Mahatsiaro ity teniny ity ve i odon?

1. bozyboleta ( 03/04/2009 08:00)
Isanandro dia manao ny ataony ny miaramila manenjika ireo mpanohana ny ara-dalàna na teny Ambohijatovo na eo @ kianja 13 mai.
Averiko eto ny tenin-drazanakorona ho an'ireo mbola mahita hoe nety ny nataon'io rangahy io; ahafahan'izy ireo mandanjalanja amin'ny saina tsy miangatra (raha hainy izany 8O ) ny zava-nisy t@ izany sy ny mitranga @ zao.

Fanambaran'i Mgr Odon Razanakolona t@ 6 mars 2009 ...
…. hajanona ny fanenjehana, fitifirana sy ny famonoana olona. Avela haneho hevitra malalaka ny vahoaka, avela malalaka hanao ny asany ny haino aman-jery rehetra mba hampahafantatra ny vaovao marina sy ny zava-misy. Ankehitriny, tsapako fa tsy dia tanteraka ireo fepetra ireo ary mainka miha-mahery vaika aza ny zava-mitranga…. Voalohany ny teto an-drenivohitra sy ny an-tanàn-dehibe. Sakanana ny fanehoan-kevitra sy ny fihetsiketsehana rehetra. Ampihorohoroana ny vahoaka amin'ny alalan'ny fanapoahana fitaovam-piadiana, na any an'elakelan-trano, na any amin'ny faritry ny sekoly, na any amin'ny toeram-pitsaboana. Ary tsy vitsy ireo voatifitra namoy ny ainy na naratra. Enjehina sy samborina ary ampijaliana izay rehetra mitady haneho hevitra. Etsy andaniny, sembatsembanina sy ajanona ireo hainoaman-jery milaza ny zava-misy amin'ny vahoaka. Etsy ankilany anefa, mahazo vahana sy manao ny danin'ny kibony ny haino aman-jery hafa mandrangitra sy mampirisika ny ady sy ny fifandonana. ... Noho izany dia mbola hamafisiko eto ny fanambarana izay efa nataoko, fa izay no asan'ny mpaminany na dia miteny any an’efitra aza izy: Voalohany, ajanony ny herisetra sy ny famonoana olona; ajanony ny fanenjehana sy ny fampihorohoroana. Ianareo mpitandro ny filaminana: aoka ianareo ho tena mpiaro marina ny vahoaka sy ny fananany. Ianareo tafi-bahoaka tandroka aron'ny vozona, tsy manome baiko anareo aho sanatria fa miangavy anareo, raiso ny andraikitrareo: arovy ny vahoaka. Isika vahoaka, aoka hiray hina ... eo amin’ny faritra misy antsika tsirairay avy.

novalian'i fijo ny 03/04/2009 20:15
2. xxx ( 03/04/2009 08:03)
tsaroany tsara ka
3. bozyboleta ( 03/04/2009 08:09)
Ary sahiny averina ve?
4. xxx ( 03/04/2009 08:15)
ka tsy eo i pasteur Rasendrahasina, fa lasa any andafy. nefa teny niarahan-dry zareo natao iny tsinn. teny niarahany t@ FFKM. mpitondra teny i mgr fa aoka tsy ho hadinon-tsika
5. bozyboleta ( 03/04/2009 08:26)
Heviny irery io e!
Taorian'ny fisintahany t@ dinika no nanaovany an'io @ anarany manokana fa tsisy idiran'ny maha-mpitondra tenin'ny FFKM azy.
Hay mitovy ihany nareo sy be orona. Samy mora manadino.
6. Oay ( 03/04/2009 08:26)
Bozy ka ny valinteny avy @ mpitondra tenin'ny FFKM d hoe:
_Efa afaka miresaka eny ambony latabatra izao ka d mankeny ambony latabatra ny famahana ny olana fa tsy eny andalambe intsony.
_rehefa vita ny resaka ambony latabatra ka misy manao lohamboto tsy mihaino ny mpanohitra satria: 95% ny solombavabahoaka d anazy ary ny ankamaroany d mpiasany, 100% ny antenimierandohaolona d anazy ary ny filou an'ilay andrimpanjakana d mpiasany d rehefa izay no miseho d midina eny andalambe maneho hevitra satria manampitsofina sy manao didy jadona ny mpitondra! Izay izany ilay fanambarana!
fa azontsika atao aloha ny mipetrapetraka eny Ambohijatovo sy 13mai miandry ny fiverenan'i dada an!
7. bozyboleta ( 03/04/2009 08:36)
fa azontsika atao aloha ny mipetrapetraka eny Ambohijatovo sy 13mai miandry ny fiverenan'i dada an!

Ka maninona no andefasana miaramila hamono fa tsy avela izy hipetrapetraka eny araka ny lazainao?
8. BOYSGOSS ( 03/04/2009 08:39)
Zah katolika ary Nivavaka tao @ ECAR St Ignace de Loyola Soamanandrariny, vita batemy, kominio voalohany, Confirmation, ary t@ fahakeliko zah dia efa nanao FET ary efa mpiservy lamesa koa, ankehitriny kosa ary tsy mahamenatra ahy zany ary tsy hiasako saina akory koa na misy tezitra ary FA TSY MANANA MOTIVATION SY FIERTE D'ETRE CATHOLIQUE ZAH ARY TSY MIVAVAKA @ CATHOLIQUE TSONY ZAH ZAO NOHO I ODON RAZANAKOLONA, EFA NIVIDY BAIBOLY PROTESTANT ZAH ARY EFA MANANA FIHIRANA FFPM ARY EFA FIANGONANA PROTESTANT ZAO NO HIVAVAHAKO
9. Oay ( 03/04/2009 08:48)
Bozy a! ka isika no mihanahana fa maninn raha tairina ny gidra ka fanjakana mizaka tena aza efa tiantsika sy mahasahy antsika ka maninn raha amizao tonga d mandeha ery @ capsat d tonga d raikitra io!
Lazaiko an'i bozy fa raha tsy bobaka ny maty amintsika tsy hisy miaramila sahy hivadika @ CEMGAM @ izao fotoana izao eo!
ka ahoana ry bozy efa vonona ny hofaty ho an'i dada ve isika sa hompametaka afisy sy mpandrangitra fotsiny ihany!

BOYSGOSS: mahafinaritra ny nataonao fa d manamafy ny fivavahana oekominika ianao, fa gaigy ny nataonao raha nivadika tsy hompino an! Mazotoa fa mivavaka ho anao ny fianakaviambe Kristianina!
10. Fanhaiky ( 03/04/2009 09:00)
BOYSGOSS:

Zah katolika ary Nivavaka tao @ ECAR St Ignace de Loyola Soamanandrariny, vita batemy, kominio voalohany, Confirmation, ary t@ fahakeliko zah dia efa nanao FET ary efa mpiservy lamesa koa, ankehitriny kosa ary tsy mahamenatra ahy zany ary tsy hiasako saina akory koa na misy tezitra ary FA TSY MANANA MOTIVATION SY FIERTE D'ETRE CATHOLIQUE ZAH ARY TSY MIVAVAKA @ CATHOLIQUE TSONY ZAH ZAO NOHO I ODON RAZANAKOLONA, EFA NIVIDY BAIBOLY PROTESTANT ZAH ARY EFA MANANA FIHIRANA FFPM ARY EFA FIANGONANA PROTESTANT ZAO NO HIVAVAHAKO


O ry namana fa angaha olombelona no ivavahanao sa mba Andriamanitra ihany no dia hivadim-pinoana @ zany eh! heviny @ maha olombelona azy anie iny


11. Oay ( 03/04/2009 09:15)
Fanhaiky:


O ry namana fa angaha olombelona no ivavahanao sa mba Andriamanitra ihany no dia hivadim-pinoana @ zany eh! heviny @ maha olombelona azy anie iny






izany ka FANAHY AIKY!
12. bozyboleta ( 03/04/2009 09:56)
Lazaiko an'i bozy fa raha tsy bobaka ny maty amintsika tsy hisy miaramila sahy hivadika @ CEMGAM @ izao fotoana izao eo!
ka ahoana ry bozy efa vonona ny hofaty ho an'i dada ve isika sa hompametaka afisy sy mpandrangitra fotsiny ihany!
:roll: :roll: :roll: :roll: :roll: :roll: :roll: :roll: :roll: :roll: :roll:

Hay ve ny hisian'ny faty mikararana mitsy zany no tadiavina???
Zany zany ho hanaovana vono-moka ny olona teny Ambohijatovo sy 13 mai???
Mahatsiaro ny tenin-dry pety sy ry voninahitsy aho hoe herinandro ihany dia tantara sisa fa tsisy tamingana mpanohana an-dRavalomana intsony.
Mitombina ihany ny nolazaiko omaly fa aleo atsangana ny faritany mizaka tena de mody any aminy daholo reo miaramila gena be sy reo gidro miakatra an-tanàna reo fa tsy Antananarivo no ataony vono-moka.

Tsisy fihatsarambelatsihy.
13. BOYSGOSS ( 03/04/2009 09:56)
Fanhaiky:

BOYSGOSS:

Zah katolika ary Nivavaka tao @ ECAR St Ignace de Loyola Soamanandrariny, vita batemy, kominio voalohany, Confirmation, ary t@ fahakeliko zah dia efa nanao FET ary efa mpiservy lamesa koa, ankehitriny kosa ary tsy mahamenatra ahy zany ary tsy hiasako saina akory koa na misy tezitra ary FA TSY MANANA MOTIVATION SY FIERTE D'ETRE CATHOLIQUE ZAH ARY TSY MIVAVAKA @ CATHOLIQUE TSONY ZAH ZAO NOHO I ODON RAZANAKOLONA, EFA NIVIDY BAIBOLY PROTESTANT ZAH ARY EFA MANANA FIHIRANA FFPM ARY EFA FIANGONANA PROTESTANT ZAO NO HIVAVAHAKO


O ry namana fa angaha olombelona no ivavahanao sa mba Andriamanitra ihany no dia hivadim-pinoana @ zany eh! heviny @ maha olombelona azy anie iny




Non, diso be ianao, Andriamanitra iray ihany ary ny finoako azy no zava-dehibe fa tsy ny fiangonana hidirako, fa kosa zah dia tsy hanaiky velively ho entin'ny olona mpanavakavaka tahaka an'i Odon sy ireo eveka makasitraka izao tetezamita mamono olona sy mpandroba izao, rehefa makasitraka ny mpamono olona dia mpamono olona zany. Mpitaribato vilam-bava izy ka tsy hanaiky ho zah zao mintsy no entiny.
Andriamanitra iray ihany ka meety amiko na Adventiste na MRE na FJKM, na FLM,...sns ka rehefa fiangonana mino an'Andriamanitra sy Jesoa ANKOATRY NY CATHOLIQUE

14. madamakely ( 03/04/2009 10:13)
zay le mahazo an-dry bozy boleta, aza afangaro ny zavatra, f'angaha moa I Mgr Razanakolona, raha izy marina no tianao ho resahina, no mibaiko ny maramila fa tsy ny lehibeny tsy miaramila ange i Mgr Odon e! sady ny miaramila manao ny asany: "miaro ny ain'olona sy ny fananany". Dia ampianaro ny olona mpiaro ny ara-dalàna fa tsy grenady mahafaty no nanaparitahana azy ka latsaka teo am-pofoan'ilay vehivavy t@ Matv omaly fa niparitaka hatramin'ny tsinaimaintiny raha izany, ary lanjalanjao tsara aloha hono hoe izay lazaina vao miteny sy MISEHO télé fa mahamenatra olona hoe.
Mbola tany aho fa tsy hoe nanjavona akory ry bozy a.
15. bozyboleta ( 03/04/2009 10:27)
Tonga soa madamakely. Elalela. Nataoko fa matin'ny fofon-kelika sy fofon'ny foza tany mamasina, andaboly sy fianara tany njy. :lol: :lol: :lol:
Mety mbola jenjina koa angamba tany anatin'le 4x4 fitaratra mainty de tsy mamaky tsara.
Koseho tsara aloha ny maso dia avereno vakina le nosoratako hatrany @ voalohany. Tsisy miteny eo hoe i odon no mibaiko miaramila. Sa???
Ny fanamelohana nataony ny miaramila t@ zany no tiako averiny raha sahy izy @ zao zava-misy zao.
Mbola jenjina marina hoa nareo de sarotra mahazo resaka.
16. xxx ( 03/04/2009 10:36)
Sssss Mgr mangorera tsisy ilana azy iny ! Zao hono nedala no milaza fa " neutre " !!! Monseigneur mon cul !
17. Oay ( 03/04/2009 13:14)
Ary bozy zany mitady hiverintsaina sahady an! sady toa tezitra be @ madamekely fa nisy inn! sa madamekely mbola tanora d ohatrany mitsipalotra any ny mason'i .... aiza kosa é!
Fa izao ry bozy a! ny tiako lazaina @ ilay hoe mila maromaro no maty vao hisy fisarahana ao @ miaramila d izao: "Rehefa mbola tsy ny miaramila no mizarazara d aleo hafoy toa ny maty i dada fa tsy misy hevitra hiverenany intsony eo"
Lazaiko an'i bozy fa raha tsy nizarazara ny miaramila d tadidio fa mbola i dada no nitondra hatramin'izao.
Ka raha tian'i bozy izany ny hamerenana an'i dada d mila manao provocation ny TIM d manao sorona ny ainy d amin'izay mety hisy miaramila hilaza hoe tsy mety intsony izao d raikitra ny ady.
Tsy hotonga anefa izany satria manaradalana ireto miaramila ireto hatramin'izao satria jereo fa tsy misy fitifirana bala tena izy izany fa arahandry zareo tsara ny fomba fanao rehefa mandrava korontana.
Dada wa ry bozy nanao lohamboto ka sendra jiolahimboto mafy noho izy!
18. bozyboleta ( 03/04/2009 14:35)
Misaotra anao manamafy fa fanjakan'ny jiolahimboto marina tokoa zao.


Soa fa mbola feno fahendrena le dadanay ka tsy hamono ny zanany.Sanatria ny hitovy @ devoly sy ny maty fanahy ka hanao sorona.

19. Oay ( 03/04/2009 14:46)
Bozy a! efa fantatrao kosa angamba fa i Oay d niteny ary mbola manamafy fa fanjakana lohamboto nosoloina fanjakana lohamboto ny misy eto Madagasikara an!
Fa na izany aza anefa d aleon'i Oay aloha ity fanjakana lohamboto vao² no atao izay hiovany satria ity mba manaiky ny hifankalozankevitra fa ilay jiolahimboto teo aloha teo anie ka sady manao valiteny anavona no niseho azy ho mafy be kanefa toa ohatrany moramora ihany no nanalan'i Lucky Luke an'i Les Dalton klé hihihi...
20. fijo ( 03/04/2009 20:15)
aza hafangaro kosa ny katolik asy odon e.i odona no nanoa ny ataony fa tsy ny katolika.firy ny katolik amitaky ny aradalana????sa dia hosaziana miaraka amin'izay adalan'i odona daholo izy ireo????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0475