NY ALIKA - Je pose 3, je retiens 1

1. Belle ( 10/06/2009 19:08)
Indray andro hono:

Novorian’ny mpahary ny biby rehetra hilazany ny zava-baovao vao nohariany. Masina loatra nefa hono ilay mpahary ka rehefa hiditra ny efitra fivoriana dia tsy maintsy samy manala ny taova-pananahany avy ny tsirairay. Nalahatra teo am-baravarana ireny ka samy mandray ny azy rehefa vita ny fivoriana avy eo.

Raha samy mbola nifampiresaka nikotaba teo iny hono ny biby rehetra mandra-pahatongan’ilay mpahary, dia nisy nangetotra mafibe. Nandritra ilay mpahary nandeha haka toerana eo amin’ny podium itenenany no nitranga io, ka sady boramenan’ny hatezerana hono izy no nanontany hoe: iza ilay nangetotra teo?

Nifori-drambo daholo ny rehetra tsy nisy namaly, fa ny akaiky indrindra ny varavarana no nitarika nandositra. Tao anatin’ny savorovoro nefa hono dia samy nandray izay taovam-pananahana sendra ny tànany avy teo fotsiny izy ireo, nametaka izany tamin’ny toerany, dia nitsoaka. Noho izany dia be no nifamadika: ny an’ny elefanta ohatra hono lasan’ny soavaly, ny an’ny voay lasan’ny mamba, sns…

Ny hanavotr’aina ihany no tao an-doha’ny kisoa ka adinony tanteraka hono ny naka ny azy. Hitan’ilay mpahary hono izany ka noraisiny dia natsipiny teny amin’ny kisoa sady narahany teny hoe: «iny ny an’ilay kisoalahy ity». Tsy niherika mihitsy moa ilay kisoa, ka dia tsy tany amin’ny toerany no nitontona ilay izy fa teto ivelany. Dia izay hono no mahatonga ny an’ny kisoa miseho be tahaka an’ireny hitantsika ireny.

Noho ny maha-mpahary azy dia fantany tsara hono fa ny alika no nangetotra tamin’iny andro fivoriana iny, fa mba fitsapany azy fotsiny raha hilaza ny marina izy no antony nanontaniany. «Ho hitan’ialahy ny hanaovako an’ialahy r’ilay alikalahy ity» hoy izy niteny irery hono mantsy ny alika. Fantatry ny alika tsara koa fa fantatr’ilay mpahary hoe izy no nangetotra tamin’iny andro iny, ary henony ireo teniny ireo, ka izay hono no mahatonga an-drizareo mitandrina foana ankehitriny. Manainga tongotra anila rizareo rehefa mamany, miomana hanohana ny hazo na rindrina na pneu-na fiara, sns… hamaniana hono mba tsy hianjera aminy sao atosik’ilay mpahary hanasaziany azy.

Farany, dia mbola mitady ilay nangetotra tamin'io andro io noho ny tantara miampita foana hono no mahatonga ny alika mifanorokoro-body hatramin'izao!!!

Angano angano, arira arira, izaho mpitantara, ianareo mpihaino!
novalian'i kwit ny 18/06/2009 08:52
2. simplex ( 10/06/2009 19:40)

manao resak' alika an :lol:
3. Noue ( 11/06/2009 18:39)
simplex:
manao resak' alika an :lol:



=)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
4. JOSIAH ( 12/06/2009 07:13)
mampe e 8-)
5. Koditra ( 12/06/2009 18:55)
Dia mbola tohizako, rehefa samy nitsoaka daholo hono ny biby dia nande bus, tsy nanana vola madinika ny mpitam-bolan' alika ka dia 50.000Fmg tokana no nandoavana ny saran-dalana, nony niala anefa dia adino no nitaky ny famerim-bola, izany hono no nahatonga ny alika isaky ny mahita fiara dia mivovò sy manenjika mitaky ny famerim-bolany.

Fa ny omby hono tsy tonga nanatrika io fivoriana io fa mbola nitady vola nanao Pub fromage Vache qui rit. :-D :-D
6. mmmhh ( 15/06/2009 13:04)
ity no tena nampme an'ah tao

Tao anatin’ny savorovoro nefa hono dia samy nandray izay taovam-pananahana sendra ny tànany avy teo fotsiny izy ireo, nametaka izany tamin’ny toerany, dia nitsoaka. Noho izany dia be no nifamadika: ny an’ny elefanta ohatra hono lasan’ny soavaly, ny an’ny voay lasan’ny mamba, sns…


imagineo anie le paozin'ireo biby milefa sy mametraka an;ilay taova e,
:-D :-D =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
7. ari.malala ( 15/06/2009 13:54)
=)) =)) =)) =)) =)) =))
8. kwit ( 18/06/2009 08:52)
tena mahita reto nareo kah ! sad mahalatsaka be :D =))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0875