mahaiza mitaiza e!

1. sipagasy ( 25/08/2009 20:48)
Mba nitsangatsangana teny ànet aho dia nahita ity http://fr.news.yahoo.com/55/20090825/tod-un-enfant-de-5-ans-cambriole-son-jar-17baed7.html dia onena fotsiny hoe dia tsy ampy kilalao hono izy dia izay ny nampatonga azy nanao ny zava-bitany tssss, fa isika ray aman-dreny veh tsy mba mahay mampionona ny zanatsika e!!!! tsy ho afaka ny hangoa-danitra hatrany anie e! mila asiana fetra ny ankizy, iza anefa no tena mahay sy mahatanteraka izany????
novalian'i soanja ny 28/08/2009 14:45
2. rakaroka ( 25/08/2009 21:24)
Ity resaka fitaizana ity aloha...tsapako fa misy "ezaka" sy "fisainana lalina "tokony atrehina sy imasoana fa tsy manarak'onjan'ny hazakaza-piainana ftsn!
3. ikaretsaka ( 25/08/2009 22:09)
le izy rehefa revy tsy mitovy @ nentsika de ratsy foana... tamin'ny androntsika rehefa tsy nitovy @ nen-drabainina sy rabofy de ratsy hono ho'zy reo..de rabainina sy rabofy tsy nitovy revy t@ rabebe sy radadabe de hoe ratsy revy koa hono ireo.. de toy izany hatrany
4. soanja ( 25/08/2009 23:04)
sipagasy:

Mba nitsangatsangana teny ànet aho dia nahita ity http://fr.news.yahoo.com/55/20090825/tod-un-enfant-de-5-ans-cambriole-son-jar-17baed7.html dia onena fotsiny hoe dia tsy ampy kilalao hono izy dia izay ny nampatonga azy nanao ny zava-bitany tssss, fa isika ray aman-dreny veh tsy mba mahay mampionona ny zanatsika e!!!! tsy ho afaka ny hangoa-danitra hatrany anie e! mila asiana fetra ny ankizy, iza anefa no tena mahay sy mahatanteraka izany????

Marina fa miankina amin'ny kolontsaina ao an-trano sy ny soatoavina no mitantana ny mahasalama ara-tsaina/ moraly/ ary fahendrena ny zaza iray na tsia fa anisany milalao amin'izany koa ny mahazaza an'ilay zaza na ny mahaolona azy izay lovainy/ niforona hatrany ankibon-dreniny. Misy zaza tena sensible tokoa amin'ny fikarakarana sy fikolokoloana azy ary misy ny tsy dia mila zavatra betsaka nefa miodina eny ihany milamina. Ny zava-dehibe anefa dia tsy azo idivirana dia ny FItiavana ao an-trano mila feno raha te hanana zaza salama ara-tsaina sy manam-pahendrena. Mila miantomboka dieny mbola any an-kibo izany fahatsapany fa tiavina izy izay.

Mazotoa e!

5. ari.malala ( 26/08/2009 11:05)
ikaretsaka:

le izy rehefa revy tsy mitovy @ nentsika de ratsy foana... tamin'ny androntsika rehefa tsy nitovy @ nen-drabainina sy rabofy de ratsy hono ho'zy reo..de rabainina sy rabofy tsy nitovy revy t@ rabebe sy radadabe de hoe ratsy revy koa hono ireo.. de toy izany hatrany

ts resaka zany fa ny eto kosa nge halatra no resahina e! d aiza no hisy halatra ho tsara?! fa amiko ilay ankizy mintsy no efa ratsy toetra...
6. Ratoa ( 26/08/2009 14:26)
marina fa mitsirirtra ilay zazakely 5taona, ilay zaza 13 taona anefa no tena nitarika satria io efa adolescent. Mitsapa ny heriny sy ny fasahiany ilay zaza. Mitovy amin'ilay mampijaly na mamono biby io. Dia min'ny mahazaza azy dia ninoizy fa tsy ho tratra. Amin'ny mahazaza azy koa no nahatonga azy nivaky avy hatrany. Izany hoe mbola azo arenina ireo zaza ireo ary mila arahana akaiky ny fivoarany satria mandeha be ny sainy ary tsy mahalala matahotra.
7. do68 ( 28/08/2009 07:15)
Hevitra hatsipiko ho antsika mpitaiza ireto nentiko nitaizako ny zanako fa sao mety aminareo : 41 taona aho izao : 3 ny zanako 10, 14 ary 18 taona.
Mila fiainana milamina ny ankohonana ka tompon'andraikitra amin'izany ny Ray sy Reny. Tokony hanana tanjona ny mpivady ka ny fifankatiavana sy ny fifandeferana no tena zava-dehibe.
Raha vao ao ambohoka ny zaza dia anjaran'ny Reny ny mitondra am-bavaka ilay zaza amin'ny fiainany. Manohy izany rehefa tonga soamantsara eto an-tany izy;
Mikolokolo ara-tsaina, ara-batana, indrindra fa ara-panahy ny Ray aman-dReny : ny Tena tsara indrindra dia ny fandefasana azy ireo mandeha any ampiangonana hivavaka sy hianatra Tenin'Andriamanitra.
Anjaran'ny RReny koa ny manoro ny zaza fa ny fanankinana ny fiainana amin'andriamanitra dia zava-dehibe eo amin'ny fiainan'ny zanak'olombelona.
Ara-batana : Ny Reny no tompon'andraikitra voalohany amin'ny fitaizana ny ankizy.
Raha vao miditra antsekoly ny zaza dia kolokoloina ho tia fianarana ka ny reny no tsy maintsy manara-maso izany isan'andro;
Marihiko eto fa rehefa T 6 ny zaza dia efa asaina mitondra-tena sy mampiana-tena, rehefa misy tsy azo vao manontany. Tsy maintsy manara-maso hatrany anefa ny RReny.
Lava loatra ny toro-hevitro, nahasoa anefa izany ka hatsipiko ho an'ny rehetra "Izay mahakolokolo no hanana ny soa".
8. soanja ( 28/08/2009 14:45)
do68:

Tsy voatery ny reny no tomponandraikitra voalohany- ara-batana sy ara-panahy ara-tsaina no voalaza eto moa- fa ny Ray sy reny hatrany, miara-miasa ireo, afaka mifanolosolo koa ny toerana. Raha feno ny tokotelo mamasanahandro: Reny sy Ray ary ny tokatrano/ ankohonana/ community dia izay no lafatra indrindra.

Raha tsy tsara petraka ny fomba fitaizana ny zanakao any ivelany (community) raha mandeha mianatra na milalao any ivelany any izy dia hikotringa ny raharaha na dia feno tahaka inona aza ny ao an-tranony. Tandremo fa misy fiantraikany be dia be amin'ny fitombon'ny zaza ny fiarahamonina iainany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4285