L'épée de Damoclès de Andry TGV

1. diloo ( 28/08/2009 21:47)
Tsy afa manoatra marina i Andry TGV kle:

vakio ito:
- 01h00 - Les militaires mutins menés par le ministre Noél et le CEMGAM Andre se sont réunis hier soir avec tous les chefs de corps de Tanà !!! Le CDT Charles aurait déclaré que si Andry TGV signe quoique se soit qui fragiliserait leurs positions (des militaires), il procéderait personnellement à sa destitution !

:wink:
novalian'i diloo ny 30/08/2009 07:59
2. xxx ( 28/08/2009 23:14)
Bienfait,mbola aiza anefa ny hahazo andradomelina lava nify hihihi!
3. patrick2002 ( 29/08/2009 15:19)
Ho anareo gasy manohana ny lalanany Ravalo ,fa na iza na iza filoha manana politika hanapotika institution anankiray ,na inona io na inona dia tsy maintsy hitsangana ny olona ao amin`izany institution izany hiaro ny an`azy ,lojika izany .
Nopotehiny Ravalo ny tafika malagasy nandritry ny fitondrany satria tsy mila zavatra tsy mamokatra hono izy ,fanapotehana izany satria ,ny miaramila dia tsy natao hamokatra ,fa natao hiaro ny andrim-panjakana (institution d`Etat ) vahoaka ,lalana ,tanindrazana ,ireo no harovany miaramila .
Ka mba manontany an`i diloo izaho raha misy filoha iray mampiasa politika fa hakatona ny fiangonana rehetra ao madagasikara ,havadika hatao bibliotheque ,salle de gym ,gymnase ,salle de cinema ,tsena ,sekoly ,hijery fotsiny an`izany ve ny kristianina rehetra fa tsy hitsangana hiaro ny fiangonana.
4. diloo ( 29/08/2009 16:08)
Io indray i Patrick2002 fa manao esquive-ny fehezanteny manazava ilay lohateny
Resaka ny fanindrin'i ra-Sarla an'i AndryTgv.
Le CDT Charles aurait déclaré que si Andry TGV signe quoique se soit qui fragiliserait leurs positions (des militaires), il procéderait personnellement à sa destitution !

Izany hoe ny télécommande dia i ra-Sarla, fa i Andry TGV ilay boto faniraka saribakoly manatanteraka ny baikon'i ra-Sarla. Koa rehefa tsy manaraka ny didiny, dia izy mihintsy no hanao ny destitution-ny.
Normale ianao raha manao mody tsy mahatsapa ny manjo an'i Andry TGV ilay voantsindrin'ny basy koa fa tsy i Ra8 irery.
Jereo teny Ivato na dia i Roindefo aza nipararetra tsy nasaky nanome ordre gouvernemental amina maha PM saribakoly azy manoloana an'i ra-Sarla.
Dadatoa anao tokoa angamba i ra-Sarla koa faly ery ianao tsy afaka mihetsika i Andry TGV. :wink:
5. patrick2002 ( 29/08/2009 17:45)
ka mazava anie izany ra diloo eh ! Tsy hanaiky ny tafika raha hanao politika hamotika ny miaramila koa i Andry TGV ,izay nataony Ravalo .
izay no hataoko hoe lojika ,ianao no mihevitra fa saribakoliny ra Charles i TGV ,fa ny ahy dia tsy izay no fandraisako azy ,tokony hiaro ny tafika i Andry TGV@ maha filoha ambony ny tafika azy, ary mampahatsiahy i Charles fa raha vao manaiky ny pressions ny CI eo hamotika ny tafika dia handray ny responsabilité ny izy .
Sahala ny teniny TIM hoe zay tsy hiara-hiasa @ mpanonga-panjakana ,zon`ny izany ,dia mba zon`ny miaramila koa ny miteny hoe ,haonganay rehefa tsy hiaro ny miaramila i Andry TGV.
6. diloo ( 30/08/2009 01:00)
Miala tsiny @'i Patrick2002 aho raha izao vao nanampotoana amaly anao. Tsy azo avela ny asabotsy magnifique afahana mi-défoule kely na dia mazana aza ny fizotran'ny fiainana ankehintriny.

Fangaha moa Patrick2002 voatery ao anatin'ny endrika sotasota tsy misy voninahitra na respect ny corps d'arme, na droit de réserve, fa ilay fomba fanaon'ny jiolamboto no aseon'i ra-Sarla.
Aminao ve io endrika io no tokony aseony?
Ny fahitako an'i Andry Tgv raha nanaiky nanao sonia ny Maputo 1, dia nanana eritreritra izy hanome toerana an'i ra-Sarla ao anatin'ny article 22 de la Charte des accords de Maputo,en particulier relatif à la mise en place du Comité de Réflexion sur la Défense et la Sécurité nationale dont chaque mouvance désigne chacune deux membres.
Izany hoe, mino aho, no koa sady ilain'i Andry ny présence-n'i raSarla hiara hiasa aminy no koa garantie ho azy ny hanampiarinan'ny fitondrana tiany ho tanterahina.
Koa tsy hitako mihintsy ny antony hidradradrain'i ra-Sarla manoloana ny journalistes vahiny tao Ivato hoe raha tsy manaraka ny didiko @'ny tsy hanaovana sonia,dia izaho mihintsy no hi-destituer an'i Andry.

Hoy i Denis Alexandre LAHINIRIKO:


Ary tena mihevitra ve ianao fa i ra-Sarla no hanavotra ny andrimpanjakana, ny
famokarana, ny fifanakalozana ara-ekonomika @'ny eran-tany?
Izy, io olona tohananao io ve no hanavotra ny fangiringirinam-piainan'ny vahoaka malagasy manontolo, izay maty noana ny tsy manan-tsiny?

Depuis la mutinerie des éléments de CAPSAT, on peut dire que c’est un coup d’Etat dont le pouvoir a été confié à un civil. Ici, Andry Rajoelina est plus ou moins l’ « otage » de l’armée. Il est obligé de suivre ce qu’elle lui dicte de faire. La preuve : la libération d’un colonel, Kotity, qui a priori fait partie des prisonniers politiques arrétés sous Ravalomanana, mais qui, si on regarde les chefs d’inculpation, aurait commis des meurtres, des assassinats avérés. Méme les propres partisans d’Andry Rajoelina ne sont pas d’accord pour sa libération.

Ok tsy Andry Tgv no nanao ny coup d'état fa i ra-Sarla. Dia hanaiky ny hiondrika amin'io olona mpamitaka ny honneur ny miaramila io ve ianao?
Raha miresaka miaramila ianao, ny ahy, dia tiako avahana ny miaramila maro an'isa sy ny cas ra-Sarla.

Izany ry Patrick2002 no nahatonga ahy convaincu fa i ra-Sarla est l'épée de damoclès de Andry TGV.
Mampalahelo fa tsy afa-mihetsika izy ary tsy crédible izy manoloana ny CI tant que ra-Sarla manjaka.

Ouadray lava loatra ny lahasoratro kle.Miala tsiny e.


:wink:
7. patrick2002 ( 30/08/2009 01:55)
diloo dia bon samedi magnifique aloha isika izany ,miala tsiny manakotaba fa na dia ao anatiny samedi joli ary izaho sy ianao dia mba mitsidika eto ihan y indraindray ,ka hamaly anao izaho .
Ny article 22 ny maputo 1 dia milaza fa samy manondro olona 2 ny mouvance tsirairay avy .ny olana anefa dia Ravalo manana jeneraly izay tsy afa nanohatra ny baikony ,fa nanaraka fotsiny na dia hitam-poko hitam-pirenena fa fanapotehana ny miaramila ny politika nataony Ravalo ,i Andry indray dia kolonely sy komanda izay tsy nahazo avancement vokatry ny politika nataony Ravalo no manohana azy ,ary ireo miaramila marobe izay tsy nahazo fisondrotana grady ,sy jeneraly nalefany Ravalo retraite ireo no manohana an`i Andry ,raha hampiarina ny article 22 dia mazava ho azy fa jeneraly no tendreny Ravalo ,ary tsy maintsy kolonely no tendreny Andry ,eo ny olana satria @ ethique militaire jeneraly tsy ho baikona kolonely mihintsy ,ary kaporaly tsy hibaiko sergent ,resaka grady no mikoty @ tafika .
Izany hoe raha hampiarina ny article 22 dia tsy misy hatokona ireo kolonely sy ny tafika malagasy izay manohana an`i Andry TGV ,fa jeneraly ny Ravalo no hitantana ny baolina ,eo no tsy hanekeny kolonely manohana an`i Andry ny article 22 .ary mbola izay no tsy hanekeny tafika malagasy hidirany jemeraly saribakoliny Ravalo ao @ tafika amin`izao (sans porte feuille ).
Haveriko fa @ tafika jeneraly tsy ho baikona kolonely mihintsy ,ethique militaire izany ,tsy afaka manohatra an`izany ra Charles .
8. diloo ( 30/08/2009 07:59)
Patrick2002, misy fahamarinana ny hypothèse-nao mikasika ny resaka grady; Kanefa, ny herin'i ra-Sarla dia @ alalan'ny basy. Araka izany, tsy mahasaky manohitra azy takaka ilay vice-amiral ni-forcer-ny nanao sonia ilay ttsy nataon-dra-Sarla ho famindrana ny fahefana directoire ho @ civil dia Andry izany. Dia io ihany, fantatry ny jeneraly fa ho ampiarin'i ra-Sarla, na dia 2 contre 6 ny membre ny CRNDSM ( art 22). araka izany ny rapport de force na dia mitongilana aza en défaveur an-dra-Sarla dia voatery ihany ireo 6 ireo miara-miasa @ ra-Sarla raha tanteraka ihany io art 22 io. Mazava ho azy fa aleon'ireo 6 gradés ireo manavotra ny ainy toy ho izay ho fatin'ny balan-dra-Sarla.
Farany, io transition Maputo io dia éphémère fa ny tena fitondrana tena izy sy ara-dalàna dia aorian'io fifdianana izay ho filoham-pirenena aorian'ny tetezamita Maputo.
Fa ny amiko izao dia ny avotrain'ny firenentsika mikasika ny déblocage ny aides financières CI ( tsy manana indépendance économique isika) fa tsy ny focalisation mikasika ny fanjakana ampiarin'ny ra-Sarla no zava-dehibe.
Izy no lalàna sy mandidy ny rehetra amin'izao fotoana izao. Ny vahoaka kosa noana sy reran-tsaina ary tsy olana aminy ny fanaovany sorona ireo vahoaka, tahaka ireo maty fahatany noho izy ihany. :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1671