mitady olona madio

1. itaramasoandro ( 16/08/2009 04:32)
iray volana lasa izay no naneho antso teto @ ity takelaka ity aho, toy ny malagasy maro ka nanao hoe:

rahoviana no hisy olona, hiaiky ampanatrehan-tena fa diso lalàna ny nosy ka ampy izay ny fahazazänasy ny fangalampiery?
rahoviana no andevona ny ambopoa ny tsirairay fa tanindrazana iray ihany no lovaina?
aza avela ho nofinofy ihany ny fandrosoan'ny malagasy fa tsy natao handrora mitsilany foana ny taranaka.


iray volana taty aoriana dia toa tojo valiny izany antso izany ka ampahendrena, ampanantre-tena ary ampihavanana no nifanaiky hifanantona ny mpanongam-panjakana sy ny mpijadona.

nanaiky hifampijery imaso imaso, hifanatry tava ary hifanatrika, nitelina ny ambompony tsirairay avy.

tsy hay ny tsy hiarahaba izany fifanantonana sy hezaka fampirahalahiana izany. satria eo @ ilay resaka fihavanana moa no nitondràna ny raharaha satria malagasy ny tena.

aoka kosa tsy ho adinoina fa tsy ho sodoaka ny vahoaka malagasy fa tsy kobaka ambava sy ronono antavy no hilain'ny nosy fa olona izay rahatrizay hampandroso marina ity firenena tokana ity.
olona tsy manana tantara voaloton'ny herisetra isakarazany.

olona madio, olona miaro sy mitsinjo ny mahamalagasy sy ny maha madagasikara miray hina, miaro ny tombontsoan'ny malagasy sy ny harentsainy, ny harena ambanintany, ny harena misy ao aminy, ny demokrasia, ny fahafahana, ny zon'olombelona.

manaraka hatrany ny hetsika ny malagasy tsirairay fa aoka tsy havilivily. ho hita eo ary izany.

itaramasoandro 8)
novalian'i papala ny 05/10/2009 09:45
2. xxx ( 17/08/2009 17:40)
nohevariko hoe :" mitady olona mbola vierge koa"
3. booboo ( 17/08/2009 17:46)
tsy hay ny tsy hiarahaba izany fifanantonana

hu hu hu :°)
4. itaramasoandro ( 17/08/2009 19:20)
ny anao kosa dia raha tsy "booboo" dia hoohoo!! ma :o

ny mpirahalahy mpifavahavalo tsy sahy mifanatri-tava sy mifanatrika dia tsy manana n'inon'inona hihavanana intsony fa tapaka tsy azo tohizana ny fifandraisana.

rehefa olona mbola sahy miaiky fa olombelona misy saina sy feon'ny fieritreretana ary fahendrena dia miaiky rehefa misy ny fahadisoany ary manarina izany farany izay haingana araka ny izay tokony hanoizana ny dingana manaraka.

asa aiza ho aiza @ io no misy ny mpitarika vahoaka isan'isany fa dia aleo handroso tsikelikely toa ny zaza miana-mandeha: dingana tsirairay hatrany.

itaramasoandro 8)
5. rhina ( 22/09/2009 08:22)
itaramasoandro:


rehefa olona mbola sahy miaiky fa olombelona misy saina sy feon'ny fieritreretana ary fahendrena dia miaiky rehefa misy ny fahadisoany ary manarina izany farany izay haingana araka ny izay tokony hanoizana ny dingana manaraka.

asa aiza ho aiza @ io no misy ny mpitarika vahoaka isan'isany fa dia aleo handroso tsikelikely toa ny zaza miana-mandeha: dingana tsirairay hatrany.

itaramasoandro 8)


marina dia marina le oe miaiky fa misy ny fahadisoany
saingy asiko kely ny hevitro : marina fa niaky ny tsy nety nataony izy (ra ny filoha teo aloha no resahana) saingy azo lazaina ho tsy manana hazon-damosina izy satria nahoana : mivadibadika ny heviny
dia izy ihany no namandrika ny tenanay.

Ilaina ihany ny fandinihana indrindra ho an'ireo olona ambony @ izay tena tiana ambara na fanambarana tiana avoaka satria mety iny teny nolazainao iny ihany no haningotra anao. fa tsy dia azo atao loatra ny manamaivana ny manana fahalala sy ny mananana fahendrena

ka @ zao fotoana izao na dia nisy aza ny dinika dia hita fa nanao izay paoka aty hipossena ny afrikana fotsiny ny mpitondra teo aloha mba hanogingogenana ny atao hoe tetezamita amin'izao

Eto aloha dia tsoriko an! Hevitro ity an fa tsy handresy lahatra aho na afa ...
fa ny ahy an raha vao ao ambadik'i Mr Ratsirahonana dia @ le Oui zay amiko
fa ny ambony mpijampy fotsiny ihany.


6. papala ( 05/10/2009 09:45)
=)) =)) =)) tokonyany @ politika lay resakao, fa ataoko ty fa mitady vierge ko enao =)) =)) =)) =))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2365