foana ny fanenjehana an-dRavalomanana - gazety taratra

1. nytsiry ( 12/08/2009 09:09)
NANAMAFY NY GIC
Nofoanana ny fiampangana an-dRavalomanana


Niteraka resabe ny momba ny Filoha teo aloha, Ravalomanana, taorian’ny fifanarahana politika sy ny satan’ny tetezamita tany Maputo. Mbola nohamafisin’ny mpanelanelana iraisam-pirenena (Gic) anefa fa foana ny vesatra niampangana azy.

Hentitra ny fanambaran’i Edem Kodjo avy amin’ny Gic fa tsy tokony hisy handika vilana ny fifanarahana tany Maputo. «Ny fampiharana azy izao no maha maika», hoy izy tamin’ny mpanao gazety tao Anosy, omaly. Anisan’ny niteraka resabe, ohatra, ny momba ny raharaha Ravalomanana. «Nofoanana ny vesatra niampangana azy. Tsy afaka miverina anefa ny Filoha Ravalomanana raha tsy feno ny fepetra amin’ny filaminana sy ny fitoniana politika ary hanara-maso izany ny fianakaviambe iraisam-pirenena», hoy ity Praiminisitra togoley teo aloha ity. Araka ny fifanarahana rahateo, nifanaiky ary nanao sonia izany fanafoanana ny sazy izany izy efatra mirahalahy mianaka tany Maputo. Foana ary tsy manankery ireo sazy ara-panjakana sy fanamelohana navoakan’ny fitsarana sy nampiharina ho an’ny raharahan’ny 2009.

Momba ny famotsoran-keloka faobe kosa, nambarany fa efa any ny volavolan-dalàna saingy mbola handalo ny Kongresin’ny tetezamita izany ary anisan’ny hodinihina amin’ny fotoam-pivorian’izy ireo voalohany. Miandalana anefa ny fijerena azy io.

Etsy andaniny, nanteriny fa tokony havoaka ireo gadra politika ahiana ho voarohirohy ho nandika lalàna na nanohintohina ny filaminam-bahoaka. Tafiditra ao anatin’izany i Manandafy Rakotonirina, ireo Parlemantera sy ny hafa nampangaina sy/na nosamborina. «Tokony hohafainganina izany nefa ampanarahana lalàna», hoy ihany i Kodjo.

Tsy mbola misy filohan’ny tetezamita

Nahitsy ny Gic nilaza fa mbola miandry ny dinika ifanaovan’izy efatra mirahalahy mianaka afaka 10 andro any Maputo miaraka amin’ny Gic ny fanendrena ny ho Filohan’ny tetezamita ifanarahan’ny rehetra. Midika izany fa tsy mbola misy Filohan’ny tetezamita isika izao. Fampandehanan-draharaha sisa no ataon’ny mpitondra am-perinasa. Toy izany koa ny Praiminisitra, miainga avy amin’ny marimaritra iraisan’izy ireo any Maputo ihany.

Synèse R.
gazety taratra
12/08/2009

2. Noue ( 12/08/2009 10:16)
miandry concrétisation zany ee ! tsy oe 10 jours dia tsy maintsy vitaina ireo ? famoahana ny gadra sns ??
3. ntss ( 12/08/2009 10:33)
Ndao hoe mba resahana kely ity rasaka gazety ity e!
Raha zanak'i dada aho dia: Taratra; malaza, gazetiko, gazetin'ny gasy sns... no fividiko satria ireo no milaza ny vaovao izay tian'ny eritreritro ny mamaky azy sy ny fomba filazany.
Raha akaman'i Zandry kely indray aho de ao ny : ao raha, express, la gazette sns...

Iza no sahy milaza fa ny iray amin'ireo gazety voalaza ireo dia tsy manana firehana politique : PUBLIC CIBLE ka tsy maintsy mahita interpretation hisintomana ny mpamaky? Tsy afaka ao anatin'izany i Taratra.
4. tess ( 12/08/2009 10:47)
ALEO didin'ny firenena hafa refa tsy nahay nifandamina hatrizay, mafnaritra izany he he he! tsy hisy tsony ny bondingerina sy ny fifandrombahan-tseza izany raha ny fahazahoako azy.... mba ho hendry kosa amzay reo kalaza lahy ny politika ireo.... :lol:
5. bozyboleta ( 12/08/2009 10:54)
Ny resaka t@ mpanao gazety nataon'i Edem Kodjo avy @ GIC no notaterin'ny gazety resahina eto fa tsy famakafana manokana avy @ mpanoratra.

Misy tokoa ny firehana @ ireo mpanao gazety ary misy ny tompon'ny gazety manery ny mpanao gazety ao aminy hirona any @ firehan'ny tompony.
Toy izay koa ny mpamaky afaka mifidy izay gazety na haino aman-jery mifanaraka @ fironany.

Fa mba misy koa na dia vitsy aza ny mpanao gazety tena matihanina ka na manana fironana aza @ maha-olom-pirenena azy, dia tsy hita @ fihetsiny sy ny ataony.

Misy moa, ary ireto no tena betsaka, ireo jamban'ny vola ka dia minia mikipy @ marina fa voakarama hamafy lainga. Ireo mihitsy no anisan'ny nitondra ny fahavoazan'ny firenena @ izao fotoana izao.
Jereo t@ ireny tao @ tvm ireny omaly fotsiny e. Mba te-ho pro ihany ry ravoajanahary sy ry razafimahatratra fa tsy niafina teny ny naha-foza azy.

6. Noue ( 12/08/2009 15:59)
ary mpanao gazety iza zany oe tany Maputo zany ??
7. bazylou ( 12/08/2009 16:59)
foana an taratasy fa tsy foana ambava na foana ara tsaina sy ara panahy :-D :-D
8. fijo ( 12/08/2009 21:42)
efa foana letsy izany an,
9. mathla ( 12/08/2009 22:41)
Fa angaha vitan'ny hoe foana fotsiny ny fanenjehana azy fa dia tsy maintsy hiantohan'izay mitondra eo ny fiahiana ny fananany sy ny fianakaviany, ary dia hisy teti-bola manokana koa aza hatokana hanonerana izay simba.
Izay ilay resaka politika. Mihevitra sy niseho ho mpandresy zandry kely nefa raha tena natao ny fandinihana dia izy no tena voa be indrindra tamin'izy efadahy tany raha ny lafiny ara-pilitika no jerena. Tsy hiditra amin'izay resaka any ambadika any isika.
Mbola ho raharaha mahatsiravina ihany no hitranga raha tsy mitandrina sy mailo tsara ireo mpanelanelana ireo satria tsy ho mora ny fandresen-dahatra eto.
10. fijo ( 13/08/2009 20:50)
ary tsy hadino,fa mbola ho senatera mandrapahafatinykoa izy rehefa mijoro ny repoblika faha4,na dia tsy lany filoha aza,fa ilay nanongam panjakana,tsy azo atao senatera mandrapa,satria tsy filoha fa mpisandoka
11. dragonafeiller.tm ( 02/12/2014 09:26)
mapatahotra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0438