Momba ny fiantsoan'Andriamanitra

1. ari.malala ( 16/07/2009 13:52)
Voaresaka matetika ny momba ny fiantsoan'Andriamanitra, saingy rehefa miresaka azy io dia ny pretra, ny masera, ny frera, ny pasitera ihany no tonga voalohany ao an-tsaina. Ny fanambadiana koa nefa isan'ny antson'Andriamanitra. Ary ahoana ny momba ireo olona sady tsy mpandraharaha masina no tsy manam-bady, nefa manan-janaka? Tsy anisan'ny voaantson'Andriamanitra ihany koa ve izy ireny? Satria ireo olona notanisaina dia manana adidy sy andraikitra daolo na eo anivon'ny Fiangonana na eo anivon'ny fiaraha-monina. Ireo tokan-tena manan-janaka ihany koa nefa mba manana adidy (ny famelomany ny zanany, ny asa sahaniny), nefa toa voailika izy ireny eny anivon'ny Fiangonana satria "manimba maso" ilay hoe tokan-tena nefa manan-janaka. Misokatra ny adihevitra.
2. Veloo ( 16/07/2009 13:59)
ari a,

isika tsirairay dia voa antson'Andriamanitra daholo, tsy votery limiter pasitera pretra etc.. fotsiny satria ny olona tsirairay dia samy manana ny talentany.

Izaho zao mahay mandro sakafo dia efa talenta ampisehoka ny namana izany hihihih (ohatra)

Isan'andro isan'ora Andriamanitra/jesosy dia miantso antsika foana - Miteny mivera aty amiko, miverena miverana, fa isika no mbola variana amin'ny fiainan'ity tany be fahotana ity. fivavahana (firesanahana) aminy mandrakariva no tena ankakaizan-tsika aminy.

Asa raha izay no tianao ho fantatra? voavaly ve?
3. ari.malala ( 16/07/2009 14:16)
veloo, misaotra @ valin-teny, fa tsy io hoe miverena io ka! fa matetika mantsy refa hoe fiantsoan'Andriamanitra na vocation d ny mopera sy ny pasitera sy ny frera sy ny masera foana no voaresaka fa isika laîka tsy mba voaresaka mazàna, d efa ezahina azavaina hoe isika rehetra no antsoin'Andriamanitra, d resahina ihany koa ny fanambadiana, fa ahoana kosa ny momba ireo tokan-tena fa manan-janaka izay matetika voahilika eo anivon'ny Fiangonana satria lazaina fa "miaina anaty toe-pahotana"
4. rijadolly ( 16/07/2009 15:57)
ari.:
"miaina anaty toe-pahotana"
Angamba kosa ari ts inoana mihits hoe afaka miaina na mandray andraikitra amin'Fanjakan'Andriamanitra raha mbola miaina ao anaty ny fahotana ilay ol na dia efa nahazo vocation isa-tsegondra aza.
Fa ra tena azoko tsara ny tianao ampita dia hoe:maninona ireny ol efa avy solafaka ara-panambadiana na mbola ts manambady ireny no tsy afaka mananjara lehibe na omena anjara eo amin' asa fampandrosoana ny Fanjakan' Andriamanitra?
Ra ny hevitro manokana aloha dia tokony omena anjara asa izay araka ny fasoavana nomen'Andriamanitra azy izy rehefa avy voadio na avy nanadio ny tenanany e(nanolo-tena)!satria mantsy tsy afaka mihevitra azy ho maloto intsony isika rehefa avy nodiovin'Andriamanitra izy na dia hita fa naloto b aza teo aloha.
Ra eo anivony Fiangonana indray dia matetika le image no antony.Tsoriko aminareo fa misy ol tsy mandray mihitsy izy ra mbola hitany fa tsy mendrika ilay mpisorona ao ampiangonana a!
5. ikaretsaka ( 16/07/2009 16:12)
Amiko manokana koa le hoe "tokan-tena mananjanaka" dia tsy Atra irery ihany no nahatonga an'io fa ny fiaraha monina sy ny tena. Tsy misy tsy diso izay mandia @ tany fa izay mivarilavo no adala ... raha tsapa fa miezaka mioitra izy nefa ahilika de tsy mety .fa kosa raha mihevitra ny hoe hanao fiainan drelijiozy izy de amiko koa tsary mety
6. Veloo ( 16/07/2009 16:42)
fa ahoana kosa ny momba ireo tokan-tena fa manan-janaka izay matetika voahilika eo anivon'ny Fiangonana satria lazaina fa "miaina anaty toe-pahotana"


ari a,

tiko azavaina tsara mihitsy ny sain-ndry. Ny olona rehetra eto an-tany dia miaina anaty toe-pahotana daholo tsy misy exception. Izay miteny ny tenany ho voaantson'Antra izy dia iny mihitsy no tena panota. ISIKA REHETRA
dia voaantso'Andra sous differente forme aky ka izay ampatanjaho ny sain-njy ary mi se sentir ho coupable na @ inona na @ inona.. Rehefa manaiky an'i Jesosy ao am-pon-ndry indry na iza na iza dia efa voahantson'Andtra izay..

Mahereza an :-* :-* :-*
7. ari.malala ( 17/07/2009 11:47)
Veloo, misaotra mampahery fa zà anie tsy mi culpabiliser ny tenako e! :) au contraire, j'assume :) fa io tenin'ika io no tiako tsindriana hoe misy ny efa hita fa miezaka mihoitra nefa ailika. Tsy tranga 1 na 2 fa efa maromaro ihany izay hitako izay! Ary matetika d ireo mpitondra fiangonana mintsy no miantsoantso izany resaka izany na @ toriteny ataony na refa manamafy vaovaom-piangonana... Ika, tsy misy olona hoe efa niteraka ka ndeha hanao fiainan-drelijiozy kosa e! hataony aiza aza ny zanany! tsy haiko aloha fa izay no fahitako azy e! Fa nisy dinika izay mantsy tsy tadidiko fa hoe raha mpiasan'ny misiona ianao ka mère célibataire d efa miomana fa voaroaka soamantsara! D teo no nahalasa ny saiko...

8. ni81 ( 17/07/2009 12:00)
Fa nisy dinika izay mantsy tsy tadidiko fa hoe raha mpiasan'ny misiona ianao ka mère célibataire d efa miomana fa voaroaka soamantsara! D teo no nahalasa ny saiko...
zà no nilaza an'io resaka io t@ iny dinika iny fa tsy tadidiko ilay dinika hoe inona no lohateniny.
Misy misiona maromaro ao dago ao ary dia saika mitovy avokoa ny fifehezana misy ao
(tsy mahazo manambady olona tsy iray finoana aminao, tsy mahazo miteraka tsy vita fanambadiana ara-dalàna (mère célibataire)
Izao mantsy no nanjo ilay tovovavy e: efa fantany izany ny discipline ao @ ilay toeram-piasana fa toy izany mihitsy, fa izy nanao fanahy iniana ihany dia voaroaka. Mpiasa tao @ ilay misiona izy, fa dia te hanan-janaka ary dia niaraka t@ olona, ary io olona io koa anefa tsy célibataire fa manambady aman-janaka ara-dalàna. Dia voaroaka izy dia notezainy ny zaza, ary dia ilay rangahy nananany azy moa mikarakaraka ny zanany @ ilay tena vadiny sady mamelona ilay zaza taminy koa.
9. Veloo ( 17/07/2009 12:23)
ari a ok :-* :-* :-*
10. Ratoa ( 18/07/2009 18:11)
raha manilika ny Fiangonana dia tsy mamela heloka izy izany, anefa Jehovah Andriamanitra dia Ray be fitia, saro-piaro sy masiaka fa mamela heloka. Ambony noho Izy ve isika?
Ary raha tsy mba omena "chance" ilay solafaka, aiza a moa no mba ahitany hery sy toky entiny miady? Avela hiady irery eo izy izany dia isika hitsara sy hitazana?
Aiza ilay fanampiana avy amintsika?
11. fijo ( 18/07/2009 20:22)
mitovy hevitra amin'ika koa aho eto.misy dia tena manao tsindrio fa lavo.izany hoe manoa tsinotsinona izay hezaka rehetra efa hita ataon'ilay olona hiovana.ka amiko izay fanaovana tsinotsinona nyhezaka izay no tena fahadisoana
12. niryna ( 21/07/2009 16:31)
ari.malala:

veloo, misaotra @ valin-teny, fa tsy io hoe miverena io ka! fa matetika mantsy refa hoe fiantsoan'Andriamanitra na vocation d ny mopera sy ny pasitera sy ny frera sy ny masera foana no voaresaka fa isika laîka tsy mba voaresaka mazàna, d efa ezahina azavaina hoe isika rehetra no antsoin'Andriamanitra, d resahina ihany koa ny fanambadiana, fa ahoana kosa ny momba ireo tokan-tena fa manan-janaka izay matetika voahilika eo anivon'ny Fiangonana satria lazaina fa "miaina anaty toe-pahotana"


iza no niteny izany taminao fa miaina anaty toe-pahotana ireo?
tsinjovy ny kamboty sy ny mpananontena hoy ny tenin'Atra ka raha tsy izay ny an'ilay fiangonana dia asio eritreritra fa mivoana ny ao anaty baiboly izany ry zareo.
aza manaiky ho pepoan'ny olona aky ari a,zanak'Atra avokoa isika rehetra,meloka teo anatrehany avokoa,na inona heloka vitana na inona tsy misy hoe lehibe ity na kely.
Satria ny tenin'Atra no efa nampahafantatra antsika fa raha miaiky ny fahotantsika isika ary mibebaka sy mifona amin'Atra ami'izany fahotana izany dia ho voafafa ny helontsika ary tsy ho tsaroany intsony izany fahotana izany.Ny fanontaniana fotsiny dia hoe mino izany tokoa ve isika ?

Rehefa manaiky sy mandray an'ilay Tompo ho mpanjaka sy mpamonjy ahy sy hianao amin'ny fontsika isika ary mino azy tokoa fa nitsangana tamin'ny maty izy ary mbola hiverina indray hitsara antsika velona sy ireo maty]
Izay no tena zava-dehibe amintsika kristiana rehetra ary tena zava-dehibe amin'ny fiainana ny filazany[hoe nandray an'ilay kristy ato ampoko amin'izay aho ary manaiky azy fa manomboka androany dia omeko ho tantanany amin'izay ny fiainako rehetra.Alohany anaovako zavatra dia mivavaka aminy aho ary mangataka ny fanahiny masina mba hitari-dalana amiko amin'ny fiainana ]
Izay manetritena ihany no asandratra ary izay manandratena ihany koa no ahetry. Izany hoe na iza na iza ka mino sy manaiky azy ho mpamonjy azy amin'ny fiainana dia voavonjy avokoa ary voantso avokoa
Dia hoy koa Kristy Jesosy hoe nangateta aho dia tsy nomenao rano,noana aho dia tsy nomenao sakafo..... ka na inona na inona no ataon'ny olona amin'ireny faran'izay madinika ireny (ny mpananon-tena sy ny mahantra no teneniny amin'io ) dia toy ny efa manao izany amin'ilay kristy isika ary dia ho betsaka lavitra noho ny an'ny rehetra ny valim-pitiantsika any an-danitra.
Mahavaly anao ve io fanazavako io ?
13. soanja ( 24/07/2009 07:04)
ari.malala:

Voaresaka matetika ny momba ny fiantsoan'Andriamanitra, saingy rehefa miresaka azy io dia ny pretra, ny masera, ny frera, ny pasitera ihany no tonga voalohany ao an-tsaina. Ny fanambadiana koa nefa isan'ny antson'Andriamanitra. Ary ahoana ny momba ireo olona sady tsy mpandraharaha masina no tsy manam-bady, nefa manan-janaka? Tsy anisan'ny voaantson'Andriamanitra ihany koa ve izy ireny? Satria ireo olona notanisaina dia manana adidy sy andraikitra daolo na eo anivon'ny Fiangonana na eo anivon'ny fiaraha-monina. Ireo tokan-tena manan-janaka ihany koa nefa mba manana adidy (ny famelomany ny zanany, ny asa sahaniny), nefa toa voailika izy ireny eny anivon'ny Fiangonana satria "manimba maso" ilay hoe tokan-tena nefa manan-janaka. Misokatra ny adihevitra.


Amiko ry Ari dia hoe rehefa miresaka Fiangonana isika dia olona be dia ao anaty fiarahamonina sy ny fehim-piaina arahina sns no voakasika amin'izany. Hevitry ny olombelona no tiako resahina.

Fa raha hiresaka Andriamanitra kosa isika dia Izy tsy takamaso nefa ao anatintsika tsirairay, mpamelona, mpamela heloka, mpamindra fo, be fitiavana ary tsy misy idiran'ny fiarahamonina ho ao anatinao , fa ianao sy Izy mifandray amin'ny fiarahamonina. Ny asa ataonao isanandro dia asan'Andriamanitra rehefa atao anaty fo feno fitiavana ary amim-pahendrena.

Rehefa hiangona isika amiko dia vonona hifanerasera amin'ny hafa saingy tsy voatery ho amin'izay isika no hiresaka/ hiasa/ ho an'Andriamanitra fa n'aiza n'aiza io fifandraisana io ary tsy manam-petra raha mbola ao anaty fitiavana. Ny ankoatr'izay dia hevero toy ny olombelona be siasia, te handidy ny fiainantsika lalandava nefa tsy mahalala akory manala ny tsilo eo amin'ny masony.

Ny Fiangonana dia olombelona, fa ny aina sy ny hery mifandray ao kosa no Andriamanitra.




14. ari.malala ( 24/07/2009 07:40)
Soanja, marina tanteraka :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1456