Nipitrapitra i Odon RAZANAKOLONA

1. rabaradaka ( 29/06/2009 05:33)
Tena nahita aho fa tsy notantaraina fa dia tena nipitrapitra irery i Odon RAZANAKOLONA na teny Mahamasina na teny Iavoloha tamin'ny 26 jona. Ny mahagaga dia izao : tsy misy olona miarahaba azy mihtsy fa dia dinganin'ny olona fotsiny izy nefa ange ka ray aman-dreny be toa ireny e ! Na ireto HAT aza toa mivandravandra aminy fotsiny, sa hoe mpanonga-panjakana ka tsy tian'ny olona ? Asa aloha fa tsy haiko e :oops: 8-)
novalian'i xxx ny 29/06/2009 14:26
2. nytsiry ( 29/06/2009 05:48)
hoy ianao !
tena teny marina ve ianao sa mba natao lohahevitra hampiesonanana foptsiny ihany satria izaho anisan'ny nanatrika teny ary nahazo fanasana nefa tsy nahatsapa an'izany satria nahita olona maro nitafa sy niresadresaka taminy .
Asa na tv no hitanao ka tsy nahitana azy niresaka taman'olona fa ato amiko misy sary mihitsy momba izay mifanohitra ami'ny teninao izay ary tsy mba montage fa za en pers no naka azy !
efa diso mibaradaka loatra nareo zany a
izy koa tsy mpanongam-panjakana izany fa mba mandiniha sy mihevera lalina tsara sady tsy asany izany fa aza dia faly manakiana fotsiny fa izay hiverenan'i dadanareo atrehina mafy :-P :-P :-P
3. naritsimba ( 29/06/2009 06:13)
hihihihi copie coller avy tary @ moov indray no ataon'ny rabaradaka.
4. Noue ( 29/06/2009 06:46)
na marina io na tsy marina tsy dia mahagaga ahy loatra noho ireny zavatra rehetra nataony ireny eee ! Tokony mba hasian'i nytsiry sary kely eto sa ahoana ??? :^) :^) :-D :-D :-D
5. pikatti ( 29/06/2009 07:44)
Razanakolona ha ha ha,efa nofiran'ndry zalahy iny e
zanaka olona fopla ve de hisy hifanosona aminy ntsony ,misy sariny ao @ le site tsy lazaiko fa nofa be le kozy
6. essera ( 29/06/2009 09:02)
Sao d kosa ary rabaradaka nangasiasy b d miala ilany a !!!!!!!!!!

7. saranga ( 29/06/2009 09:32)
Tena tany aho ary tao aoriany mihitsy. Rangahy 3 izy no mba niresaka taminy teo. Hay moa nareo tokoa TGV ka tsy sahy milaza ny marina !! Azafady ry TGVendrana
8. ravatorano ( 29/06/2009 09:49)
eto zany raha ny fahitako azy dia ny fifanaratsiana no tena betsaka
za dia isany sambany tonga eto ary vao ity no lohahevitra nidirako sy novaliako nefa raha ohatran'izao dia tsy mahataitra loatra ary tsy mahagaga raha mbola miverina any amin'ny laharana farakizé ambany ny malagasy na ara ekonomika na ara tsosialy indrindra fa ny ara toe-tsaina !
:cry:
9. essera ( 29/06/2009 09:53)
Ravatorano, misy oul ange ato efa tratran'ny complexe de supériorité b mihitsy e.

10. ravatorano ( 29/06/2009 09:58)
efa elaela ndray aho tsy nandray sy niditra teto nohon'ny tsy naha teto ahy izay fa dia hitako fa mbola mitohy hatrany ny fifampihantsiana amitsika samy malagasy.Tsy tsara ve ry zareo mba samy mitaona ny ankolafi-kery izay tohanatsika aby mba hivondrona sy hiaraka hampandroso an'ity madagasikara ity ah ! tena sahirana ange zalhy ny vahoaka e ary mikaikaika amin'ny afitsok'ireto mpanao politikatsika rehetra tsisy ankanavaka ireto e !
11. essera ( 29/06/2009 10:02)
Tena marina izany ary partant mihitsy aho, fa anontaniako ravatorano hoe "ahoana ny hevitrao amin'ilay hoe tsy manomboka ny fety raha tsy eo Dada ?"
Manompo oul fa tsy manompo hevitra no fijeriko azy mantsy.
12. ravatorano ( 29/06/2009 10:24)
ny fetin'ny 26 juin dia tsy natao ho an i dada na ny zanak 'i dada irery ihany ry essera ah satria tsy ry dada na ny zanany no nitolona irery nahazahoana ny fahaleovantena hatramin'ny 49 taona lasa izay.Iza no tsy mahalala fa efa hatramin'ny andron-dry Rabezavana sy ny Menalamba notarihiny niaraka tamin' dry Rainisongomby no efa nitaky sy namoy ny ainy ho amin'izany fahaleovantena izany ny malagasy ka ahona no iandry azy ny fety vao hanomboka.Izay no fijeriko ary io samy manana ny heviny ka ny tsara dia ny hampitambarana izany mba tsy ho variana amin'ny adilahy politika fotsiny isika fa manjary ny tsy an'asa hitombo,ny tsy fandriampahalemana hitombo,ny vahoaka tsy manakohanina hitombo dia ho aiza ary tsika ity.
Tsy manambany ny fetin'ny fahaleovantena aho fa lasa najary nisy resaka be mantsy ny fananganana saina sy ny manarak'izany.Amiko dia tokony ny fnarenana hainga aizao firenena izao no ataotysika sy iarahan'ny besinimaro misalahy mba ho Madagasikara mahatehonina no eto,mba ho firenena vanona manana ny taranany hampandroso azy fa tsdy hampandohalika azy foana no ho hita eo amitsika !
13. xxx ( 29/06/2009 11:56)
Sambatra ry reto ianareo fa mbola afaka nijery fahita lavitra na koa mbola nanana saran-dàlana ahafahana namonjy izany feti-pirenena izany. Tany aminay izay somary miàla kely 100 km nyrenivohitra dia toa tsy hita soritra teny amin'ny olona izany fety izany. Satria manko toa tsy mba naheno feona tsipôpôka kely akory aza, eny fa na dia afomanga iray aza tsy mba nisy.
Asa re gaga aho fa tsy mba manan-jo hifaly toa ny eto an-drenivohitra angamba ny hafa.
Amiko dia ny 26 jona angamba dia fety natao ho an'ireo miaramila sy ny renivohitra irery , satria toa hoe nozaraina volabe hono izy ireo.
ARY NY MENAKA (2000AR) SY VARY (500AR) MORA BE IZAY NAMPANATENAINA NY VAHOAKA MADINIKA NANKAIZA E ? IZAO INDRAY MINTAINTAINA IZAHAY HOE RAHOVIANA INDRAY NO HIAKATRA NY VIDIN-TSOLIKA
14. andrywui ( 29/06/2009 12:32)
ka i noue sy ny TIM raha vo milam io d tsy anasa é, hahahahahaha....
15. ainaheri ( 29/06/2009 14:05)
essera:

Tena marina izany ary partant mihitsy aho, fa anontaniako ravatorano hoe "ahoana ny hevitrao amin'ilay hoe tsy manomboka ny fety raha tsy eo Dada ?"
Manompo oul fa tsy manompo hevitra no fijeriko azy mantsy.

Na tsy nipetraka amiko aza ilay fanontaniana dia handray anjara aho @ maha gasy ahy,amiko dia foto-pisainana mirefarefa ny hidongiana tsy hanangan-tsaina satria tsy eo ra8,ny oul nanome sy nitarika zay hvtr zay tokony atao sesitany any anosilava mitsy,tsisy eritreritra,angah annif-ndra8 na an'i andry ny 26 juin ka ho dongina tsy hananganantsaina?? Mba taiza lotra zany oul zany nandalina,ary iza ilay vendrana nanaraka ilay hvtr?????? ;-) :snif:


16. xxx ( 29/06/2009 14:26)

Mba aoka re Tompoko mba ny zavatra marina no aboaka hiadian-kevitra eto fa tsy ny antsanga tsy aman'orana rehetra izay renao etsy sy eroa.

Ny mahagaga ahy koa matetika de izao" hafa ny lohahevitra apetraka hiadian-kevitra" de toa lasa mivaona na mivadika ho fifandrangitana tsotra izao fa tsy fanehoan-kevitra intsony ny ankamaroany.
Mba tsetsatsetsa tsy aritra iny ny ahy.
Matetika manomboka amin'ny resaka "vitsika" ny lahatsoratra dia mifarana @ fifanaratsiana sy fanopàna aza indraindray
MAHAGAGA!!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.549