hatsembohana

1. xxx ( 18/08/2009 14:47)
Arahaba,

Tsy izany fa olona tena tsembo-tanana sy tongotra sy helika lava ny tenako, eny fa na dia mangatsiaka aza ny andro, rehefa mafana moa dia tsy lazaiko intsony.

Ka rehefa mankany amin'ny dokotera dia matetika lazain-dry zareo fa rehefa misy stress hony, nefa na milamina tsara ato an-trano aza aho, tsy misy problème dia tsemboka foana. Ny sasany indray moa manome creme nefa vao henoko ilay malamalama dia tsemboka be ny tanako. Tsara ho marihina fa efa hatramin'ny naha-kely ao io fa tsy hoe nipotra taty aoriana.

Ka saika mba hanontany ny namana eto amin'ny serasera??? raha mba misy mahalala fanafody mahomby amin'io fa tena mahakamo sy mahamenatra be ilay izy.

Fisaorana.
novalian'i xxx ny 06/04/2010 08:08
2. niryna ( 21/08/2009 14:34)
Ny hatsembohana dia misy karazany maro ,misy ny tsemboka foana ,misy rehefa matory ary misy manaranaka na inherit ilay izy. Asidra mivoaka ao anatin'ny olona iray koa ilay izy .
Mikasika ny nerve koa io ary misy rehefa miasa be ny sainy dia tsemboka be izy
Mila mandro foana raha toa ka azo atao ary tsy mahazo manao akanjo nylon na jersey ireny fa tsy mahazaka ny vatana.
amin'ny manaraka omeko ny fanazavana kely fantatro
niryna
3. Ratoa ( 21/08/2009 21:59)
Akanjo coton foana anovana.
Misotroa ranona voasary makirana, izany hoe potsero voasary makirana kely 5, sahabo atsasaky ny kôpy afangaroy amina rano tsotra iray litre.
Dia isaky ny manasa tànana dia osory rano-boasary makirana kely ny tananao.
4. niryna ( 24/08/2009 03:21)

Araka ny voalaza dia karazana fitsangan-javatra avy amin'ny nerve izy io ary tsy mety tsy ho voa control koa ilay izy ary vokatr'izany dia mety hisy fiatraikany any amin'ny tosi-dra ilay izy ,dia mandeha amin'ny hafainganan'ny fitempon'ny fo ary koa rehefa be tebiteby dia mitambatra avokoa ireo avy eo dia lasa miteraka antsembohana.
Ny tanana ,ny tongotra ,ny takolaka ary ireny toeran-kafa izay mora tsemoka ireny .Raha azo atao dia manao akanjo cotton foana ary toy izany koa ny ba kiraro fotsy fa tsy mainty na cotton aza.Mila mandro matetika ary misolo akanjo isan'andro,ny tsy fisoloana akanjo isan'andro sy ny tsy fandroana ary ny fanaovana akanjo nylon dia vao maika miteraka olana hafa indray,maimbo atsembohana. Aza ampiasaina ny alamo miaraka ny ranokely dia iny no itsifirana ny helika sy ny tongotra fa ny fanaovana ireny zavatra fanao amin'ny helika ireny dia misy lafy ratsiny no sady mora sy fanafody tsy ahita lafiratsiny ny fampiasana ny alamo miaraka ny rano mangatsiaka.

Commonly affected areas of the body are the hands, and feet. In smaller groups of patients the facial and armpit areas are affected as well. Different methods were used to treat excessive sweating such as herbal medications, different oral medications, lotions, and injections of botox. All of the above had limited success and if successful only for a limited periods of time. The surgical method known as ETS is the only known permanent solution. Dr. Reisfeld based in Los Angeles at The Center for Hyperhidrosis offers a up to date site on the surgery procedure itself (ETS) and hyperhidrosis.

5. niryna ( 24/08/2009 03:35)
niryna:


Commonly affected areas of the body are the hands, and feet. In smaller groups of patients the facial and armpit areas are affected as well. Different methods were used to treat excessive sweating such as herbal medications, different oral medications, lotions, and injections of botox. All of the above had limited success and if successful only for a limited periods of time. The surgical method known as ETS is the only known permanent solution. Dr. Reisfeld based in Los Angeles at The Center for Hyperhidrosis offers a up to date site on the surgery procedure itself (ETS) and hyperhidrosis.


Araka ny voalazako etsy ambony dia na ny tongotra na ny tanana na ny tarehy sy ny toerana izay mora tsemboka dia mety ho tsemboka avokoa saingy misy samy manana ny fipoitrany ny olona.
Misy karazany maro ny mety ho fitsaboana azy io saingy tsy maharitra toy ny fanafody ohanina,fanafody hosorana,fanafody tsindromina ny olona ary misy aza fitsaboana izay miafara amin'ny fandidiana mihitsy ka io no mety hisy vokany saingy mino aho fa mbola tsy misy fanaovana izany any amntsika e.Na izany koa aza dia ny mpitsabo any amintsika mahalala karazana fanafody ( toy ny dokotera Ratsimamanga sy ny hafa ikoa zay vao vaovao kanefa tena mahomby ny fitsaboany)


6. niryna ( 24/08/2009 03:41)
Ny vehivavy koa aza rehefa akaiky ho tapitra iny ny fotoanany na manaomboka ho tratran'ny menopause ireny dia misy fambara iray ao anatin'ireo maro ireo dia ny fahatsembohana mipatrapatraka amin'ny alina :roll: Hs kely fa misy antony maro no mahatonga ny olona ho tsemboka no tiako tenenina
7. ni81 ( 24/08/2009 07:39)
Zà nanana namana vehivavy izay niara-niasa tamiko fa ny tanany toy ireny avy nosasàna ireny mihitsy tsemboka. Tsy esoriny eo ambony biraony mihitsy ny mosoara fa lena hatr@ boky na ttasy hanoratany raha tsy mamafa matetika izy.
8. xxx ( 24/08/2009 14:33)
salut daolo
za taloha tsemboka lava, indrindra am helika fa tena kivy mihitsy satria mipetapetaka sady otry ny mamela trace am akanjo fotsy,
tany am pharmacie za de napiasa ETIAXIL pour aisselles de nanao traitement aminio, fa tena tsy nisy olana intsony, fa tohizana ilay izy alony é .
za tsy mahazaka alamo fa nitsitra b ny oditra.
9. bacouli ( 25/08/2009 11:25)
Mbola tsy nanandrana aho fa acide borique koa toa hoe mety a@tsembo-tongotra ,hamidy any @ny pharmacie izy io.
10. xxx ( 06/04/2010 08:08)
HO ANAO IZAY NANA PROBLEME MIKASIKA NY HATSEMBOHANA INY MOA VE EFA MBA NISY FIOVANA LAY HATSEMBOANAO INY SA ???? DE INONA NO FANAFODY EFA NAMPIASAINAO TAMINY KA NAHASITRANA AZY ? MBA ZARAO AMINAY RAHA AZONAO ATAO ? MISAOTRA MIALOHA.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.304