Eto aloha dia tsy nitombina ilay telo volana !!!

1. essera ( 09/04/2009 07:19)
Samy naheno tsara an'ilay fanambarana omaly angamba isika momba an'ilay hoe alamino ao anatin'ny 6 mois aloha ilay fandehany.
Ekena dia ekena fa tsy neken'zareo ilay résultat an'ilay assise. Tsy manino mihitsy raha hiteny ianareo hoe peta-toko satria ny toko efa teo fa i Peta (mpanohitra) no niavonavona ka izao vao vonona.
Tonga dia arosoy aloha izany ilay gateau Mr Hery mba atao goûter fa fanamby hafa indray no anaovantsika vary be menaka.
Ô ry Oay, avy elah fa ngezangeza ihany ilay gateau, na hitondra ho an'ny kilonga any an-trano aza tsy maninona satria tsy ampy folo isika no niloka tamin'ilay izy. Tsika mitsam no mandidy sy manapaka kosa aloha...

:-P :lol:
Aza tezitra raHery fa vao manomboka ity ny lanonana.
novalian'i fijo ny 09/04/2009 21:54
2. Oay ( 09/04/2009 07:25)
Ô ry essera a! ka mbola volana aogositra kosa anie vao feno ny telo volana klé!
3. essera ( 09/04/2009 07:37)
Ka izao izany e. Raha sahy raHery dia ataovy avo roa heny ny loka amin'io. Ataovy tontona roa mihitsy izany dia mba gros lot be. Raha voa moa izany izahay dia omenay ilay avo roa heny satria ilay azo atreto dia arotsakay manontolo ho an'ny FPVM izay mbola misangôjy amin'ny FKFM.

4. locl ( 09/04/2009 08:44)
aza variana mifaneso fa ity resaka politika ity hitadiavana vahaolona e! Rehefa tsy tafa ny TGV dia tokony mba manaja tena miantso ny TIM fa raha tonga eo nge Dada ka mahamay sofina e! Tany Lybie manko izy omaly, ary ten miktrika zavatra mafy be zareo ao raha ny fahalalako azy
5. KALACK ( 09/04/2009 09:52)
O lety ry essera ! tsy ho sahy hiditra eto handoa ny fanambinlah zany Hery fa odiany fainnn elah e! efa fomban'ilery io voa petsa de tsy miditra eo fa miova dinika any le ngama , zay no maha sefo azy ony fetsy ratsy
6. xxx ( 09/04/2009 10:01)
locl:

aza variana mifaneso fa ity resaka politika ity hitadiavana vahaolona e! Rehefa tsy tafa ny TGV dia tokony mba manaja tena miantso ny TIM fa raha tonga eo nge Dada ka mahamay sofina e! Tany Lybie manko izy omaly, ary ten miktrika zavatra mafy be zareo ao raha ny fahalalako azy


dadanao aloha raha tonga eo tonga de any Tsaifahy e, asaivo tonga eo anaoavanay vahoaka azy tsara!,
7. hery ( 09/04/2009 10:10)
:-)

Resaka lojika ilay izy ra-essera a. Ohatry ny hoe matahotra be izany nareo. Vakio tsara ny zavatra nosoratako momba io 3 volana io fa mbola ao.

Ny vinavina nataoko dia hoe:
Afaka 3 volana dia lany ny tahirim-bola REHETRA ao Madagara hoy aho raha toa ka tsy mahazo vola avy any ivelany TGV.

Raha vao lany ny vola dia tsy handray primes intsony ny capsat, ny mpiasam-panjakana tsy hahazo karama etc... (Vakio tsara kosa ilay nosoratako fa haveriko eto daholo indray ve e).. dia hiteraka fikomiana ary hampiala an'i TGV. Dia mety ho tonga tampoka Ra8 amin'izay fotoana izay hitondra fanampiana be dia be (hanao Mesia)... dia izay vao tena blem satria ho mafy orina Ra8 dia homafy kokoa noho ny teo aloha ny jadona.

Fantatr'i Andry tsara io ka izany no mahatonga azy miezaka mandresy lahatra hoe omeo vola izahay, aza hidina ny TIKO, sns... nefa tsy ho ampy ihany izany satria mihidy daholo ny robinets...

Dia telo volana dia rava...
8. andrywui ( 09/04/2009 10:15)
Fa ra-hery koa ve rah oe sefo ato de midika izany fa mpaminany ee!!!! ka raha tonga haingana amzay ary ny fanampiana ny Fanjakana satria ny Frantsay efa nankatoa , ary hanaraka tsy ho ela ny Firenen-dehibe rehetra de ahoana ???? tsy hijery fotsiny an'i M/car misy olana izy fa tsy maintsy hanome vola aloh hampiodina na de ny laharampahamehana amin firenena aza !!! mbola vinavina sy nofy ny anao ra-hery a!! ze tena lozika sy reél resahina !!!
9. essera ( 09/04/2009 11:25)
Raha tsy diso aho nisy nanampy an'i Mcar vao omaly. Mba tsy hilazako lainga dia aleo omeko ny andinindininy rehefa vory tsara ny élément fa tena sûr amin'io aho a.
Tsy hitombina izany ilay foana ny caisse Mcar
10. essera ( 09/04/2009 11:27)
locl:
aza variana mifaneso fa ity resaka politika ity hitadiavana vahaolona e! Rehefa tsy tafa ny TGV dia tokony mba manaja tena miantso ny TIM fa raha tonga eo nge Dada ka mahamay sofina e! Tany Lybie manko izy omaly, ary ten miktrika zavatra mafy be zareo ao raha ny fahalalako azy

Dia hono ho'aho ry locl, fa ny sadc sa ny libiana no tena ho avy. Raha vao entina titre firenena iray aloha no hidiran'ny Ra8 eto, dia izy indray no midi-kizo satria na ny firenena hafa aza dia hanondro-molotra an'azy ka vao miha-discrediter tanteraka amin'izay izy.



11. fijo ( 09/04/2009 21:54)
mitombona tsara io resak'i hery io.ary ity az ano mbola fanampiny.i zafy albera koa anie vao miha manampy trotrak any adisain'i TGV e.hosamborina ve??akam aihany,avela eo ,toa mamoatsampona.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2491