mbola mety amintsika ve ny fanabeazana skoto
1. mpikotrana
(
21/04/2009 11:14)
mahita ny skoto ankehitriny aho dia lasa saina hoe mbola ilain'ny vanin'andro ankehitrio ve ny skotisma?
toa ohatry ny mitaingi-tamboho sy mifampitaritrika etsy sy eroa no ataon'ireo mpikambana rehefa tsy mihoagahoaga sy manao hira tsy hay tonony
ny fanamiana amin'izany dia tena mikorontana ery
dia hoy aho manontany tena hoe ny mpanabe ve no tsy mandray ny andraikiny sa dia izay mihitsy ny fivoarana misy ankehitriny!
sendra nisy skoto nilasy tany aminay indray vacance: ripaka ny voankazo sy ny zavamaniry. Ny hazo tapatapahin'izy ireo moa dia mihoatry ny mety mihitsy.
koa izany no anisan'ny mampiasa ny saaiko hoe tena ilaina ve ny fanabeazana skoto ankehitriny, sa efa tokony hitady hevitra vaovao indray hanabeazana ny tanorantsika
misaotra mialoha noho ny hevitrareo

novalian'i bobota79 ny 14/08/2009 09:41
2. Randria2007
(
21/04/2009 12:26)
Skoto le mamaly ka azo heverina fa hilaza hoe mbola mety le fanabeazana. Tsy azo lavina tokoa aloha fa mety hisy ny derapage etsy sy eroa ataon'ny skoto, saingy tsy ireny akory no ilazana fa tsy ilaina ilay izy. Hatrany amboalohany ny tena volavolaina ao amin'ny skoto mantsy, dia ny toe-tsaina (esprit scout), saingy ny mpanabe tsy ampy fiofanana (noho ny tsifisian'ny vola angamba?), ny mpanohana ara-potokevitra koa efa mety mihavitsy, betsaka koa ny mpanakiana be fahatany fotsiny, hany ka toa zary lasa fanarahana ny torohevitr'ireo nahita fahombiazana teo aloha fotsiny sisa no hanaovan'ny zandry aty aoriana izay atao hoe skotisma fa tsy ao intsony ilay fototra sy faharesen-dahatra. Eto izany dia tiana ny manamarika fa atao ny antso avo ho an'ny rehetra mba hanohana ireo zandrikely rehetra manao skoto hanohana azy ireo amin'ny lafiny rehetra (vola, toro-hevitra, ...) fa ny manao zavatra tsy mora e! Mora ny manakiana ny skoto manao derapage fa "tena tsara kosa ny mandray andraikitra e!". Fehiny: Tsara ny skotisma saingy ny hazo avo alandrivotra ary ny fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka, ka adidiko izaho sy ianao ny manarina ny lavo e!
Mandra-piresaka
Mandra-piresaka
3. xxx
(
21/04/2009 12:35)
Skoto aiza io resahin'i mpikotrana io ?
Izaho eto Frantsa, fa kivy ratsy aho mahita ny skoto vazaha ao @ fiangonanay, protestanta : ilay lobaka avy navoaka tary @ lamba maloto , miforiporitra ohatran'ny inona, ny ambany samy manao izay tiany, ny foulard ohatran'ny salaka :-) ... aoka ihany ... mifona fa na ny mijery ety ivelany azy dia tsy ho sahiko alefa any ankizinay

4. booboo
(
21/04/2009 12:38)
hihihihihihi " manao hira tsy hay tonony ".
ngôdy lany môrsa ny mpiandraikitra sy ny filoha mpampiofana ny mpiandraikitra ? na koa tsy mifanentana @ zava-misy ankehitriny ny fampitana ilay raha skoto ?
Zà manokana kloungany mahita hoe tena mbola mety ilay fanabeazana skoto e ! raha ny iainako ao @ fivondronana misy anà kloungany é !

5. ralevazou
(
22/04/2009 04:28)
Salam!
Amiko ilay fanontaniana hoe" bola mety amintsika ve..." dia tokony ho tsy mipetraka.
Na ovaina hoe: Sao dia tokony ho ampifanahantsahanina @ vanimpotoana ankehitriny ny endri panabeazana sasantsasany ao anivon io sampampifampitaizaina iray io?( tsy ovaina mihitsy kosa ireo rafitra na sata napetrak ingahy BADEN POWEL t@namoronana azy.
Ny toe tsaina mihitsy ny antsika no tsy naharaka ny fiazakazaky ny fandrosoana hany ka ireo olona (atao hoe mpiandraikitra na loholona) mihitsy no tsy mahafehy ny tokony ataony mazàna.
Mazotoa!
Marihako fa nahitako famolavolana tsara sy mendrika io skotisma io ary ireo zanako dia arahako akaiky @ fivoaran'ny fivondronana misy azy mba tsy hitombina ilay hoe: lasa bordel le skoty.

6. mpikotrana
(
22/04/2009 12:26)
izahoanie ry zareo resy lahatrafa tsara ny skotisma eh!
fa ny olana hitako dia tsy voafehy mihitsy ny derapage araky ny filazanareo azy
raha mandray andraikitra ka miteny ireo anefa dia mahazo ny hoe ny anareo efa skoton'antitra 8O 8O 8O 8O 8O 8O
ny tena mahamenatra ankehitriny dia ny mahita mpiandraiktra vita fanekena eny filoha mihitsy ary tsy mahay mivavaka akory! ireny aza moa tsy mahay ka mainka fa ny ankizy any rehetra any! mahalasa saina ihany ka izay no nametrahako ny fanotaniana hoe mbola ilaina ve ny skotisma
mahereza daholo eh

7. booboo
(
27/04/2009 09:42)
Hors sujet kely, asa raha hitanareo fa morse ny soratra google @ pejy fandraisany androany ? hihihihihi
8. majakely
(
27/04/2009 10:03)
yeeeééééé!marina izany...ny zanako izao skoto de hitako hoe tsara izany matoa izy nampidiriko ao!!
9. RATOVOARY
(
27/04/2009 12:26)
TANANA HAVIA!
Tsy ratsy akory ny skoto ( izay aloha no handraisako ny lahahevitr'ise eto ) . Mety dia mety tokoa ny fitaizana skoto ary tsarovy fa iray ny tanjona dia ny hanabeazana olo-mendrika hankato an'Atra ary vonona @ asa soa rehetra . Fa kosa tsarovy fa betsaka ireo fomba fitaizana samy hafa noho ny fiangonana ( na fotompivavahana ) tsy itovizana. Tsoriko amin'ise fa na ny fiakanjo aza dia tsy mitovy ( raisiko ohatra ny TILY sy ANTILY , ny Tily tsy maintsy kaky ny kilaoty na velory volontsôkôlà ny ambany ary misisika ny lobaka; fa kosa ny antily tsy dia mampaninona azy loatra ( angamba) na dia pataloha aza no anaovany satria tsy ilay fitafiana angamba no zava-dehibe fa ilay fototra itaizana mihitsy ).
Tsy fitafiana ihany fa na ny fomba fifampiantsoana aza dia misy tsy itovizany, tsy hatao mahakivy anefa izany, ny andraikitra @ maha-Mpanabe ahy no raisiko raha misy fahadisoana tsinjoko aminy.
Zaho aloha raha mahita ankizy sendra mibolila dia resahiko amimpahatsorana izy fa tsy izay no fitaizana.

10. ari.malala
(
27/04/2009 12:39)
fa kosa ny antily tsy dia mampaninona azy loatra ( angamba) na dia pataloha aza no anaovany satria tsy ilay fitafiana angamba no zava-dehibe fa ilay fototra itaizana mihitsy ).
Tonga dia mandingana aloha fa io no nifrapper anà voalohany. Antily ao @ 9è Tana Mahamasina ny zanako fa isany mahasarotiny ny tonia sy ireo mpiandraikitra tokoa ny filaminana sy fahadiovan'ny fanamiana anaovan'ny antily, manomboka any @ lovitao hatrany @ mpiandalana. Rehefa short dia short daolo.
Tsara ny fitaizana scoutisme! Izaho izao anisan'ny nalahelo fa ts mba navelan'ny RAD niditra tao, nefa ny anadahiko dia tao no nahalehibe azy! Mitaiza sy manabe ary mamolavola tokoa ny fitaizana scoutisme ka! fa arakarak'ilay beazina indray kosa nefa io hoe mitaiza azy ho olombanona ve sa ampihariny @ fomba fiaina ratsy ny fanabeazana sy teknika rehetra ampianarina azy any :)
11. ikaretsaka
(
27/04/2009 22:51)
skoto niala koa no mamaly:
manampy ilay voalazan'i ratovoary
marina ilay hoe arakarak'ilay Tany misy azy io sy ny finoana fototr'ilay fiangonanana na samy skoto aza, indrindra t@ JMJ ireny no nahitana hoe "isan-karazany kay isika ity" fa dia samy manana ny akanjony any izy rehetra nefa samy skoto katolika aaa (mbola kato aloha aza izany hitako izany fa mainka fa miditra aby ny sisa rehetra)!
ny an'ny aty izao dia na lazaina hoe tany mandroso aza dia toa tsy mivakl loatra @ fanamiana izany: foulard no tsy maintsy hoe entina de gillet kely misy ny "gradigrady" isankarazany izay.. miala iny rehefa vita ny maha skoto
io Fanamiana io manko izao ohatra iray hitako probleme taminay fahiny , indrindra ny ankizy lahy... manomboka @ puberty , za nisy fotoana le tonga eo @ fotoanan'ny le vaky feo "naniry" niha lava dia vetivety ( 6 mbolana) dia ilaozana ny akanjo, dia menatra nitondra ilay fanamiana mihantona kely, ny RAD tsy manana amidy, ny sefo mimenomenona rehefa tsy manao uniform, dia tsy hita intsony hoe inona ny atao!
nony tonga taty ivelany mahita ilay Gillet kely vao tonga saina hoe kay mo izany tokony resaka fo ity fa tsy paraitre fotsiny .. noresahiko t@ ndry zalahy mpanabe gasy moa ilay izy fa sarotra le mampita fotsiny raha tsy tena ry zalahy marina ro mahita!
fa pratique be leizy amiko
momba ilay fifampiantsoana koa de ie.. za manokana de tsy tiako izany antsoina "ise ise" izany (ohatran'ny pelaka le izy) fa ny nahazatra ahy de "ialahy" sy "ndroky" na "ianao"
ankoatran'izay de efa voalazalazan'i Ratovoary aby

12. Djhamhal
(
29/05/2009 14:23)
Tena ilaina ry se ny skoto ! ary ny zanako dia ao antin'io ! za koa moa efa tao taloha fa fotoana fohy de fohy no nijanonako tao noho ny antony manokana ! fa ny indro kely dia ity: ny mpanabe sy ny mpiandraikitra no tsy ampy fiofanana loatra ! zany oe le tily zoky teo aloha no tokony hanofana azy reo nefa tsy tena tafa-paka ilay izy ! dia ao koa ny fifandraisan'ny R.A.D sy ny mpanabe ! tokony hifanintsy sy hifanoro hevitra @ fitaizana ny ankizy ! fa ny skoto anie tsy ny tenu no tena base é! fa ny foto-pisainana sy ny fitondra-tena no tena haviotra é! ary zay miitsy no maha skoto azy satria ra misy zaza sahirana ao anatiny ao dia tsy ny fahasahiranany no jerena fa ny fisainany izay nolazaiko tery aloha ! ary fitoviana @ maha olombelona no tanjona fa tsy misy oe ty tsara tenu na iry ratsy fa refa skoty de mitovy daolo ny fanabeazana omena ! de mirary soa ry se a^!
13. gabidemony
(
12/07/2009 21:33)
ILAINA NY ZAZA MANAO SKOTO
FITAIZANA MAHOMBY MAMPIVELATRA NY SAINA , MAMPIKAROKA...
MAHAY MI-DEMERDE @ FIAINANA HOY ZALH ZAY

14. arialy
(
08/08/2009 09:27)
tena marina fa ilaina ny skotisma , fa matoa ny skoto am fiaingonana na faritra iray no manao fitondran-tena hafahafa dia ny mpiandraikitra ny skoto izany no
tsy manao ny asany .
fa nanao skoto zà atram 15ans fa tena tsapako taty aoriana ny utilité-ny, ary tiako ho diavin'ny zanako koa ny lalàna nombako.
:)

15. bobota79
(
14/08/2009 09:41)
salama daholo
ireto manaraka ireto no tiako mba hifampiana amintsika rehetra
ekena hoe misy ireo endrika ivelany izay miteraka resabe eo anivon'ny fiaraha - monina mahakasika ny fomba fanabeazana skotisma ( fitondra -tena , fitafy ....) nefa iza @ fikambanana misy @ izao vanim - potoana izao no sahy handray andraikitra ka hijoro hitaiza ireo lazaina fa jiolahimboto na maditra , matetika betsaka ireo Ray aman - dreny no miteny hoe tena efa nataoko izay azoko natao t@ fitaizana ity zanako ity fa tsy hitako mihintsy ka aleo indray mba hampanaovina skoto sao dia mba miova , matetika izany dia efa natao fara - vahaolana ny fampidirana ny ankizy ho skoto nefa misy Ray aman - dreny sasany mieritreritra fa rehefa manao skoto 1 volana ny zanany dia tokony efa hisy fiovana be izay nefa tsarovy anie e ! andiny 2 ka hatramin'ny adiny 4 isan - kerinandro anie no hitaizana ireo ankizy ireo e ! ny ambiny dia eny @ tontolon'ny fiaraha - monina sy ny tokantrano dia iza izany no tena mampaditra ilay ankizy le adiny 4 ve sa le ambiny ? iza no tokony handray andraikitr amisimisy kokoa amiko dia fanampim - panabeazana io ary fandraisana andraikitra be no ataon'ireo mpanabe , tsy karamaina , fa manana fitiavana hitaiza tena sy hitaiza ny hafa . Ny fanabeazana koa mivoatra araka ny vanim - potoana ka tsy voatery izay niainanao no hiainan'ny ankizy aty aoriana , mamporisika ny mpanabe hiofana sy handalina ary hijoro hatrany , vavolombelon'ny asa fanabeazana ny fahitana ireo olona nandalo fanabeazana skoto nanana andraikitra ambony teto amin'ity firenena ity ary nahasahy niteny fa ilaina ny fanabeazana skoto andao ary atsipy ny hevitra e inona no vahaolana inona ny azo ifanampiana satria ny fahasambarantsika mahatsiaro nahazo soa tao @ fikambanana dia ny manao izay hahasambatra ny hafa ihany koa , koa alao hery aza fa TENA ILAINA IO ARY MBOLA ILAINA HATRANY NY FANABEAZANA SKOTO