tsiambaratelo ny tokantrano vanona?

1. fasha ( 25/09/2009 06:56)
HONO AHO eh ho anareo efa manana experience ao @ tokantrano inona clé de reussite ny tokantranonareo.satria raha mijery ato @ ty forum ty ny tenako ny probleme de couple hitako ato dia fifampirafesana na tsy fifakazahoana @ havam bady ka inona no zavatra ba atao ba tsy ho tongavana @ zay.
ba tiako ho fantatra inona no maha tonga an lehilahy makany ambadika ary inona no zavatra tokony atao ra tratranay zay.
ARY INONA NO FAHENDRENA MALAGASY @ ZAVATRA TOKONY ATAON NY VEHIVAVY MALAGASY MANOLOANA NY TOKANTRANONY
novalian'i thorien24 ny 30/01/2016 10:48
2. nathie86 ( 25/09/2009 07:31)
ko nga cas standard mo ny fiainana ao an-tokatrano. Tsa mitovy aby io.
Za ko aloha tsy mbola manana experiansa @ tony tokatrano tony. Za ra ampirafesina zany tonga d dakako any hihihihi.
Ny fampirafesana aloha d efa tarazo @ lhl eh, raha mijery ny tantara taloha ftsny isika ny oe manambady maro. ôtrany oe normal zany zany eh, hitanareo raha misy vhv mampirafy d voanjika beuh, fa raha ny lhl d oe kofboay anie iny eh, reny v no enarana kapain-tsy hita fery reny, je sui l'homme sns sns
Ny mahatonga ny fampirafesana indray d refa tonga ny zazakely, d lasa oqp b any rtoa d adino rangahy, rangahy ko tsy t hicomprendre moa koa ny sipa kely @ zao misarakorako etsy sy eroa daholo. Ny vahaolana eto tô ôtrany tsy d misy hihihihi. Fa mila mahay mandanjalanja ny fomba fitondrana ny zanaka sy ny vady ngamba théorie daholo zany an, fa andramo aloha.
Ny tsy fifankahazoana eo @ rafozana sy ny vinanto vavy ndray, io resaka hasarota-piaro nefa fitia tsy azo afangaro hoy ny fitenena, ny vahaolana eto d ny tsy fifaneraserana matetika, zay ftsny. :)
3. ni81 ( 25/09/2009 07:38)
ba tiako ho fantatra inona no maha tonga an lehilahy makany ambadika ary inona no zavatra tokony atao ra tratranay zay.
ARY INONA NO FAHENDRENA MALAGASY @ ZAVATRA TOKONY ATAON NY VEHIVAVY MALAGASY MANOLOANA NY TOKANTRANONY
Somary sarotrarotra ihany ny hanome valin-teny satria tsy mbola nihatra t@ tena (ary enga anie mba tsy hisy). Misy miresaka tao @ dinika ao ambadika ao hoe: misy tsy ampy hono ao @ tokantranony no mahatonga ireo lehilahy handeha..., nefa raha araka ny hevitro dia misy mihitsy olona tia mandehandeha toy ny "lolo" ka mitetitety voninkazo etsy sy eroa. Tia ilay manan-droa na manan-telo aman'efatra mihitsy aza angamba e!
Ka raha io resaka hoe: tsy fahampiana ao an-tokantrano io (fitiavana sy ny fanehoana azy) no mahatonga azy ireo "handeha" dia tokony ho jerena akaiky izany ny fomba fisehony.
Tokony hisy fifanakalozan-kevitra matotra tsara eo @ tokantrano angamba e! Misy mantsy mpivady tsy mba dia mifanakalo hevitra loatra fa tonga ramose avy miasa dia misakafo, dia avy eo mijery telé dia matory, dia maraina lasa miasa indray dia tsy tafody antoandro fa samy any amin'ny asany any daholo dia lasa toy izany hatrany.
4. Mirananirina ( 25/09/2009 14:04)
ny tsiambaratelo dia ny fifampitokisana.Izay ihany fa raha vao ny 1 no saropiaro be loatra ka miteny foana ilay 1 dia rava io ny farany.Tiako tenenina saropiaro be dia ity>mijery ny tel ohatra...iza daholo no natsoiny androany.sns...tsy matoky io dia raikitra ny ady.
5. boozkel ( 25/09/2009 14:25)
Ny azoko hamaliana anao indray angamba dia ny "FIFANDEFERANA" sy ny FIFAMPIRESAHANA ihany,

Ny mpivady ve moa tsy hiady, fa reefa mihenjana ny iray de milefitrra ny iray e, tsy misy afa-tsy izay,

milefitra akory tsy midika we enao no nanao ny tsy mety,
ohatran'ny tady ihany io e rah miara-mihenjana eo nareo roa dia hiafarany tapaka,

De reefa afaka ny fon'ilay nitabataba, de tsy misy afa-tsy ny fifampiresahana reefa mangatsiatsiaka ny fony,
tsy we anjaranao indray no mitabataba fa mba tsy hiverimberenanan'ilay olana matetika de mifampiresaka tsara, tsy hatao hiverenan'ny ady akory zany
6. ni81 ( 25/09/2009 15:15)
Ny azoko hamaliana anao indray angamba dia ny "FIFANDEFERANA" sy ny FIFAMPIRESAHANA ihany
tena zava-dehibe mihitsy tokoa ny fifandeferana ary io no andrin'ny tokantrano.
7. cutie ( 25/09/2009 18:56)
Mpandefa : fasha [ Valio ] 25-09-2009 08:56:53
Lohateny : tsiambaratelo ny tokantrano vanona?
HONO AHO eh ho anareo efa manana experience ao @ tokantrano inona clé de reussite ny tokantranonareo.satria raha mijery ato @ ty forum ty ny tenako ny probleme de couple hitako ato dia fifampirafesana na tsy fifakazahoana @ havam bady ka inona no zavatra ba atao ba tsy ho tongavana @ zay.
ba tiako ho fantatra inona no maha tonga an lehilahy makany ambadika ary inona no zavatra tokony atao ra tratranay zay.
ARY INONA NO FAHENDRENA MALAGASY @ ZAVATRA TOKONY ATAON NY VEHIVAVY MALAGASY MANOLOANA NY TOKANTRANONY

contrat ifanovanareo ny mariazy matoa nareo nazoto ny hiaraka sy hanohy ny fiarahana ao anatin'ny fanambadiana, noho zany nareo roa irery ihany no afaka mandrindra ny fiainanareo, tokony ilaina ny fifampizarana ny zavatra tiana sy tsy tiana, ilaina ny communication, ilaina ny fifanajana eo @ resaka privacy, tsy ilaina ny manao fepetra sy ny tariny, tokony ho samy malala-tsaina ny roa tonta.
8. fijo ( 25/09/2009 22:01)
tena faka vady mihintsy cutie ity ka,efa mahay ny rehetra
9. cutie ( 25/09/2009 23:35)
=)) =)) =)) =)) =)) =))
10. ikaretsaka ( 26/09/2009 00:28)
Oay le.. 8O. Fa tsy fampirafy ve?
Ra fijo ihany io ry cutie a
11. zokely2009 ( 19/10/2009 16:03)
Manao ahoana daholo
tsara be lay fanontaniana.Betsaka zay zavatra hitako tamin'ny fiainana zay.Zany heo efa ho telo taona teo zay za no nanambady.Angamba tsy tena matotra za tam zay telo taona zay fa dia betsaka ny ditra niainako.tena azo lazaina fa tompony mihintsy za fa tsy mpindrana.Fotoana kely iray anefa dia naika nanimba ny fiaianako.Tsy nihevitra za fa hay misy farany ny zavatra rehetra.Ka mb toro hevitra ataoko aminareo raha tiana ny ho tonga am lay hoe "vanona" ny fiaianana dia tsotra ny valiny sady mora atao,nefa isika ihan no mody fanina aminy:Mivavaka.rehefa ankinina amin'ny Tompo ny fiainana dia mandeha ho azy daholo zany.Ka raha resy ndray andro na mitady ho voan'ny fankampanahy dia aza adino ny mijer teny soratra masina na dia 5 segondra aza.Mahaiza koa mifona sy mandefitra.dia tadidio koa fa refa miaraka Aminy ianao dia lety foana ny zavatra atao.Tsara be ity teny ity ka aleo mba hozaraiko aminareo izay mamaky:
Ohabolana 25:11 ny teny atao amin'ny antony Dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra. [Na: poma volamena misy ravaka volafotsy.] OHABOLANA 25

mazotoa daholo ary ianareo
12. thorien24 ( 30/01/2016 10:48)
Manahoana daol,
Resabe ny tokantrano sambatra satria manko ny hoe
- vady: raha mikorontana dia afaka ny "v"= ady.
- rehefa tsy voavaha ny koronatana dia afaka ny "va"=dy(sauvage:tsy mahazaka trano) ny iray
- raha mbola mitohy iny, eo @hoe "mpivady" dia afaka koa ny "piv" ar ny "a" lasa "o" =mody
Zainy hoe:
Raha tianao ny hahita ny tokan-tranonao ho sambatra dia ataovy izay hampisy voninahitra ny namanao eo anivon'ny fiaraha-monina, fiangonana, mpiara-miasa...
Antony:
Ny vady = voninahitra
raha tsy manambady: tsy manana voninahitra
Misaotra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8961