RA8 TSY SOLUTION AMZAO ALOHA!

1. soanja ( 24/04/2009 15:05)
Raha hitanareo eto amin'i Net fa ny basy sy ny tafondro no hiadiana amin'i TGV sy ny forongony dia hoy aho hoe AHETSEHO NY TAFIKA MALAGASY!!!!! hiady amin'ireo! Aza ny vahoaka madinika no etsehana sy entanina fa ireo tsy manana basy na fitaovam-piadiana.

Fa raha hoe I Ra8 no anton'izany mobilisation resahinareo izany dia toa mampidikizo ny vahoaka madinika sy milalao ny ainy ianareo!!!!

Misaotra antsika rehetra eto milaza ny fitiavan-tanindrazana. Hisintaka indray I Soanja fa tsy mazaka ny disadisa lava politika eto. Manaiky aho fa resinareo aho raha ara-politika amin'ny tambabe!

Miangavy fotsiny aho hoe mahaiza mandinika ny tokony atao. :-* :-* :-*
novalian'i Hinagasy ny 26/04/2009 00:09
2. ifiona ( 24/04/2009 15:18)
hoy ianao hoe ahetseho ny tafika malagasy, ny problema ry soanja dia efa any @ capsat daholo ny resaka munitions, fitaovam-piadiana, efa naka izay précaution izay ry zareo talohan'ny 17 mars.

Matahotra ho an'ny fianakaviany izy ireo fa tena rahonana mafy tsy hijoro.
Any ka manontany tena ny olona hoe fa mba aiza ary ity tafika tokony hiaro ny vahoaka, ny vahoaka tokony harovany ity indray no tifiriny.


Izany no mahatonga ny mpanohana ny ara dalàna miantso vonjy amin'ny miaramila avy any ivelany satria fantany fa mbola mihanahana ny sisan'ny tafika malagasy tsy manaraka an'i tgv. Ny habibiana nefa dia mitohy ihany.

Efa manomboka mivoaka tsikelikely anefa izy ireo, hita teny ho eny ny fijoroany teny Ambohijatovo, ny sasany moa dia namoaka taratasy nanambara ireo tena nikomy sy nanohana ity fanongam-panjakàna ity, miaraka @ anarany sy ny toerana misy azy.

Ny tena porofo vao aingana dia ilay nolazain'ilay vice amiral Ranaivoniarivo, nambarany nandritra ny "passation" fa tena malahelo ny tenany, ary nanamafy fa tena fanongam-panjakana izao nitranga izao, ary mahamenatra satria tsy mbola misy passation ka manao costard, fa tsy fanajàna ny maha miaramila izany. Eo no mbola hahatsapàna ny teritery mianjady amin'ny miaramila ankehitriny.
3. sitlo ( 24/04/2009 15:18)
Sarotra ny miaiky hoe diso aho nanohana an'i TGV. Azo atao hoe tambabe rehefa be noho ny vitsy.
Fa aza mikorapa ianao fa tsy ianao no olana fa TGV.
4. Oay ( 24/04/2009 15:39)
ifiona a! tsy aiko aki fa nisy rangahy izay mpanolotsaina manokan'i Ratsiraka d za moa mbola kely d efa tia miresaka politika d t@ 1991 io rangahy niresaka tamiko, nalaza be t@ izany andro izany fa mangalajaza i Ratsiraka fa hoe omena an'ilay Kalanoro ilay zaza d nanontaniako ilay rangahy satria tena akaiky andratsiraka izy ilay rangahy moa d nataonay ho dadatoa ny fiantsonay anazy na d tsy nisy rohimpianakaviana aza izahay d nanontaniako ilay rangahy nataoko hoe :" marina ve ry dadatoa fa mangalajaza i Ratsiraka omena an'ilay Kalanoro" d ozy ilay dadatoa :"Tsy fantatro letsy ny fahamarinan'izany" fa raha tian'ialahy hofantatra ny eritreritro d raha fantatro hoe manao an'izany Ratsiraka d miala tsy ho mpanolotsainany intsony aho satria ny fanaovana politika tsy famonoana olona!
Mbola 15 taona aho t@ izay fa noraisiko ho anatra ilay hoe:"Raha hofamonoana olona no anaovana politika d miala tsy ho mpanolotsaina aho"

Tsy aiko fa anomboako anazy d raha za no eo @ toerana misy an'i Andry Rajoelina d rehefa hitako fa tsy hovoavaha @ resaka izy ity d mametrampialana aho satria tsy teho tompon'andraikitra @ famonoana olona!

D raha za koa no eo @ toerana misy an'i Ravalomanana d mangataka tsodrano @ vahoaka aho ny hijanonako @ politika satria manjary matimaty fona ny olona mitaky ny famerenana an'azy.

Tsy faharesena ny fananana courage, ary io toerana hifandimbiasana ka rehefa tsy azo androany d hiverenana indray @ manaraka.

Aoka isika hanaja ny fanahy ny maty ka tsy hisafoaka sy hanao vavabe satria tsy mahasoa izany fa raha misy hevitra tsy mifankahazo d mifanazava moramora!
5. xxx ( 24/04/2009 15:47)
tsy soanja marina anie ny olana fa tgv e! rehefa tsy haverina ravalo dia iza ndray aza hoy soanja ka i ratsiraka ve sanatria
6. diamondra27 ( 24/04/2009 16:03)
Soanja:efa surdozy daholo akia ny ato fa tsy te-hahalala ny tiandry tenenina intsony a!
za manokana dia mahazo resaka satria hoe raha tonga ravalo de hiady ny pro tgv sy pro ravalo de hitombo ny olo-maty


7. Oay ( 24/04/2009 16:05)
xxx:


tsy soanja marina anie ny olana fa tgv e! rehefa tsy haverina ravalo dia iza ndray aza hoy soanja ka i ratsiraka ve sanatria



Tsy fantatro na hamaly i Soanja na tsia satria moa izy iny efa nilaza fa hiala iny, manararaotra aho miteny an'i Soanja hoe "aza kivy miteny sy manoro" satria izay no tsy ampy amintsika Malagasy!

Ka hihezaka aho hamaly an'i XXX mandrapahatongan'ny valintenin'i Soanja!

XXX a! i Ratsiraka izany efa maty raha ara-politika no resahina eto Madagasikara satria nahoana ozy i XXX:
_Tadidio fa raha nahay nifanaraka i Tantely sy Pierrot t@ 2002 d tsy afaka nirotsaka intsony i Ratsiraka!
_T@ 2002 Ratsiraka mbola afaka nampiasa an'i Tantely hanakanana ny firotsahan'i Pierrot, azavaiko kely: i Tantely d nahazo vahana teo @ mpitarika ambony AREMA t@ izany fotoana izany fa i Pierrot kosa d hita fa nahazo vahana teny anivon'ny base, d satria tsy nifanaraka i Tantely sy Pierrot d nandray ny andraikiny i Ratsiraka!
Ka afaka milaza isika fa Ratsiraka izany raha hiverina eto Madagasikara d haka fialantsahatra, satria na ny fahasalamany aza anie efa tsy ahafahany manao polifika intsony é! ary tadidio fa ny olana @ Malagasy d ny resaka relève satria ilay leader mandritra ny mampatanjaka anazy d il se fait Dieu d rehefa vizaka izy d tsy misy afaka manolo satria ireo niaraka taminy d nanao béni-oui-oui fotsiny!


8. xxx ( 24/04/2009 16:13)
ka tsy mety oa zany fa aleo aloa i dada eo dia avy eo mifidy zay tsara noho i dada dray azo natao tsara zany fa tsy tonga dia coup d'etat be mahatsiravina
9. Oay ( 24/04/2009 16:49)
xxx:


ka tsy mety oa zany fa aleo aloa i dada eo dia avy eo mifidy zay tsara noho i dada dray azo natao tsara zany fa tsy tonga dia coup d'etat be mahatsiravina



Ka io ary i Roindefo efa milaza sahady fa tsy mbola fotoana hiverenan'ny exilés indray izao, ka maika ve ny hoe : aleo hiverina i Ravalomanana!
Asa aloha fa d mbola averiko fa raha izao no hitohy d maro no hofaty é!


10. diamondra27 ( 24/04/2009 16:54)
Oay: entre pas toa hoe ze asile politik aty france koa toa hoe averina any dago fa miandry kely hoe, sa za koa no tsy mahazo le vaovao fa ratsy fihaino
11. Oay ( 24/04/2009 17:25)
diamondra27:

Oay: entre pas toa hoe ze asile politik aty france koa toa hoe averina any dago fa miandry kely hoe, sa za koa no tsy mahazo le vaovao fa ratsy fihaino


Tena izay mihintsy ilay resaka mandeha ato @ vaovao é! tsy avelandry zalahy miverina ny exilé na iza na iza satria hono mety hiteraka korontana!
D efa namaly moa ny AREMA mpanohana an'i Pierrot fa d hohita eo ny tohiny!

Fa na inn na inn hoataony tsy hisy hahasakana ny anjara masaoandron'ny sasany é!


12. halloween ( 24/04/2009 17:44)
Diam's efa vizana koa zany sofin'i toi zany a ! mividiana toi ekotera le maneno mafy be reny zany hiainoana radio sy telé
13. xxx ( 24/04/2009 18:22)
sali ra wui an!
14. halloween ( 24/04/2009 18:35)
sali ra wui an!


iza zany arabainlah zany ry lé babakoto lahy ty a ! za ve !?? ndana miainga ary
15. xxx ( 24/04/2009 18:44)
fa elah ry kin.....ty a! fa iza indray!
16. fijo ( 24/04/2009 20:20)
oay ,androany aho vao tena nahita fa samy hafa mihintsy ianareo sy essera.na dia manohana olafiny iray aza ndy,dia mbola misaina fa tsy le bontolo be toa ny sasany ireny.
na hoan'ny tia ravalo na hoan'ny tia tgv dia ilain any misaina toa izao.
17. Hinagasy ( 26/04/2009 00:09)
Izaho koa nanao hoe tsy solution Ra8, kanefa iza ary e! TGV aloha dia non!non!non! Arema ve? sa misy olona hafa mety hipoitra eo, tsy arema, tsy TGV tsy Ra8?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2184