Mikotrika inona ny miaramila?

1. mathla ( 11/08/2009 19:45)
Fanontaniana sendra nandalo ihany io raha namaky ny filazam-baovao sasany milaza fa tsy tonga namonjy sy nanatrika ny fivorian'ny governemanta taorian'ny fiverenan'ireo nandeha nidinika tany Maputo ny ministry ny fiarovana sy ny lehiben'ny Etat Major. Inona no mety ho antony?
- Tena marina ve ilay feo (tsaho) mandeha fa hanangana directoire militaire ry zareo?
- Sa efa fanambarana amin'ny mpikambana namany ao amin'ny governemanta ny fihetsik'izy ireo fa tsy manan-kery (tsy mitombina) intsony ny HAT ka tsy misy tokony hilana ny fivoriana intsony. Satria raha ny accord Maputo no dinihana dia milaza fa ekipa vaovao no hatsangana ka miandry izay praiminisitra lehibe vaovao hanao ny fanendrena ry zareo?
- Sa dia manatanteraka ny teny nambara sy nataony sonia hoe tsy misy adihevitra ny mikasika ny fiverenan-dRa8 kanefa ny mpamita iraka tsy nahatanteraka izany?
Dia eto isika mahita izy..........
novalian'i fijo ny 12/08/2009 20:58
2. Noue ( 11/08/2009 20:02)
mathla:
- Tena marina ve ilay feo (tsaho) mandeha fa hanangana directoire militaire ry zareo?



3. mathla ( 11/08/2009 21:11)
Sao dia manana olana amin'ny fahazoana teny malagasy i Noue?
Jereo tsara ny voasoratra fa nataoko anaty fonosana ilay hoe "Tsaho" ary fanontaniana no napetrako. Ny dikan'ny tsaho dia hoe feo mandeha etsy sy eroa ary mbola tsy voaporofo. Ka raha marina ilay feo mandeha dia foana ny maha "tsaho" azy satria lasa resaka mitombona ilay izy, raha tsy izany kosa dia mijanona amin'ny maha "tsaho" azy ihany. Ka tsy hitako izay tsy mampitombona ny fanontaniako hoe: "Tena marina ve ilay tsaho" ka nahatonga an'i Noue hamerina azy indray.
Sa....................................
4. mathla ( 11/08/2009 21:24)
"Le parti politique MFM déclare craindre la mise en place d’un directoire militaire" (jereo ny fil info Top Mada 08/08/2009).

"Malgré ce que nous endurons notre voeu est que la jeunesse et les générations qui viendront retrouvent le respect sans peur de vos uniformes et de vos galons. C’est pourquoi je demande à étre rassuré.Assurez-moi donc que j’ai mal entendu et que mes pensées m’ont trompé et qu’il n’a pu émaner de chefs qui vos commandent ni de responsables de la Défense – que l’histoire nous en préserve- une menace de s’insurger contre un éventuel consensus « pour la patrie » à Maputo et qui dévierait de certaines de leurs éxigences.Car si par malheur c’était vrai nous serions revenus aux temps obscurs et barbares où l’on gouverne par le canon du fusil. Mais vous étes une armée civilisée et non des mercenaires". (Tenin'Andriamatoa Raveloson Costant: Lettre ouvert aux militaires io).

Ireo ilay hoe "Feo mandeha" ka raha tsy mitombona ireo dia tsaho ilay izy. Satria na ireo vaovao ireo aza dia mbola tsy manamarina fa tena misy ilay hetsika na tsia. Mazava amin'i Noue ve?
5. mathla ( 11/08/2009 21:27)
Ary raha mijery ny voalazan'i Sobika ao amin'ny Fil info sabotsy 08/08/2009 koa i Noue dia hahita an'ity: "01H00 : Le MFM soupçonne la mise en place d'un directoire militaire en coulisses"
Merci e... Tsisy maka lagy
6. ndotofetsy ( 11/08/2009 21:35)
hehehe ataon ndefo mirehitra daholo reo zazakely sy zaza antitra ireo zao fa tairo eo anie eee efa vonona lery

8) 8) 8) 8)
7. zoam ( 11/08/2009 21:44)
mahana ny ratsy ataony ,izay colonel kely ohatran'ireny ve ?
miaramila vitsy an'isa sady voavidy vola ireny ka tsy mahagaga,hoavy ny general hibaiko azy bientot
8. fijo ( 11/08/2009 22:08)
matahotra izao ry zareo miaramila nanongam panjakana,ka mitady hevitra hanakorontanana ilay zavatra tapaka,saingy tsy di ahoafamanoatra firy izy ireo,satria efa tena miditra lalina ny firenena hafa.
9. patrick2002 ( 12/08/2009 00:41)
amiko aloha ny takiany GTT anie dia Ravalo miverina prezida .
io no natahorany miaramila ,ka ny Maputo ,Ravalo mahazo miverina an-tanindrazana ,manao ny raharaha politikany fa tsy mandray anjara @ tetezamita ,tsy samborina , ary afaka milatsaka raha tiany @ election presidentiel ho avy io .
Ka inona no tsy ankasitrahany miaramila amin`izany .
Tsy nahatongavany teny Ivato ve tsy fantatro mety nisy zavatra urgent mbola nilaina ny minisitry ny fiarovana.
10. Noue ( 12/08/2009 06:44)
mathla:

Ireo ilay hoe "Feo mandeha" ka raha tsy mitombona ireo dia tsaho ilay izy. Satria na ireo vaovao ireo aza dia mbola tsy manamarina fa tena misy ilay hetsika na tsia. Mazava amin'i Noue ve?
tena mazava be hatramy voalohany ka ! zay no nahatonga ahy namerina ny fanontanianano ee ! dia hoy indray aho oe zao hono fa tsy honohono io aaa ! ny serment ny miaramila:

[size=70]"Je jure de servir mon pays de toutes mes forces; de défendre courageusement les droits et la liberté du peuple; de rester fidèle au président de la république; de remplir mon devoir, au prix de ma vie s'il le faut".[/size]


11. fijo ( 12/08/2009 20:58)
rapa an,ka vao hiainga anie i andry dia efa nanao farateny ny "antoko miaramila mpanongam panjakana e"ary vao vita ilay sonia,dia efa nanangam peo ry ramaroson sy ny matahotra hovery aeza rehetra.isan'izany ny "miaramila mpanongam panjakana"
izao moa dia efa hita fa efa sahy nisambotra ireo mbola zatra ny lalandririnina ny tafika tena mpampandry tany,ka dia efa miha atahotra mafy izany ry zareo.indrindra fa hoe mbola hoafaka hilatsaka levalo izay mbola sura fa handresy noho ny tsy fahaizan'i hat nitondra ny raharaha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.7304