Inona no tena olana misy amintsika eto am serasera e?

1. sitraka1 ( 19/05/2009 18:48)
Mba mandinika ny resaka mandeha eto za fa ny tsikaritro dia tsy ny politika misy any mada no olana amintsika eto fa i Andry TGV. Noho i Andry katolika ve? Noho i Ra8 protestanta ve? Sanatria ohatry ny olona tsy nandia fianarana fa toy ny zazakely mahazo resaka. I Noue io ve tsy karazan'irony manonofy lava an'i TGV isak'alina, loza lotra zany fankahalana misy ao aminao.
Ny olana entre katolika sy protestanta io anefa tsy vao anio akory fa efa hatry ny ela fa ankehitriny dia miharihary ilay disadisa. Tsy hitako hoe disadisa avy amin'inona anefa fa toa halako bika tsy tiko tarehy na koa alahelon-komonio hoe ny katolika mandray an'i Jesoa isaky ny misy lamesa, ny protestanta isambolana ihany satria ny mpandray ihany no toy miala amposy isaky ny handray an'i Jesoa.
Ao ny fosotry ny mahalava resaka eto sy ny tsy mampirindra ny resaka atao. Amin'ny ankapobeny dia avy amin'ireo protestanta ny faniratsirana ny katolika, ny filazana fa ny katolika mpiteny ratsy , jiolahimboto sns...
Ho aiza ty tsika malagasy anefa amin'io toetsaina io, tsy mba tokony ovana ve ny fomba fijery?
Tsy alefako any amin'ny resaka finoana ny resaka fa eto amin'ny politika satria eto no be olo kely ati-doha.
novalian'i xxx ny 21/05/2009 00:54
2. Noue ( 19/05/2009 19:08)
sitraka1:
I Noue io ve tsy karazan'irony manonofy lava an'i TGV isak'alina, loza lotra zany fankahalana misy ao aminao.
diso tanteraka ianao satria ady hevitra no atao eto, ary tsy hitako mahintsiny oe inona no hanofisako an'tgv??? Diso koa ianao fa tsy anaty contexte-ko koa io fankalahana io saingy kosa ny fandehan-zavatra ny habibiana, mampihorohoro, mangalatra, mandromba, fisamborana, fangadrana ny olona @ tsisy antony no tena mampalahelo ahy !
Asa ianao raha nahita ireny vidéo nivoaka rehetra ireny, izay nataon'ny capsat, mino ve ianao fa ahafaly ahy ireny??

3. ravalotgv ( 19/05/2009 19:13)
lasa geran ny katolika sy protestanta indray angaha izy ty no niafarany le aza

iza no mifoka betsaka katolika sa protestanta indray aza
i Noue moa advantista ka tonde mifoka isanandro ary i sitraka indray isakin ny 2min midoroka foana
sniff
tcroufff

:@ :@ :@ :@ :@

ary i sarla ve katolika sa protestanta sa mpanompo sampy

4. andrywui ( 19/05/2009 20:34)
Hoy i sitraka1:
I Noue io ve tsy karazan'irony manonofy lava an'i TGV isak'alina, loza lotra zany fankahalana misy ao aminao

petsa ndray Noue kely ato zany klé !! :* :*
5. xxx ( 19/05/2009 21:12)
ela no tena petsambava ry le badalela ty aaa mpamalankira tsss

6. AndriambyII ( 19/05/2009 21:19)
Ka ny bleme @ io resaka pro sy catho io anie rasitsaka dé efa nipotra t@ andron' i St paoly rah ts diso ny ftadidiko az'é.Ny antony dé to oe inna no antonn'ny nifanapàana ny an' ny bandy reetra ? annisany dôly zany!! 8) 8)
7. patrick2002 ( 19/05/2009 21:55)
Ny ahy indray dia arahiko @ niveau ny eny hita fa samy rediredy no be eto ,fandranitana dia mba rangitiko koa .
Raha @ Noue manokana dia tsy niditra forum politika izany io Ramatoa io taloha fa rehefa nisy ny fanozongozonana anì Ravalo ,dia lasa mpandray anjara mavitrika teto izy ,tene hita fa nisy tombotsoa azo tao.
Misy dinika teto milaza fa mpiasan`ny Ambasady gaasy ao @ Avenue Raphael ao Paris hono izy ,ka izany no mahatonga azy hisafoaka ohatry ny fuséé ohatry ny io :P :P
8. patrick2002 ( 19/05/2009 21:57)

Izy no anisany mpiasa tsy namela anì minisitra Ny Hasina Andriamanjato hiditra ny Ambasady gasy
9. xxx ( 19/05/2009 22:37)
Ny tena olana dia ny tsy fahafehezan-tenan'ny sasany manoratra , ka ao anatin'ny saron-tava angamba dia miteny izay hevitra rehetra tonga ao an-tsaina fa tsy mba misy irony fahendren'ny razana irony hoe "Avadiho impito ny lela vao miteny", ary hadino koa ny hoe "Raha zavatra tsy tiana hatao aminao dia aza atao amin'ny hafa " , farany mipetsipetsina fotsiny, lasa vavany toa haron-tabebaka , "loham-balala ka tsy misy hanarahana azy fa tsinainy avokoa".
Misy indray de tena alahelo tsy nivoaka aman-taonany maro no indray avoaka , asa moa mba mety hanamaivana azy koa angamba izany!!!!!!
Amiko , tsy ny fanaratsiana an'iAndry , na Ra8 no tokony ho vaindohan-draharaha eto fa ny fitadiavana vahaolana maika sy mahomby fa efa tena LATSAKA AN-KATERENA ny FIRENENA, ka ny hitady olona NEUTRE sy afaka hitantana izao no tokony hiadian-kevitra . Efa natao ny fandrangitana sy ny fanaratsiana saingy tsy mitondra mankaiza fa mandamoka de mbola tohizina foana . De tsy ENTSAKA ve NAREO é????????? :D
10. ndenn ( 19/05/2009 22:53)
xxx:

Marina @ ankapobeny ny zavatra nolazainao , nefa kosa dia aza adino fa ny resaka politika dia mila aléas be dia be tokoa ny fanaovana azy , tsy ny olona rehetra no afaka hanao politika ; voalohany izay .
Ary rah misy aza itony forum itony dia azo ekena ihany saingy ,tsy ny tena politique réelle no hampiharina eto fa mbola théorie ihany .Ny pratique dia hafa tanteraka .

:oops: :oops:
11. xxx ( 19/05/2009 23:40)
Hoy xxx

Ny ahy indray dia arahiko @ niveau ny eny hita fa samy rediredy no be eto ,fandranitana dia mba rangitiko koa .
Raha @ Patrick2002 manokana dia tsy niditra forum politika izany io Rangahy io taloha fa rehefa nisy ny fanozongozonana anì Andry,dia lasa mpandray anjara mavitrika teto izy ,tene hita fa nisy tombotsoa azo tao.
Misy dinika teto milaza fa mpiasan`ny Ambasady gaasy ao @ Avenue Raphael ao Paris hono izy ,ka izany no mahatonga azy hisafoaka ohatry ny fuséé ohatry ny io
Izy no anisany mpiasa tsy namela anì minisitra Ny Hasina Andriamanjato hiditra ny Ambasady gasy

Marina minty io saingy zao io bandy io tsy nahazo toeranaao @ tgv de manohana an'i AREMA
12. xxx ( 20/05/2009 06:07)
Hita fa fankahalana be fahatany no misy ato,
tsy misy resaka matotra, tsy misy resaka politika tsony fa ny fankahalana an'i TGV na Ra8 no betsaka.

Toe-tsaina mampalahelo, :cry:
13. Bazily ( 20/05/2009 06:33)
Hita fa fankahalana be fahatany no misy ato,
tsy misy resaka matotra, tsy misy resaka politika tsony fa ny fankahalana an'i TGV na Ra8 no betsaka.

Toe-tsaina mampalahelo,

Tsy tsangankevitra no tohanany fa tsangan'olona, izay le olana.
14. xxx ( 20/05/2009 07:28)
Ka aza adino ary ra olombelona fa ny hevitra tsy azo afatsy aman' olona . :lol: Indrindra raha toa ka olona politika ilay izy dia tena mahafinaritra tokoa ny mifanerasera aminy . 8) 8)
15. sitraka1 ( 20/05/2009 17:57)
Noue: Inoako fa tsy ny filazana ny zavatra iainan'ny fianakaviana any mada no atao eto. Raha ny am zay de ty no holazaiko anao, namoy zaodahy zahay ary namela ny 1tampo aminay mananontena sy kamboty 2, isan'ny very asa io 1tampo aminay io donc zahay no mifandrimbona ho azy 3 mianaka. Tsy sanatria ka hoe tsy mahalala ny zavatra iainan'ny any mada akory isika lavitra na koa ilaina ho hita avokoa ny sary miseho any, fa kosa fehezina am teny tsotra oe mampalahelo. Ny toetsaina no mba ovao ry anona a. Angamba koa io miankina am education azo e. Zay no amintinako azy.
16. xxx ( 21/05/2009 00:54)
Tsisy mirarà zay fiainanao zany ny aty sitraka ,ary ny tgvistes no mampiseho an'zany toetra hoatran'ny anao zany :twisted: :twisted: :twisted:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0082