Hita ny vaha olana mahomby hivoahana @ krizy

1. Radomy ( 20/07/2009 14:03)
Miarahaba,

Ady hevitra hatrany: Nipaoka ny baomba sy ny tsy paopaoka. Ravalomanana iny hoy ny sasany, TGV kosa hoy ny hafa. Tsy misy anefa mieritreritra fa ny Malagasy sy Madagasikara ange no potika ka ireo izay rehetra manohitra ny fiverenana @ filaminam-bahoaka dia tompon'andraikitra daholo amin'izao fahavoazana izao.

Manao ezaka ny Communauté internationale dia lazaina fa hoe resaka an-trano an'ny samy malagasy izy io. Tsy ilaina koa hoy sasany ny fandehanana any Addis abeba satria fandaniam-potoana. Ny vahoaka anefa dia io izy miha sahirana hatrany: potika ny toe karena, rovitra ny fon'ny fiaraha monina, potika ny ho avin'ny tanora sy ny firenena.

Milaza ny mpomba an'i HAT fa mandeha tsara ny raharaha ka efa tsy misy krizy izany intsony: ny CEPE efa vita, ny ministra teknisianina efa nanao Backbone sy ny sisa.

Tsy misy mijery intsony ny firenena. Tsy misy mandraharaha intsony ny tanindrazana. Tsy misy mieritreritra an'izany vahoaka malagasy izany. Fandaminan-tsaina @ internet, fanadiovana toetsaina amina gazety sy fanaovana bala rora no hany fahafinaretana voalohan'nireo milaza azy fa mpanao politika.

Ny mpomba an'i "Dadany" kosa dia mbola mitady fomba mafimafy ary mahafaty mba hanerena ny fiverenan'ny Dadany.

Ady, fanapotehana, fankahalàna, famonoana olona, halatra, antsonjay, jadona sy ny forongony no mibahana ao Madagasikara ao, kanefa vitsy dia vitsy ny zanak'I Madagasikara mba mandikina tsara sy miady hoan'ny tombotsoam-pirenena.

Fehiny: Tsotra ny ahy. TOKONY RAISIN'NY MIARAMILA IZAY MBOLA MIHEVITRA FA MISY LANJANY NY TANINDRAZANA NY FIRENENA.

Noporofoiko ny hilàna izany fandraisan'ny miaramila ny Tetezamita izany: http://gasikarasahy.blogvie.com

Mankahery hatrany.
novalian'i Radomy ny 21/07/2009 08:21
2. xxx ( 20/07/2009 15:49)
Mazava b anie ny mpamotika firenena é: avereno tany @ mbola filoha Ravalomanana; nanaiky ary ingahy Ravalomanana fa hampiditra an-dry Rajoelina sy ny tariny ao @ governemanta fa tsy nanaiky ry zareo, nangataka ny anao réferendum ingahy Ravalomanana tsy nanaiky ry zareo, nangataka ny atao directoire militaire ingahy Ravalomanana zay ho dinihina tao Antanimena fantan-tsika rehetra ny tohiny, @ zao fotoana zao d misy ny mitady ny handraisany miaramila ny fitondrana, raha tena nisaina sy tia tanindrazana reo olona ireo d tokony nanaiky ny iray t@ reo proposition napetraky ingahy Ravalomanana! ka aoka isika handinika tsara ny tena tia tanindrazana sy ny tsy tia, ka ny tsotra indrindra d tokony ho fongorona sy ravana ireo mpamotika firenena ireo.
3. salopard ( 20/07/2009 15:50)
mipasoka dômy eo indray ianao radômy a!

Tout ça pour ça??? tu nous baratines avec tes discours fleuves, pour dire à la fin hoe : omeo ny miaramila ny fitondrana. T'es vraiement un bon malgache toi.bcp de discours

Mais attends mec, JE SUIS EN VACANCE LA. je te repondrai plus tard. de manaova vakansa koa, fa sao surmené eo,

tsy ampy dôzy aloha, fa sao misy any e!
sniff... tchouf...sniff..., asio barbecue kely e! sniff... tcchouff...

ary aiza i YUKA sy MIRANANIAINA manao vacances e! sao de mba mifandona aty @ vacances ihany ny mpianadahy sy mpianabavy e!
4. Radomy ( 20/07/2009 16:10)
salopard:

mipasoka dômy eo indray ianao radômy a!

Tout ça pour ça??? tu nous baratines avec tes discours fleuves, pour dire à la fin hoe : omeo ny miaramila ny fitondrana. T'es vraiement un bon malgache toi.bcp de discours

Mais attends mec, JE SUIS EN VACANCE LA. je te repondrai plus tard. de manaova vakansa koa, fa sao surmené eo,

tsy ampy dôzy aloha, fa sao misy any e!
sniff... tchouf...sniff..., asio barbecue kely e! sniff... tcchouff...

ary aiza i YUKA sy MIRANANIAINA manao vacances e! sao de mba mifandona aty @ vacances ihany ny mpianadahy sy mpianabavy e!


Fanitsiana kely fotsiny amin'ilay voalazanao. Tsy hoe: "Omeo ny miaramila ny fitondrana" fa "Tonga dia raiso ry Miramila ny fitondrana". Tsy mitovy io.
Ary io no nitsipahako an'ilay soso-kevitra naroson-dRavalomanana ny @ directoire militaire.
1. Mila niseho fa "tsy capable" ny mpanao politique (faillite de la classe politique) hitondra vaha olana vao "lasa rariny" (légitimé) ny fandraisan'ny miaramila ny fitondrana.

2. Mila miseho koa fa efa nisy ny "coup d'Etat" (nataon'ny olom-bitsy miaraka amin'ny miaramila sasan-tsasany) vao mitombina ny fandraisan'ny Miaramila sy ny fiarovam-pirenena ny fitondrana.

3. Nilaina koa ny nahitana fa "tsy nandaitra" ny herin'ny mpamatsy vola hitondra vaha olana vao mitombina ny fandraisan'ny miaramila ny fitondrana.

Izany hoe: Efa tsy misy irika intsony eo @ resaka politika, vao mitombina ny fandraisan'ny miaramila ny fitondrana.

Hialako tsiny @ salopard fa ilaina ny fanazavana naroso io alohany hilazana fa tokony tonga dia raisin'ny miaramila ny fitondrana.

Mankahery hatrany.
5. xxx ( 20/07/2009 16:23)
Efa tsy misy fika intsony izany fandraisan'ny miaramila ny fitondrana izany,miaramila iza moa anefa? tsy efa manarakan-dry taygv daholo ve ny miaramila,efa tsy manana an'ilay position neutral intsony ny tafika fa efa lasa impartiel ka tsy possible intsony izany,
Tsy haiko aloha raha mbola misy fomba hafa mety hivoahana amin'izao krizy izao, fa ilay resaka miaramila dia efa tsy lalana intsony.
6. benkintana ( 20/07/2009 16:47)
Mety lesy le analyses bainn Rdomy a, fa ao aloha pasohako kely le lohan'i salopard,fa taiza foana leity elah sa nanao année sabatika,aza be fanontaniana eto lesty hoe nakaiza ,eo foana ny olona fa i andrywui zah efa manan-jandry bdbe,papakeliny daholo ny capasat ao ha ha ha,ary hono hoa efa lehibe ve lesy le zanak'elah sy le kisoavavy iny :-P
7. max2 ( 20/07/2009 16:54)
aleo etiny filoha ra8 iany aloe! zay ange tsy gadralava sahalany akamany tgv akory ka atao tsinotsinona fotsiny ny safidinay .ry pety aza gadra nefa mahazo manao mairie ko sa zay tsy manana zo kle
8. bazylou ( 20/07/2009 18:03)
ry max2 zany le mpanompon'ny mpitery ronon andro ririnina, looll :-D :-D :-D :-D
9. xxx ( 20/07/2009 18:07)
ra bazylou mpanompon-dry kely loha, manao boloky erany tananà, zao indray lazaina hoy ratsirahonana sy ny hasina d miteny ry boloky mianakavy.
10. bazylou ( 20/07/2009 18:12)
rehefa resy hoaho dia mepietraha, fa aza eo no be konetaka eo, :-D :-D :-D
11. xxx ( 20/07/2009 18:21)
tsy misy mikonetaka mihitsy eo fa ny miheno anareo boloky mihitsy no mandreraka b!!
12. xxx ( 21/07/2009 00:19)
Rehefa tsy mahay hifanaraka isika izany dia aleo ho tonga ny fifandirana ara- tsosialy sy ara- kioltiraly toa izao é !
">
13. xxx ( 21/07/2009 00:26)
Debrouillez vous pour trouver le lien , çà URGE §§ lol !!!
14. rakaroka ( 21/07/2009 06:36)
'za aloha mahatsapa fa ny meilleur solution tsy misy hafa afa-tsy ny firosoana @ "fifidianana" e!
Ny "fitondrana miaramila" izany raha ny marina efa nialan'ny firenena maaaaro eran-tany aza! Antony : Koa sivily aza ny teo tsy mahatanty JADONA ny pokona koa vao mainka miaramila?...Tsy rehefa we miaramila anie dia hahay hitondra firenena !
15. max2 ( 21/07/2009 06:56)
ry bazy loup zany no foza orana minaonaona ato kle aza mba misaina aminy vo dy iany hoa .enao zany no panompo ny raperisiliazo ko mpandrava ny efa vita sy nisasarana de volavo anizay marina .tsy misy atao afatsy ny mangalatra sy mandainga ary mamono olona ary mamaky trano fanga de tsy misy asa mihintsy ao aminy viva sy injet nade hanary maloto aza mba elanareo aminy ity vakitrano sy alatra isankarazany ity ary ny vono olona ataonareo sady izany ko ange no nampanatenana anreo foza teny aminy 13 may .malasa saina mihintsy ity asaratsy ataonareo ity mba miova fa aza de zatra ny andro ririnina tsony so ahita ny anganony eo nareo foza sy le tsiriritiny panao rano mena iny
16. Radomy ( 21/07/2009 08:21)
rakaroka:

'za aloha mahatsapa fa ny meilleur solution tsy misy hafa afa-tsy ny firosoana @ "fifidianana" e!
Ny "fitondrana miaramila" izany raha ny marina efa nialan'ny firenena maaaaro eran-tany aza! Antony : Koa sivily aza ny teo tsy mahatanty JADONA ny pokona koa vao mainka miaramila?...Tsy rehefa we miaramila anie dia hahay hitondra firenena !


Miarahaba,

Marina mihitsy io lazainao io ary izany no tokony ho izy. Saingy...Saingy....
Tsy tompon'Andraikitra ireto sivily milaza azy fa mpanao politika ireto ka tsy sahy mitsinjo ny tombotsoam-pirenena.

Ingahy filohan'ny HAT, Rajoelina Andry ange afaka tsara mamaha io olana io, izany hoe afaka mampihena ny herin'ny Ravalomanana: (1)Ataony ny Amnistie arak'izay nangatahan'ny Assise régionale (ao anatin'ny fe-potoana 2002 - 2008 no voakasik'izany - Manaiky an'izany Ratsiraka, Manaiky an'izany Zafy, Manaiky an'izany ny HAT ) dia rava ny disadisa ka lasa "tokana" Ravalomanana. (2) Ataony sonia ny Charte ahafahany milatsaka ho kandida (manaiky koa ireo hery telo ireo ka lasa tokana ihany Ravalomanana). (3) Arosony ny fifidianana hiarahana amin'ireo hery telo ireo sy izay atolotry TIM (hafa tsy Ravalomanana), dia halalaka ny fifidianana.

Ireo fepetra ireo dia manome hery ny Tetezamita ary manakely hery an-dRavalomanana.

Saingy tsy hanaiky an'izany Andry Rajoelina noho ny antony tsotra: (1) Tsy ho lany izy raha misy kandida avy @ ireto exilé ireto no milatsaka eo indrindra moa fa ingahy Pierrot Rajaonarivelo no lazaina. Mahagaga ahy mihitsy no mampatahotra an'ireo mpanao politika ao Iarivo an'ity olona iray ity. (2) Tsy ho lany koa Andry TGV raha HIARAHANY amin'ny hery hafa ny fanamboarana ny liste electorale na ny fanendrena "hiombonana" ny @ ireo izay hisahana ny comité electoral indépendant. Hanasarotra ny fangalaram-batony izany ka aleony ho izy irery ihany no hikirakira io sehatra io. (3) Mety hiverina amin'ny Tanindrana io fitondrana io raha ireto teboka roa (1 et 2) ireto no hiseho satria tsy misy kandida avy ao Iarivo no afaka hifaninana @ izay atolotry ny avy any anbindran-tany indrindra raha mipetraka ny amnistie: Mipetraka izany olana izany na @ 1er na 2ème tour.

Ireo izany no antony mahatonga an'i Andry Rajoelina miziriziry @ fanakatsoana ny raharaha politika ho azy irery. Io koa no ilany ny "hetsika" ataon-dRavalo satria ny fihetsehan-dRavalomanana (na ao @ Magro ihany izy io) no ahafahany manaporofo fa IZY IRERY no hany tsara mitazona ny fitondrana ary "pretexte" koa io tsy hanomezana ny Amnistie.

Sahala t@ nanaovan-dRavalomanana an-dRatsiraka (diabolisation) dia io ihany koa no hanaovan'Andry an-dRavalomanana mba "hi-justifier-na" ny hetraketraka politika izay ataony.

Dia hiodikodina eo ihany isika satria miandry ny Communauté internationale ho reraka hanakiana ny fitondrany ny HAT na dia potika sy ho faty ary ny vahoaka malagasy.

Izay no ilàna ny fandraisan'ny Miaramila ny fitondrana rehefa hamono vahoaka ny mpanaoa politika tia kely.

Ady hevitra ihany.

Mankahery!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0083