Tanora antitra

1. rabaradaka ( 08/06/2009 13:06)
Ty ry dadatoa no tena gaigy a, tanora no lazaina fa hoe nivory tao Mahamasina nefa antitra no maro an'isa. Fa hatramin'ny firy taona no tanora e, sa rehefa hoe tanora TGV dia mety foana na dia efa 65 taona aza ! Ka raha izaho sy ianao mamaky ve zany tsy mbola zazakely no hiheveran'ny TGV azy ? Ty vao loza leretsy a !
novalian'i Rajakoo ny 09/06/2009 04:47
2. andrywui ( 08/06/2009 13:13)
Nangataka minisitera 5 ny tanora malagasy
Nandritra ny fanakatonana tamin’ny fomba ofisialy ny fihaonambem-pirenen’ny tanora, ny sabotsy teo, teny Ankatso, dia naroson’ny tanora ho an’ny fitondram-panjakana ireo fehin-kevitra nivoaka tao. Koa anisan’izany ny fangatahana minisitera 5 omena ny tanora satria mahatsapa izy ireo fa manana fahavononana sy ny kalitao ilaina amin’ny toeran’ny minisitra. Dia tsy ny inona moa izany fa ny minisiteran’ny Fanatanjahan-tena, tanora, kolontsaina, tontolo iainana, ary ny fampianarana ambony. Eo ihany koa ny fanafoanana ilay famerana ny taonan’ireo izay te hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena ho 40 taona. Voalazan’ireo nandray fitenenana ihany koa fa tsy ampy ilay 1 miliara iraimbilanja nomen’ny Filoha fa tokony hahavita bebe kokoa noho izany. Haparitaka manerana ny faritra 22 ihany koa ireo fehin-kevitra ireo ary hisy ny fitetezam-paritra izay kasaina hatao atsy ho atsy. Atoa Pierrot Rajaonarivelo, Alain Ramaroson izay nisolo tena ny Hat dia anisan’ny nanatrika tao. Nisy fotoana nahafahan’ireo tanora tonga nanatrika nifanoro sy nifankahafantarana tsara nandritra izay telo andro izay.


ireo ve no tianareo resahina ?? olona solontenan'ny HAT ireo ry ngah a!! --hihaino ny hetahetan'ny tanora no dianay teo mba tsy ho anatso any an'efitra toy ny fanaondravalo no hataon'ny tanoran'ny firenena !!
--ka inona no olanao ??
3. cyril ( 08/06/2009 21:15)
Resaka mandanderoka leisy ny anelah ry andrywui a
Goaika antitra mpangalatra volam-bahoaka reo ve no olan-drangah é
Koa raha tsy tgvendrana ny olona no hiverina @ naloany :evil: :evil: :evil:
4. bazylou ( 08/06/2009 21:33)
hita fa miverina amin'ny naloany foana ny gasy ; indray dai io misisika io indray nyfanindroany izay!!!!!
O ra sirika, akombony fa efa nitsoaka ny anareo !! :-D :-D
5. Rajakoo ( 09/06/2009 04:47)
Ny tgv leity zany mihinana ny nalohan'ny dinozoro zany a :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1528