Akohovavy Maneno

1. RATOVOARY ( 02/10/2009 07:44)
Inona no mahatonga io olana io eo @ fiainan-tokantrano.
novalian'i soanja ny 06/10/2009 00:04
2. dangytsmaty ( 02/10/2009 08:45)
RATOVOARY:

Inona no mahatonga io olana io eo @ fiainan-tokantrano.


Fiainana izany ry se a,zay le olom-belona e! tsisy olana ary hamoronan'ny sasany , olana an-tokatrano zany "indispensable" @ zanak'olom-belona io ka tsitako ze avaly

3. Mirananirina ( 02/10/2009 11:52)
fiteny fotsiny io ,fa maneno daholo na ny vavy na ny lahy,ny 1 cocorico ny 1 cocococo, :) dia mikorotana ny tokatrano.
4. xxx ( 02/10/2009 12:50)
Rehefa tsy maneno ny akoholahy ve tsy aleo maneno ny akohovavy ? Il faut bien que quelqu'un chante non :-) raha tsy izany dia matory aby
5. soanja ( 02/10/2009 15:18)
RATOVOARY:

Inona no mahatonga io olana io eo @ fiainan-tokantrano.



Sambany indray za vao naheno izany fiteny izany. Mba hazavao hoe inona no tian'io fiteny io lazaina? Misaotra indrindra ho an'izay vonona hanazava.


6. Mandefitra ( 05/10/2009 10:14)
Ny akoholahy no maneno, ny akohovavy mikakaka refa te hanatody, mikokokoko refa mitarika.

Raha sanatria maneno ny akohovavy zany, dia midika zavatra tsy araboajanahary zay fa maningana.
Mety ho fambara loza , mety koa ho fikorontanana avy hatrany.

Ny akoho lahy raha maneno dia :
- milaza fa maraian ny andro
- mahita akoho vavy izy zay ka mba te hilaza hoe inty aho
- mahita akoho lahy hafa mihaodihaody, ka te hamaritra hoe taniko ty

@ sehatra ny tokan-trano aza, dia heverina ho vehivavy manjakazaka ny hoe akohovavy maneno : mety @ fiteny, mety @ fitondran tenany ...

Fa ny gasy na talohan'ny nidiran'ny finoana Kristianina aza, dia efa nanana zay fenitra zao dia hoe: "Ny lahy no lohan'ny tokan-trano", ny "Lahy no lohan'ny vavy".
7. Ratoa ( 05/10/2009 22:24)

"Ny lahy no lohan'ny tokan-trano", ny "Lahy no lohan'ny vavy"

tsy marina mihitsy izany. Ny tokatrano gasy dia karazana matriarchat: ramatoa no mitantana ny baolina na miseho ho malefaka aza. Izy no mitantana sy miary ny harena na dia i rabgahy aza no mitondra ny vola mody, tsy latsaka na voamena iray aza.
Raha hendry hono ramatoa dia mahatsangan-javatra izy roa
Saingy ny lehilahy no mitondra teny any ivelany: raha amboraka ny hevtira tapaky izy roa amin'ny be sy maro, raha mamangy , maganta-bady ets...
Mana-tsaina maranitra anie ny vehivavy gasy ary tsy lany paika.
Ka raha mitondra teny izy dia atao hoe akohovavy maneno.

Inty misy zavatra mampiomehy kely: sorisorena ny zandriko vao miana miteny dia ny reniko hoe: "maninoa angaha io akoholahy ry naivo?" Dia hoy ilay zandriko hoe : "tsy latsaka atody".

Raha maneno ny akoho vavy ve tsy hanatody ny akoholahy?
8. soanja ( 06/10/2009 00:04)
Misaotra anareo nanazava fa mazava tsara.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.58