Taratasy misokatra ho an'ny Filoha RAVALOMANANA

1. rabaradaka ( 08/04/2009 09:13)
Ho an’Antoa Marca Ravalomanana, Filohan’i Repoblikan’i Madagasikara,
Tsaroko tsara ny teninao nandritra ny fifidianana ny Ben’ny Tananan’Antananarivo hoe : raha voafidy eo io Andry io dia ho rava isika mianakavy. Nisy mpanao gazetin’ny MBS maro nanatrika izay resaka zay.Dia hoy aho hoe tamim-pahatsorana : ho voafidy eo i Andry fa mila mahay miara-miasa ianareo mianaka, ampio izy ary aza asiana elanelana ny aminareo. Tsy izay anefa no nitranga fa dia sabotage sy fanenjehana no nataon’ny olonao.
Taorian’ny sakafo teny Iavoloha nandritra ny fifampiarahabana tamin’ny Janoary lasa teo dia niteny taminao aho hoe : ovay ny governemanta ary manaova governemantan’ny firaisam-pienena (nisy anaran’olona narosoko ho Praiministra tamin’izay) dia manaova ianao Ato Filoha amnistie ho an’ireo gadra politika sasantsany. Dia hoy ianao tamin’izay hoe : tsy ilaina izany fa aleo dinihina tsara aloha Tsy misy atahorantsika akory eo.
Vao nipoaka ny rotaka dia mbola niresaka taminao aho ary namerina indray hoe ovay ny governemanta ary manaova governemantan’ny firaisam-pienena dia afaho ireo gadra politika. Mbola nisalasala ihany ianao Ato Filoha tamin’izay.
Rehefa nihamafy ny tolon’ny TGV dia tsy afaka nihaona intsony isika fa nisy olona nasaiko nampita hafatra tamin’ny tapatapaky ny volana febroay nanao hoe : mbola tsy tara raha izao no manova governemanta ny Président Ravalomanana ary asaivo manao kabary miendrika fifamelana izy. Mbola tsy nanao ihany ianao Ato Filoha, ilay kabary indray dia efa tena am-bavahaonan’ny farany vao nataonao.
Mbola tsy kivy aho fa ity misy sosokevitra ary fara-hevitra avy amiko ity : manorata ianao amin’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena (SADC, UA, UE, COI, Nations Unies, Francophonie, sy ny sisa izay misy rehetra) ary koa amin’ireo firenena sakaizan’i Madagasika. Izao no hosoratanao ao : tantarao ny zava-nitranga tamin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 16 sy 17 marsa lasa tao. Avy eo miangavia azy ireo hanampy anao amin’ny hamerenana ny ara-dalàna mba hisian’ny tena demokrasia sy fanajana ny safidim-bahoaka. Ataovy io taratasy io dia andefaso manokana i Nicolas Sarkozy, Barak Obama, Angela Merkel, Abdoulaye Wade, ny mpanjakan’ny Norvège, ny mpanjakavavin’ny Angletera, ary ny Papa Benoit XVI.
Rehefa hitanao izay valin-tenin’ireo olona sy fikambanana iraisam-pienena ireo vao tokony hihetsika ny mpomba ny ara-dalàna, eo vao tokony hitodika amin’ny hoavin’i Madagasikara ianao sy ny ho avinao koa. Mila vitanao alohan’ny zoma ity taratasy ity.
Izay ry ray aman-dreny malala no hafatro. Tia anao izahay ary tsy manadino anao. Ry zareo any Manjakandriana, Ambatomanga, Antsirabe, Morondava, Ambositra, Sambava, Mahajanga dia mahatsiaro anao foana.

Hoy ilay sahy miteny ka indraindray halanao.
novalian'i fijo ny 09/04/2009 22:39
2. xxx ( 08/04/2009 09:20)
Ise angaha ilay mpaminany nendrasan-dramalagasy hatrin'ny ela. :)
Lazao anay ary ny hahatafita an'i gasikara fa toa faly fotsiny izahay hoe lasa natao sesi-tany i dada.

Fa kosa teneniko avy hatrany fa ity fitondrana armée internationale eto an-tanana ity dia tsy solution. :evil:
3. xxx ( 08/04/2009 09:33)
ary ity fitondrana mitana basy eto dago ity ve nôrmal ry xxx?
4. Oay ( 08/04/2009 09:38)
Za tsy mahalala an'i rabaradaka fa ny mpanolotsaina manokan'i Ravalomanana d anankiroa no efa niresaka tamiko nivantana tsy t@ fotoana iray fa fotoana samy hafa an! fa izy anankiroa ireo d samy nilaza fa mafy loha tsy azo atoro i Ravalomanana na ilay mpanoratra ny kabariny @ teny vahiny koa aza d niteny anizany! d ilay solombavambahoaka TIM izay koa niteny ana, io solombavambahoaka io no tena niresaka tamiko matetika satria manome cours ny zanany za fa d izao ny fiteniny " izahay anie ry Oay olona nampetraka é!"
Asa na nalefandrabaradaka nivantana any andapa io na ahoana? raha bmisy resaka azo atao moa ry rabaradaka d afaka miresaka ary ambadika isika!
5. xxx ( 08/04/2009 09:40)
Normal be ka! i madagasikara ange ka tany mahaleo tena e! Ka normal be raha misy miaramila mitany basy miaro an'azy.
6. essera ( 08/04/2009 09:43)
Tsotra kely rabaradaka ny valin'io.
Tsy mahatoky olona zany Ra8 : (Isao ny isan'ny olona namany na niara-nitolana io na niara-niasa tany amin'ny orinasany na ireo efa nadobony).

Ary ny tena zava-doza aza dia tsy nahatoky ny tenany izy farany : Tsy nandray décision ho tonga amin'io teneninao io mihitsy izy hoe hampiditra olona hafa ivelan'ny clan-ny fa ny nataony ihany no nataony moa ny tao niaraka taminy aza moa nivadihany tampoka izany.

Dia iza intsony no tena hiara-hiasa aminao akaiky eo farany. Ilay fiaraha-monina mihitsy no tsy hain'i Dada fa nisy zavatra nataony ambony loatra tao.
7. Mirananirina ( 08/04/2009 09:43)
Sur ve ianao fa hohitany io hafatrao io.Anorato taratasy manokana izy e.
8. rabaradaka ( 08/04/2009 10:04)
Tsy mpaminany aho dadatoa fa efa ela nanaovana politika. Tsotra ange io e, rehefa tsy mihaino ny vahoaka ny mpitondra de midaboka
9. milamm ( 08/04/2009 12:33)
raha ny vontoaton\'ity fanambaràna mpanolotsain\'A.toa Ravalomanana ity dia manamafy fa tsy manan-tsofina hihaino toro-hevitry ny hafa izy ary izao vokany izao akory tsy tongatonga fa efa voamana izy irery ihany no tsy niomana @izao fisehon-javatra izao miverina indray ny niseho t@ 2002 izay niforonan\'ny PDS notendreny A.toa Ravalomanana talohan\'ny Gouvernement de réconciliation nationale notakian\'ny OUA izay akaiky antsika tokoa @ fifandraharahana iraisam-pirenena raha nanorina ny Rep faha-3 izay nahitana ny governemantan\'i J.Sylla(arema),narahin\'ireo mpanelanelana solontenan\'ny firenena mikambana afrikana,eropeana sns maso,dia tsy maintsy teraka ny antoko politika TIM (Tiako Madagasikara)mba hampifandanja ny hery @ fifidianana ny pouvoir législatives farany 2002.Io ihany izao miverina 2009 izao ka tsy maintsy handalo ny comités de regroupement de réconciliation nationale malalaka ny rehetra fa tsy assise nationale tandrametaky andry no amahana olana no sady efa anti-constitutionelle rahateo
Anisany afera asa izay efa nisy naheno angamba izy ity momba ilay Falcon 900 t@ 19/06/2002raha nandray fitenenana ny mpitondra tenin\'ny Repoblika faha-3
tao @ onjam-peon\'ny radio nasionaly sy televiziona(ary tadidio fa misy IFANDRAISANY be dia be @ zay ho lazaiko eto ny nandoroana ny RNM sy TVM noho ireo fanambarana ireo ka mody nampifangaroana @ pillage sy fanimbana tanàna nanakaraman\'i andry jiolahim-boto ary novokarin\'ireto manaraka ireto, i ratsy iraka sy firaisany tsikombakomba @ la frantsa hamotika an\'i Madagasikara sy hambotry ny hareny malagasy),ialako tsiny indrindra raha @ teny frantsay ny lahatsoratra satria izay no nanambarana azy tao
Un avion français Falcon 900 ayant à bord une douzaine de mercenaire français a quitté le Bourget,un aéroport militaire français ,le 07 juin 2002 à 20 heures 25 detination à Tamatave via Assouan en Egypte .Cet avion et ces mercenaire,retenue en Tanzanie,ont été affrérés et payé par ratsy iraka pour l\' assassinat du Pdt Ravalomanana ,ainsi que ceux des généraux à hautes responsabilités du régime ,une opération nomée commando qui a été élaborée à Paris dans un quartier résidentiel d\'affaires français et deux
autres cerveau de ratsy iraka Malala zo Raolison et nirina Andriamanerasoa.Pour mémoire je cite ici les noms des affreux,Luc Marquez Riveza son vrai nom Malacrino,Marc Garibaldi,Alain Travers,Cyrilles Avigne,Guillaume Farafarot,Hervé Pannetier,Michel Lamour,Nicolas Loire,Gérard Fourneret,Philippe six et gabriel Petitgérard qui ont reçu chacun 90.000 FF de ratsy iraka pour tuer des malgaches et détruire notre capitale(Si vous les rencontrer crachez les au visage de notre part)
Teo @ io kihon-dalana io dia mbola niray hina ny tafika sy miaramila malagasy nandresy ireo mpikomy sy ny nanaganana ny firaisam-pirenena 2002,ary dia porofo mitohoka @ tenda fa coup de mercenariat niverina indray io namotika sy nandoro ny renivohitra ary nikasa hamono an\'A.toa Ravalomanana ka nosarotsaromana @ fihetsiketsehan\'i andry TGV sy ny kapisaty nanao ny 07/02/2009 sy ny tifitra an-dalambe teny @ 13 mai
10. KALACK ( 08/04/2009 12:36)
: Taratasy misokatra ho an'ny Filoha RAVALOMANANA
Ho an’Antoa Marca Ravalomanana, Filohan’i Repoblikan’i Madagasikara,
Tsaroko tsara ny teninao nandritra ny fifidianana ny Ben’ny Tananan’Antananarivo hoe : raha voafidy eo io Andry io dia ho rava isika mianakavy. Nisy mpanao gazetin’ny MBS maro nanatrika izay resaka zay.Dia hoy aho hoe tamim-pahatsorana : ho voafidy eo i Andry fa mila mahay miara-miasa ianareo mianaka, ampio izy ary aza asiana elanelana ny aminareo. Tsy izay anefa no nitranga fa dia sabotage sy fanenjehana no nataon’ny olonao.
Taorian’ny sakafo teny Iavoloha nandritra ny fifampiarahabana tamin’ny Janoary lasa teo dia niteny taminao aho hoe : ovay ny governemanta ary manaova governemantan’ny firaisam-pienena (nisy anaran’olona narosoko ho Praiministra tamin’izay) dia manaova ianao Ato Filoha amnistie ho an’ireo gadra politika sasantsany. Dia hoy ianao tamin’izay hoe : tsy ilaina izany fa aleo dinihina tsara aloha Tsy misy atahorantsika akory eo.
Vao nipoaka ny rotaka dia mbola niresaka taminao aho ary namerina indray hoe ovay ny governemanta ary manaova governemantan’ny firaisam-pienena dia afaho ireo gadra politika. Mbola nisalasala ihany ianao Ato Filoha tamin’izay.
Rehefa nihamafy ny tolon’ny TGV dia tsy afaka nihaona intsony isika fa nisy olona nasaiko nampita hafatra tamin’ny tapatapaky ny volana febroay nanao hoe : mbola tsy tara raha izao no manova governemanta ny Président Ravalomanana ary asaivo manao kabary miendrika fifamelana izy. Mbola tsy nanao ihany ianao Ato Filoha, ilay kabary indray dia efa tena am-bavahaonan’ny farany vao nataonao.
Mbola tsy kivy aho fa ity misy sosokevitra ary fara-hevitra avy amiko ity : manorata ianao amin’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena (SADC, UA, UE, COI, Nations Unies, Francophonie, sy ny sisa izay misy rehetra) ary koa amin’ireo firenena sakaizan’i Madagasika. Izao no hosoratanao ao : tantarao ny zava-nitranga tamin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 16 sy 17 marsa lasa tao. Avy eo miangavia azy ireo hanampy anao amin’ny hamerenana ny ara-dalàna mba hisian’ny tena demokrasia sy fanajana ny safidim-bahoaka. Ataovy io taratasy io dia andefaso manokana i Nicolas Sarkozy, Barak Obama, Angela Merkel, Abdoulaye Wade, ny mpanjakan’ny Norvège, ny mpanjakavavin’ny Angletera, ary ny Papa Benoit XVI.
Rehefa hitanao izay valin-tenin’ireo olona sy fikambanana iraisam-pienena ireo vao tokony hihetsika ny mpomba ny ara-dalàna, eo vao tokony hitodika amin’ny hoavin’i Madagasikara ianao sy ny ho avinao koa. Mila vitanao alohan’ny zoma ity taratasy ity.
Izay ry ray aman-dreny malala no hafatro. Tia anao izahay ary tsy manadino anao. Ry zareo any Manjakandriana, Ambatomanga, Antsirabe, Morondava, Ambositra, Sambava, Mahajanga dia mahatsiaro anao foana.

Hoy ilay sahy miteny ka indraindray halanao.




RABARADAKA A ! RA HERY ZAO NO TENA HAINGANA ANDEFASANAO SY AMPITAINAO NY HAFATRAO ,FA RAVALO TSY HIDITRA ETO AM FORUM ETO HAMAKY AN'IO FA I HERY NO METY MAHITA AZY
11. milamm ( 08/04/2009 12:44)
jereo tsara fotsiny ireny vazaha nanaraka an'i andry sy nandehandeha eran'ny tanana nampiofana ny kapisaty ireny rabaradaka de mazava ny sary,hanendaka fahefana sy hamono an-dRavalomanana
12. xxx ( 09/04/2009 15:40)
Olona efa hitanareo izao ve fa mafy loha tsy laitra hanarina dia mbola ilaina haverina eo?! Izany ve ilay hoe zatra voazanaka sa aferan'ambaniandro izy ity ka tsy maintsy tohanana na hahakenda aza?! Ohatry ny tsy fantatrareo avokoa ny ratsy rehetra nataony rehefa sendra ny maozatra noho izy i dada. Indrindra moa fa ambaniandro ihany koa ilay nanala azy teo.

Hatrizay naha gasy ny gasy dia tsy mbola nisy ray aman-dreny nibaboka tamin-janaka izany. Ny antony dia tokony hanana fitondran-tena mendrika ny ray aman-dreny mba tsy hahatongavana amin'izany. I dada anefa ity nibaboka imasom-bahoaka fa nanao tsy mety teo amin'ny fitondram-panjakana. Ataovy antsaina tsara fa tara 5 minitra ny alatsinainy maraina ny zanak'anabaviny iray niasa tao @ tiko dia voaroaka poa toa izay. Tsisy resaka fianakaviana. Tsisy fifonana. Masoko izao no nahita izany. Dia androany i dada mifona ary manao izao hevitra rehetra izao hiverenana eo @ fitondrana. Iza anefa sisa no hiara-hiasa aminy?! Isika forumistes eto izay tsy mbola nahazo toerana hatrizay?!

Aleo ny ho avy no hatrehina ary hitady olon-kafa hatolotra ho filoham-pirenena fa i dada efa has been. Ny lehiben'orinasa toa azy ireny no mpamoaka teny hoe 'personne n'est indispensable dans l'entreprise'. Averina aminy io hoe misy olon-kafa koa mahazaka an'io toerana io fa tsy hoe izy foana no tokony ho eo.
13. fijo ( 09/04/2009 22:39)
ary baradaka kay akaiky an dravalo fa nivadika palitao koa an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2505