solonanarana xxx

1. LanyLainga ( 02/05/2009 00:00)
Hono ho aho, fa maninona raha tsoahina any ireny xxx ireny ry Hery? Tsy azontsika gasy atao mihitsy v ny mitsotra fa ny solonarana avy no afenina? Maika izany fa rah hoe anarana?

Ho ahy manokana dia vizana aho ny mamaky (na ts manoratra mitsy aza) le xxx ireny satria raha hamaly ianao dia hoe xxx nefa xxx iza @ ireo xxx bdb efa nanoratra teo aloha? Maninona raha sy asiana io safidy io? Raha tsy izany indray dia asio filaharany automatique ireo xxx isaky ny manoratra ilay olona ohatra. Ireo xxx ireo mantsy izao dia mihevitra fa ts misy mahita mihitsy ry zareo nefa mino aho fa ianareo mpiandraikitra rehetra ireo dia mahita. Inona no antony? Hoe ianareo ve izany laibany? Maninona raha samy mahita dia samy mahita ary rehefa tsy misy mahita dia tsy misy mahita? Anisan'ny transparence koa izany na dia tsy fihatsaram-belatsihy loatra aza.

aleo mamorona solon'anarana bdb izay te hiafina fa ts tokony asiana io safidy xxx io amiko.

Dago izao efa nofa ka na tsiky aza tsy ampy intsony :)

2. xxx ( 02/05/2009 07:51)
hoy lanylainga

Lohateny : solonanarana xxx
Hono ho aho, fa maninona raha tsoahina any ireny xxx ireny ry Hery?


tsy mahita ho soratana xve ngah fa lany lainga de mitenten foan eto e
--rah ho esorina eto ny xxx de tsy afaka manao copie coller tsony ny bandy , tsy afaka manao ankitifitifitra be tsony ny pokna , mba misaina fa aza mitapy lava zao nareo fa mandreraka e
3. ni81 ( 02/05/2009 07:57)
Hoe ianareo ve izany laibany? Maninona raha samy mahita dia samy mahita ary rehefa tsy misy mahita dia tsy misy mahita? Anisan'ny transparence koa izany na dia tsy fihatsaram-belatsihy loatra aza.

aleo mamorona solon'anarana bdb izay te hiafina fa ts tokony asiana io safidy xxx io amiko.
:lol: :lol:
4. hery ( 02/05/2009 10:32)
Efa 6 taona izay no nisian'ity forum ity amin'izao endriny izao... izany hoe nisy xxx.
Efa imbedia be teto no nisy resaka hoe esorina ve ny xxx (ilay hoe Tsy lazaina) sa tsia.
Efa nandramana nesorina ny xxx nandritra ny 1 volana tamin'ny roa taona.

Taorian'ireo rehetra ireo dia tapaka ihany ny hevitra hoe aleo tazomina ny xxx.

Ny antony isian'ny xxx dia:

- Mba betsaka ny olona matotra eto (mampiasa solonanarana anakiray tsy miova hatramin'izay 6 taona nidirany teto). Efa be mpahafantatra izy ireo noho izany. Ka rehefa mba misy lohahevitra délicat kely ampidiriny (ara-pahasalamana, ara-politika, sns.) ka tsy tiany hiseho ilay solonanarana izay manjary efa hahafantarana azy hatrany amin'ny fihaonana isankarazany, dia mampiasa xxx izy.

- Raha esorina ny xxx dia voatery mampiasa kaonty roa ireo olona mba matotra ireo.

- Na esorina aza ny xxx dia afaka misoratra anarana imbetsaka ny olona iray dia mitovy amin'ny xxx ihany rehefa tsy tiana ho fantatra. Dia afaka manaratsy sy migafy ihany sns.

- Ny solonanarana ao ambadiky ny xxx dia fantatry ny mpandrindra ny dinika ka mbola voafehy ihany ny fampiasana azy tsy araka ny tokony ho izy.

Fantatro fa mbola hisy hanontany indray ity afaka 2 na 3 taona any :-)
5. fahamarinana ( 02/05/2009 12:56)
hery:
Fantatro fa mbola hisy hanontany indray ity afaka 2 na 3 taona any

:arrow: :-D :-D eo amin'ny isaky ny 2na3 taona eo zany ilay fanontaniana no mipetraka ve ! :D (l)
6. tywa68 ( 03/05/2009 06:57)
Lanylainga : rhf hamaly d atao hoe xxx1 na xxx14 d azon'ny rhtra, fa tsy hoe foanana, fa manjary vizaka ny "matotra" tsy te wain :-D :-D
7. ni81 ( 03/05/2009 07:31)
Lanylainga : rhf hamaly d atao hoe xxx1 na xxx14 d azon'ny rhtra, fa tsy hoe foanana, fa manjary vizaka ny "matotra" tsy te wain
eka ouz ry tywa a
8. tywa68 ( 03/05/2009 10:25)
:wink:
9. xxx ( 05/05/2009 10:24)
tsy azo esorina ny xxx satria tsy mety mivadika yyy io, faharoa tsy fahita loatra ny anarana miatomboka amin'ny x ankoatry ny xavier sy xena de azo apetaka ho anaran'ny zanakao koa zany io... fahatelo sehatra ho an ny lehibe eto de tsy natao hoe dessin animé le izy fa atao hoe xxx :-D :-D :-D
10. ari.malala ( 06/05/2009 05:31)
:-D :-D :-D :-D le komantera faraparany kou zany a! ndrindra le xxx farany tena :-D :-D :-D

fa ity hoa e,
Ireo xxx ireo mantsy izao dia mihevitra fa ts misy mahita mihitsy ry zareo nefa mino aho fa ianareo mpiandraikitra rehetra ireo dia mahita. Inona no antony? Hoe ianareo ve izany laibany? Maninona raha samy mahita dia samy mahita ary rehefa tsy misy mahita dia tsy misy mahita?
mahavarina kely, in no idiran'ny laibany amizany? :roll:
11. LanyLainga ( 07/05/2009 21:36)
ari.malala ka izy afaka mahita azy ka ts laibany v zany?

Hery afaka roa tona aindray izany d hiverina eto ah hametraka io fanontaniana io

xxx1 sao d nareo tokoa no mitapy rah ts afaka manao xxx? sa tsy misaina afatsy x?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0923