Fanambadiana lehilahy efa mana-janaka

1. Papiso77 ( 15/05/2009 07:36)
Miarahaba antsika namana rehetra.
Manam-bady lehilahy efa mana-janaka vavy 14 taona aho.Tsy nisy olana izany teo aloha satria nataon'ilay rainy izay hitiavan'ilay zaza ahy ary dia tena nirindra tokoa ny fiainanay, ilay zaza rahateo moa tsy mipetraka aminay fa amin'ny reniny.
Taty aoriana anefa lasa maniratsira ahy amin'ny alalan'ny finday ilay zaza sy ny Reniny na dia eo aza ny fakelezako aina mba hialana amin'zany.
Tsy nampiova ny fitiavan'ny vadiko ahy anefa izany,izy ary lasa nanapaka ny fifandraisana amin'izy mianaka, fa kosa tsy mety ny eritreritro satria na dia tsy mivaky amiko ary izy dia azoko ant-tsaina fa tena tiany tokoa io zanany io ary matahotra aho sao dia hiafara amin'ny gidragidra ho anay roa izany any aoriana kely.
Manampy an'ilay zaza ara-bola izahay, raha vao manana possibilité, tsy an-kasitrahany anefa izany matetika satria ohatra mila omena gouter 2000 ar isan'andro hono izy ary tsy maintsy mandeha bus koa nefa ny fianarany tsy lavitra eo akory.
Ny tena marina anefa, ny rainy tsy manana asa ara-dalana fa ny karamako no tena ivelomanay hatramin'izay.
Mba tory hevitra noho izany aho ry namako, zoky sy zandry ary raeny, mba tsy hanaonao foana.
misaotra mialoha.
2. ni81 ( 15/05/2009 09:45)
Taty aoriana anefa lasa maniratsira ahy amin'ny alalan'ny finday ilay zaza sy ny Reniny na dia eo aza ny fakelezako aina mba hialana amin'zany.
maniratsira anao @ finday ahoana izy ireo? Mba azavao kely hoe fa tsy mazava!

atambaro ilay vola omena azy dia ataovy isam-bolana fa aza omena tsitaitaika e! Dia izy no mandrindra izay fandaniana ary amin'izay izy miezaka manao izay hitsinjarana azy
3. Tchouchou ( 15/05/2009 09:51)
Mapalaelo ko enao zany!
Tsy mety kosa lo hoe zanaky ny vadinao v dé enao no ho lany vola b aminy fa tsy ny rainy. @io lé zanany sy ny reniny mbola exigeant b ihany fa tsy faly ref omen fotsiny.
Raha ny fahitako azy io dé hitany hoe manam-bola enao dé araraotiny.
Raha za enao miresaka tsara@vadinao hoe manaiky enao ny hanome vola fa ze fatatrareo fa mety kosa anefa, tsmanin ra aloa indray mandé isam-bolana fa aleo mba ts hisy hoe lany fa omeo ndray fa aleo enarany géré-na mitsy.
Tsy manin raha handeha bus izy fa ny goûter-ny kosa b lôtr fa ahenao e!
MAnatena fa nisy nanampy kely anao ny hevitro.
4. Papiso77 ( 15/05/2009 10:27)
ni81:

Taty aoriana anefa lasa maniratsira ahy amin'ny alalan'ny finday ilay zaza sy ny Reniny na dia eo aza ny fakelezako aina mba hialana amin'zany.
maniratsira anao @ finday ahoana izy ireo? Mba azavao kely hoe fa tsy mazava!
Manampy an'ilay zaza ara-bola izahay, raha vao manana possibilité, tsy an-kasitrahany anefa izany matetika satria ohatra mila omena gouter 2000 ar isan'andro hono izy ary tsy maintsy mandeha bus koa nefa ny fianarany tsy lavitra eo akory.
Ny tena marina anefa, ny rainy tsy manana asa ara-dalana fa ny karamako no tena ivelomanay hatramin'izay.
atambaro ilay vola omena azy dia ataovy isam-bolana fa aza omena tsitaitaika e! Dia izy no mandrindra izay fandaniana ary amin'izay izy miezaka manao izay hitsinjarana azy

Azonao? mifandimby mandefa SMS arahina ompa mihitsy rehefa ilay reniny no mandefa, fa raha ilay zaza de matetika " manamboara xxxxxx(anarany)hafa fa zah tsy zanak'i dada tsony, ary aza mikitikitika ahy intsony ...sns".
Tsy izaho anefa no nitarika fisarahana tamin'izy roa fa ilay ramatoa mihitsy no efa leo azy noho izy tsy de nanam-bola.efa fahatelo na faha efatra akory ny vehivavy saika ho vadiany aho.

5. Papiso77 ( 15/05/2009 10:48)
Ny tena mampalahelo ahy koa dia izao: miara-mitoetra amin'ny lehilahy ilay reniny nefa dia tazominy ho secret lalina izany.Io fanitsakitsahana tokan-trano io anefa no niandohan'ny fisarahandreo.
6. ni81 ( 15/05/2009 11:00)
Azonao? mifandimby mandefa SMS arahina ompa mihitsy rehefa ilay reniny no mandefa, fa raha ilay zaza de matetika " manamboara xxxxxx(anarany)hafa fa zah tsy zanak'i dada tsony, ary aza mikitikitika ahy intsony ...sns".
Tsy izaho anefa no nitarika fisarahana tamin'izy roa fa ilay ramatoa mihitsy no efa leo azy noho izy tsy de nanam-bola.efa fahatelo na faha efatra akory ny vehivavy saika ho vadiany aho.
zay vao mazava. Ratsy toetra ilay vehivavy renin'ilay zaza.
7. caprio ( 15/05/2009 11:02)
tsy anenenana ny fahatsram-panahy,ary tsara fanahy enao matoa mitady vaha-olana tahaka an-zao,ny any azoko atoro anao dia tohizo ny fanampiana atao aminy ary izay zakanao hiany no aoka omenao azy,ary aza mitarika gidragidra aminy hianao fa mbola zaza izy,fa na misy aza torohevitra ratsy omen-dreniny azy dia tsarovy fa rehefa afaka fotoana fohy dia ho tonga saina hiany izy satria raha 14 taona zany mbola azo atao we zaza izy,mila anareo Ray aman-dreny eny fa dia tsy zanakao aza izy dia tsarovy fa mbola ao anatin'ny tsy fahalalàna izay tokony atao izy koa refa tena misy tsy zakanao dia resao @dadany dia izy mianaka no mifampiresaka,refa tena tsapan'io dadany io fa mandefitra mandrakariva hianao dia tsarovy fa na izy aza tsy anao tsinotsinona anao nohon'ny @zanany,adidinao koa ny mampifankatia an'izy mianaka satria ilay zaza mbola mianatra koa teneno mafy ny rainy sao dia manao teny maharary aminy ka manjary animba ny fianarany,ny teniko farany dia esory ao an-tsainao ny eritreritra ratsy we tsy zanako ito koa dia tsy rarahiko,kanefa refa tena tsy zakanao ny ataony dia diniho lalina izay tokony ataona vao manam-pakevitra,ary rehefa feno taona izy ka mbola manao io tortrany io dia afaka adidy enao zay fa manasa tanana,zay no azoko atolotra fa dia mahereza
8. bazylou ( 15/05/2009 11:06)
izany ka!! ataovy ihany efa hoe aza manambady olona efa niteraka!!
9. caprio ( 15/05/2009 21:09)
elah ndray ra-bazylou aza manao famaly jiolahim-boto fa matoa ilay olona mitady fanampiana dia anjara-tsika ny manampy azy fa refa tsy mahita vaha-olana ilalahy dia mangina fotsiny fa aza mandatsa ok!
10. Ratoa ( 16/05/2009 17:56)
Eo amin'ny taona tena mahasarotra ny fitaiza azy io zaza io satria miala ny pré-adolescence izy izao ka hiditra ny adolescence. Izany hoe na dia ny tenany aza dia tsy hitany izay asiana azy.
Marina mamporisika azy reniny. Aza jerena izany satria ny zava mazava sy mifantoka ao antsain'ny ankizy 14 _18 taona dia ny fahamarinana. Ka raha manao ny marina aminy ianao, dia ho tsapany ihany. Milaza koa izany fa ho tonga saina izy atsy ho atsy ary fotoana mandalo ihany izao ditrany izao. Mahereza ary tohizo ny toetra tsara efa natombokao. Tiavo ny vadinao ary dia miteraha.
Matoa marina ianao mitady fanampiana dia vonona hanao ny tsara.
Aoka ho rainy no hiresaka ny tsy fahampiam-bola aminy sy hampianatra azy hitsinjo ny faran'ny volana. Saingy rehefa naka fanapahan-kevitra ianareo, aoka ianareo tsy andiso fanantenana fa nyamisy inona na inona, ny teny nomena tsy maintsy hajaina mba hanajàna anareo koa.
Tsy misy tsy tantin'ny ankizy, na ianao lehibe koa aza, mihaotra noho izany manantena tsy misy. Fa raha kely no takatra, dia kely no omena ary atao mitovy foana sy tsy tapahana.
11. ikaretsaka ( 16/05/2009 23:37)
sitrapo ny te hanambady fa ilaina zakaina aby izany e
12. ari.malala ( 18/05/2009 05:56)
Fa reto lelà miseo mamaly boraingna reto v in no antony e! refa ts maita avaly d mangina ftsn! tsitako ze itsofotsofoanareo aty am resabehivavy aty refa ts maita tenenina...

13. soanja ( 18/05/2009 11:24)
Papiso77:

fa kosa tsy mety ny eritreritro satria na dia tsy mivaky amiko ary izy dia azoko ant-tsaina fa tena tiany tokoa io zanany io ary matahotra aho sao dia hiafara amin'ny gidragidra ho anay roa izany any aoriana kely.

Aza alefa lavitra ny eritreritra. Izay hampandroso ny tokatranonareo ihany imasoana. Raha olana aminy izany dia izy no tokony handroso resaka amin'izany. Raha mbola tsy olana dia aza volena olana na asiana olana ka hamparary andoha anao.

Ny tokatrano dia firesahana lalandava ny zavamisy ary fitsinjovana ny ho avy ka ny fifanajana ny teny nomena no entina anehoana izany amim-pitiavana. Tsy misy mahatakatra izay ho avy tsy miloaka fa dia fadio ny marary andoha tsy amin'antony.

Ny safidy dia atrehana ampitiavana sy ampitoniana hatrany! Mazotoa lalandava mikatsaka izay tena ao ampo!

14. Papiso77 ( 18/05/2009 12:56)
[caprio]

Misaotra betsaka, miombon-kevitra aminao aho ary efa niantso ilay ho zanakay tam télephone aho tamin'ny week-end de notambatambazako izy ary efa niresaka tsara izahay mianaka.Tsy eto antoerana ny dadany amin'izao fa misy bizna kely hitany de izaho mihitsy no hiandraikitra ny fanomezana vola azy.Tsy afeniko fa tena latsaka ny ranomasoko izao eto izay, tiako loatra ilay vadiko ka mba te-hamalifaly azy aho, tsapako fa eo koa ny maha-zaza azy ka ilany izany affection avy aminay izany.Izay hafitsokin'ny Reniny avy eo indray no tsy fantatro fa dia ho entiko ho hery ireo toro-hevitra avy amin'ny namana ireo ho entiko miady.Nofinofiko ery izany hoe izahay efa-mianaka, miaraka amin'ny zanako lahy kely 8 taona, feno hasambarana so anaty filaminana tanteraka.Ilay zanako tena mifankatia be amin'ny vadiko, asa angamba izy efa kamboty dia " il n'a pas le choix"
Bizouuuu à tous les namana.

15. ni81 ( 18/05/2009 14:09)
MAHEREZA E! :-* :-*
16. xxx ( 23/05/2009 14:17)
Papiso77:

Miarahaba antsika namana rehetra.
Manam-bady lehilahy efa mana-janaka vavy 14 taona aho.Tsy nisy olana izany teo aloha satria nataon'ilay rainy izay hitiavan'ilay zaza ahy ary dia tena nirindra tokoa ny fiainanay, ilay zaza rahateo moa tsy mipetraka aminay fa amin'ny reniny.
Taty aoriana anefa lasa maniratsira ahy amin'ny alalan'ny finday ilay zaza sy ny Reniny na dia eo aza ny fakelezako aina mba hialana amin'zany.
Tsy nampiova ny fitiavan'ny vadiko ahy anefa izany,izy ary lasa nanapaka ny fifandraisana amin'izy mianaka, fa kosa tsy mety ny eritreritro satria na dia tsy mivaky amiko ary izy dia azoko ant-tsaina fa tena tiany tokoa io zanany io ary matahotra aho sao dia hiafara amin'ny gidragidra ho anay roa izany any aoriana kely.
Manampy an'ilay zaza ara-bola izahay, raha vao manana possibilité, tsy an-kasitrahany anefa izany matetika satria ohatra mila omena gouter 2000 ar isan'andro hono izy ary tsy maintsy mandeha bus koa nefa ny fianarany tsy lavitra eo akory.
Ny tena marina anefa, ny rainy tsy manana asa ara-dalana fa ny karamako no tena ivelomanay hatramin'izay.
Mba tory hevitra noho izany aho ry namako, zoky sy zandry ary raeny, mba tsy hanaonao foana.
misaotra mialoha.

Mampalahelo ahy ianao fa diso safidy sy anjara. nenifaranay zay toa anao io koa, notiaviny ny zana-bady. Avy eo iny zaza ihany no nahavita namono azy @ alalan' i POISON (asidra io an), zay nampitondrain'ny reniny ka narotsany tao anaty kôpy kafe. Dia vita ilay nenifaranay, ary tsy tratra nentina tany hopitaly akory. Anatra ho ahy sy hoan'ny fianakaviako ny mitaiza zana-bady na hanambady lhl efa niteraka.
Ka hoy ny fitenenana iray avy any Toliara zay hoe " anabaly tsy atao anaky" hiran'Tiriky io raha fantatrao, zany hoe ny zana-bady aza heverina ho zanaka raha adika ara-bakiteny.
Koa anjaranao papiso no mieritreritra satri efa maneho toetra zany izy dia fa anisan'ratsy amiko.
Fa mivavaha isan'andro akia.

17. bazylou ( 29/05/2009 11:43)
fa inona anefa no hiarahana amin'ireny olona efa manan janak aireny e!! ianareoakoa izany no tean mitady loza mihitsy kle!! :-P :-P
18. xxx ( 03/06/2009 08:16)
Basylou, ny voa tsy mba fandatsa hoy ny fahendren-drazana . torohevitra no tadiaviny eto fa tsy ny hanampy trotraka amin'ny fahoriana iaretany.
Mahereza ramatoa fa ny manao soa tsy mba very mandeha , fa na tsy io zana-badinao io no hamaly soa anao de hisy foana olon-kafa hamaly ny soa ataonao. Ary ny fahoriana iaretana mbola hody hasambarana any aoriana any.
Mahereza é
19. bazylou ( 03/06/2009 22:45)
Amiko dia tsy voa izany io ramatoa io fa " elle est trop naive" diso bonaika loatra!!
efa verité universelle anie izany ry vhv e!! olona efa nananjanaka novadianao, dia hanatena ve ianao fa hosambatra ??? tsia azafady oo!!
Ny fitiavana hono mahajamba, nefa ny nenina tsy aloa fa aoriana e!! :roll:
Ny azoko atoro anao ry vhv dia mka lhl iray vaovao !!!!! ho sambatr akokoa ianao!! :?: :?:
20. ravonjison ( 04/06/2009 14:01)

Voálaza teo . \" Tsy afeniko fa tena latsaka ny ranomasoko izao eto izay, tiako loatra ilay vadiko ka mba te-hamalifaly azy aho, tsapako fa eo koa ny maha-zaza azy ka ilany izany affection avy aminay izany.Izay hafitsokin\'ny Reniny avy eo indray no tsy fantatro fa dia ho entiko ho hery ireo toro-hevitra avy amin\'ny namana ireo ho entiko miady \"

Voalaza teo : \" Amiko dia tsy voa izany io ramatoa io fa \" elle est trop naive\" diso bonaika loatra!! \"

Efa betsaka ireo voalaza, ka hevitra kely iray no tiako hamafisina, satria araka ireo ny voalaza notsongaiko etsy ambony dia bonaika tokoa ramatoa.

Tsara dia tsara ny hevitrao hanana ankohonana milamina sy sambatra, izany anefa dia mitarika anao handeha anjambany. Mieritreritra ianao fa ianao no tokony ho renin\' ilay zazavavy, ianao no hikarakara azy , ianao no hanapakevitra ny momba azy, ianao no hampihanta azy ...sns. Diso be anefa izay fomba fijery izay, satria ny zaza efa tonga saina dia tsy afaka manana reny roa, tsy voarain\' ny atidohany izany. Iray ihany ny reniny, dia ilay niteraka azy, indrindra moa fa miaramipetraka izy ireo. Noho izany dia tsy maintsy mijanona ho renikely ianao, tsy renikely ratsy na masiaka kosa anefa , fa RENIKELY TSY MISY OLANA.

Ny tokony ataonao izany dia izao en pratique :

1- izay fanampahankevitra mikasika io ankizivavy io dia tsy maintsy avelanao hoan\'ny rainy sy ny reniny, ianao kosa dia manaramaso fotsiny ( raha toa ka miray trano ianareo). Satria na tsara na ratsy ny fanapahankevitrao dia tsy maintsy voakiana foana ianao. Ny tsy fanarahanao io voalazako io dia miteraka olana direct.
Ohatra: ilay resaka gouter : izy mitady gouter 2000A/ jour, ianao anefa te hanome 1000A/ jour satria tsy manana ianareo.Noho izany tsy maintsy avelanao ny rainy no hi-discuter an\' izany @ ilay zazavavy sy ny reniny.Ary ny rainy no tsy manazava @ izy ireo fa tsy manambola ianareo.
Aza ataonao mahatezitra anefa izany.

2- Esory ao antsainao ilay eritreritra hoe: ianao tsara noho ilay renin-jaza, na miaramipetraka aminy ka noho izany ianao no tokony handidy sy hanapaka ny momba ilay zazavavy.

3- tokony hanana tolerance lehibe ianao mikasika ireo toetra ratsy ataon\' izy ireo.N \'inon\' inona toetra ratsy ataon\' izy ireo dia tokony tsy hampiseo faharatsiana ianao, toetra mendrika ihany no tokony asehonao.Izany toetra mendrika asehonao izany dia tsy maintsy ho tsapan\' ilay zazavavy ihany rehefa mandeha ny taonany, any aoriana any.

4- Raha misy hevitra tsara mikasika ny fitaizana ianao dia tsy maintsy lazainao an\'ny rainy, ry rainy indray no mifampireska @ ramatoa.

Mahereza e, tsy misy mana milatsaka avy any andanitra izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.008