Tombontsom-BAHOAKA tsy ho an'ny TGVendrana irery

1. penguin ( 10/06/2009 05:46)
Hita mazava fa tsy ireo teo @ 13 Mai niaraka t@ TGvendrana irery no atao hoe vahoaka Malagasy. Noho izany dia tsy ry zareo irery no afaka hilaza fa mahalala ny tombontsoan'ny vahoaka Malagasy manontolo. Mijoro ary tsy miala koa ny hafa na tsy manana CAPSAT sy mahery fihetsika aza.
novalian'i fijo ny 10/06/2009 19:46
2. zoam ( 10/06/2009 05:48)
slt peing1,tonga masika voa maraina anie nareo izany e
petsa dia ampy e
3. Noue ( 10/06/2009 05:53)
inona ihany aza ity petsa lavanareo ity eee ??

ka ny olona ry penguin dia efa hatramizay anie io lazaina lava io oe vahoaka eee ! nefa vondron'olona :^) :^) :^)
4. penguin ( 10/06/2009 05:59)
Miteny Rolland Ratsiraka na i Hasina Andriamanjato izay solontenan'ireto HAT na FAT(y) ary milaza hoe ny tombontsom-bahoaka no zahavina. Ny ao antsain-dry zalahy ihany anefa no heveriny sy tereny ho fanirian'ny vahoaka. Hadinony na modiany tsy fantatra fa misy vahoaka marobe ary tsy voakarama izany mijoro na tsy manana basy aza. Aza misy miala fa mijoro hatrany ary misehoa fa samy vahoaka Malagasy na tsy TGVendrana aza. Ny fanjakan'ny baroa tsy tokony omena sehatra maharitra.
5. penguin ( 10/06/2009 06:02)
Miteny Rolland Ratsiraka na i Hasina Andriamanjato izay solontenan'ireto HAT na FAT(y) ary milaza hoe ny tombontsom-bahoaka no zahavina. Ny ao antsain-dry zalahy ihany anefa no heveriny sy tereny ho fanirian'ny vahoaka. Nobeazina tamin'ny fitiavan-tanindrazana hony ry zalahy nefa NY VAHOAKA HEVERINY HO TARITINA HATRANY ARY TSISY SAINA FA RY ZALAHY IHANY NO MANANDOA. Hadinony na modiany tsy fantatra fa misy vahoaka marobe ary tsy voakarama izany mijoro na tsy manana basy aza. Aza misy miala fa mijoro hatrany ary misehoa fa samy vahoaka Malagasy na tsy TGVendrana aza. Ny fanjakan'ny baroa tsy tokony omena sehatra maharitra.
6. Noue ( 10/06/2009 06:57)
io anie ilay notatatataina hatramy voalohany oe le peuple :-D :-D :-D :-D zao, aiza zany peuple zany eee ?? zay danin'ny kibony ihany no ataony fa tsisy an'zany fitsonjovana na fanampiana ny vahoaka zany eo ee ! mampanantena ny olona oe zao sy zao saingy aiza zao zany ??? jereo fotsiny ireny halatra rehetra nataon'ny capsat ireny !! ho an'iza ireny ??? ho an'ny vahoaka ??
7. tsiafoi1 ( 10/06/2009 07:41)

Efa Ady ity no hatrehana ka ny an'ny HAT dia ampiasaina avokoa izay fomba rehetra mety hampandresena sy hanamafisana ny seza : FAFY LAINGA, spécialités ny devoly io. Eo anatrehan'izany dia tokony hampitomboina isa sy atevenina ihany koa ny vahoaka mpanohana ny ara-dàlana isa-paritra dia midaraboka ho azy ny fanambarana ataon'ny HAT fa tompon'ny vahoaka izy.
8. Mirananirina ( 10/06/2009 07:46)
Voalohany aloha dia tombotsoany TGV,politikany io;manaraka ny vahoaka manana,ny vahoaka madinika moa dia eeeeeeeeee.............veloma
9. xxx ( 10/06/2009 08:09)
niova ho tgvravalo i ravalotgv , tratra zany ny mpandefa sary porno tato ,afabaraka fa tsy atokisan'ny olona intsony , i Locl sy i Zoam hono sisa andrasana ny vetaveta fanaony ato
10. general ( 10/06/2009 08:32)
tsara ny fahatratraran'ny Mpiandraikitra ny serasera azy ireo kà , tokony tsy hananana indra-fo aloha zay tratra e, kilalao madio no tokony ho eto ,zoam, locl , tgvravalo ireo
11. tsiafoi1 ( 10/06/2009 11:00)
Inona ry ity resaka makota misafolitika ataon-dry multi-PS ity??? Tsisy kozy ndray de manasafotofoto resaka an!!!

Resaka ho "Iza no tena mpitondran-tenim-bahoaka no atao ato ry akama a!" Aleo aloa avily kely ny motronareo fa mitady hanao todik'ivoho. Tsy ampy maina angamba ! :D :lol: :o :lol:
12. fijo ( 10/06/2009 19:46)
izao fotsiny atao an tsaina e.3 volana latsaka kely izao no teo ny HAT;izoa efa misy manana trano aty frantsa sy manana touareg ny ao mada.3 volan ave dia hafaka hanana izany amin'ny karama tsy misy akory???????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0456