fizarana ny pouvoir mpanao politika teo aloha

1. saho ( 09/08/2009 10:57)
tena fitsarana afrikana marina ve izy ity e
olona teo aloha efa maloto fitondra, corruption sy mpamono olona no mbola hitondra hahazo fahefana any mada

tena raha za ny malagasy mahay sy mahatakatra lavitra manana fahefana tsy manome fahefana izany

Aleo olona madio tsy misy pitika ratsy no omena ny fahefana tena mitondra,

Ny sahaza ireo mpitondra taloha ireo dia tsaraina, migadra daholo, @ izay mifafy ny nataony fa tsy hoe omena seza mizarazara indray

tena fitsarana Afrikana marina
Tsy handroso mihitsy ny madio fa maloto daholo ny sisa, sisa efa teo aloha mbola ampidirina indray
Ratsiraka tsy mila izahay, mpamono olona, nahavita ratsy teo @ firenena, ny sahaza azy dia tsaraina
ra8 mpandany vola @ fomba interet manokana, tsy mila
Zafy albert mpanavakavaka tsy tia merina, tsy mitsabo merina hopitaly tsy mila
ra Andry saribakoly entina hitadiavana seza, tsy mila

Tena olona vaovao matahotra ny ao ambony omena seza, olona mahafantatra ny ataony
fa ireo efa voalaza ireo dia olona tsy misy ilana azy daholo, tsy handroso mada raha izao no mitohy fa hiady antrano eo foana, sahala ny siligaôma avoaka sy ampidirina

Fitsarana no atao ary tena fitsarana marina, misy ny RARINY SY HITSINY MAZAVA, izay le DEMOKRASIA MITOMBONA
novalian'i xxx ny 09/08/2009 21:59
2. xxx ( 09/08/2009 11:06)
ka mba manolora ary anaran'olona hoe iza fa aza faly manebaka fotsiny e, manomeza vahaolana, i rabe ve? sa i rabenja avy eny sabotsinamehana? sa rabary avy any analavory sa iza??????????
3. xxx ( 09/08/2009 11:45)
manandafy fa izy anisany voalohany ni-defier an'i deba ary tia tanindrazana zany e, :evil:
4. remahity ( 09/08/2009 12:21)
Zafy albert mpanavakavaka tsy tia merina, tsy mitsabo merina hopitaly tsy mila


ka mivolambola fahatany leheroa lafa tsy mahay raha, Zafy albert, assistant du plus grand chirurgien français CABROL, double citoyen, nipetraka foana ka nitaha (nitsabo) sy nampianatse tao antananarivo, fa tsy nijano tany andafy, na nitsabo tany tamatave, na diego

manandafy fa izy anisany voalohany ni-defier an'i deba ary tia tanindrazana zany e,


lafa tsy mahay tantara ampangino vava

I zafy no nanohitse an'i DEBA depuis 1972, et après Monja jaona (1er candidat contre DEBA t@ 1982), fa I monja jaona netin'ny fahanterana dia lasa naman'i DEBA en 1991; L'histoire retiendra que Zafy restait toujours contre DEBA jusqu'en 2009

I manandafy kosa ex-Monima ka miviombio, 13 ans (1975-1989) niarake nisôsy t@ RAdidy, responsable ny malgachisation desastreuse de l'enseignement à Madagascar, sy ny nationalisation exagerée et catastrophique de l'economie Gasy.
5. remahity ( 09/08/2009 12:27)
alors qu'est ce que t'en dit,

Argumentation historique (date et lieu) no andesiko, fa tsy opinion fumiste sans fondement manahaky ty anano.

Delegation ny zafy à Maputo, serge radert,
, zanak'andriana sy iarivo hiringiriny
6. zandikely ( 09/08/2009 12:34)
TSY VITA ZARA NY GATEAU AFAKA FOLO ANDRO INDRAY NY FOTOANA MBOLA ANY MOPUTO IANY.

Le "sommet" sur Madagascar organisé à Maputo s'est terminé dimanche, et la médiation a "donné rendez-vous" aux leaders malgaches dans une "dizaine de jours" au Mozambique pour débattre de la répartition des postes pendant la transition politique, selon des médiateurs.

"La médiation a donné rendez-vous aux chefs de file dans une dizaine de jours à Maputo", a déclaré à l'AFP l'émissaire de l'ONU pour Madagascar, Tiébilé Dramé, dont l'organisation participe à la médiation sur la crise malgache.


Cette information a été confirmée par Ablassé Ouédrago, représentant de l'Union africaine (UA) pour Madagascar.


Le "sommet" de Maputo, consacré à la crise politique malgache, a réuni de mercredi à dimanche l'homme fort de la Grande Ile, Andry Rajoelina, le président évincé en mars Marc Ravalomanana, et les anciens chefs d'Etat Albert Zafy et Didier Ratsiraka.


Les quatre leaders malgaches, qui représentent les principales mouvances politiques de ce pays de l'océan Indien, ont signé dans la nuit de samedi à dimanche un accord prévoyant la mise en place d'un gouvernement de transition qui doit organiser dans les quinze mois des élections présidentielle et législatives.


Mais ils ne se sont pas entendus sur l'attribution des postes au sein des institutions de la transition. La prochaine réunion prévue à Maputo est destinée à résoudre ce dernier point d'achopppement, selon la médiation.

7. rakapy ( 09/08/2009 13:02)
ka mba manolora ary anaran'olona hoe iza fa aza faly manebaka fotsiny e, manomeza vahaolana, i rabe ve? sa i rabenja avy eny sabotsinamehana? sa rabary avy any analavory sa iza?????????

Maro ny Malagasy manam-pahaizana sy fahendrena afaka ny hitondra an'i M/car fa ny olana dia ny regle de jeu politique Gasy dia baranahany, maro ny mpamingana sy mpandrava ka hany ka tsy marisika ireo tena afaka ny hitondra @ mahintsy.
Ho hitantsika eo ny tohiny fa raha mbola ireo anarana 4 ireo no hifampizara seza dia toa midika izany amiko toy ny hoe "aleo fenohintsika Gasy aloha ny paosin'izy 4 m'tsam fa mbola tsy feno tsara" :-D :-D :-D
8. milamm ( 09/08/2009 15:30)
nisy marina daholo ny teny voalaza fa ny fomba fijery no samihafa ,toetsaina voafandriky ny kolikoly no tena antony hatr@ filoha,fitsarana avo,tafika,sy ny olompirenena tsotra io no tena antony .Rehefa centralise ny pouvoir ho ao @ pouvoir executif izay mitana ny pouvoir economique dia mora ny manamboatra ny sisa.Ny lesoka tsy tokony ho adino de izao ireo filoha nametrahana fitokisana dia tokony ho voaaramaso @ asa iandreketany ary \" tsy mitsipa-doha laka-nitana\"
Hoy i Maxime de Danton \" On n\'emporte pas la patrie a la semmele de ses souliers\" Aiza no ahitana olona tsy voavidy vola ???
raha iverina kely @ resaka Itpkl Monja Jaona ilay nanorina ny Monima dia tsy partie politique fotsiny ny antoko notarihiny fa karazana institution(shadow cabinet no filazany anglo-saxon azy) nanohitra tanteraka ny revolisiona mena nipoitra izany t@ 1981 t@ fitifirana ny mpianatra Antananarivoizay nahafaty 30 mahery isa,1982 ny tafika sy zandarmaria nitifitra ireo tantsaha niaro ny ombiny tany Ankara(atsimony nosy)165 no maty
(Benenenitra,Befandriana,Manja ,ireo fanondranana tany avaratra vanila sy kafe antsokosoko nataony olondratsy iraka ka namonoany mpikambana MFM,niarovany Itpkl Monja Jaona sy nilazany t@ mpanao gazety any ivela Simon Malley ny afera TTS,kung-fu ary ny fanitsakitsahana ny zon\'olmbel.
Ny momba an\'i Manandafy indray dia avara-pi izy t@ generation-ny nisy koa ireo protestation mediatique nataony nanoherany an\'i deba 1982 raha nilaza izy t@ gazety \"le monde diplomatique\"ny asa ratsiny deba,ny fanitsakitsahana ny zo ny olompirenena malagasy raha nanao accord de revisio de cooperation t@ frantsay i debaary nofaranany t@ hoe\" j\'ai honte pour mon peuple,je suis decu par la lenteur de l\'evolution de la mentalite malgache,le peuple semble attendu voir le miracle par jour,et il n\'a pas compris que c\'est lui qui pouvait faire des miracles\"confidence revelee par Simon Malley
i Zafy indray tsy mbola nanohitra an\'i deba 1972 diso be satria mbola fitondran-Ramanatsoa no nisy t@ izany,raha tsy avy nanongam-panjakana i deba namono an-dRatsimandrava satria tsy tafiditra tao anaty governemantany,izany hoe 1975 vao nitombona ny fanoherany zafy an\'i deba
9. locl ( 09/08/2009 15:44)
Za dia mihevitra fa i manandafy no tokony ho président ny transition rehefa tsy hanao ihany i Dada.

Izy ihany no azoko antoka fa hahavita hitarika an'io.
10. milamm ( 09/08/2009 16:01)
mety tsy ho ratsy izany fa olana mipetraka ho an'ireto HAT nanagadra azy,efa hifarana tsy ho ela ny momba ny HAT ho lasa angano,ry lerony reo manko nitsara antsokosoko an'i Manandafy ny 04/08/09(mbola tsy nahazaoana vaovao satria i sarla sy andry varina any maputo)teo dimy andro lasa izay rehefa notazominy any Mantasoa ary io no hahavoafandrika azy ny tsy famotsorany dia diniho ary hoe mivadika ny rasa ? lasibatra indray ny HAT ka i andry aloha no lohalarana manofa trano any tsiafahy raha tsy tafatsoaka eo
11. xxx ( 09/08/2009 16:23)
locl:

Za dia mihevitra fa i manandafy no tokony ho président ny transition rehefa tsy hanao ihany i Dada.

Izy ihany no azoko antoka fa hahavita hitarika an'io.

bravo izy iany marina e

(l)
12. xxx ( 09/08/2009 19:55)
tsy hoe dada no tsy te hanao fa raha mandinika tsara nareo d mahay politika tsara ra8, tsy te hifanosona na hiady toerana ao @ tetezamita izy fa aleony miandry ny fifidianana ary voalaza mazava tsara t@ sonia natao tany Maputo fa ho an'ireo zay ao anatiny gouvernemanta hiombonana io d tsy afaka mirotsaka ho fidiana rehefa tonga ny fifidianana!
Ka mahandrasa ny fifidianana fa 1er tour d vita ihany no ady eo!!
13. Hinagasy ( 09/08/2009 21:21)
Izaho koa dia leo tofoka sy boboka ireo mpanao politika rehetra taloha ireo, Ratsiraka, Zafy, Manandafy, Pierrot Rajaonarivelo, Ratsirahonana, Andriamanjato sy ireo olona rehetra forongon'ireo olona ireo ary compris Ravalomanana sy Andry Rajoelina, Cdt Charles sy ny tafika amiko izay tsy misy ilana azy intsony, tsy mametraka ny firenena ho voalohany fa ny paosy no voalohany.
Fa ny tena maimbo aloha izao dia i Andry Rajoelina, commandant Charles sy ny forongon'ny HAT
Tsy manana solution aho fa ras-le-bol ny mpanao politika fotsiny aloha! mankarary fo ny filalaovany ny fiainam-pirenena sy ny fiainan'ny olona analik'isa noho ny fitiavantena. Mino aho fa any ho any misy olo-manga sy olo tia tanindrazana fa tsy tafiditra fa satria tsy misy vola na ataon'ireto goika antitra gli raha mitonatonana.
14. xxx ( 09/08/2009 21:59)
raha ireo ihany no olona eo d aleo mifidy an'dra8 izy hita hoe nanao ihany ary izy koa dia efa nifona sy nilaza ny tsy nety nataony t@ mbola teo @ fitondrana t@ ireny fotoana nanomboka namay reny!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2893