Tsara2 ko2 ra tsy miverina alo Ra8

1. essera ( 06/04/2009 05:54)
Salama daholo e,

Am-pahatsorana sy am-pantoniana no hitenenako fa tsara2 ko2 ny tsy hiverenan-dRa8 aloha. Tsy hoe tsy fitiavana azy akory na fahatahorana fa efa mandroso be amin'ny lalina izao ny tetezamita, ka olana miampy olana ny fiverenany eo raha manana silam-pahendrena kely izy.
Ekeko fa malahelo an'i Dadanareo nareo fa eritrereto ihany. Tsy maintsy ho maro isika no hitsena na ny andaniny na ny ankilany fa ao ny mitoraka voninkazo ary ao no hitoraka tavim-bonikazo.
Hevitra ihany ny ahy fa samy olon-dehibe isika.
novalian'i Oay ny 06/04/2009 14:56
2. hery ( 06/04/2009 06:09)
Tokony haverina daholo izay olona rehetra afaka mamingana sy mandrava ity tetezamita petatoko ity. Na ravalo na radidy na Gallieni. :-)
3. Oay ( 06/04/2009 06:24)
hery:

Tokony haverina daholo izay olona rehetra afaka mamingana sy mandrava ity tetezamita petatoko ity. Na ravalo na radidy na Gallieni. :-)



Izany hoe raha azoko tsara izany ny hevitr'i hery: D na efa hita izao aza fa mandroso mankany @ filaminana isika @ izao fotoana izao d aleo averina daholo izay afaka mamingana d amizay tsy mahavita ninn ry TGV?
D raha eny ny valiny avy @ i hery , D mipetraka indray ny fanontanina manao hoe ny hahavitan'i TGV zavatra tsara eto Madagasikara mihintsy ve no tsy tian'i hery?


4. ravatorano ( 06/04/2009 06:27)
amiko indray rah T hiverina izy inona no olana
ny maagaga fotisny dia izao ny praiminisitry ny tetezamita miteny hoe tsy olana aminy raha miverina i Ravalo nefa ingahy andry indray zao vao nilaza tany Mahajanga sy Antsiranana hoe tsy ilaina ny hiverenany intsony eto Madagasikara !
Raha toa ka malagasy ka malagasy koa tokony tsy asiana mizana mitanila ihany koa fa rehefa omena ny iray dia tokony hatao amin'ny hafa ihany koa.
Tokony ho tan-dalana ny fitondrana tetezamita amizao mba ho mari-toerana tsara raha te hanatontosa amin'ny rariny sy hitsiny ireo fandaharam-potoana navoitra momba ny fifidianana atsy ho atsy.
5. penguin ( 06/04/2009 06:48)
Ny hafa ampodiana hoy andry tgvendrana ary ny hafa tsy hilaina mody sao manelingelina ny fahaizana maneho ity fampidinana ny fisondrotry ny vidim-piainana.
6. ravatorano ( 06/04/2009 07:01)
Raha toa ange ka tsisy mifanenjika eto dia tsy hisy hitsoaka koa e ka tsy aleo ve tsy mifanenjiak fa miara miezaka hanondrotra ity firenene efa latsaka an-katerena ity e
7. rabaradaka ( 06/04/2009 07:01)
Misy fahendrena tsara ny an'ny dadatoa essera ary heveriko fa misy afaka handinika an'izay marina
8. njara2007 ( 06/04/2009 07:33)
Tsy hoe tsy tokony hiverina i dada; fa tokony hoe: aleo aloha i dada haka aina kely eh!!! Tsy misy tia fitondrana tatezana mita eto fa angamba tsaratsara kokoa aloha tsy miverina i dada satria teo amin'ny toerany aza izy tsy nahavoatazona ny sezany intsony ko maika moa fa ............ Ny tokony hisy eto Madagasikara fotsiny ange d tokony hifamela heloka eh: asaina manao bizoubizou i dada sy i dadabe sy i zandrikely; d ny mpomba azy rehetra eh!! Tokony handala ny fihavanana hatrany isika
9. bozyboleta ( 06/04/2009 07:58)
Izaho na dia mpankasitraka ny Filoha Ravalomanana aza, dia anisan'ny efa nanipy hevitra t@ namana ny tsy tokony hiverenany indrindra @ zao fotoana zao. Heveriko fa tsy mbola fotoana izao hiverenany fa atsy ho atsy angamba.
Aleo izy haka aina any @ misy azy fa aleo ny gasy higoka ny maminy/ngidiny @ zao rafitra fôpla izao.
Anisan'ny nanipy hevitra t@ namana ihany koa ny @ hikatonan'ny TIKO. Tanteraka izy io ka dia hisonanika ny gasy higoka ny maminy/ngidiny @ vidim-piainana.
Hain'ny madio saina foana ny manao fampitahana kelikely eo. Tsy ho ela akory fa vetivety ihany dia hisongadina ny faha-samy hafana.
Ny mampalahelo fotsiny dia ny mahazo ny tantsaha. Ireo foana mantsy no adino rehefa manao ny ataony ny eto an-drenivohitra @ fitadiavan-tseza.
10. Oay ( 06/04/2009 08:23)
Misaotra an'i bozy fa tena ray amandreniny mitsinjo ny hahatsara anjanany tokoa izy!
Mbola averiko fa aleo alika velona toa izay soavaly maty!
Azavaiko ny fahitako anazy raha izao no mody i dada d tsy hisalasala ry TGV ny hisambotra anazy ka hametraka anazy ao Tsiafahy, ny olana d mety hofaty ao Tsiafahy i dada satria na ao aza d mamay be ny tsy fitiavana an'i dada ka tsy hisalasalana fa d hisy hamono i dada!
Ka amiko aloha d aleo i dada hiandry kely fa isika zanany handray andraikitra @ fihaonambe d averintsika @ aradalana i dada fa tsy mety amintsika intsony ilay midina andalambe satria asa ny jiolahimboto izany! isika anefa olona Kristianina! fa za mino fa azontsika @ alalan'ny fifidianana io é! d za hiteny @ dada hoe "AZA AVERINA INTSONY NY TSY NETY NATAO DADA A!"
11. essera ( 06/04/2009 12:05)
hery:
Tokony haverina daholo izay olona rehetra afaka mamingana sy mandrava ity tetezamita petatoko ity. Na ravalo na radidy na Gallieni. :-)


Tsy misy olana mits Rahery a. Aza mitsara mialoha ihany aloha mba tsy hotsaraina, sao ny petatoko no mahavita zavatra tsara kokoa noho ilay ara-dalàna ankosoka dradradradraina isan'andro. Toy ilay mpivavaka andro alahady fa mpangalatra akoha du lundi au samedi.
Efa boay kely zandrintsika izao no mahavita manao KO bandy efa nikotrana firy taona. Tokony ho menatra ihany a. Ni-sous-estimer loatra mantsy :

Tsaroako mihitsy ary tsy hohadinoinay voageja sy voambaka ny hoe :

- Mbola tsy ary elatra dia te hanidina.
- Tsapao aloha ny hery vao mifanandrina.
- Tohizo hatramin'ny farany rehefa hanao.
- Raha misy koa tany azo totofana dia totofana.



12. Oay ( 06/04/2009 12:49)
essera ka inn no fantatray amin'ireo lazainao ireo fa ny anay mandeha tsara daholo fa ny manahirana anay génération TGV d izao:
_t@ mbola kely TGV vendrana kanefa lasany daholo ny sipa
_zahay nandany vodi-pataloha nianatra kanefa TGV no lasa kala be!
_zahay mba mipetraka aty andafy kanefa TGV no miseho télé sy pejy voalohany @ haino amanjery
_zahay no bokon'ozatra kanefa i TGV no atahoran'ny mpanendaka
Raha fitinina d i TGV lasa milay be fa zahay mi...... d izay no tsy zakanay fa d aleo tsorina!
13. soanja ( 06/04/2009 13:48)
Raha amin'izao fotoana sahotaka izao ny hiveranany dia hoy aho hoe hampitondra faisana ny vahoaka Malagasy tokoa izy satria hisy ny ra mandriaka sy ny hafa maro tsy voatanisa. Tsy mendrika ho azy ny hiverenany amin'izao.

Mino aho fa olom-baovao Ra8 raha miverina eo. Nianatra lesona izy izay ary ny fiainana no nanome azy lesona dia ny vahoaka namafa ny kiho tamin'ny olana napetrany. Enga anie ka haveriny amin'ny laonininy impolo fitoheny ny fahasimbana sy ny fahavoazana nitranga vokatry ny fitiavan-tenany. Angatahako amin'Andriamanitra ny ahavitany manao izany indray andro any.

Fa amin'izao kosa dia hoy aho hoe maka aina aloha. Manaova fandinihan-tena lalina. Avelao I Madagasikara handalo izay tokony handalovany. Tadiavo izay mety any ambadika any hanatsarana ny momba an'i Mada amin'ny lafiny hafa fa tsy ny fiveranana aloha. Ny fahaizana mahay miaritra sy miandry fotoana ampamalinana ihany no hany fomba azahoana fahendrena sy hery misikina fanantenana hanatsarana zavatra.
14. xxx ( 06/04/2009 14:03)
"soanja":
Tsy mendrika ho azy ny hiverenany amin'izao.
fa mendrika ho an'ny mpisolelaka na dia efa hita zao aza ve ireto habibiana rehetra ataon'ny tarik'i tgv syratsiraka?
"soanja":
Enga anie ka haveriny amin'ny laonininy impolo fitoheny ny fahasimbana sy ny fahavoazana nitranga vokatry ny fitiavan-tenany.
hay Ra8 no nanimba? fa tsy ny jiolahimboton'gv? aiza re zany e! zao ny zavara rehetra natsangany noravan'i tgv daholo!
"soanja":
Manaova fandinihan-tena lalina.
iaoano sy ny fankalahanao no tokony hanao fandinihan-tena lalina dia lalina indrindra @ zao herinandro masina zao! fa tsy ny hanenjika azy foana no atao! Ary hajanony ny manonona tsy misy farany an'Andriamanitra raha ny tena aza tsy voajery akory @ fankalahana ny hafa! tena mba vavaka ve izany?
15. Oay ( 06/04/2009 14:56)
Tsy azoko mihintsy ny tsy azahoan'ny ampahany aminay zaza naveland-dRavalomanana hoe " Tsy aleo ve aloha hilamm d misesy"
i Soanja zao d tsy maneho fankahalana fa mba miteny fotsiny izy hoe :" aleo maka fotoana handinihana ny atao" d maninn no lazaina fa tsy mety izany torohevitra avy aminy izany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1249