny légalistes, piégena (nisy émission zay ilay hoe Ary ny hevitrao? na karazan'izay fa tena fanalam-baraka ny hafa fotsiny), autrement dit on l'invite pour l'humilier!!!! ts mitovy ny temps de parole, hita fa mitanila, comédie be fotsiny zany, jereo ary na i Roindefo aza nitaraina hoe tsy nahazo antenne t@ TVM!!!!! zany ve no hireharehana ? zao fotsiny e, na inona lazainao dia efa eo ny porofo fa tsy nihatsara zany ny liberté de presse, dia io rapport RSF io hoe nilatsaka 40 places Madagasikara t@ ty taona ty! ka ataonay inn rehefa comédie be fotsiny pour faire genre, nefa dans le fonds tena pôkaty!


Izany dia midika fa tsy nalalaka ny mpiasan'ny haino aman-jerim-panjakana teo aloha, ny hita ihany koa dia maro @ ireo mpiasan'ny MBS no lasa ao @ TVM sy RNM saingy tsy miseho TELE na miteny mivantana @ RNM fa dia miasa toy ireo mpiasa rehetra any @ birao. Efa nolazaiko teto io hoe ahoana ny fomba nampidirana an'ireo ho mpiasam-panjakana nefa ny ECD maro no mbola tsy voaray.



Moa ve misy izany ny vola sa tsy misy? izay no fanontaniana mipetraka.


mbola misy aloha izy zao fa ny tena fanontaniana dia hoe: avy aiza io vola io, ary haharitra ve. Mba manontany tena ihany mantsy hoe lazaina fa lasan'i Ravalo daholo ny vola eeee, miakatra ny vidin'ny vola, tsy mbola niverina toy ny taloha ny taux tourisme, ka avy aiza ilay vola????


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0632