Ohabolana sy ny heviny

1. soanja ( 25/04/2009 15:26)
Misy ohabolana vitsivitsy ireto nentiko mba handinihantsika azy.
mahalaza tokoa ny zavamisy ankehitriny ny sasany.

1- Rafotsibe lavo an-tambiazina, ka raha tafirana dia mitsimpon-tsindretra.

2- Mitatatra fasika ka manabe vava ny ony.

3- Tanimena mihoatra ka tsy takona afenina.

4- Manao longo mitoto-bozaka.

5- Kiady eny amoron'ny hantsana ka tsy hasarotana fa fitiavana.

Mazotoa mandalina ny teny Malagasy! Soanja
novalian'i kap kap ny 03/02/2018 09:30
2. fahamarinana ( 25/04/2009 16:23)
:arrow: Soanja :tiako be ilay hevitra fa ny olana fa tena ny marina dia misy ohabolana vaovao amiko tanteraka ! Misaotra hatrany fa mianatra isan'andro miaraka aminjy e! :-* (l)
3. soanja ( 25/04/2009 16:59)
soanja:

Misy ohabolana vitsivitsy ireto nentiko mba handinihantsika azy.
mahalaza tokoa ny zavamisy ankehitriny ny sasany.

1- Rafotsibe lavo an-tambiazina, ka raha tafirana dia mitsimpon-tsindretra.

2- Mitatatra fasika ka manabe vava ny ony.

3- Tanimena mihoatra ka tsy takona afenina.

4- Manao longo mitoto-bozaka.

5- Kiady eny amoron'ny hantsana ka tsy hasarotana fa fitiavana.

Mazotoa mandalina ny teny Malagasy! Soanja


Iza amin'ireo no tsy azon'ny Faha ny dikany fa hazavaiko? Misaotra andry liana hatrany koa.


:-* :-* :-* :-*
4. bilakarenjy ( 05/05/2009 16:01)
tena rehefa mihaona de hazavao amiko ny tena fandehan"ireo ohabolana ireo fa manomboka tsy haiko ry soanja .

ary mahita ohabolana vaovao ianao an!
5. RATOVOARY ( 06/05/2009 05:14)
Mitatatra fasika ka manabe vava ny ony.

Io aloha no toa misy rirany kely azoko anatsoahan-kevitra, tsy dia mifanalavitra amin'ilay filazan'ny oul hoe : "Vao mainka miitatra ohatra ny sima misioka". Izany hoe : ny fasika mora mikororosy nefa mbola ndeha hadiana @ angady indray, hany ka misokatra hatrany ilay vava-rano.
Sa tsy izay ry Soanja.
6. soanja ( 06/05/2009 16:10)
bilakarenjy:

tena rehefa mihaona de hazavao amiko ny tena fandehan"ireo ohabolana ireo fa manomboka tsy haiko ry soanja .

ary mahita ohabolana vaovao ianao an!


Vonona tanteraka aho ka. rehefa mihaona isika dia omentsika ny ohabolana ny adiny iray.


:-* :-* :-* Tsy vaovao akory ireo fa tontan'ny ela dia tsy heno loatra saingy miasa amintsika isanandro ilay izy rehefa dinihina amin'izao fotoana. Soa isika manana ny razana manam-pahendrena hodinihina.
7. soanja ( 06/05/2009 16:11)
RATOVOARY:

Mitatatra fasika ka manabe vava ny ony.

Io aloha no toa misy rirany kely azoko anatsoahan-kevitra, tsy dia mifanalavitra amin'ilay filazan'ny oul hoe : "Vao mainka miitatra ohatra ny sima misioka". Izany hoe : ny fasika mora mikororosy nefa mbola ndeha hadiana @ angady indray, hany ka misokatra hatrany ilay vava-rano.
Sa tsy izay ry Soanja.



Zay indrindra!


:-* :-* :-*
8. soanja ( 06/05/2009 16:12)
soanja:

4- Manao longo mitoto-bozaka.



Longoa no tiako tenenina eto fa diso tsipelina. Misaotra!


9. milamm ( 05/06/2009 12:14)
ny fahazaoko io faha-4 io dia toy izao ry soanja ka asa raha izay no heviny
dia lavaka fahiny fampiasa raha hiaza na hisambotra zavatra,ny bozaka dia nampiasaina hanotofona izany/kamoflazy zany hoe fandrika
ny heviny hafa @ ankapobeny dia nentina hanaitra ny sainy rehetra raha sendra izany fandrika miaro fitaka izany any @ misy azy ts1/1
10. soanja ( 15/07/2009 04:35)
milamm:

ny fahazaoko io faha-4 io dia toy izao ry soanja ka asa raha izay no heviny
dia lavaka fahiny fampiasa raha hiaza na hisambotra zavatra,ny bozaka dia nampiasaina hanotofona izany/kamoflazy zany hoe fandrika
ny heviny hafa @ ankapobeny dia nentina hanaitra ny sainy rehetra raha sendra izany fandrika miaro fitaka izany any @ misy azy ts1/1


Azafady fa izao vao hitako ny hevitrao. Marina tanteraka ny hevitrao momban'ny ohabolana #4.
Mila mitandrina lalandava isika amin'ny fiainana fa misy ny fandrika na dia toa bozaka maniry tsara aza no hita miseho eo indraindray.


11. kap kap ( 03/02/2018 09:30)
Miala tsiny fa hanontany aza no ataoko, ny dikan'ity azafady " raha lany ny hena, mihatra amin'ny ankalana", misaotra oh
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1538