CAPSAT nandray vozon'i Pastera no naka Parlemanta

1. penguin ( 24/04/2009 06:12)
Asa moa na manana andraikitra manokana inona amin'ity HAT ity ny CAPSAT satria ilay miaramila nisintona ny vozon'ankajon'i Pastora Rasendrahasina ary nanamaritena tao amin'ny Haino aman-jery misy no nanazava indray ny antony nisamboran-dreo ireo Solombavam-bahoaka omaly teny Ambanidia. Nilaza ny TVPlus fa nohon'ny fizaran'ireto vola ny mpihetsiketsika no nisamborina azy kanefa nony nanontaniana ilay ranamana CAPSAT dia namaly hoe: ENDRIKA TOMPON'ANDRAIKITRA TAMIN'NY FITONDRANA RAVALOMANANA IRETO KA SAMBORINA ALOHA ARY ITY IRAY ITY IZAO SOLOMBAVAMBAHOAKA MITARIKA FITOKONANA SY BARAZY ANY ANTSIRABE. Vao niteny ilay solombavambahoakan'i Faratsiho Ex-Ministre du Sport dia nilaza ry zalahy hoe tsy mahazo miteny ianao. IZANY NO JADONA. Mbola ho azo fa miodikodina ny tantara. Nanamafy koa ny Vice Amiral fa Coup d'Etat no nisy teto ary malahelo izy satria simba ny fifanajana sy rafitra antanatohatra nisy vé rehefa mitolona sahala izany.
TSY MAINTSY MIALA NY HAT TGVENDRANA.
novalian'i fijo ny 24/04/2009 21:35
2. karavasy ( 24/04/2009 06:15)
Pasitera aza atao nifika ny amaniny koa solombavambahoaka ve tsy ny ventiny aza azo atao haniny angamba hoy ny tgvendrana. Tsy manaiky mora izany ny vahoaka ry CAPSAT.
3. tsiafoi1 ( 24/04/2009 06:39)

Io tetezana io de tapaka eo afovoan-dranobe ; Ny miaramila mijanona eo @'ny tendrony tapaka. Tsy ho afa mandroso ary tsy ho tafita ny dia eo amboniny. Hany hery mitodi-doha miverin-dalana.

MITODI-DOHA MIVERINA ANY AMIN'NY DADA NY DIA.
4. ravatorano ( 24/04/2009 06:42)
nanaitra tokoa iny tranga omaly iny ah
ary saika olomboafidy avy any ami'ny faritra Vakinakaratra avokoa ireny an
dia hanao ahoana indray zany ny any antanana any anio !
ho raikitra indray izao ilay soratsoratra hoe " avoahay Rabenatoandro "
d misy mamaly eo ambany hoe "tsy ato izy "
:-D :-D :-D
nanao izay tena afany mihitsy ireo miaramila nanenjika ny mpitonona ny "ara-dalana" omaly iny ary tena akitifitra bala tena izy mihitsy ah !
5. tsiafoi1 ( 24/04/2009 06:57)
Intimidation atao amin'ny vakinankaratra ireny satria malaza mahery fo sy mahery vaika rizareo ao. Vao maika anefa izany no hampitrebona ny hambopon'ny vahoakan'ankaratra.
6. fanou14 ( 24/04/2009 07:08)
fa ianareo ve nanatry maso teny e? tsy ny tv + ihany no nilaza fa nizara vola izy ireo fa nisy mpanao gazety hafa fa ianareo dia tena tsy mandinika sy tsy mijery ? ny @ lay pasitera mpandainga iny ndray reny no atao hoe kapok'Andriamanintra raha mbola tsy mahafantatra , aiza enao tokony hitondra ny vahoaka indray no mandainga , sady voavidy vola ? dia lazao koa hoe tsy nahazo vola izy ? fa aiza no ananan'ny vola hipetrahana any amerique lui t toute sa famille ?
ny hoe ny vakinakaratra lasibatra , efa fantatra fa mpanao amboletra any ireny raha tsy zany ve nahasahy nanimba ny asan'ny olona (ny mada autruche )
7. penguin ( 24/04/2009 08:09)
Naninona no zavatra hafa no nolazain'ity Miaramila CAPSAT fa nisamborana azireo nefa hafa no resahin'ny mpanao gazety ? Satria i leiry no tena mandainga. Misy farany io ry leiry é. Azo alefa tsirairay sahalan'ny an-dRebeza io.
8. halloween ( 24/04/2009 08:35)
hoy tsyafoi :
MITODI-DOHA MIVERINA ANY AMIN'NY DADA NY DIA.



tena tsy azoko letsy ry tsyafoi ! fa ianareo ve no mitodidoha miverina sy ho any ouganda sy swaziland hitady azy sa izy no asaina miverina eto hifanatrehana e! asaivo mody eto M/car izy mba hijerena azy raha tena lehilahy mahazaka fa tsy miafikafina any ! sady mba manao maritiora e ! firy zay efa vitany maritiora zay ka mba maninnn raha mba mody izy de mba anjarany indray !
9. bazylou ( 24/04/2009 09:18)
aleo asiany any rehefa tsy misy saina e!!
10. ravatorano ( 24/04/2009 09:53)
bazy
11. penguin ( 24/04/2009 10:59)
Asan'ny miaramila ny miaro ny Firenena saingy tsy asan'ny miaramila ny miandany be fahatany na manampy ny mpanohitra ahazo fanjakana mivantana. Rehefa fantany fa tsy mahomby mihintsy ny mpitondra dia mandray andraikitra izy ary maka ny fitondrana eny fa na hamonoana izay mbola mitondra aza. Ny an'ny miaramila gasy indray dia ny hevitra hakana ny fahefana no nolazain'i jeneraly Apolite ary hamadihana azy faingana any @'ny tgvendrana.
Tsy mahagaga satria samy miaramila tsy nahita ady moa fa samy be galona amin'ny sarinady. Ny sasany aza sarim-bavy no lasa officier satria nianatra ary mahay ka izao tratran'ny barofo izao ary matahotra satria kely sandry fa be galona ny jeneraly sy vice amiramly.
Sous-officiers no misy ny tanjaka ka ireo atao mitondra ny firenena ry tgvendrana a.
12. Noue ( 24/04/2009 13:03)
zao ny asan'ny capsat

[URL=http://img24.imageshack.us/my.php?image=img125910p3oyj.jpg][IMG]http://img24.imageshack.us/img24/6306/img125910p3oyj.jpg[/IMG][/URL]
13. fijo ( 24/04/2009 21:35)
de vao mih ahikorontan any vahoaka anie e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2797