Hitady anarana Mpihira
1. aivetinakely
(
02/09/2009 13:56)
Manahoana daholo
Azafady indrindra sao de mba misy mahafantatra ilay anaran'ilay mpihira ny hira ao amin'ny film gasy hoe " maty LOLO", ilay tonon-kira hoe :
Efa tapa-kevitra aho hanao izay hahasoa sy hahasambatra anao
Fa vao maika gidragidra ady lava izao ny fiarahana
...............Satria tsy anjarantsika roa
...............Ny hiara-dia mandra-maty amin'ity tany ity
Misaotra sy mankasitraka anareo mamaly
novalian'i Envy7 ny 06/09/2009 20:23
3. Envy7
(
04/09/2009 04:38)
TSY ANJARA na tsy anjarantsika roa,ny lohanteny. Hotra hotra anizao,ny voalazany ao, Efa mba niezaka aho hanao izay ahasoa sy hahasambatra anao.Efa mba nataoko iany izay mba itovizanao aminy namanao.Nefa indrisy zava-poana ihany akia eo anatrehanao,fa izay hahasoa ny tenanao ihany angamba no fantatrao.Nataoko hitondra fiainana sy fahasambarana ny fisianao,hay vao maika gidragidra,rahon ady foana no hiainako.Ankehitriny aho hiova lasy,hoeny antanan olon-kafa,fa fitia bobokaty tsy ataoko ho latsaka anaty.Satria tsy anjarantsika roa,ny hiaradia mandra -maty,amin ity tany ity......Aleo tohizany hafa indray,fa ( )mba atsipatsipazo,eto zay tena mba anaranlery,fa ny tenanay anisany makafy 100/100 ny hirany.
4. aivetinakely
(
05/09/2009 18:34)
Envy7
Misaotra anao namaly. Tena nisahirana ianao nandika ny tonony, efa ampy hahafeno ny hafaliako io , fa miandry ny hafa tokoa hanome ny anaran'ilay mpihira fa tena tsara ny ngadon'ilay hira sy ny tonony saingy tsy haiko ny mpihira azy.
Mamerian ny fisaorana é
Misaotra anao namaly. Tena nisahirana ianao nandika ny tonony, efa ampy hahafeno ny hafaliako io , fa miandry ny hafa tokoa hanome ny anaran'ilay mpihira fa tena tsara ny ngadon'ilay hira sy ny tonony saingy tsy haiko ny mpihira azy.
Mamerian ny fisaorana é