taho ahelin'ny gazety...

1. itaramasoandro ( 18/04/2009 22:32)
Natao ampita vaovao mitombona ny gazety an-tsoratra, ny radio sy ny fahita-lavitra saingy tsaho tato ho ato no matetika hiangan'ny vaovao.
Misy mantsy ny manararaotra ny toejavatra mampalaelo miseo eto an-tanindrazana anaovana "benitra" hamarotana izay mety hampisavorovoro ny fiaraha-monina.
Aiza re ny nalehan'ny fitadiavana ny fahamarinana? Tsy tahakan'ny mahamonamonaina anareo va ny mamaky ireo karazam-baovao izay tsy ahitàna intsony izay marina sy tsy marina?
Tsy aleo tsy mamaky toa izay hanaiky savorovoron'ny sasany fotsiny.
Hevitra tahaka inona ary no mipetraka ho an'ireo tsy hafaka manavaka ny akotry sy ny fotsimbary?

itaramasoandro 8)
novalian'i accolade ny 29/04/2009 10:15
2. accolade ( 29/04/2009 10:15)
Tena mbola mila ezaka GOAVANA dia GOAVANA ny mpanao gazetintsika vao ahafehy izany atao hoe ASA MPANAO GAZETY ... TV PLUS irery no mijoro @ maha mpanao gazety matotra azy.....!!!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.174