Mitady mampanofa robe des mariees

1. xxx ( 08/06/2009 13:43)
Miarahaba e,

Mba saika hanontany ze mahalala, aiza kay a Tana, misy mampanofa robe des mariees?
omeo anarana boutique rah mety,

misaotra mialoha (l)
novalian'i tywa68 ny 15/06/2009 11:19
2. xxx ( 08/06/2009 14:23)
vola boutiques izany ve mbola misy, dia mampanofa akanjo ve ?
3. ni81 ( 08/06/2009 14:27)
Toa mbola misy vola boutique ka! Fa fotsiny tsy fantatro ilay hoe mampanofa, fa ny mivarotra akanjo mariazy sy accessoires aloha dia ie. Ao ISORAKA no misy azy.
4. tess ( 08/06/2009 18:19)
manaova annonces mivandravandra be anaty gazety e!
5. xxx ( 09/06/2009 07:24)
tess:
manaova annonces mivandravandra be anaty gazety e!


aiza ry tess hananako vola hanovana annonce @ gazety a, :cry:
6. Lejoba ( 09/06/2009 11:51)
fa maninona aloha no hofaina eh?
Anaovana tantara sa "ampahatahorana" olona?

PS : vola boutique tsy mampanofa akanjo
7. xxx ( 09/06/2009 14:30)
fa maninona aloha no hofaina eh?

Ofaina satria lafo be ny mividy na mampanamboatra nefa dia andro iray iny ihany no ilana azy fa avy eo dia anaty armoire mandra-paha simbany, lanin'ny kalalao sy mita fotsiny.
8. Tazana ( 09/06/2009 14:41)
Fa ohatrinona ny budget dia rahoviana ilay mariazy?
Tsy mbola malaza any Mada ilay mampanofa anie e...Ary maninona raha mampanjaitra akanjo ihany dia avy eo iny ovaina akanjo azonao anaovana fa tsy ho tehirizina fotsiny? Ilay zandriko zany no nataony modèle afaka navadika no nataony dia sady tsy mindrana no tsy lany vola.
Jereo ihany aloha zay e!
Ianao ve a l'aise hoe mariazinao dia akanjo nindramina? Na koa manjaitra dia avy eo amidy. Misy options maromaro sahady ianao. Na koa maninona raha mandeha any @ ireny école de coupe et couture ireny dia mijery sao misy stock tian dreo liquider-na ao.





9. Tazana ( 09/06/2009 14:46)
Ity misy annonce hitako tao @ Orange le 4 mai ny date fa andramo ihany aloha e! Mety azo atao ihany ny vidiny satria toa mbola a débattre aza ny prix napetrany ao. 160.000 ar zany ve moa 800.000? eny e tsy tena mora fa mahaiza miady varotra raha tena te hamarotra izy moa tianao ilay akanjo!
Vend 1 belle robe mariée blanc cassé. prix : 160.000Ar à déb. Contact : 0330194555
10. nikah ( 09/06/2009 14:55)
Hoatrinona ny budgetn'i xxx fa mety mahita solution ho anao aho.Alefaso any @ hafatra manokana raha tsy tianao hosoratana eto.
11. tiou ( 10/06/2009 09:53)
salut daholo!!
ianao koa anie tsy voatery manao ilay akanjo mirobaroba be reny e, efa maro zao ny manao robe tsotra nefa tsara na ensemble, costume ... de asina voile fotsiny eny @ loha na vonikazo!! mety ho tsra anie zany e ohatran'ny any @ film reny e!!! sady original !!!
mahereza e!!
12. Ratoa ( 10/06/2009 10:00)
Andro iray anatin'ny fiainanao io ary andro lehibe koa maninona no anofa nyefa nanaovan'ny sasany? Hisantatra ny fianana anie ianao é: Nahoana raha manaraka ny hevitry i tiou? Na akanjo fotsy mihaja na couleur claire et tendre, tsara didy sy tsara ravindamba ka asiana voile aza dia mety. Rehefa avy eo azonao anaovana @ occasion hafa izy.
13. xxx ( 10/06/2009 10:55)
Zah anie tsy de mila an'ireny midoroboka be ireny e, fa e tsotsotra fa hita \kosa we olona manao mariage iny satria "andro miavaka @ lazain'i Ratoa"

Na izany na tsy zany tsy andro iray akory no handaniako vola be @ resaka fitafy, nefa tsy hanaovana intsony reefa aveo, zah rahateo tsy dia tia akanjo fotsy / blanc cassee lavabe izany rah handeha hianjaika, ka na ohatran'ny ahoana ny didiny eo, tsy hanaovako intsony,
ary tsy maintsy miafara @ io annonce hitan'i tazana io, satria tsy hatao intsony le akanjo de varotana..
Vend 1 belle robe mariée blanc cassé. prix : 160.000Ar à déb. Contact : 0330194555


misaotra ny mpiandraikitra aloha nametraka an'io pub io ambony io fa ijerijery modele ao de ilazakao nareo rah nahita modele tiako ao zah, de ho hita eo rah tena tsy mahita mampanofa e,
14. Mimhie ( 10/06/2009 11:15)
mba mandania 200 ar mividy gazety vidy varotra e! ao toa feno an'ireny annonces ireny hoe mivarotra sy mampanofa akanjo mariazy! de tognava soa ilay andro malaza!
15. xxx ( 10/06/2009 11:48)
Misaotra Mihmie a,

reefa aveo ihany de hividy e,
:-*
16. xxx ( 10/06/2009 15:30)
Ary ilay izy anie tsy voatery atao fotsy na crème na blanc cassé! Ny an'ilay zandriko izao rose. Raha za indray koa dia asiako couleur préféré an'ilay ho vady (ohatra mena no tiany!). Amin'zao efa tsy voatery fotsy tsony. Misy site izay fa tsy hitako intsony efa de toutes les couleurs! Ilay mena t@ voalohany noheveriko hoe manafintohina fa nony hita dia tena tsara be!!!
Marina fa tsy ho anaovana intsony fa na zany aza mety hanenina ihany...Raha tsy misy aloha ny fahafahana dia tsy misy hanenenana fa raha misy ihany no tsy manao no mety hanenina tongotra aman-tanana satria tsy misy azo amerenana an'iny amin'ny laoniny intsony ary indrindra ny sary tsarovy fa ny sary hitoetra mandrakiza na dia tsy hanaovana ilay akanjo...Iny sary iny lasa misy poid be rehefa mandeha ny fotoana!
Eritrereto ihany tsy ny eo no eo fa na ny mbola ho avy e!
Za nanao toa anao zany taloha hoe tsy handany vola fa raha zao aho no hanontaniana dia hafa ny hevitro!!! Mahita ny soa sy ny tsara indrindra ho anao!
17. Papoose ( 10/06/2009 16:06)
eo ampefiloha mandeha eo @ le buiding misy ny BFV sy shoprite, na koa ery antanimena eo @ arret bus 146... dia mijereva koa tele TV plus @ le vao maraina reny fa toa mampiseho foana zareo dia teneniny eo ny anaran'le boutika! :) mety hanampy zany!
18. Ratoa ( 12/06/2009 20:28)
Bjr
ianao anie tsy voatery hanao akanjo lavabe é; Tsy voatery atao didiny mandalo fotsiny koa. Efa be ny robe de mariée en couleur, coupe classique. Izay couleur tianao indrindra atao, asiana voaly mitovy na mifanaraka aminy sady originale no mahafianaritra no utile satria mbola azo anaovana @ ny fotoana hafa koa.
Raha izaho aloha dia tsy tiako hoe akanjo 2ème main na tsy ahy no entiko misantatra ny fanambadiako.
Ny ahy rouge bordeaux, tsy misy voile no nanaovako.
19. booboo ( 15/06/2009 10:09)
Ny ahy ohatra ireny akanjo-na karana ireny no nanaovako. Mbola hanaovako fa tsy lanin'ny armoire ao.

Ankoatra ireo nolazain'ny namana ireo, na akanjo mihaja fotsiny dia atao mifaindraika @ iny ny bouquet, ny déco pitsopitsony sns e !

Mazotoa @ fanomanana dia tongava soa ny andro malaza
20. tywa68 ( 15/06/2009 11:19)
xxx:

fa maninona aloha no hofaina eh?

Ofaina satria lafo be ny mividy na mampanamboatra nefa dia andro iray iny ihany no ilana azy fa avy eo dia anaty armoire mandra-paha simbany, lanin'ny kalalao sy mita fotsiny.

Tsy aleonao v mampanjaitra na d tsotra be, ensemble lamba mihaja (feno ny safidy any e) @zay azo hanaovana @manaraka : andro 1 toa zato iny v d ny efa nanaovan'olona no alainao (miaraka @ fofony), mahita solution enao fa aza manofa zany e :wink: be mpanjaitra mahay any fa aza kivy e :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3543