Afabaraka i Monja Roindefo tamin'ilay ampamoaka

1. rabaradaka ( 28/04/2009 05:52)
Zany tokoa dadatoa ka hoe tokony mahay tsara vao mitondra firenena. Nisy nanontany ireo ministra nanao ilay "deballage" na ampamoaka hoe misy tarehimarika ve azonareo omena ? Tsy nisy sahy namaly na iray aza. Ilay Ministre de la défense Col Noel moa dia sahy niteny hoe tamin'nyandron'i avalo dia tsy nanaraka hierarchie an'ny tafika ny fitondrana nefa izy Colonel lasa ministra.
Mba mianara zavatra aloha dadatoa vao manao fa ireny dia fahafaham-baraka tanteraka.
novalian'i fijo ny 29/04/2009 20:01
2. xxx ( 28/04/2009 07:09)
Ny ampamoaka " style affirmation gratuite" tahaka itony dia karazana PROPAGANDIN`NY LAINGA toy ny efa nahazatra ny HAT h@ zay ihany ka tsy dia atao mahataitra loatra . Mihevitra angamba ry zalahy fa ny fanaovana an`izany no hanadinoin`ny rehetra fa " COUP D`ETAT MILITAIRE" anie no nahatonga azy teo amin`ny fitondrana . Tokony hihamafy hatrany ny tolona MAHERY VAIKA hanoherana ny CAPSAT sy ireo mandray anjara rehetra eo amin`ny HAT amin`ny FOMBA REHETRA .
3. ravatorano ( 28/04/2009 07:35)
iny deballage iny dia tena naagaga mihitsy ah
raha tena nanaraka isika dia saika avy amin'ny fanadihadiana nataon'ireo mpanao gazety samihafa no nitrandrahan'ireo mpikambana ao amin'ny governemanta HAT.
Ao amin'ny tv viva moa izao dia averina foana iny isan-kariva koa dia hitanao taeraka amin'izany ny valan-dresaka fa tena misy azo eritreretina hoe mitombina tokoa ve ilay izy ary hatraiza no hilazana izany fitombenan'ireo ampamoaka izany .mdia miandry isika mba hahita izay tena marina e
4. xxx ( 28/04/2009 08:14)
Ilay miandry ny rariny izay fisaka dia fisaka ravato tsy mety intsony a, ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra intsony .. lasa izao fa ntssssss
5. menalamba ( 28/04/2009 18:08)
Mba asaivo valiany kely koa anie ny ampamoaka momba ilay zandriny vao avy nivoaka ny fonja, navoakany malaky ,fa sasatry ny henjehin'ny olona tany Pau fa mpisoloky ,dia nigadra indray rehefa tafilefa tany Dago fa mbola nanohy nisoloky . Dia nimenomenona ity rohindefo fa hoe resaka politika no nanagadrana ity zandriny ,kanefa ny séky tsisy drala nanafarana ireto simenitra sy siramamy iray sambo no naha-vôbeda azy... Ary raha mipody Frantsa dia mbola ambalatavohangy koa miandry azy..mbaraka lamandy vola be tsy ho voaloha mandra-maty .
6. fijo ( 28/04/2009 22:15)
izany aloha tsy hay izay fahamarinany,fa amiko rehefa tsy misy profo dia lainga.misy tokoa ny tsy nety nataon'i ravalo.izay tsy misy hafaka manda azy,fa mila asian aporofo ilay izy fa tsy resaka ambody trano dia vita ny fitsarana
7. xxx ( 28/04/2009 22:44)
Ireny ampamoaka ireny no atao hoe kabary tsy valina! Manao diversion ry zalahy fa fanjakana tsy misy drala, ny fahasahiranam-bahoaka miakatra toy ny courbe exponentielle tsy hitanjareo izay solution amizany dia mamorona sujet hamalifalina ny sainjareo avy. Maniry aho mbola mba ho eo zareo reo @ fanaovana loi de finance manaraka dia ho hita eo ny zavatra hataony sy ny solution hanetsemana ny kitapombolapanjakana. Matoa sahy maka fitondrana dia capable mamaha ny olana misy rehetra fa tsy mamorona théatre na ampamoaka hamalifalina ny sainizay mitovy firehana.

8. tsiafoi1 ( 29/04/2009 15:33)

Ireny AMPAMAOKA ireny no atao hoe LAINGA MARIVO TOTOTRA ka HOHEHEZIN'NY AKOHO TOKAN'ANAKA.

HO AVY TSY HO ELA NY FOTOANA
9. fijo ( 29/04/2009 20:01)
ka hita be fa miha misarik any sain'izao tontolo izao,ny habibiana,dia asiana resaka hisarihana ny saim bahoaka,nefa rah adinihina tsy misy mihaino hafa tsy ry bazy sy ry oay le resaka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7612