menalamba

1. sitlo ( 23/08/2009 13:05)
Fa maninona hoy aho ilay gasy no tsy mba manaja ny mpitolony mihitsy e? Anenenana daholo izao tolona rehetra izao.

Tsy izany fa tamin'ny erinandro izany dia nisy fianakaviana nanao famadihana tamin'iny faritra Andramasina iny. Dia anisan'ireo mpitari-tolona tamin'ny menalamba ny iray tamin'ireo razana.
Dia ny nahagaga dia maro ireo olona no tsy faly, dia nalainy ilay basy dia nodorany.
:x
Raha vazaha anefa izao izany dia zarany aza mahita basy hoe itony no mba vakoka ahatsiarovana izany andro izany.

Tena tsy azoko mihitsy.
novalian'i soanja ny 08/07/2010 14:10
2. ni81 ( 23/08/2009 13:30)
Dia ny nahagaga dia maro ireo olona no tsy faly, dia nalainy ilay basy dia nodorany.
inona ny antony tsy nahafaly azy ireo ka nandoroany ilay basy? Sao kosa dia hoe: ireny basy ireny no mahatonga ny adilahy? :roll: :-P
3. nathie86 ( 24/08/2009 11:36)
fa nga ny gasy efa nanana basy mo sô??? :?:
4. sitlo ( 24/08/2009 20:37)
Na tamin'ny andron-dRadama aza efa nanana basy ny gasy ka. Fa ny ambonimbony ihany no nanan-jo hampiasa azy.
Ary izay mihitsy koa no eritreretiko fa nahatonga ilay fifandirana. Resaka avo razana sy fialonana ...
Tena manirikiry mihitsy ny nieritreritra azy. Efa 2009 izao ve rangaha. Raha azondreo natao koa angamba ny nandoro ilay razana dia efa nataony.
Ka ireo basy tsy nalevina niaraka taminy tao am-pasana fa tany an-tsaha dia vao naheno amin'izay ny tsy tia hoe hanao famadihana ry zareo atsy dia tonga dia ny lolom-po no mivoaka.
Izaho aloha mino hoe nisy tantara tsy nilamina tao. Fa na dia izany aza efa ela be any. Ny zafi-paladihany aza izao efa manan-janaka.
5. soanja ( 08/07/2010 14:10)
Miankina amin'ny fahalalana daholo izany. Raha fantany ve ny lanjan'izany vakoka izany dia hino aho fa tsy nodorany ilay izy. Saingy.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3745