lalao: fehezanteny lava indrindra

1. artefy ( 18/05/2009 10:06)
ity misy fehezanteny:

mangalatra katsaka ralava

ny angatahiko aminao dia ny hikarohanao fehezanteny na fehezankevitra tsy ahitana afa tsy zanatsoratra tokana ao anatiny (ohatra tsisy afa tsy a na o ao anatiny...), izay mahita lava indrindra no maharesy, misy ohatra io ambony io dia anjaranao amin'izay ny manohy azy...

TH: ny isan'ny a na o na e na i (y=i) ao anaty fehezanteny na fehezankevitra ataony no amaritana ny mpandresy

misaotra mialoha!
novalian'i pitiny ny 27/06/2009 14:49
2. mmmhh ( 18/05/2009 10:59)
Manafatra an-Drafara tsara Razaka.

midivy kily i Niry
kily = voamadilo

:?
3. rasobakobako ( 19/05/2009 07:41)
Ampiako fotsiny ilay eo ambony a!
Mikiry biby i Niry hividy Kily.
4. Belle ( 19/05/2009 18:03)
Io ary ny ahy ry artefy a! misy maharesy ny halavany ve?

Manakara, tanànan-dRafama, manana saha, mampakatra katsaka ama-na batata sahala fatra mazàna, manana vala hafa mampakatra manga, na mafana na manavandra. Mahafantatra an-dRajab, vazaha ranjanana lavalava, tamana mangataka manga masaka. Naka Rajab ka nanandrana, nahavatra nanasa tànana fa malama…

Madaman-dRafama, Lala mpanasa lamba, zatra asa aman-draharaha màzana. Gaga Lala raha nahatazana an-dRajab nandanja batata. Tranga hafahafa nahavàka, ka nanapaka fa haka am-bava an-dRafama. Nanazava Rafama fa manan-janaka Rajab, Jamal zaza natsangana, fahanana batata…

Madagascar mahatamana an-dRajab, lasa adala-na lakana/baka manaraka Pangalana. Valaka Rajab mandrara an’Jamal hanala tànana fa taratra manangasanga, zana-mamba sara-namana, mamazambazana trandraka. «Ã‡a va Jamal? Aza maka fanah mamba rangah!»â€¦

5. ni81 ( 19/05/2009 19:07)
:-D :-D
6. JOSIAH ( 19/05/2009 20:35)
Mahay kosa aloha ilay namorona nio lava be io e za tena tsy mahita mihitsy .Nahita tampoka aho ka MANANA FARAFARA LAVALAVA MANGAMANGA RAPANANA :lol:
7. artefy ( 20/05/2009 07:54)
Oay kosa ry Belle, tena vita lahatsoratra mihitsy ilay izy an! iza no mety haharesy an'i Belle o??? mbola mitohy ny lalao an!!!
8. Zozoro ( 20/05/2009 19:13)
Mahafinaritra ity lalao ity. Izy ity moa natao hiomehezana sy hitsikina ka dia indro ary misy "i" sy "y" vitsivitsy.

TSIRY SY NY SIFILISINY.

Mikiry i Tsiry, miziriziry, kivy izy ny hividy biby. i Fidy mpisikidy sy ny dihiny mikiribiby tsy hivily ity didiny :
"Lisy, siny, vy
"Vivy sivy tsy misy tsininy
"Tsiriry misy nifiny sy iviny
"Tsikirity dimy sy milisy vitsivitsy tsy mipipy.

hi hi hi

Tsy mitsiky i Tsiry.

Tsy finidin'i Tsiry ity "zizi" misy sifilisy, miziniziny sy mihinjihinjy...tsy nisy hidiny !
Tsy misy vidiny ny dinik'i Fidy mpisikidy sy ny bitsibitsik'i Mily sy Zily mikiry, midiridiry tsy hikimpy mitily ny fitsidiny...

Iny i Tsiry, indry nivimbim-by, siny sy lisy...Ity fifikitrin'ny sikiny !!!...Ny tsiriry, tsikirity ny vivy nidify, nivily tsy nisy dimbiny. Ny milisy iry mipipy isisiny iry !...Tsy hisy ny sikidy...Fihinin'i Tsiry ny kitikitikin'ny hirifiry.

i Zily sy Mily mikikikiky.
Fidy mpisikidy mijijy
i Tsiry midridridridry.

Indrisy ry Tsiry ! Mitsiry tsy fidiny iky ny fikikin'ny ngidiny !...
9. artefy ( 25/05/2009 09:40)
hafa indray iny ry zozoro an
10. winner ( 24/06/2009 17:13)
tapa-tanana Ramanana zana-dRamada ka nanakarama an-dRamanga hanasa lamban-jaza.


Tsy mitsikitsikymihitsy i Guy Willy iny.
11. itaramasoandro ( 25/06/2009 04:06)
mahafinaritra izato fehezanteny fa mampampamola-dela, oadray! andramo hoe ny manonona azy farany izay aingana manoloana ny fitaratra dia antsoy ny fianakaviana iray trano fa ho tapatsinay ny rehetra.

soa fa misy avanana @ famoronana izato fehezanteny mahatsikaiky izato.
:D

itaramasoandro 8)
12. pitiny ( 27/06/2009 14:49)
tsy naha winner an'i winner indray iny lalao iny :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1489