Ny Fozaorana sy ny momba azy...

1. Oay ( 16/04/2009 05:49)
Malaza be fa ny mpanohana ny TGV d ny fozaorana, ny fozaorana moa d entina milaza zavatra natao ho an'ny mafy ady (ohatra ny finday takatrin'ny mpivarotra anana d fozaorana no filazana anazy).
Fa nanomboka t@ izao fihetsehambahoaka izao d ny fozaorana d nentin'ny SNOBE nanehoana ny heviny fa ny mpanaraka an'i TGV d ireo olona maimbo tsy mendrika ny atao hoe Olombelona!
Amin'izao fotoana izao d manambanambana any ho any ny ady an-trano eto Madagasikara, d misy mpisera nilaza hoe matahotra ny zavatra hitranga angaha i Oay? Valiny tsy misy atahoran'i Oay ny ady antrano satria i Oay d mino fa matoa tonga eto Madagasikara ny ady an-trano d lalana tsy maintsy aleha izany satria izay no fantatr'Andriamanitra fa mahabe voninahitra anazy!
Mbola averiko fa manao ny asany i satana fa i Oay d mino fa na inn ataon'i satana na inn d tsy haharesy an'Andriamanitra izany!
Tsy matahotra ady antrano i Oay fa malahelo izy satria ny fozaorana izay ireo Olombelona masiso sy maimbo no homaro @ ireo hofaty sy haratra kanefa d ny mpanankarena (Na TGV io na Ravalomanana na Ratsiraka na iza na iza an!) izay efa mamafy ny volany hamonoana olona no ahazo fanjakana!
D hiteny ianareo hoe ka tsy maintsy izay ilay izy ry Oay fa aza mitapitapy a!
D valiny tena izay tokoa ilay izy fa "Halahelo tsy ambara havana zakan'ny Tompony"
Ary satria eto moa no ahafahana miresaka toa ny miresaka @ vahoaka d mampita ny heviny i Oay fa ny ho avy d an'Andriamanitra ny fandaharana izany ary i Oay d tsy mitsahatra ny mivavaka ny mba handresen'ny fahamarinana ny vola sy ny harena!
D aza manahy ianareo fa i Oay tsy masiso na maimbo satria ny porofo d afaka mitafatafa aminareo eto izy ary efa milamina ny fiainany vao manketo izy ka izany filaminana izany d tsy misy na Olombelona iray aza eto ambonin'ny tany afaka maka an'izany @ i Oay satria Andriamanitra irery ihany no manana fahefana @ i Oay! Misaotra ho anareo izay namaky!
novalian'i Oay ny 16/04/2009 15:30
2. xxx ( 16/04/2009 06:01)
Fa angah le Andriamanitrareo ry Oay mpanao politika koa? :-D :-D :-D
De tim izy sa tgv sa arema sa kdrsm? :-D :-D :-D
3. Mandefitra ( 16/04/2009 06:02)
Ny fozaorana dia biby mitorona, sady mivelona @ loto, no manimba zay rehetra lalovany.

Mendrika ho an'i TGV sy ny ekipany zany satria :
- ho ben'ny tanana Antananarivo no nifidianan'ny vahoaka azy nefa nopotehiny Iarivo
- Nodoran'i reo tsy mataho tody ny fananam-bahoaka : RNM, TVM sy ireo orin'asa maro tsy miaraka @ TGV
- Nopotehina ny zaridaina teo analakely
- Ory hava-manana, ka dia atao zay hanimbana ny orin'asa TIKO oh ...
- Tsy misy fitiavan-tanindrazana fa mba hanatrarana ny tanjona hoe "miala ra8" dia tsy maninona na potika sy latsaka ankaterena aza ny firenena : mitsoaka ny touriste sy ny investisseurs, mikomy ny miaramila, maty hasina ny mpitondra fivavahana sy ireo Ray aman-dreny be n'ny firenena, robaina ny volam-bahoaka ...

Ka tsy ny olona mahantra no fozaorana, fa zay rehetra niaraniombonantoka t@ TGV, ka nampidi-kizo ny firenena.

Ary ny fahantrana tsy midika fahavoretrana. Ny hatsembohan'ny tavanao no hihinananao fa aza manantena miracle.

Fa raha mba madio ny tanana, voavotra ny lalana, mamokatra ny tantsaha, misokatra ny tsena iraisam-pirenena hamarotana ny vokatra, misy foana ny PPN ary ny tsara indrindra dia vokatra eo antoerana izany ... na mafy ady aza mahita zay hiriranany ihany.

4. ravatorano ( 16/04/2009 06:26)
tena tsy azoko marina tokoa hoe tsy maintsy nodorana ve ny tvm sy ny rnm tamin'ireny ary tsy maintsy nopoptehina tanteraka ve ny tiko eraky madagasikara?
Mihevitra ve ny fitondrana HAT amizao fotoana izao fa tsy misy andraikitra noraisin'izy ireo tamin'izany !
ary naninona raha potika ireo orinasan'i ravalo dia mba narovana kosa ireo izay tsy azy toy ny citic,ny score,ny jumbo, ny smart sns marobe tsy ho voatansisa.Ny antony ilazako izany dia izao malaza ary ankalazaina tokoa fa ananan'ny fanjakana milara d milaiara ny groupe tiko ka tsy "koi" raha nalain'ny vahoaka ny entana tao aminy fa iretsy orinasa hafa iretsy kosa mba ahoana!Aza hadino fa raha vao nisy ireny fahavakisan'ny citic sy ny sisa ireny dia nandray ny andraikiny ry Ivohasina nijery sy nanome tanana ary naome vola ho an'ireo mpiasa tao(izay nolazaina fa ho tambi-karaman'izy ireo izay tsy ho voaloan'ny mpampiasa azy) fa amizao anefa inona no ataon'ny HAT manoloana izany !
ny ady antrano ry Oay tsy misy raha tsy hoe voizina ah ary io fanaparitahana sy fiventesana io resaka io no hahatonga izany voalohany.tena marina fa ny mpitondra sy ny manakatao tsy ho faty eo izany ,zareo aza mbola afaka mitsoaka any ivelany ary mbola afaka migalabona be lavitra nohon'izy teto antoerana reefa any fa isika malagasy izay asaina "hiady an-trano" kosa dia mety tsy hahalevina ny faty hitsirara eo satria dia ho faty momoka avokoa
Koa aza voizina izany ady antrano izany ary aza mieritreritra akory an'izany fa politika avo lenta fanaon'ireo mpitondra eto amitsika ve no hamonotsika tena tsy izay kos angamba an !
5. Oay ( 16/04/2009 06:34)
Mbola averiko @ i Mandefitra fa tsy manana porofo isika milaza fa ny TGV no nandoro ny TVM sy ny RNM.
Aleo averiko ny fanazavako mba hiditra tsara any andohan'i Mandefitra!

1°Inn ny antony nandorana ny TVM sy ny RNM!

Valiny satria amin'izay tsy tafita eny @ vahoaka ny vaovao!

2°Iza no tsy tia ny hahatafita ny vao² eny @ vahoaka

Ravalomanana satria @ izay tsy mahita ny zavamisy marina ny Malagasy any @ faritra hafa!
D mamaly enao manao hoe "Ka azony atao ary efa nataony ny tsy nandefa ny mpanohitra t@ RNM sy ny TVM" noho izany d ny TGV izany satria @ izay samy tsy misy afaka mampiely vao² noho izany ady sahala iny!

3°Iza no nahita tombotsoa t@ fandoroana ny TVM sy ny RNM:


Valiny Ravalomanana satria nahoana:
_Rehefa may ny TVM sy ny RNM d nafindra teny Iavoloha noho izany azo eritreretina izany fa izy no nampadoro satria rehefa teny Iavoloha ny TVM d tsy nisy tafiditra teny intsony ary sarotra ny hanafihana anazy!
_Ny TGV d tsy nahita tombotsoa
iray sy aotra eto ka Ra8 no mitarika!

3°Iza no maty antoka:

Valiny ny TGV satria nahoana:
_Rehefa may ny TVM sy ny RNM d tezitra t@ TGV ny vahoaka tsy miandany satria izy no nihetsiketsika ka ny olona tsy d tia mandalina fa manatsotsotra zavatra d tonga d ny TGV no voahosopotaka! d iny moa fa nihena ny olona teo @ 13mai
_Tsy nisy fatiantoka ho an'ny Ra8 ilay izy satria ny olona aza tezitra t@ TGV ary ny an'i Ra8 ny vaovao nandeha tsara!
Eto izany d roa sy aotra ka mbola mitarika i Ra8!

4°Iza no tena nitady hevitra @ fanakatsakanana ny fampielkezambaovao:
Valiny d eto mazava be fa i Ra8 no nanao izay ni brouillena ny VIVA t@ alalan'ny fametahana zavatra teny Ambohimitsimbina! D raha tsy mahatoky indray d jereo fa mandeha tsara izao ny VIVA!
Eto indray izany d telo noho aotra ka i Ra8 no mitarika @ fahazahoana tombotsoa t@ fandoroana ny TVM sy ny RNM.
Mbola averiko fa fomba fanaon'ny AREMA rehefa hitany fa misy mitady hikorontana d ny ny TTS no alefany manankorontana d avy tonga d mamaoka lalana izy mandrara ny fihetsiketsehana d io fomba io no nalain'i Ra8 tahaka!

Noho izany raha izao lojikako izao no marina d afaka miteny za hoe Ra8 no nampandoro ny TVM sy ny RNM, momba ny TIKO sy ny ambiny d mbola afaka manao fanaporofoana otran'izao za fa sao d lava loatra!
6. Djhamhal ( 16/04/2009 07:05)
ny tiako holazaina aminareo de oe: tsy misy nahazo tombotsoa t@ io na ny tim na ny tgv fa ny antony nahamay azy de ny fahasorenana avy any @ tsirairay ka le tsirairay lazaiko mety ho tim izy mety ho tgv mety ho arema sns....ary koa manampy trotraka ny fahantran-tsika malagasy zay mbola azo karamain'olontsy fantatra 5000ariary d'efa afaka manaonao foana ary tsy tompon'ny tenany intsony!! indrisy mampahonena isika malagasy!! :(
7. Mandefitra ( 16/04/2009 07:09)
Ny lojikanao zay fa tsisy porofo.

Ny fantapoko fantam-pirenena aloha dia TGV no nitso-drano vahoaka hoe alaivo fa anareo ... Ary zay mitarika fihetsiketsehana dia tompon'antoka @ vahoaka taritiny. Raha tsy nihetsika teo ambohijatovo izy tsy nisy fandoroana, fandrobana, fahasimaban-javatra. Fa matoa ireny nitranga, dia fanahy iniana mba hangalarana ny fahefana.
Jereo zay mitranga eny ambohijatovo @ izao. Misy manendaka ve? misy mandoro trano ve?

Ary resaka fozaorana ny eto : dia zay tsy tia fandrosoana fa ny fihemorana.

Fanontaniana tsotra :
- rahoviana indray vao hiverina @ toerana nisy azy teo gasikara ?
- Ary iza @ ireo ekipan ny fozaorana ireo no afaka hampandroso an'i gasikara?
- Hilamina ve ny tafika?
- Hatoky ve ny investisseur? hatao ahoana no hamerina indray ireo mpizahan-tany ?
- ho voatandro ve ny fandriam-pahalemana? raha ny mpitandro ny filaminana aza mikomy sy mandroba, raha ny mpahay lalana aza voavidim-bola ...
- Hisy malagasy ve mba sahy hampiasa vola sy hamokatra ho an'ny firenena toy zay nataon-dra8? satria raha toe tsaina ory hava-manana toy zao foana ... tsy hisy olona sahy hanao investissement ntsony ao gasikara.

Zany ahiahy sy horohoro zany no manjaka ao antsain'ny malagasy zao ... ka aza tsiny raha tsy hiombona @ zao fitondrana fozaorana zao zahay ry Oay a.




8. mihitsy ( 16/04/2009 07:19)
[quote=Oay]
tena hafa mihitsy zany toe-tsainao zany ry oay! azon'ody ary ve sa matahotra ny seza sa very le fihinana-be efa nahazatra?
9. ravatorano ( 16/04/2009 07:23)
iza tokoa mùoa ilay ekipan'ny HAT amizao e : tsy ry zareo efa teo taloha ihany izay efa nampahantra ity firenena ity ihany ve ireo ?
10. ifiona ( 16/04/2009 07:39)
akory aby e!


amiko aloha dia tsy maintsy tgv no meloka tamin'ireny RNM sy TVM may ireny satria:

1) nitondra ny vahoakany teny akaikin'ny tribonaly izy dia navelany nandoro ny RNM sy TVM. Tsy izy akory no niantso pompiers voalohany fa dia navelany nodorana teo ny tvm sy ny rnm.

2) Rehefa tonga ny pompiers dia nosakanan'ireo vahoaka tsy hanao ny asany. Teo i TGV no tokony niteny t@ vahoakany hoe avelao ny pompiers handroso, nefa tsy niteny izy

dônky,

1) Raha tsy izy no ni-commandité an'ireny incendie ireny, dia mbola responsable ihany izy tsy niteny ny olona amin'ny maha ben'ny tanàna azy


2) Sitrapony iny fahamaizan'ny rnm sy tvm iny, zay no nahatonga azy tsy nanao n'inn n'inn.

Dans les deux cas, il est coupable.
11. xxx ( 16/04/2009 07:39)
Aza raisina ohatr'izany io Oay , fomban'ny olona ny mifametraka surnoms ka dia izay voa manodidina . Ilay loko orange angamba hoy aho no tena nampifanitsy ilay resaka
12. Oay ( 16/04/2009 08:13)
Tsy milamina ilay fomba fijery ny zavatra:
1° Mbola averiko aloha fa i Oay tsy miaraka @ TGV ary mbola mamerina izy fa tsy ankasitrahany ny fakana fanjakana eny andalambe toa ny fanaon'ny MFM sy nataon'i Ravalomanana t@ 2002 ary ny nataon'ny TGV t@ 2009!

2°Mbola averiko fa rariny raha midina andalambe ny vahoaka rehefa tsy mihaino azy ny mpitondra, mbola tsy misy ny demokrasia eto Madagasikara raha toa ka efa mipetraka tsara izany any Frantsa any ohatra, fa jereo fa midina andalambe ny vahoaka, misy faharavampanana @ izany, izany akory tsy midika fa mankasitraka ny halatra sy fandrobana i Oay fa ny tiany lazaina d hoe:"Fomba iray hanehoana hevitra ny fidinana andalambe" rehefa tsy afaka miresaka ny mpanohitra sy ny mpitondra!

3°Mbola averiko fona fa i Oay d tsy afaka manizingizina fa ny TGV na ny TIM no nampandoro ny RNM satria ny antony d "TSY MBOLA NISY NITONDRA POROFO AZO TSAPAIN-TANANA NY AMIN'IZANY" d i Oay tsy tiany loatra ny zavatra tsy misy porofo satria asan'ny devoly izany!

3°Momba ny responsabilité indray d tsy iadiana hevitra fa ny TGV no nanao fihetsehambahoaka fa ny zavatra iray tsy hitantsika ihany koa d ny tsy fandraisana andraikitra nataon'ny mpitondra niharo ireny fananampanjakana ireny, jereo ohatra fa i Oay d tsy manana holazaina raha toa ka nitifitra ny miaramila tetsy Ambotsirohitra satria tsy maintsy arovana ny fananampanjakana! Noho izany amiko d volonté déliberée de la part ny mpitondra ny fandoroana satria tsy nandray ny andraikiny izy!
D efa niteny moa i Ravalomanana hoe aleo ny fananana no simba toa izay ny aina no hafoy! Mialokalo izany amiko ka maninn raha izay fona no atao fa maninn izao d ny mampiady antrano no atao kanefa d efa fantatra fa tsy maintsy hisy rà mandriaka raha izao zavatra izao no mitohy!

4°Mialatsiny raha manonona ny anaran'Andriamanitra, ny antony d tsotra afaka miresaka an'Andriamanitra isika satria ny prémier concerné d filoha lefitra ny FJKM izay fikambanan'ny mpiangona mino an'Andriamanitra!
Ka raha tena mino an'Andriamanitra d maninn raha atao ilay nataon'i Kristy rehefa tonga haka ny fanjakana ny miaramila: "Nasainy napetrak'i Pierre ny sabatra" ny antsika anefa ity d hoe raiso ny basy!
Hamaranako anazy d hoe "Aza sendaotra rehefa mahare ny anran'Andriamanitra satria na hivazavaza eto ary i Oay d Andriamanitra tsy azony baikona"
13. reeves ( 16/04/2009 09:21)
Somary misy complexe i Oay r`efa voateniteny io hoe Fozaorana io . Io qualificatif io ry Oay dia tsy dia mamaritra ny fisehoana ivelan`ilay olona loatra ( Ohatra hoe : mahantrahantra , maloto , ..sns) fa entina milaza kosa ny toe-tsain`ilay olona manao zavatra tsy mendrika , mifanohitra amin`ny Bon sens toy ny hoe : MANDROBA , MANIMBA ZAVATRA , MANAO COUP D`ETAT , MANGALATRA , MIKOMY ..etc . ary zany na inn n`inn classe sociale misy anazy ! na inn na inn mety ho volon-kodiny sy fiahaviany , na inn na inn antokom-pinoany .
Momba ny fandrobana sy ny fandoroana isankarazany indray : Ka tsy i TGV ve no nitso-drano ireo Fozaorana hakeny Anosy sy ny MBS e ? Ary raha nirehitra ny RNM , iza no nanome baiko ny Pompier tsy hamono ny Afo tao am`RNM na dia efa nahazo fampilazana aza ry zareo ? F`ngah tsy TGV no CUA tam`zany ? Nahoana no efa alina ny andro vao mody niteny hoe \" Aleo zaho mihitsy no handeha hamono ny afo eny \" , sa ve amin`izay mba hanaovana Publicité ho an`ny tenany ilay fahasimban`ny Fananambahoaka ? Na izany fotsiny aza dia efa ampy hitsaran`ny Vahoaka hoe iza ity TGV ity ! Tian`i TGV HALAZA KOKOA ilay hetsika ataony dia tsy maintsy manao zavatra SPECTACULAIRE ( Trano may , olona voatifitra , Orinasa voaroba...sns) tahaka an`ireny izy mba hisarihana ny sain`ny olona ( hita mihitsy ileiry fa mpanao DOKAM-BAROTRA) .Ary izany dia ho fanatanterahina ilay baikon-dRatsiraka tao am`ilay interview Radio Viva hanao desobeissance civile ary tsy nisy nivaona tam`iny interview iny anefa ny zavatra nitranga taorian`izay . Amiko , cinema fotsiny ny hoe Ratsiraka tsy mankatoa Coup d`Etat fa hita hoe misy dian-tanan`ilay iry daolo ny strategie nampiasain`i TGV teto ary na dia ny maha-RESEP ny CAPSAT mpioko fotsiny aza dia efa ampy ilazana an`izany . Noho izany , dia mbola sahy hilaza ihany ve i Oay hoe tsy TGV no tao ambadik`ireny ?
14. Oay ( 16/04/2009 11:14)
reeves voalohany aloha d tsy misy complexe i Oay satria Andriamanitra no nanome an'i Oay izao rehetra ananany izao na ny voanjanahary izany na ny zava-bita an! ka d mahadedaka anazy izany satria avy @ Andriamanitra!
[b]Fa kosa malahelo ireo mihezaka i Oay kanefa tsy mba mahita[/b], d mbola averiko fa ilay vahoaka hita @ sary no nanohina ahy, satria rehefa ampitoviana tokoa d hita hoe ny mafy ady no tena maro nanaraka an'i TGV d ireo madiodio lamba no etsy Ambohijatovo @ izao fotoana izao!
Momba ny hoe i TGV no tao @ CUA d mbola averiko fa ny préfet de police teto Antananarivo no tompon'andraikitra voalohany @ filaminambahoaka, d maninn izy tsy nandray fepetra niarovana an'ireny? VALINY satria i Ravalomanana d nilaza fa aleo ny fananana no may toa izay ny aina no nafoy!
Mazava izany fa Ravalomanana no nandray ny andraikiny namela ny olona izay tsy fantatra na TGV na TIM nandoro ny fananampirenena!
15. reeves ( 16/04/2009 12:44)
Diso zany Oay --- > Ny Prefet de Police efa tsy nanome alalana ny meeting teo intsony satria tsy voafehy ireo olona ary niteny mihitsy hoe izay mikarakaraka ny Meeting no miantoka ny Fandriampahalemana kanefa dia tsy izay no nataon`ny TGV fa mbola nanao teo ihany izy ary ny fandriampahalemana tsy nofeheziny na koa niniany tsy nofehezina . Ny dikan`ny hoe aleo ny fananana no simba dia tsotra , tsy sahy nampitifitra Ra8 satria vao maika ho be lavitra no maty tamin`ireo foza , kanefa izay no tena provocation nandrasan`i TGV toy izay nataony teo Ambohitsirohitra ny 7 fevrier , manao sorona ny olona mpanaraka azy ! Amiko tena ratsy saina ny olona manao toy izany !
16. Oay ( 16/04/2009 15:30)
reeves:

Diso zany Oay --- > Ny Prefet de Police efa tsy nanome alalana ny meeting teo intsony satria tsy voafehy ireo olona ary niteny mihitsy hoe izay mikarakaraka ny Meeting no miantoka ny Fandriampahalemana kanefa dia tsy izay no nataon`ny TGV fa mbola nanao teo ihany izy ary ny fandriampahalemana tsy nofeheziny na koa niniany tsy nofehezina . Ny dikan`ny hoe aleo ny fananana no simba dia tsotra , tsy sahy nampitifitra Ra8 satria vao maika ho be lavitra no maty tamin`ireo foza , kanefa izay no tena provocation nandrasan`i TGV toy izay nataony teo Ambohitsirohitra ny 7 fevrier , manao sorona ny olona mpanaraka azy ! Amiko tena ratsy saina ny olona manao toy izany !


Tsy ekeko ilay izy satria naninn ny teny Ambotsirohitra narovana fa naninn ny teny Anosy navela nodorana
Manaraka izany d na tsy voafehy aza ny TGV d tokony nandray ny andraikiny fona ny mpanao fanjakana!


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0075