Elah rehetra tsy migadra koa ahoana no higadra Ra8 ?

1. penguin ( 03/06/2009 14:56)
Tsy migadra izany izy fa rehefa tsisy migadra dia samy afaka daholo. Izay no atao hoe samy miala zanako. Mopera vaky damozana io ry le leiry é. =)) =)) =)) . Tanànan'ny be olomanga koa samy mifampitazana eto. Mbola afaka mirotsaka ary ho lany aza izy ry tgvendrana a!!!! =)) =)) =))
novalian'i fijo ny 04/06/2009 21:02
2. Noue ( 03/06/2009 15:05)
ka tsy maintsy mamorona argument foana anie ny FAT(Y) satria tsy hita intsony zay atao eee :-D :-D :-D :-D :-D
3. locl ( 03/06/2009 15:27)
Lany fika ireo e! Izany ny hoe tsipaky ny miala aina
4. Noue ( 03/06/2009 16:00)
non fa raha toa ka hisy zany dia tsy tokony ratsiraka ve aloha no gadraina voalohany ?? dia ny FAT(Y) ve ho afa-maina ?? sa avela @ zao daholo ny zava-niseho rehetra hatramy naha-teo azy ?? sa rariny sy madio daholo ireny ??
5. andrywui ( 03/06/2009 17:57)
Mbola afaka mirotsaka ary ho lany aza izy ry tgvendrana a!!!!


Elah rehetra tsy migadra koa ahoana no higadra Ra8 ?


mahagaga mihitsy zany !! angah tsy hitan'i penguin ireny olona bedia be gadragdarain'i ravalo talohan'ny nionganany final teo ireny sa mitapina ve ?
-- ary izay mihitsy aza no nampalaza ratsy azy :managadragadra olona fahatany !!!!!
-----hirotsaka hanao inona ry penguin a!? ny didimpitsarana aza 60milllions d'euro + 4ans de prison ferme + tsy mahazo mandia faritany na miditra an'i Gasikara + daroka !

-- ka mbola hirotsaka mankaiza ndray ny inona !! sa ve hanao le toetra miditra koudetety foana na efa midona aza !! VITA E TSY AVOTRA TSONY INY !!
6. Noue ( 03/06/2009 18:08)
ka raha zay kosa aza no tadiavin'ny olona dia ahoana zany ??? jereo anie ireo olona isan'andro ao ankorondrano eee ??
7. andrywui ( 03/06/2009 18:25)
ka ireo olona isan'andro ao ankorondrano ary ve ahavita hanosika andravalo ?

sa hiditra koudetety ndray handrangitra an'i Charles efa hendry

sa inona no hataon'ny ankorondrano zany ? hanao inona ?? tsy leomboananana ve ry TIM a!

sa mbola lera ? Faniriana fotsiny ny an'Ankorondrano fa ny tena izy tsy ho tanteraka na oviana na oviana ry noue
8. Rajakoo ( 03/06/2009 18:46)
Omeko ny coup d tety eo elah fa aza miteny anarako rangah ty a :twisted: :twisted: :twisted:
9. fijo ( 03/06/2009 20:22)
ef ahnedry ngah ra sarla ra wiwi?hihihhiih
10. naritsimba ( 04/06/2009 05:10)
Mbola vao voalohany iny? tsaroako tsara ny fitsarana an'ireo mpitondra teo aloha, hatramin'izao tsy misy izany Haute Cour de Justice izany nefa dia voatsara ry Ratsiraka sy ny forongony.
Izao ka miantsoantso hoe aiza ilay Haute cour, teo ianao tsy nanangana ko, izao vao ilaina, izany tokoa nohoe mimenomenona tahaka ny loha tapaka sisa ireto zaza navelan'ny dada(rabeosy).
Ny atody tsy misy fa ny akoho no niverina.

fijo> io ilay lazaiko hoe: tsy mila haute Cour izany fa azo atao ny mitory rehefa voaporofo ny heloka natao.
Mbola tsy nidila akory ra-fijo ny 1 volana dia tanteraka ny teniko. Izay ilay hoe Minoa fotsiny ihany.
11. ravatorano ( 04/06/2009 05:23)
dia zendana sy gaga tokoa aho nahare tamin'ny tv maly fa nisy fitsarana an'ingahy Ravalomanana ary dia iny ny didim-pitsarana hitatsika rehetra iny izay nivoaka ny ampitson'ny fotoam-pitsarana ihany.Tena TGV marina kle !
Ilay Ravalo tsaraina tena tsy olana amiko ary za aza anisan'ny nitaky ny hitsarana sy hanaovana fanadihadiana momba ny zavatra tsy nety rehetra nataon''Ingahirainy io teto amin'ny firenena raha nisy izany saingy ny fomba nanatanterahana ilay fitsarana kosa no tena nampanahy be ahy satria tsy tombombana ara dalana.
Marina ny voalazan'i Naritsimba hoe teo ianao tsy nanagana Haute Cour de Justice nefa raha araky ny adalam-pahefana misy eo amin'ny fitsarana dia tsy ny Cour correctionnel no tokony hitsara an'Ingahirainy ravalomanana fa ambaratonga mabonimbony kokoa.Izaho manokana dia tsy nianatra momba ny lalana sy ny pitsopitsony amin izany ka tsy idirako lalina ilay izy.
Ny vitsivitsy maromaro sendra tafaresaka anio maraina izao aza dia niteny mihitsy hoe "blague" ve zany e na dia samy nahita gazety nivoaka izao maraina izao daholo aza ! Omaly ve enao no notsaraian dia anio maraina dia efa nivoaka ny didy manameloka anao izany hoe nandinika tao foana ve izay ireo mpitsara sa efa voahomana ilay didy homena :-P
Ny toy izao ange no mampiteraka ahiahy eo amin'ny fitsarana e ! Olona tratra nangalatra ambody omby aza mbola misy hoe averina amin'ny andro manaraka ny fitsarana ary amin'izay vao hamoaka didy sns... :x
Tena mbola ampiasain'ny mpanao politika koa ve izany ny fitsarana hatramin izao e sa io ilay resaka mandeha hoe tsy misy zavatra hiova vetivety eto fa tsy maintsy tohizana ny nataon'ny teo aloha na ny farany ratsy indrindra aza !
Tsy manana fahaleovan-tena ve ny fitsarana amizao sa toy ny kobaka ambava fotsiny ihany ireny voalaza farany teo tamin'ny fotoana nanokafana ny fotoam-pitsarana 2009 teny anosy ireny ary ny debakelin'ny HAT mihitsy no nanao fanamabara teny (Ingahy Monja) momba ny fahalalahan'ny mpitsara !
Inona moa izany fa tsy TIM ihany Teo Ihany Miverina !
:wink:
12. xxx ( 04/06/2009 06:07)
za klou zany de somary vendrana . aleoko manao ahy hoe vendrana toy zay manoratena toa voatango e,
de fanontaniana no apetrako amle lamandy: fngah tsy misy dikany ny ariary no de natao dolara ilay izy. Fa natao inn fotsiny zany sa efa tsy misy valeur tsony kle aza.
Tena TGV mitsy klou e.
Maninona moa ra tsaraina daholo ze mpitondra rehetra teo de ho hita eo ny tohiny fa tsy 1 ihany no henjehana e. Amzay manampahefana tsara tsa misy manelingelina ze eo.
13. xxx ( 04/06/2009 06:12)
za klou zany de somary vendrana . aleoko manao ahy hoe vendrana toy zay manoratena toa voatango e,
de fanontaniana no apetrako amle lamandy: fngah tsy misy dikany ny ariary no de natao dolara ilay izy. Fa natao inn fotsiny zany sa efa tsy misy valeur tsony kle aza.
Tena TGV mitsy klou e.
Maninona moa ra tsaraina daholo ze mpitondra rehetra teo de ho hita eo ny tohiny fa tsy 1 ihany no henjehana e. Amzay manampahefana tsara tsa misy manelingelina ze eo.
14. ravatorano ( 04/06/2009 07:37)
vao fiatombohany ange iny ry xxx e ary ravalo sy haja no ao anatin\'iny fa mbola ho avy eo izany ny ambiny araky ny voalazan i ramatoa minisitry ny fitsarana FAT/HAT tamin\'ny resaka nifanaovany tamin\'ny mpanao gazety !
15. penguin ( 04/06/2009 09:28)
Ny tgvendrana mijanona tgvendrana mandrampialany. Fitsarana tgvendrana iny.
16. andrywui ( 04/06/2009 18:32)
mahagaga mihitsy zany !! angah tsy hitan'i penguin ireny olona bedia be gadragdarain'i ravalo talohan'ny nionganany final teo ireny sa mitapina ve ?
-- ary izay mihitsy aza no nampalaza ratsy azy :managadragadra olona fahatany !!!!!
-----hirotsaka hanao inona ry penguin a!? ny didimpitsarana aza 60milllions d'euro + 4ans de prison ferme + tsy mahazo mandia faritany na miditra an'i Gasikara + daroka !

-- ka mbola hirotsaka mankaiza ndray ny inona !! sa ve hanao le toetra miditra koudetety foana na efa midona aza !! VITA E TSY AVOTRA TSONY INY !!


ZE TENA MARINA RESAHINA PENGUIN FA LASA LAVITRA LOATRA LE FISAINANAREO A MATORIA TSARA REHEFA AMIN ALINA DE TSY MIPIKA TSONY REHEFA MARAINA NY ANDRO
17. fijo ( 04/06/2009 21:02)
izay mihintsy ravato an,ny fitsarana azy sy izay nangalatra tao amiko dia ilaina tokoa.
fa aoka mba hanaraka ny tena procedure misy fa tsy misy fitsarana TGV izany e.
raha ny fandalinana dossier toa ireny rah a10 taona vetivety,ka aoka tsy hanalabaraka tena toa izao ny fitsarana.
faharoa,tsy misy sazy $ azo tononina izany ao mada satria ny lalana gasy dia ariary no misoratra ao,ary ny fampiharana ny lalana penaly dia strikta io fa tsy azo foronina toa izao.ka aoka re ry fitsarana.
naritsimba a,raha izao no atao hoe fitsarana amianreo,dia mahereza fa izao no atao hoe fanjakana akondro ka mahazotoa homana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0078