Razana Masina sy Fanalana demony vé mifandray ry tgvendrana?

1. penguin ( 15/05/2009 05:59)
Niorakoraka mafy ireto mpanala demonin'ny tgvendrana ary naneho nanako ako ny hoe: OSY VOLAMENA, OSY FOTSY, OSY MAINTY sns ary NANALA NY OTA SY NANDORO IZANY.
Izao indray mitady hevitra hafa hamelezana dia resaka MASINA na ny FIVAVAHANA SY FANGATAHANA FITAHIANA amin'ny Razan'ny Mpaanjaka taloha no asian-dresaka.
Fa mifanaraka vé ny fanalana demonia sy ny maha-kristiana ary ny fangatahana fitahiana amin'ny Razana maty ?
Vao resy ny fitondrana faha-Mpanjaka dia EFA MATY HASINA IZANY RESAKA ANDRIANA SY MPANJAKA IZANY. Rehefa olom-belona milofo sy miezaka dia afaka hivoatra sy ho lasa NGETROKA ary tsy mila mivavaka amin'izay RAZAN'NY MPANJAKA TALOHA.
Tsy fanambaniana ny tantara izany fa fanatsarana ny ho avy ary fampivoarana ny taranaky ny akoatran'ny mpanjaka. Tsy manasina izany izahay tompoko.
novalian'i bobopendo ny 15/05/2009 11:34
2. karavasy ( 15/05/2009 06:15)
Nohon'ny fahakelezan'ny hery dia resy tosika ny fanjakan'andriana ary lasa zana-tany i Madagasikara. Nohon'ny tsy fananana ny hery miaramila ihany koa dia resy tosika ho azy ary voatery nilefa ny Filoha Ravalomanana izay lanim-bahoaka tamin'ny fifidianana. Raha masina ny taranak'ampanjaka resy tosika ary tsy manana fahefana intsony dia mba ahoana ny Filoha nesorina manta izay mbola misy vahoaka marobe manaradia azy ? Tsy andron'ny fanjakan'andriana intsony izao fa demokrasia noho izany ny lanim-bahoaka amin'ny fifidianana no mitondra. Ny hazo may sy simba vé tsy havaozina fa avela hianjera sy simba eo ? Sa izany no mahamasina ny taolambalon'ny mpanjaka tantara. Veloma lava fa tsy mivaky loha amin'izany resaka andriana izany intsony ny olona. Raha nanan-danja ny taranak'andriana naninona tsy avy dia namboarinareo ny Rova nefa ianareo no mandova azy sy ny tany nahorin'ny mpanjaka tamin'izany.
3. penguin ( 15/05/2009 08:20)
Taranak'andriana eran'ny Madagasikara no antsoina ary lazaina fa samy manaja ny Masina. Hita izao fa fanenjehana ny fitondrana teo aloha no tiana atao dia mitady hevitra rehetra. Tsy manaiky izany koa izahay ary tsy misy baikon'ny resaka andriana izany satria tsy tompon'ny tany sy ny fanjakana sahalan'ny taloha ny taranak'andriana. Avy dia alaivo ireo solon-tenanareo taranak'andriana nikarakara ny Rova dia tapaho eo ny lohany mba ahamasina indray ny Masina.
4. naritsimba ( 15/05/2009 08:36)
penguin> inona moa ny olana, samy manaja ny finoany ny tsirairay, ao anatin'ny fiarah-monina dia tsy maintsy misy ny fifanajana, raha tsy atahorana ary ireo razana inona no antony nanafenana ny famindrana azy?
Ny lalàna manankery dia tsy azo atao ny manokatra fasana raha tsy nahazoana alalana amin'ny tompon'andraikitra.
Tsy ny andriana ihany no tokony ho sarotiny @ zany atao hoe razana(faty) fa ny olona rehetra mihitsy, maninona moa rehefa maty Jesoa no nalevina? Moa ve izany ireo vahivavy nandeha nankany @ fasana hanosotra menaka ny fatin'ny Jesoa dia mpanompo sampy? izay ny fomba Jiosy dia tanterahiny ary tsy nisy nanakana sy nandiso azy ireo mihitsy na iray aza.
Moa ve nisy mpiandry ireo olona niresaka mikasika ireo faty teny Anatirova nafindra teny Ambohimanga.
Raha izaho penguin milaza @ mpanao ranomena dia izay faty ao @ fasanareo omena azy ireo ny taolana.
5. penguin ( 15/05/2009 11:03)
penguin tsy manasina razana ary tsy hila faty ho MASINA nahoviana nahoviana. Ny teniko tsy manaratsy izay manao izany fa nametraka fanontaniana izay haveriko hoe mifanaraka tsara ami'ny fanalana demony vé ny fanaovana Masina ny maty ? Ny tgvendrana mantsy mpanao resaka mifanohitra. Rehefa ny olona dia sampy aminy fa rehefa izy dia mety daholo ireto rehetra lazainy fa heloka. tgvendrana
6. bobopendo ( 15/05/2009 11:34)
ianareo milaza tgvendrana ireo mba mandinia tsara sy mba réaliste. Samy manana ny kolontsina ny olona tsirairay avy ary samy manaja izany avokoa. Aminy izao fotoana izao dia androny christianisme. Miala tsiny ao milaza eto fa ingay R8 dia sady panompo sampy dadarabe, no tsy mivavaka fa miatsara velatsihy ary ts manaja ny maha malagasy. r8 nareo pandainga,pamono olona, mpamitaka ary ts tia firenena fa ny tenany manokana.Ianareo mpomba R8 dia fanatic tsy manao reflexion ary manana esprit diabolique ny ankamaroany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0557