TELO VOLANA hoy aho :-)

1. hery ( 08/04/2009 09:32)
Na dia nosokafana aza ny Tiko dia mbola 3 volana (sy andro vitsivitsy angamba) ihany no omeko ny HAT satria ny tsenan'ny TIKO dia tsy hitovy amin'ny t@ andron-dRavalo intsony fa efa nodorana sy voasembatsembana.

Telo volana dia ho rava ny HAT satria tsy ampy ny vola ary rehefa noana ny vahoaka dia hikomy.

Matahotra an'io ny minisitra Benja R. ka mitalaho mba handeha ny milina ekonomika. Ahoana anefa no hampandeha milina nosimbaina tao anatin'ny 3 volana? Raha nieritreritra haka fanjakàna dia tokony tsy nosimbaina ilay fanjakana horaisina. Izao ny mpandrava ihany no mizaka ny vokany.

Efa manomana ny relève izahay satria hihaona eto indray isika amin'ny Jolay 2009.

novalian'i fijo ny 08/04/2009 20:40
2. xxx ( 08/04/2009 09:38)
mety hamokatra ronono, menaka angamba ny mélia ao bira kou :-D :-D :-D
3. ari.malala ( 08/04/2009 09:41)
Raha nieritreritra haka fanjakàna dia tokony tsy nosimbaina ilay fanjakana horaisina
io ilay tsy nosainina fa ny handrava no nahamaika ko!
4. Mirananirina ( 08/04/2009 09:41)
Enga anie ka ho 3 volana tokoa.tsy ampy ny vahoaka ny volanao Président a,ny tgv ary tsy ampy homenao vola ,maika fa ny vahoaka.
Inona izany no tokony hatao,hangataka etsy sy eroa sa........miha-mahantra indray ,nefa izany no antony nangalana io fanjakana io.
5. Oay ( 08/04/2009 09:45)
hery:

Na dia nosokafana aza ny Tiko dia mbola 3 volana (sy andro vitsivitsy angamba) ihany no omeko ny HAT satria ny tsenan'ny TIKO dia tsy hitovy amin'ny t@ andron-dRavalo intsony fa efa nodorana sy voasembatsembana.

Telo volana dia ho rava ny HAT satria tsy ampy ny vola ary rehefa noana ny vahoaka dia hikomy.

Matahotra an'io ny minisitra Benja R. ka mitalaho mba handeha ny milina ekonomika. Ahoana anefa no hampandeha milina nosimbaina tao anatin'ny 3 volana? Raha nieritreritra haka fanjakàna dia tokony tsy nosimbaina ilay fanjakana horaisina. Izao ny mpandrava ihany no mizaka ny vokany.

Efa manomana ny relève izahay satria hihaona eto indray isika amin'ny Jolay 2009.




Hery a! ianao izany efa mahita ny ho avy fa izao tadidio io teninao io fa raha tsy tanteraka d hifankahita eto isika!
Aleo aloha azava fa za tsy mahalala na rahoviana io no horava na rahoviana an! fa enao ity toa ohatrany tena mahatoky tena be d izay no hilazako an'ilay izy hoe "eto isika no hifankahita" d aza mialà-pa rehefa tonga izay fotoana izay.Raha toa moa ka tanteraka ny fanirinao d aza manahy fa manolotra fiharabana i Oay fa raha tsy tanteraka kosa d enao toa ohatrany misy sarinao mandehadeha any d rehefa mifankahita tarehy isika d omeko anao ny hafatra.


6. xxx ( 08/04/2009 09:48)
Ka tsy maintsy noravana kosa aloha ny teo ko!

Natanjaka sady nanao vava be ange i dada ka nampatahotra e! Izahay ary saika tany tsiafahy raha tsy nisy kely! Tsy maintsy natao daholy aloha izay azo atao mba hampiala an'azy teo.

Marina fa gidragidra ny fiainana amin'izao fa fauten'izà? tsy izahay vao vetivety izay akory no napahantra an-dramalagasy fa i dada efa fito taona teo???

Ary inona hoa ny zavatra tsara mba nataon'i dada e????
7. rabaradaka ( 08/04/2009 09:55)
Zao dadatoa no lazaiko aminareo a, ny fahatongavan'ni Peirrot eto no handravana ny HAT
8. sohitika2008 ( 08/04/2009 10:01)

enao toa ohatrany misy sarinao mandehadeha any d rehefa mifankahita tarehy isika d omeko anao ny hafatra.

Jiolahimboto TGV fa tandremo
9. Oay ( 08/04/2009 10:11)
sohitika2008:


enao toa ohatrany misy sarinao mandehadeha any d rehefa mifankahita tarehy isika d omeko anao ny hafatra.

Jiolahimboto TGV fa tandremo



Sohitika a! raha i Oay no tianao lazaina d mbola averiny fa tsy TGV izy ary tsy ho TGV rahoviana rahoviana ary i Oay d mbola mamerina fa tsy ankasitrahany ny fakana fanjakana eny andalambe satria manimba:
_ny toetsaina izany!
_manimba ny toekarena izany!
_manimba ny fiarahamonina izany! mba fantatrao moa fa misy fianakavina tsy mifampiditra an-trano @ izao fotoana izao satria ny sasany niaraka t@ TGV teny @ 13 mai ny sasany TIM etsy Ambohijatovo!
Fa kosa tsy nisalasala i Oay niteny an'i Oay satria tompon'andraikitra i hery ary ny maro eto d tsy fantatra ny tarehiny fa i hery d misy clip sy ny sisa ka ity tontolo ity d kely d manantena za fa mbola hihaona @ hery d mba miresaka!
Fa na izany aza d mananatra an'i hery ihany ny tenako manao tandremo fa ny ratsy tsy kely lalana,
Ny anay sy hery indray d mifanaja izahay ka tsy misy tokony hifanaovana ratsy! fa mety hafaliana aza ny fihaonana.

10. vilambava ( 08/04/2009 10:18)
Atao ahoana moa fa izay no politikan'ny DJ e. Fanomezana ambiance mandalo no tena talentany, avy eo dia manao Didy Jadona indray, ka izay mozika alefa dia tsy maintsy mandihy ny rehetra anaty sale. Rehefa tapitra ny mozika dia mijanona ny dihy sy ambiance. Ka arakaraka ny CD eo am-pelatanana no hahafahana manoome ambiance. Izao nefa toa lany sahady ny nouveauté ka tsy maintsy alefa ireo CD taloha izay neverina fa tsy ilaina sy efa lany andro.
Tsy aleo ve tonga de lazaina hoe: samia mamonjy fodiana daholo fa tapitra ny revy, dia hoe midira amin'izay te hisolo ny toerako fa lany bala aho e?
11. Mandefitra ( 08/04/2009 11:07)
Ty mba misy hafatra kely ho an ireo mpanohana an i TGV :
"Aza mifaly @ tsy fahamarinana ..." ary "Aza mamaly ratsy ny ratsy"

Raha zao zvt efa hita fa mamotika ny firenena zao no mbola hotohananao, satria hoe nanao ratsy ra8 de hovalinao ratsy koa .... mieritrereta.

Zay ihany.

12. Oay ( 08/04/2009 11:22)
Mandefitra:

Ty mba misy hafatra kely ho an ireo mpanohana an i TGV :
"Aza mifaly @ tsy fahamarinana ..." ary "Aza mamaly ratsy ny ratsy"

Raha zao zvt efa hita fa mamotika ny firenena zao no mbola hotohananao, satria hoe nanao ratsy ra8 de hovalinao ratsy koa .... mieritrereta.

Zay ihany.




Ary raha toa ka atao hafatra ho an'ny TIM sy TGV:
"Mampalahelo ny firenena ka miresaha ianareo" efa afaka miresaka izao d aoka samy hanararaotra fa tsy ny tahotra no hahazo toerana.
_TGV matahotra an'i Ravalomanana d manao hoe "aleo iny tsy avela hiverina intsony"
_Ravalomanana matahotra an-Dratsiraka sy Pierrot sy Tantely d manao hoe "Tsy mila miverina eto intsony ireny"
_Pierrot matahotra an'i Zaza sy Ratsirahonana d manao hoe ahongana i TGV saribakoly!
D izany rehetra izany mitarika fahavoazana ho an'ny firenena,
Mijaly ny Malagasy fa ny mpianakavy aza miady noho ny asa demony mpampiady an-trano.
D hisy hilaza hoe ka naninn ry TGV no nidina andalambe?
D hisy mamaly manao hoe ka naninn Ravalomanana no tsy nety nihaino sy niresaka t@ mpanohitra?
D hisy hamaly hoe ka izy voafidy ny maro an'isa
D misy mamaly manao hoe izay izany ilay fanjakan'ny be sandry tsy mila mihaino ny hevitrin'ny vitsy anisa!
D misy mamaly manao hoe ie!
D misy mamaly manao hoe aleo hatsangana ny kianjan'ny demokrasia!
D misy mamaly manao hoe izany demokrasia izany rehefa tsy za no manao anazy d tsy hisy izany!
D misy mamaly manao hoe fa enao ve ilay Andriamanitra ka afaka ny hilaza fa raha tsy enao d hovery ny tanindrazako!
D miteny Oay manao hoe:"Tsy lany olomanga ity Madagasikara ity" na d maro aza ny mpamosavy tsy mikatsaka hafa tsy ny hanimbana anazy noho ny ambompo diso toerana!


13. KALACK ( 08/04/2009 12:31)
Ny vola fitady ry hery a!! rah mbol mieritrertr hitondr firenena de tsy maints mikaratak , saingy mbol miandr kely ny firenena rehetr hanaiky ny fitondran aloh de hibosesik io !! Ravalo aza anie ka mivoaka isaky 3andro miala an'i Madagascar mitady fanapiana ara- bola ee! ka rehef ny TGV no mb mikarok sy mangatak am frantsay aloh de ozy ry Mirana hoe hivelona amin hataka ee!! zao ééé !! nefa de io hataka io no namelomndravalo ny firenena hatramzay !!! sadyzay ko no tsy maints lalana aloh ra mbol andalampandrosoana ee!!
14. babany ( 08/04/2009 14:12)
Hery,

manaiky tanteraka ny maha-lafatra ity site serasera ity aho
ary mankasitraka ny ataonao rehetra amin'ny fandavorariana azy

saingy ...

sadaikatra ihany raha mahita fa ny tompon'andraikitry voalohany
amin'ny serasera tahaka itony dia miandany ary mamoaka
ny ho avy izay tsy misy mahafantatra

satria ...

malagasy marobe samy manana ny heviny no mitafa eto.

Tena efa taizan'i Berlusconi tokoa ianareo any ...
Inona tokoa moa no maha-samihafa an'i Berlusconi sy Ra8 ?

Noheveriko fa ... tsiky dia ampy.
Efa niova angà ny filamatra ?
satria ny dinika tahaka izao dia tsy mampihomehy
intsony satria raharam-pirenena no resahina.
15. ifiona ( 08/04/2009 14:56)
ny vola fitady ve? nefa rehefa roindefo no nanontaniana hoe dia ahoana raha tapaka ny fanampiana avy any ivelany dia hoe: "ça ne nous dérange pas outre mesure?"


babany: mba mahazo maneho ny heviny kosa izy, efa hitany fa tsy mety ve dia mbola hangina ihany izy. Zany akory tsy midiaka hoe manohana an'iza izy na manohana an'iza fa mba milaza ny zavatra fantany fa tsy mety.
16. yonikafopl ( 08/04/2009 20:11)
ifiona za kou vo saika hiteny an'io, reny be vava le benja sy roindefo fa ils survivront na de tsy hisy fanampiana avy any am firenena hafa aza, zao ty toa mitotototo etsy sy eroa njay mangataka,

hita mintsy we tsy matotra, sady tsy manankambo,

zany ve ny oll hitondra firenena, be vava otran inn nefa avy eo tsy mitana ny teny natao???
mbola aiza re zany eee

Fa ny blem zao de raha mbola afaka 3 volana reo vo ho afaka eo, de ho potika tanteraka ny toekarena sy ny firenena,
De raha hiverina marina Ra8, hanana patience ve ny gasy ka hanome fotoana azy indray hanarenany ny nosinimban'ireto Jiolahy??????
17. fijo ( 08/04/2009 20:40)
izao ny vola ts misy,ny banky centraly mitokona,ny mpiasan'ny finace koa efa manomboka,ilay firenena lazaina fa avy dia hanome 50 000 000$toa tsy mbola hita ihany.ny karamann'y mpiasa it efa maha valalanina.ny olona mba niasa teo,izao lasa tsy ana'asa koa.iza nefa no nanao izany rehetra izany????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1783