Araraoty dieny afaka miresaka

1. hery ( 10/04/2009 05:48)
Nanaiky hifampiresaka ny 4 tonta nanomboka omaly. Solontenan'i Ravalo, Zafy, Radidy, TGV. Koa hoy aho aminareo HAT hoe araraoty fa mety ny zavatra mivoaka amin'io no haha-aradalàna ny tetezamita vaovao.
Afoizo aloha io seza kely vao mba azo io dia meteza hanorina tetezamita tena izy izay ankatoavin'ny mpamatsy vola.
Raha tsy izany dia 3 volana ihany dia rava :-)
novalian'i Oay ny 10/04/2009 07:40
2. Oay ( 10/04/2009 06:06)
hery:

Nanaiky hifampiresaka ny 4 tonta nanomboka omaly. Solontenan'i Ravalo, Zafy, Radidy, TGV. Koa hoy aho aminareo HAT hoe araraoty fa mety ny zavatra mivoaka amin'io no haha-aradalàna ny tetezamita vaovao.
Afoizo aloha io seza kely vao mba azo io dia meteza hanorina tetezamita tena izy izay ankatoavin'ny mpamatsy vola.
Raha tsy izany dia 3 volana ihany dia rava :-)

Ilay hoe araraoty fa afaka mifampiresaka d raha tena mpanao politika matotra d io no fomba azahoana manangana fanjakana tandalana.
Io no mahatonga an'i Oay milaza ary tsy mitsahatra manao hoe "araraoty ny fihaonamba fa azo atao ny miresaka" ka raha tena lalintsaina d eny ambony latabatra mifampitady fa ny arabe natao ho an'ny mpangalatra sy ny mpanendaka.
Ilay tsindrompaingotra hoe very ny seza d tsy mitombina satria tsy maintsy zaraina ny toerana, ary io fizarana seza io d tsy maintsy ekena raha tena tia tanindrazana marina.
Ny olana anie d ny teo aloha tsy nety niresaka mihintsy é!

3. essera ( 10/04/2009 06:26)
Ny isavorivorian-kilantoana ka marina zan Rahery sy Oay. Ny tena hanahirana kely moa dia ity : Hatraiza avy ny pression ananan'ny tsirairay ao amin'io.
Ny quota angamba no marimarina kokoa, raha ny lojika dia TGV sy ny TIM no tena tokony ho miavaka ao.
Ary somary mapmé kely ihany moa ny miteny an'i Mada Raid hoe : "Somary niandry an'ilay moment propice aho fa izao no tena tiako". Izany hoe tsy d manana poids loatra izy fa te hametraka hoe "J'existe". Izay moa no demokrasia.
4. Noue ( 10/04/2009 06:36)
araraoty dieny mbola afaka fa tsy ho ela dia ho rava eee !!!
5. Oay ( 10/04/2009 06:40)
Ka io ry essera mbola averiko fa ho an'ny olona tena tia an'i Madagasikara ary olona tena maniry ny hisian'izany démokrasia eto Madagasikara d aleo azava fa nanao ASA GOAVANA I ZOKILAHY Andry RAjoelina satria raha tsy i lery d tadidio fa toa izao miseho ao Alzeria izao no mahazo antsika satria ny goaika antitra efa tsisy mpihaino intsony ka tsy mahazo vahoaka, d izay no nasahian'i Ravalomanana nanetsina ny sofina sy nanao didy ny be sandry!
_Jereo ny ataon'i Manandafy é! lasa mpisolelaka sisa!
_i pastera moa d nilaza fa tsy hiaraka @ devoly izay excuse valable.
_i asterix moa d iny nipitsika tampoka iny.
_i Pr Zafy d io mandrangitra adipoko io fa tsy mahasehaka.
Fa na izany na tsy izany d lojika politika no manosika ny rehetra hifanaraka satria tsy hisy filaminana haharitra eo ka very ny finanana.
Les politiques sont des opportunistes
6. essera ( 10/04/2009 07:15)
Noue:
araraoty dieny mbola afaka fa tsy ho ela dia ho rava eee !!!

Ny an'i Noue kosa moa izany ny tanjona rehefa nandinika aho dia :
- Aleo ihany miaina amin'ny jadona.
- Aleo ihany miaina amin'ny ampihimamba.
- Aleo ihany hitohy ny fandrobana sy ny tsy filaminana.
Ka aretina tadiavina indray ny anao ka ny tsaratsara dia andao Oay sy Hery anao latsak'emboka dia alefa miaraka amin'ra8 maman'zazà.

T'embarques avec toi ton mari et tes petits.

7. Oay ( 10/04/2009 07:40)
essera:

Efa nolazaiko ry essera fa efa voazara ny andraikitra:
_ao ny mpandalina sy mpamolavola
_ao ny mpanatanteraka
_ao ny mpametaka afisy sy mpisolelaka satria tsy afaka mandalina loatra.
Tsaroako eto ilay tenin'ilay mpampianatra anay izay tany ambanivohitra:
izy d olona mihinana paraky d somary malotoloto izay, d rehefa mametraka fanontaniana izy ka tsy misy mamaly d ozy izy tinareo ve raha ohatra misy mofo eo d tsakotsakoko aloha d nareo mpitelina fotsiny, fa tonga za d rikoriko d nanomboka teo d ozy za hoe aleo rehefa mahita zavatra d mitsakotsako (mandinika) fa tsy hiandry ny olona hitsakotsako d avy eo hitelina fotsiny.
Ka aoka tsy hogaga isika raha toa ka misy tsy afaka mandalina eto fa tonga d mitelina izay omena anazy d ireo mpametaka afisy izany!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1687