fitsenena president tany lybie selon VIVA

1. zoam ( 19/05/2009 22:27)
Nijery viva aho aho androany dia nahita fa hoe fitsenena presiden no nanaovana an'i TGV tany lybie,tsy nisy na dia tapie rouge,fitsofana mozika ny tafika ,ny tafondro,escort @ motar nankany palais kadhaffi.
novalian'i fijo ny 20/05/2009 20:49
2. ndenn ( 19/05/2009 22:31)
Dia ahoana no hamehezana ny zava- nisy tany ry zoam ? ara- dalàna sa tsia no fijerinao ny nataon' ny Lybien ? :oops: :oops:
3. patrick2002 ( 19/05/2009 23:10)
miala tsiny aminao izao fa tsy visite officiel no nataony Andry tany lybie ,ka ilaina tapie rouge ,rehefa manao visite officiel ny filoham-panjakana izay vao misy tapie rouge ,sy fitsofana mozika ,
Izany visite officiel hatao izany efa misy fiomanana amam-bolana ary ,tsy maintsy misy protocole d`accord signé, ohatra fotsiny Ravalomanana isan-taona mandeha mankany USA ,fa mbola tsy noraisina tao @ maison blanche ,i Ratsiraka isa-telovolana t@ izy filoha mandeha mankany Paris mitsabo-tena fa tsy raisina ao @ palais de l`elysée
Nabdeha tany izy satria niantso azy ny Filohany firaisambe afrikanina dia i Khadafy ,momba ny raharaha madagasikara ,satria ny filohan`ny firaisam-be afrikanina efa nieno ny filoha teoi aloha Ravalomanana dia mba miheno koa izy ny Filoha Andry ,efa midika izany fa misy mpihaino i Andry ,izay no mahatonga ny mpanao gazety hilaza fa le HAT vers une reconnaissance international.
4. xxx ( 19/05/2009 23:14)
Nasaina namerina in-jato izy hoe tsy hanongam-pajakana ntsony tompoko sy haroso haingany ny fifidianana ry Filoha Ambony Afrikanina
5. essera ( 20/05/2009 04:46)
Nasaina namerina in-jato izy hoe tsy hanongam-pajakana ntsony tompoko sy haroso haingany ny fifidianana ry Filoha Ambony Afrikanina

Izy aza nikaly nilamina feno ny vavany fa tsy hanana fotoana hanaovana punition izany izy raha izay no nalehany tany. Ferme ta g...!!!
6. xxx ( 20/05/2009 04:47)
Nijery viva aho aho androany dia nahita fa hoe fitsenena presiden no nanaovana an'i TGV tany lybie,tsy nisy na dia tapie rouge,fitsofana mozika ny tafika ,ny tafondro,escort @ motar nankany palais kadhaffi.

Tsy fitsenana president kosa angamba fa tahaka ireny fitsenana olo-manan-kaja ambony ireny, satria rah fitsenana president dia tokony hisy tapis rouge sns araka ny teninao,
tsy mahagaga anie zany rah tsy nisy ny tapis rouge, e,
ny Lybiana anie mbola tsy mi-reconnaitre an'i Rajoelina ho president e, mbola hifandinika ny @ maha-ara-dalana na tsia ny HAT no nandehanana tany,
tsy azo atao ny mihaino feondakolosy tokana, dia izay no antony nanantsovana an'i Rajoelina tany,
dia vita io eo izay vao manadihady ny Lybien hoe hi-econnaitre sa tsia, iza no mafonja kokoa ny porofon'i Ravalomanana sa ny porofon'i HAT,
ze iray mi-convaincre azy dia ........... eo isika mahita izy,
rah hi-reconnaitre moa izy, dia mety @ dihan'i Rajoelina @ manaraka any vao hisy ny tapis rouge sns... rah tsia dia tsy hisy Tapis rouge
7. zoam ( 20/05/2009 05:18)
ohatran'ireny nanao tourisme ireny i tgv no tany,alaina dia naterina t@ avion,sady mba nisaotra an'i tgv ihany kahdafi t@ le sommet UA ato any @ volana juillet izao,fa raha tsy elahy hoy izy tsy azoko io sommet io.Au moins mba nisy nilna azy tany e
8. xxx ( 20/05/2009 13:44)
Miezaka madom-baravarana hatraiza hatraiza fa tsy misy miantso hoe " Prezidà" afatsy izy samy izy ihany angaha . Zao dia toa hoe handeha ho any Senegal , Maroc ..sns indray ! Africaraid ! Ny mampiomehy dia ny dokam-barotra natao raha vao tonga teto fa efa eken`ny Lybiana izay mitondra ny UA ankehitriny ny maha-ara-dalana ny HAT kanefa lazainy etsy ankilany fa mbola mihantona tsy ho mpikambana aloha i Madagascar Hihihihi ! . Fa dia mihevitra ny olona ho dondrona mihitsy ve ty TGV ty ka fatina porofo tsy misy valerany iny no asehoseho eny , vao maika aza mahamenatra ! Efa mazava ny an`ny olona fa ny CHANGEMENT NON CONSTITUTIONNEL na ahoana na ahoana fisehony dia tsy ekena nefa dia mbola misisika ihany ! Lojika be elah raha tsy mahazo tapis rouge ! Voatery mandainga sisa mba hi-impressionner-na ny olona !!!
9. fijo ( 20/05/2009 20:49)
hay ve tsy amin'ny maha prezy azy indray no nandehanany tany e??nefa toa izay no nolazaina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.007