Momba ny Unité Africaine ?

1. essera ( 09/04/2009 09:23)
Mba manontany ihany aho ry reto hoe tena hatraiza marina moa izany no tena tanjaky ny Unité africaine ireto économiquement.
Eo amin'ilay économiquement angamba no tena iresahako kely hoe mety mahavita antsika ve ry zareo sa jamba hifampitantana no tena reviny. Mba nandinika ihany aho mantsy hatramin'izay taona maromaro izay fa tsy dia nisy nisongadina mba tsy hitenenana hoe tsy nisy ny tena fiaraha-miasa amin'ny afrikana.
Afrique du sud ihany izao no tena hoe mijoalajoala ary ireo tany manana pétrole izay efa ifandroitan'ny manan-katao occidentaux sy ny européens.

Raha tena mba te hijery ny adklé mpitondra eto afrika ianareo dia :

http://phortail.org/blagues/internationales-1024.html#humour

Ary tena marina io
novalian'i fijo ny 09/04/2009 21:39
2. ravatorano ( 09/04/2009 09:30)
ny afrikanina tavaratra sy afrique du sud marina no tazana fa afaka manampy antsika malagasy fa raha ireto "rahalahy afrikanina mainty" kosa toa tsy hitako hoe iza fa mifanahatsahana amitska daholo ihany ary saika nandalo tamin'ny fitondrana azo tamin'ny fanonganam-panjakana avokoa !
3. locl ( 09/04/2009 09:35)
Tena manana hery ny UA fa aza ambaniana, indrindra fa ireo membre ao @ SADC hafatsy Zimbabwe sy Madagascar. @ zao crise mondiale zao manko dia mitady vola mafy ny pays occidentaux ka any amin'reny pays toa andry South Africa, Swaziland,lybie, Egypte izay manambola mipetraka no mitodika ry zareo.
Marina fa maro be ireo pays ao Afrique no ratsy jery eo imason'izao tontolo izao fa tena misy ireo matanjaka izay afaka mahavita lavitra be.
4. Mandefitra ( 09/04/2009 09:39)
Ka tsy efa zava dehibe ve raha afa miara miasa @ Afrique du Sud fotsiny oh?

Efa nambarako ary mbola hambarako ihany :
Ny tsaramaso amidy eny @ gd surface aty Maurice de avy any chine sy canada. Malalaka be ny tsenana voamaina eto, na ny legumes koa aza : karoty ovy, voankazo. Maurice membre ny SADEC tompoko.
Ny hena hafarana any australie na sud af, @ vidiny midangana dia midangana. 400rs/ kg (120.000 fmg).
Na zay monja aza dia fatiantoka ho an'ny malagasy sy ny tantsaha ary ny mpandraharaha ny fialana @ SADEC.

Isika mo tsy vonona ny hivoatra e ...

Asa rahoviana ihany.
5. essera ( 09/04/2009 09:58)
Tsy dia mitovy hevitra amin'ny Mandefitra loatra aho eo amin'ny hoe tsy te hivoatra isika.

Ny fijeriko manokana, marina fa misy ireo hoe firenena oriental na afrique du sud mety hanafatra fa raha ny vokatra eto amintsika ange dia sahiko ny miteny fa à 80% tsy destiné mihitsy ho an'ny firenena afrikana sy ny oriental fa raha hividy aza ry zareo dia tsy dia tsara vidy loatra mihoatra amin'ny europe sy ny amerikana.

Raha jereko mantsy izao ireo hevitra rehetra nandeha teo aloha dia tsy isika indray aza ankoatra ny firenena vitsivitsy no manana opportunité betsaka kokoa vokatry ny position-tsika na toerana io na potentialité ahafana mandroso mihoatra an-dry zalah afrikana.

Ka izay no antony itenenako hoe mahantra be fihantrana koa isika raha hifampitarika aminy fa tsy aleo ve ny mba tena manao mivantana no antonina toy ny hoe : "Frantsay" (izay mankarary sofina ny manara-dalàna). Tonga dia miteny tsotra izy hoe : ity ny zao millions d'euros hanaovanareo an'izao toy izay mbola hifanaraka amin-dry lerony hoe : "aleo aloha mba ho anay indray dia inona . . .". Ilaina ilay distance izany fa tsy hoe ny akanga maro tsy vakin'amboa.

6. Mandefitra ( 09/04/2009 10:26)
Efa hatry ny ela ny frantsay no nanjanaka ary mbola manjanaka ary hanjanaka ny gasy.

Efa nolazaiko teto koa fa ny raha misy trano iray mijoalajoala eto Maurice, dia an i Banky io zay. MCB, na SBM, na HSBC na Barclays ...
Ary maniry otran ny anana zany eto,

Mba inona no nataon ny banky frantsay tao madagasikara hatrizay?
Nitsetsitra, mitsetsitra ary mbola hitsetsitra ny gasy hatrany. Tsy misy fampandrosoana entiny.
Ary zay aza no nahatonga andra8 hoe hanangana banky malagasy.



7. essera ( 09/04/2009 11:43)
Mandefitra ihany ange dia efa mamaly hoe : raha misy trano iray mijoalajoala eto Maorisy dia an'ny banky. Ireo no nanao azy. Dia izao, naninona no tsy mba voatonona hoe société hafa ankoatra ny banky fa manjanaka be zany ny banky raha ny fahazoako an'io.

Momba ny frantsay indray ange dia izao no tsarovy e, raha tena dinihina dia tsy ho afa-paka eto amintsika ny frantsay. Na mandroso aza ny teny anglisy sy amerikana saika mi-tourné à 80% ny frantsay administrativement.
firifiry no gasy tena pur 100 zao jerenao fa zanaky ry zalah frantsay tam vevavy gasy teto. Betsaka ny frantsay tsy feno tanteraka (tsy gaullois zan no tiko tenenina) miara-miaina amintsika ary tena gasy fa vazah ara-taratasy.
Azontsika atao ny miteny hoe voazanaka isika, ary azo atao koa ny miteny hoe mifampiankin-doha satria misy intérêt-ny eto mada moa ny Mada koa ts afaka rah tsy eo ry zalah.
Tadidio izao hoe ny frantsay no 1er bailleur de fonds eto Madagasikara. Asa izay handà an'io fa io no zava misy aloha.
8. molota ( 09/04/2009 12:07)
iza moa no milaza fa tsy hiaraka @ la frantsa fa mba avelao ny gasy mba hiaraka hiasa @ Mpandraraha hafa éé!!
9. essera ( 09/04/2009 12:15)
Zah kosa alo tsy niteny mihitsy hoe tsy mahazo miara-miasa amin'ny firenen-kafa. Fa ny nolazaiko dia hoe firenena samy tsy afaka ve no hifanampy.
Mety ny ady hevitra amin'io dia hoe aleo anjaranay ny mandray ny vola azo ary am-dranona, dia anlisany rehefa am tour'ny i anona no manome.

:lol: :lol:
10. Mandefitra ( 09/04/2009 12:17)
tsy azon i essera : manao investissement eto maorisy zany ny banky miasa eto maorisy.

Moa nanao investissement tao madagasikara ve ny bni cl sy ny bfv sg, sa ny vola sy ny tombotsoa aozny dia miondrana any frantsa avokoa?

Raha hitarina kely ny fijery de hoe : matoa niroborobo ny tiko sy magro, dia nampiasa vola tao madagasikara ra8.

Mba inona kosa ny orinasan i radidy (27 au pouvoir), vonihitsy (eternel depute de maintirano) ....

Mba nivoatra ve ny savonnerie tropicale ny famille ramaroson?
Ny savony nosy ve zao mba misy marika hahafantarana hoe ty fandroana, ty fanasana lamba, ty mety ho an nyzaza .... Firy taona izy no teo?

Mba anisan ny fianarana lehibe ihany ny kolejy Rasalama, saingy indrisy ... tsy hita zay vokatra misongadina avy ao. Raha mbola nisy fitondrana nijoro teto madagasikara, de raha tsy tao anatiny dia anisan ny mpanongana azy ry Andriamanjato ....

Betsaka toy izany ny oh ahitana taratra hoe tia fandrosoana ve ny gasy sa tsia ... ary mahatonga ilay anaram-bositra hoe fozaorana no betsaka ... tsy mandroso fa mihemotra.


11. essera ( 09/04/2009 12:44)
Ayyy, misaotra Mandefitra, azoko. Mora azoko kely ilay izy vao nazavainao elaela.


Moa nanao investissement tao madagasikara ve ny bni cl sy ny bfv sg, sa ny vola sy ny tombotsoa aozny dia miondrana any frantsa avokoa?

Ampanetre-tena no itenenako fa tsy arako.

Raha hitarina kely ny fijery de hoe : matoa niroborobo ny tiko sy magro, dia nampiasa vola tao madagasikara ra8.

Tsy ara-dalàna kosa tompoko ny fampiasam-bola natao tamin'io. Ary ny mahavalalanina dia gasy toa anao no manao anao an'io zavatra io fa tsy mba étranger ahay. Ny volam-bahoaka no nahodiny au maximum. Ary raha naodina dia naverina mbola azo leferina fa naodina dia efa arakao e...


Mba inona kosa ny orinasan i radidy (27 au pouvoir),

Radidy aloha iny ange efa nahazo ohatran-dra8 e. Azafady, talohan-dra8 mantsy e. Nefa Ra8 dia mbola nanohy ny révolution socialiste ratsirakiste version 2 ihany. Adalana niaro tsinjaka.

vonihitsy (eternel depute de maintirano) ....

Iny rangah ty mampmé fa izy mits no niteny hoe tsy manana carrière afatsy politika mandrapaafaty hono izy. Miala tsiny aho raha mety ho diso kely eto fa nampitaina tam resadresaka teny am sisiny io.


Mba nivoatra ve ny savonnerie tropicale ny famille ramaroson? Ny savony nosy ve zao mba misy marika hahafantarana hoe ty fandroana, ty fanasana lamba, ty mety ho an nyzaza .... Firy taona izy no teo?


Io dia orinasa tena nokakain-dra8 ary tsy tiany maizina satria saika hanao actionnaire tao izy d ts poinsa dia avy eo nomeny an'ilay fomba fiady mahazatra. Ataony mahita amin'ny fampidirana matière première ka raha tsy nanana ny lazany sy ny qualité de produit mendrika dia efa nikatona. Pour info, ry zareo no miara-miasa amin'ny unesco mo izy zay raha tsy diso aho amin'ny famatsiana ny savony ho an'ny programme-ndreo. Io no savon de marseillen-tsika. tokony nandroso lavitra io ary izay no nanosika azy hanohana an'i TGV. Raha nanaraka vaovao nareo dia impiry niseho télé ireo namoaka ampahibemaso ny tsindry hazo lena ataon'ny Ra8 et Cie.


Mba anisan ny fianarana lehibe ihany ny kolejy Rasalama, saingy indrisy ... tsy hita zay vokatra misongadina avy ao.

firifiry kosa iza no ankizy navoakan'ny tao e. D any am lé ts milam foana kosa nénareo.

Raha mbola nisy fitondrana nijoro teto madagasikara, de raha tsy tao anatiny dia anisan ny mpanongana azy ry Andriamanjato ....

tokony ho nilay le rangah iny fa nahay nifindrafindra loatra dia tsy nanana an'ilay maturité politique intsony imason'ny vahoaka malagasy. soa ihany ny zanany fa somary mametraka position mazava fa tsy miandry farany.


Betsaka toy izany ny oh ahitana taratra hoe tia fandrosoana ve ny gasy sa tsia ... ary mahatonga ilay anaram-bositra hoe fozaorana no betsaka ... tsy mandroso fa mihemotra.

Betsaka no tokony hiara-handroso niaraka tamin-dRa8 fa nokakaina. Ny mpandraharaha ange no tena hery manosika ny toekarena e. nefa Ra8 kosa dia tena nampiseho fa rehefa tsy an'azy, ary farafaharatsiny misy idirany dia "MIALA, MIALA." Baiko tokana fotsiny dia efa midina any ny Bianco, Contrôle fiscal. Mino ahy ihany angamba Mandefitra.

12. xxx ( 09/04/2009 13:21)
TIKÖ kosa efa natanjaka be talohany naha beny tanana antananarivo ani ra8 e
13. fijo ( 09/04/2009 21:39)
ny zavatra azo hitsikerana ny tiko ry essera rah ahitsikera isika,dia izy hoe tsy nandoa hetra,asa na hoatrinona marina,fa ny TGV koa miovaova foan any chiffres lazainy.
ny azo tsikerana koa ,dia izy hoe ts ydia namela ny sasany hifanionana taminy.misy ihan yfa vitsy.chocolait sns.
fa ankoatr'izay ,di aisan'ny tena nampandroso an'ny madagasikara i ravalo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0518