Mba mangataka fanazavana kely ho an'zay mba mahalala

1. lasa ( 15/04/2009 06:04)
Kilasy faha-6 na 6ème zao ny zanako,anisan'reo ankizy mahay izy ao ampianarana.Naharay ny "billetin"-any aho omaly dia misy torohevitry ny mpampianatra ao hoe:manaova "LATIN".Inona no tena mba tanjona @le fianarana latin? Tsy efa teny maty ve izany?Tsy fandaniam-potoana fotsiny ve ny fanaovana an'zany? Mba lazao ny hevitrareo fa tsy fantatro mihintsy ny momba an'io nefa za saikatra be hanontany ny mpampianatra. Misaotra mialoha an'zay hamaly :-*
novalian'i lasa ny 23/10/2009 16:42
2. vilambava ( 15/04/2009 07:07)
Voalazanao fa anisan'ireo mahay ny zanakao. NY tian'ny mpampianatra hahatongavana araka ny hevitro dia te hampirisika ny zanakao tsy hianona amin'ny efa hainy izy fa hiditra lalindalina kokoa. Hitan'ny mpampianatra fa afaka ny hanao izany ny zanakao ka izay no mahatonga azy hamporisika. Teny maty ny latin satria tsy misy mampiasa azy intsony amin'ny fiainana andavanandro afa-tsy ny katolika amin'ny fotoam-pivavahana sasany. Kanefa ny teny frantsay izay ampiasaintsika dia nalaina avy amin'ny latin ka manampy betsaka amin'ny fifehezana an'io teny frantsay io ny fahalalana ihany koa ny teny nihaviany mba hahafantarana ny tena heviny sy fiforonany.
3. xxx ( 15/04/2009 07:20)
Félicitations izany ho an'ny zanakao

Ny latin manampy betsaka @ fahazoana ny fototry ny teny, ny histoire, civilisations ... ohatran'ny hoe matematika koa ny iafaran'ny latin raha tena zohina , hanampy azy betsaka eo @ raisonnement ohatra , hahafahana manao analyse miaraka @ éléments hafa , en particulier l'histore, fa tsy mamerimberina fotsiny ohatry ny mampiasa langue hafa

Toy izany koa ny grecque

http://pedagogie2.ac-reunion.fr/clgLaSaline/Disciplines/Latin/LatinAujourdhui.htm

4. lasa ( 15/04/2009 09:41)
Misaotra betsaka indrindra anareo,fa tena mana-namana tokoa.Tena tsy nanao antso an'efitra tokoa aho, fa isak'zay misy olana dia misy namana manampy foana. (l)
5. Hinagasy ( 20/04/2009 06:40)
Tsy dia manana hevitra momba ny hoe hanaovan'ny zanakao latin na tsia aho, satria tsy dia haiko io taranja io. Fa hitako hoe tsara foana ny manita-tsaina amin'ny zavatra rehetra; raha tiany io taranja io vao maika tsara. Mety koa raha ampanaovinao zavatra hafa mampiasa saina extra scolaire izy, ohatra musique na zavatra hafa; Ny zanako koa mantsy somary avance amin'ny fianarana, kilasy faha 3, na CE2, nasain'ny mpampianatra nandingana kilasy izy, izahay tsy mazoto intsony satria efa nandingana kilasy iray izy, dia ny zavatra nataonay, ankoatra ny mozika ataony sy ny sport ivelany sekoly dia niditra club na échec sy club momba ny resaka astronomie izy, satria passionné be aminireo izy.
Mirary soa ny zanakao!
6. niryna ( 15/05/2009 10:36)
Hinagasy:

Tsy dia manana hevitra momba ny hoe hanaovan'ny zanakao latin na tsia aho, satria tsy dia haiko io taranja io. Fa hitako hoe tsara foana ny manita-tsaina amin'ny zavatra rehetra; raha tiany io taranja io vao maika tsara. Mety koa raha ampanaovinao zavatra hafa mampiasa saina extra scolaire izy, ohatra musique na zavatra hafa; Ny zanako koa mantsy somary avance amin'ny fianarana, kilasy faha 3, na CE2, nasain'ny mpampianatra nandingana kilasy izy, izahay tsy mazoto intsony satria efa nandingana kilasy iray izy, dia ny zavatra nataonay, ankoatra ny mozika ataony sy ny sport ivelany sekoly dia niditra club na échec sy club momba ny resaka astronomie izy, satria passionné be aminireo izy.
Mirary soa ny zanakao!


Izaho koa toa izany ,araky ny toerana misy azy io ka raha malaza any io dia inona no olana,Ny RaR no mpampianatra voalohany indrindra ary ny fanaraha-maso azy akaiky sy ny fanomezana azy fahalalana anontanitany zavatra maro ka ahitana valiny avy amin'ny RaR dia vao maika mampanita-tsaina ilay zaza.Jereo izay zavatra mana-vanana azy ary dia araho maso sy omeo courage izy.Misy olona manome zavatra marobe ny zanany kanefa tsy misy tafavoaka ilay izy satria tsy no tanterahany hatramin'ny farany.Tsara ny mampianatra zavatra iray ka tiany dia himasoana noho ny maro kanefa tsy tonga hatrany amin'ny farany
izay no mba fantatro kely e
7. ikaretsaka ( 20/05/2009 14:23)
lasa:

Kilasy faha-6 na 6ème zao ny zanako,anisan'reo ankizy mahay izy ao ampianarana.Naharay ny "billetin"-any aho omaly dia misy torohevitry ny mpampianatra ao hoe:manaova "LATIN".Inona no tena mba tanjona @le fianarana latin? Tsy efa teny maty ve izany?Tsy fandaniam-potoana fotsiny ve ny fanaovana an'zany? Mba lazao ny hevitrareo fa tsy fantatro mihintsy ny momba an'io nefa za saikatra be hanontany ny mpampianatra. Misaotra mialoha an'zay hamaly :-*


tsy fandaniam-potona fa manamafy @ linguistics aza..
za zao nanao latinina fa tsy nisy olana fa mainka manampy aza @ fi dechiffrena ireo langues d'origine latines aty afara , ary mety hisy ilana azy foana inyna resaka orthographe na resaka adventure ohatran'ny ahy aza..
8. Djhamhal ( 05/06/2009 15:01)
tsara raha anontaniana tsara aloha le zaza oe inona ny mam-pazoto azy ! fa amiko tsara daholo refa fianarana ny tsara no atao! sy ny mampanitantsaina rehetra nolazainareo teo ambony reo !
9. gabidemony ( 12/07/2009 21:40)
tena marina ny nolazain'ny djhamhal io
Mila omena lanjany tokoa alony ny eritreritry ny zaza @ zavatra tiny hatao
fa tsy de mijery fotsiny ny tin-dray amandreny sy ny papianatra fotsiny
10. rurale ( 06/08/2009 08:49)
za te hanamafy fotsiny an'le hevitry gabidemony sy Djhamal teo oe aleo ny hevitry ny zaza no tanterahana fa na mahay be aza izy any am-pianarana, nefa tsy vokatry ny fony sy ny sainy ny hanao le latin io de tsy hety hainy io no sady mety hanakorontana ny efa hay ndray, nefa ra tiany le izy de vao mainka kosa hanampy azy bb kko.
11. Ratoa ( 06/08/2009 19:59)
ka aiza no ahafantarany raha tsy andramany na dia efa nazavaina taminy aza? Manao essai kely izy izany fa mba mety ho tia karokaroka koa anie izy é !!
12. rhina ( 07/09/2009 13:57)
rehefa avy namaky ny hevitrareo rehetra teo aho dia misy hevitra kely ity;

tsara be lo oe mahay ary tena maaraka ny zanakao nefa ra io kilasiny io d tsy tokony hampianarina na anesefana zavatra betsaka loatra aloha ny sainy na dia mahay aza izy satria mety hanimba azy izany : ho lasa sumene moa zany no filaza azy. Avelao handeha tsikelikely miaraka @ kilasiny ny zavatra ataony
tsara koa raha asiana fialamboly eo @ fiainany toy ny manao sport sns ...
satria mitaiza azy aratsaina ireny rehetra ireny.
satria matoa napetra ny dingan'ny kilasy t1 ka h@ ambony indrindra dia misy antony.

Izay fa mirary fahombiazana hatrany ho an'ny zanakao
13. xxx ( 07/09/2009 14:39)
taiza indray ry rurale no nisy an'izany hoe ny ankizy no mifidy izay ianarany izany ? @ fialamboly angaha fa tsy fianarana aty @ ambaratonga ambany aty

rhina >>> kilasin'ny 5ème ny latin ka tsy hoe mandeha aloha akory ny zanak'i lasa

Ny dingana napetraka dia mifanitsy @ olona atao hoe normale, fa misy ny précoce dia misy ny miadana ==> adapter na @ ilay zaza ilay izy, ao ny mandingana dia ao ny mi redoubler

Ny sain'ny ankizy dia toy ny éponge : absorbe-tout , ka tsara kokoa aza isika lehibe no manome fahalalàna hohanin'io éponge io, sinon dia ny eny @ manodidina eny no hamenoany azy

Izaho dia matoky ny mpanabe any an-tsekoly, raha miteny izy hoe tokony hanao latin zaza ity dia ampanaoviko.

Misy ankizy manana capacité be be kokoa noho ny hafa dia izay no anomezana azy be be kokoa. Mahalala zaza aho izao mi s'ennuyer izy raha vao tsy ampy ny activités intellectuelles
14. lasa ( 23/10/2009 16:42)
Dia mbola mamerina ny fisaorana sy fankatelemana ho an'ireo rehetra zay nandray anjara,manana namana tokoa manana anareo.Mankasitraka e! :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2503