Vonona hanampy ny miaramila avy any dilambato izahay

1. penguin ( 17/06/2009 10:00)
Matahotra ny olona sy vahoaka Malagasy ka tsy sahy milaza mivantana ny tena ao antsainy. Raha ny marina dia nalahelo ary tsy faly nohon'ny nafitsokin'ny CAPSAT ny maro an'isa saingy mangina satria tsy manambasy. Tongava soa raha misy tokoa ny fiavian'ny miaramila avy any dilambato fa tena leo tanteraka ny barofo CAPSAT ny vahoaka Malagasy. Tanora maro no efa mivonombonona ary miandry hoe ahoana ny hanampiana ireo hamerina ny ara-dàlana. Firenena inona no mijoro amin'ny endrika tsy misy hajany salan'ity FAT(y) ity ? Zahavo hatramin'ny farany ny hevitra hanalana ny tgvendrana mba tsy aha-vendrana ny taranaky ny Malagasy ho avy. Ny famokarana sy toe-karena tsy vitan'ny CAPSAT fa ny fanaovana didin'ny be sandry no hainy ary ny fampiakarana ny karaman'ny miaramila izay tsy mpamokatra mivantana no vaindohan-draharahan'ny fanjakana tgvendrana.
novalian'i rodro ny 18/06/2009 12:37
2. zoam ( 17/06/2009 10:03)
tsy maintsy miala io si non mbola ho maro ny coup d'etat hoavy eo ,sady tsy voalohany no farany no hisy an'izany eto dago hoy vice amiral mamy izay
donc aleo tsy be vava
3. ravalotgve ( 17/06/2009 10:03)
ASAIVO MANAO DEFILE ENY MAMASINA DE MISY MARAMILA TONDE MITIFITRA NY HAT REHETRA

SNIFF
TCHROUFFF

:^) :^) :^) :^) :^) :^)
4. essera ( 17/06/2009 10:04)
penguin:
Raha ny marina dia nalahelo ary tsy faly nohon'ny nafitsokin'ny CAPSAT ny maro an'isa saingy mangina satria tsy manambasy.

Toy izany no nataon'i Dada teto fa ilay basy fotsiny ovao VOLA. Nieboebo fatratra


penguin:
Tanora maro no efa mivonombonona ary miandry hoe ahoana ny hanampiana ireo hamerina ny ara-dàlana.

Version 2002, zana-dambo ve... Mbola misy tsy voaloa ny volan'ireny fa contrat tsy matotra.


Zahavo hatramin'ny farany ny hevitra hanalana ny tgvendrana mba tsy aha-vendrana ny taranaky ny Malagasy ho avy.


Vendrana wa no nahavita namizana an'ilay krapilo. Milay e. Davida vs Goliata.


Ny famokarana sy toe-karena tsy vitan'ny CAPSAT fa ny fanaovana didin'ny be sandry no hainy ary ny fampiakarana ny karaman'ny miaramila izay tsy mpamokatra mivantana no vaindohan-draharahan'ny fanjakana tgvendrana.

Avoahy ny volan'ny dadan'lah d asaivo ajorony fa efa hikoafan'ny oul fotsiny.

5. halloween ( 17/06/2009 10:25)
efa lazaina fona elah ry paingotra fa aza bevava fa tsy sahy miakatsehatra akory, dadan'elah zao niha nahia any afrika atsimo any, ny oul ary any dago efa milaza fa tsy milay izany ady izany satria vomaika homafy ny fiainana ary efa be d be ny milaza fa tsy mila izany fiverenan'i dada izany satria hanimba zavatra izany, d elaha koa na inn lazain'elah na inn d sasapona eto elah mifampitoraka vonikazo fa ny sarababebahoaka ry léity tsy mijery nety a! aza mba dondrona ihany é! jereo ny sary ao @ sobika fa ny mpiasan'i lé8 le maloto lamba sisa no mamonjy pointage isamaraina eny @ Magro fa ny madio lamba efa mitsotsoaka daholo :^) :^) :^) :^) :^) :^) :^) :^)
6. penguin ( 17/06/2009 10:46)
Na hino elah na tsy hino dia maro ny vonona hanampy ary mitady hevitra ny hanapahana ny zahozahon'ny CAPSAT. Ny Jeneraly aza moa mangina hatreto koa ny olon-tsotra vé tsy mody hitehaka ny tgvendrana no ataony ? Ho avy ny manaraka fa hiomehezana erak'izao tontolo izao ny taranak'i Madagasikara raha fanjakana alika no hitondra ary henatra isaky ny tondroin'olona molotra. Tsy misy mitsoaka fa miampy aza satria manomboka miseho ireo niafina sy nagina. Tsy maintsy esorinay ny tgvendrana na ahoana na ahoana ary na ho ela na ho aingana.
7. xxx ( 17/06/2009 11:03)
http://www.youtube.com/watch?v=QRhg-Ioik8c
vonona izahay e ,miandry top fotsiny
8. essera ( 17/06/2009 11:05)
Tsy maintsy esorinay ny tgvendrana na ahoana na ahoana ary na ho ela na ho aingana.

24 mois les andrasana.
9. xxx ( 17/06/2009 11:13)
angaha teren elahy ny olona aleo izay hitolona ary tsy hanaiky mihitsy ,aleo hifanamamy eto ,fitondrana nangalarina io :evil: :evil: :evil:
10. essera ( 17/06/2009 11:21)
Zé ray tsy mahazaka ko. Ny sasany alo zao no efa mangirifiry.
11. xxx ( 17/06/2009 11:30)
ela no mahatsapa an'izany fa izahay mitolona aza tsy kivy ,tsy maintsy misy mitsangana foana eo e
tohizo ny lalantsika hoy dada izay :* :* :*
bal be ao @ ambasady gasy paris 25juin raha hoavy
tsy misy capsaty :* :* :*
12. essera ( 17/06/2009 11:57)
xxx.10:
ela no mahatsapa an'izany fa izahay mitolona aza tsy kivy ,tsy maintsy misy mitsangana foana eo e
tohizo ny lalantsika hoy dada izay
bal be ao @ ambasady gasy paris 25juin raha hoavy

Olona azon'ody ngah mahatsiaro tena. Dada ve no mpitaiza handre hirifiry eo na efa maratra toy inona aza. :-D :-D
13. xxx ( 17/06/2009 12:21)
Ho savolaina ny CAPSAT raha tena tonga tokoa ny miaramila mpampandry tany satria :

1)-Eléments vitsivitsy tao amin`ny tafika (CAPSAT sy ny Gendarme Fort Duchesnes) izay nahazo volabe ihany no nikomy fa tsy hoe ny tafika manontolo . Porofon`izany , rehefa misy ny fandravana fihetsehana ataon`ny ARA-DALANA eny Ambohijatovo dia ireo miaramila beret rouge fahita foana ihany no manao izany miaraka amin`ny Polisy sy zandary vitsivitsy ary tsy miova mihitsy . Misy olana ara-pibaikoana ao izany satria misy ampahany betsaka tsy manaiky hanaraka baiko .

2)-Ny fifandrafiana teo amin`ny samy Corps naterak`iny fikomiana iny dia lasa lalina ka tsy azo antoka fa ho voasaron`ny Nofon-kena mitam-pihavanana fotsiny satria toa simple loatra raha izany kanefa jereo ny nanaovan-dry zalahy ny manamboninahitra jeneraly .

3)-Niresaka fanajana ny hierarchie , sy ny Unité n`ny armée ry Noel sy ry Ndriarijaona kanefa ve tsy izy ireo ihany no tena nanosihosy an`izany ?

4)-Nanongam-panjakana izy tsy nizara sosy tamin`ny miaramila manontolo ka izao nony ho avy ny mpampandry tany vao may ambondrona ka mitaky ny Unité n`ny armée ?

5)-Angamba tsy bado ny miaramila sy ny Polisy ary ny Zandary ka hoe Tolorana "augmentation" satria ho avy ny Tafika mpampandry tany !

6)-Ny fihetsiketsehana ataon`ireto MPIOKO ( aleo avahako tsara mihitsy fa tsy ny miaramila rehetra fa ireo MPIOKO ihany ) hoe mba mody mikotrana ( fa ngah efa akaiky ny ady vao hikotrana hita mihitsy fa tsy serieux ) , na ny fandefasana ny Blindés any Morondava ..sns , ny filazan`i Ndefo fa Voyage sans retour ny an`ny mercenaires , dia mitory fahalemena , mitory tsy fahatokisan-tena sy tahotra satria fantatry ny rehetra fa tsy ny miaramila rehetra akory dia CAPSAT , tsy fahatokisan-tena satria tsy ampy fitaovana ( Blindé efa Raneny be ) , tsy ampy traikefa satria zatra niady amin`ny vahoaka tanam-polo , matahotra satria hiady amin`ny Front maromaro ( avy any ivelany sy anatiny ) , tsy ankasitrahan`ny maro an`isa ka tsy hisy mpanohana . Ireo rehetra ireo dia midika fa faharesena no miandry an`ireo ka raha olon-kendry izy , dieny izao dia aleo aza manamafy ny negociation am-pilaminana fa tsy hoe matikambo hiala ambony latabatra .


14. essera ( 17/06/2009 12:57)
Tadidio tsara fa ny tim no hanomboka guerre civile eto raha hisy. Ny guerre civile no azon'ny miaramila an'ny organisation firenena ireny idirana.
Ka raha ohatra ianareo te hamorona guerre civile mba hidiran'ny firenena avy any ivelany d anareo indray iny.

D andramo ary zalah. Zah ko alo tsy mino maty rah tsy avy mandevina e.


15. xxx ( 17/06/2009 13:07)
essera : raha izaho no misafidy dia aleo miaramila avy any ivelany no miditra eto na dia misy gasy maty aza, aleo mijery hafa mamono gasy toy izay ny gasy ihany no mamono ny gasy toy ny ataony capsat-nao.
Ho hitatsika eo tokoa raha tena afaka miaro ny tombotsoany ny capsat raha tonga izay fotoana izay, averiko tsara hoe ny tombotsoany satria tsy ny firenena mihitsy no arovany aminizao fotoana izao fa ny kapoakany.
16. xxx ( 17/06/2009 13:14)
tsy hisy guerre civile zany lesy eto a.Ady amin'ireo kapisaty kely niana-kendry nanakorotana no atao eto.D'ailleurs, toa efa matahotra sahady tokoa ry Ndefokely fa efa mampikotra ireo tary tsy ampy sakafo.
Ilay blinde tokoa tokony efa any @ musee no apetraka fa manala baraka fotsiny.Ny sasany mitokona tsy mety mande rehefa 26 jona iny .
17. xxx ( 17/06/2009 13:46)
essera : tafika moderne no lamaody eran tany izao fa tsy tafika mpandrava hetsibahoaka. Midika izany fa ny capsat nao dia mohaka ka ny olona tanampolo foana no ampiasana herisetra, toy ny lacrimogène tao @ ambassade gasy tao paris.
Mandany volambahoaka fotsiny fa mibodo place tokony handoavana karamany mpiasa ny Air mad ao anaty avion. Sa hoe atao malaza be any @ tanàna hoe nanao mission tany Paris ry Commandant X sy ry Capitaine Y ?????
18. penguin ( 18/06/2009 06:00)
Fiarovana ny tsy nisian'ny Guerre Civile no nialan'ny Filoha Ravalomanana ary tsy ny vahoaka no naka an'Ambohitsirohitra sy ny nanambana teny Iavoloha fa ny CAPSAT. Noho izany ireo no halana fa tsy ny vahoaka no hiadivana ary tsy misy vahoaka hanampy ireo satria ry zareo ihany dia milaza ho mafy sy nahavita. NY VAHOAKA HO AVY ARY HANAMPY NY MPAMPANDRY TANY HANALA NY MPANGALATRA FAHEFANA. na faly elah na tsy faly tsy maintsy esorina. =)) =)) =))
19. rodro ( 18/06/2009 12:37)
hotohizana ny lalana hozy dada

=D> =D> =D> =D> =D>
gtgvendrana miala fatsisy ilana azy izy ihany no nahantogna grevy
nohizany mety aminazy manohy ny maha Dj azy
sady dadambendreo mpanadevo nigasy teo aloha
de tsimaitsy manaraka koa ny zafikeliny =)) =)) =)) ^:^ ^:^ ^:^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1782